Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Efa Nanomboka “ny Fitsanganana Voalohany”!

Efa Nanomboka “ny Fitsanganana Voalohany”!

Efa Nanomboka “ny Fitsanganana Voalohany”!

“Izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana voalohany.”—1 TESALONIANINA 4:16.

1, 2. a) Inona no fanantenana ho an’ireo maty? b) Nahoana ianao no mino fa hisy fitsanganana amin’ny maty? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

“FANTATRY ny velona fa ho faty izy.” Izany no zava-misy nanomboka tamin’ny fotoana nanotan’i Adama. Izay olombelona rehetra niaina teto an-tany hatramin’izay dia nahalala fa mbola ho faty, ary maro no nanontany tena hoe: ‘Inona no hitranga aorian’ny fahafatesana? Manao ahoana ny maty?’ Mamaly toy izao ny Baiboly: “Ny maty ... tsy mba mahalala na inona na inona.”—Mpitoriteny 9:5.

2 Misy fanantenana àry ve ho an’ny maty? Eny. Tsy maintsy misy izany, mba hahatanteraka ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany momba ny olombelona. Nampanantena mantsy i Jehovah, fa hisy Taranaka iray hanorotoro an’i Satana sy hanafoana ny fahavoazana rehetra nentiny. (Genesisy 3:15) Nino an’izany ireo mpanompon’Andriamanitra tsy nivadika, nandritra ireo taonjato nifandimby. Efa maty anefa ny ankamaroan’izy ireny. Mila hatsangana amin’ny maty àry izy ireny, mba hahitany ny fahatanterahan’io fampanantenan’Andriamanitra io sy ny fampanantenany hafa. (Hebreo 11:13) Hitsangana tokoa ve ny maty? Eny. Hoy ny apostoly Paoly: “Hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.” (Asan’ny Apostoly 24:15) Indray mandeha, dia nianjera avy teny amin’ny varavarankelin’ny rihana faharoa ny tovolahy iray atao hoe Eotyka, ary “hita fa maty.” Nanangana azy tamin’ny maty i Paoly. Io no farany tamin’ireo fitsanganana amin’ny maty sivy voatantara ao amin’ny Baiboly.—Asan’ny Apostoly 20:7-12. *

3. Inona no fampiononana azonao avy amin’ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 5:28, 29, ary nahoana?

3 Mahatonga antsika hino ny tenin’i Paoly, ireo fitsanganana amin’ny maty sivy ireo. Manjary matoky kokoa isika fa ho tanteraka ny tenin’i Jesosy hoe: “Ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny feon[’i Jesosy], dia hivoaka izy ireo.” (Jaona 5:28, 29) Mahafaly tokoa izany, sady tena mampahery an’ireo olona an-tapitrisany manana havan-tiana efa nodimandry!

4, 5. Inona avy no karazana fitsanganana amin’ny maty lazain’ny Baiboly, ary iza amin’ireo no hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?

4 Hatsangana eto an-tany ny ankamaroan’ireo nodimandry, rehefa hitondra ny tany ny Fanjakan’Andriamanitra. (Salamo 37:10, 11, 29; Isaia 11:6-9; 35:5, 6; 65:21-23) Hisy fitsanganana amin’ny maty karazany hafa anefa, alohan’izay. I Jesosy Kristy no hatsangana voalohany, mba handoavany amin’Andriamanitra ny vidin’ny sorona nataony. Maty izy tamin’ny taona 33, ary natsangana tamin’io taona io ihany.

5 Manaraka izany, dia tsy maintsy hatsangana ho any an-danitra mba hiaraka amin’i Jesosy Kristy Tompo ao amin’ny voninahiny, ireo voahosotra anisan’ny “Israelin’Andriamanitra.” “Hiaraka amin’ny Tompo foana” izy ireo amin’izay. (Galatianina 6:16; 1 Tesalonianina 4:17) Antsoina hoe “fitsanganana amin’ny maty aloha kokoa” na “fitsanganana voalohany” io fitsanganana io. (Filipianina 3:10, 11; Apokalypsy 20:6) Rehefa vita izy io vao hatsangana eto an-tany ny olona an-tapitrisany manantena hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa. Tena irintsika ho fantatra àry ny momba “ny fitsanganana voalohany”, na manantena ny ho any an-danitra isika na ny ho eto an-tany. Ahoana ny momba an’io fitsanganana io? Rahoviana izy io no manomboka?

“Vatana manao ahoana”?

6, 7. a) Inona no tsy maintsy hitranga amin’ireo Kristianina voahosotra, alohan’ny hiakarany any an-danitra? b) Vatana manao ahoana no homena azy ireo rehefa hatsangana?

6 Nanontany momba ny fitsanganana voalohany i Paoly, ao amin’ny taratasiny voalohany ho an’ny Korintianina. Hoy izy: “Hatao ahoana no fanangana ny maty? Eny, vatana manao ahoana izy rehefa tonga?” Toy izao no namaliany ilay fanontaniana: ‘Tsy hovelomina izay afafinao raha tsy maty aloha. Omen’Andriamanitra vatana araka izay tiany anefa ilay voa. Hafa ny voninahitry ny vatan’ny any an-danitra, ary hafa ny an’ny etỳ an-tany.’—1 Korintianina 15:35-40.

7 Hita amin’ny tenin’i Paoly fa tsy maintsy maty ireo Kristianina voahosotry ny fanahy masina, alohan’ny hahazoan’izy ireo ny valisoany any an-danitra. Miverina ho amin’ny vovoka ny vatany rehefa maty. (Genesisy 3:19) Hatsangan’Andriamanitra amin’ny fotoana voatendriny izy ireo, ary homeny vatana mifanentana amin’ny fiainana any an-danitra. (1 Jaona 3:2) Hataon’Andriamanitra tsy mety maty intsony koa izy ireo. Tsy hoe nanana fanahy tsy mety maty akory ireo voahosotra, tamin’izy mbola olombelona. Hoy kosa i Paoly: “Tsy maintsy hitafy ny tsy mety lo ity mety lo ity.” Hatsangan’Andriamanitra ho tsy mety maty àry ireo hahazo anjara amin’ny fitsanganana voalohany, ary fanomezana avy amin’Andriamanitra izany.—1 Korintianina 15:50, 53; Genesisy 2:7; 2 Korintianina 5:1, 2, 8.

8. Inona no porofo fa tsy nofidin’i Jehovah avy tamin’ny fivavahana samy hafa ireo 144 000?

8 Olona 144 000 ihany no hahazo anjara amin’ny fitsanganana voalohany. Nanomboka nifidy azy ireo i Jehovah tamin’ny Pentekosta taona 33, taoriana kelin’ny nananganana an’i Jesosy tamin’ny maty. Manana ‘ny anaran’ny Zanak’ondry [Jesosy] sy ny anaran’ny Rainy voasoratra eo amin’ny handriny’ izy ireo. (Apokalypsy 14:1, 3) Midika izany fa tsy nofidina avy tamin’ny fivavahana samy hafa izy ireo. Kristianina avokoa izy rehetra, ary samy mirehareha mitondra ny anaran’ny Rainy, dia i Jehovah. Hahazo asa any an-danitra izy ireo rehefa hatsangana amin’ny maty. Tena maharavoravo azy ireo ny hoe hanompo an’i Jehovah toy izany.

Efa nanomboka ve ilay fitsanganana?

9. Rahoviana no fotoana tokony hanombohan’ny fitsanganana voalohany, rehefa jerena ny Apokalypsy 12:7 sy ny 17:14? Hazavao.

9 Rahoviana ny fitsanganana voalohany no manomboka? Manana porofo mampiaiky isika fa efa nanomboka ilay izy. Andeha, ohatra, ampitahaintsika ny toko roa ao amin’ny Apokalypsy. Jereo aloha ny Apokalypsy toko faha-12. Hitantsika ao fa niady tamin’i Satana sy ny demoniany i Jesosy Kristy, raha vao nomena seza fiandrianana, ary nanampy azy ny anjeliny masina. (Apokalypsy 12:7-9) Nanomboka tamin’ny 1914 io ady io, araka ny porofo naseho matetika tamin’ity gazety ity. * Mariho anefa, fa tsy voalaza hoe nisy voahosotra mpanara-dia an’i Kristy, niaraka taminy tamin’ilay ady tany an-danitra. Vakio indray izao ny Apokalypsy toko faha-17. Voalaza ao fa handresy an’ireo firenena ny Zanak’ondry, aorian’ny handravana an’i “Babylona Lehibe.” Izao no resahina ao, avy eo: “Ary haharesy koa izay voantso sy voafidy ary mahatoky miaraka aminy.” (Apokalypsy 17:5, 14) Tsy maintsy ho efa natsangana tamin’ny maty ireo “voantso sy voafidy ary mahatoky”, matoa ho afaka hiaraka amin’i Jesosy rehefa handresy tanteraka ny tontolon’i Satana izy. Azo inoana àry fa hatsangana amin’ny maty, eo anelanelan’ny 1914 sy ny Hara-magedona, ireo voahosotra maty alohan’ny Hara-magedona.

10, 11. a) Iza ireo anti-panahy 24, ary inona no nambaran’ny iray tamin’izy ireo tamin’i Jaona? b) Inona no fanatsoahan-kevitra raisintsika avy amin’izany?

10 Azo faritana kokoa ve hoe oviana no nanomboka ny fitsanganana voalohany? Misy fanazavana manampy antsika ao amin’ny Apokalypsy 7:9-15. Tantarain’ny apostoly Jaona ao, fa nahita “vahoaka be tsy tambo isaina” izy. Ny iray tamin’ireo anti-panahy 24 no nanambara taminy hoe iza ireo vahoaka be ireo. Mifanitsy amin’ny 144 000 efa mahazo voninahitra any an-danitra miaraka amin’i Kristy, ny anti-panahy 24. * (Lioka 22:28-30; Apokalypsy 4:4) Ny ho any an-danitra no fanantenan’i Jaona. Mbola olombelona teto an-tany anefa izy, tamin’izy niresahan’ilay anti-panahy. Noho izany, dia tsy maintsy ho mifanitsy amin’ireo voahosotra eto an-tany, izay mbola tsy nahazo ny valisoany any an-danitra i Jaona, tao amin’ilay fahitana.

11 Ny iray tamin’ireo anti-panahy 24 no nanambara tamin’i Jaona hoe iza ireo vahoaka be. Inona no fanatsoahan-kevitra raisintsika avy amin’izany? Hita fa toa mandray anjara amin’ny fampitana ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra ankehitriny, ireo voahosotra natsangana tamin’ny maty anisan’ny anti-panahy 24. Nahoana izany no zava-dehibe? Satria tamin’ny 1935 no nampahafantarina an’ireo voahosotr’Andriamanitra teto an-tany hoe iza marina ireo vahoaka be. Raha ny iray tamin’ireo anti-panahy 24 àry no nampita an’io fahamarinana lehibe io, dia tsy maintsy ho tamin’ny 1935 izy, fara fahatarany, no natsangana tamin’ny maty. Mety hidika izany fa nanomboka teo anelanelan’ny 1914 sy 1935 ny fitsanganana voalohany. Mbola azo faritana kokoa ve ilay fotoana?

12. Nahoana no azo inoana hoe nanomboka teo anelanelan’ny Martsa sy Mey 1918 ny fitsanganana voalohany?

12 Mety hanampy antsika ny fandinihana zava-nitranga sasany lazain’ny Baiboly, izay mety hifanitsy amin’izany. Voahosotra ho Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy Kristy, teo anelanelan’ny Septambra sy Novambra, taona 29. Natsangana tamin’ny maty izy ka lasa zavaboary ara-panahy mahery, telo taona sy tapany tatỳ aoriana, izany hoe teo anelanelan’ny Martsa sy Mey taona 33. Mety ho azo inoana àry ve hoe nanomboka telo taona sy tapany taorian’ny nandraisan’i Jesosy seza fiandrianana, no nananganany an’ireo mpanara-dia azy voahosotra mahatoky? Mety hitombina izany. Raha teo anelanelan’ny Septambra sy Desambra 1914 àry izy no nomena seza fiandrianana, dia mety ho teo anelanelan’ny Martsa sy Mey 1918, no nananganany an’ireo voahosotra mahatoky. Marina aloha fa tsy azo porofoina mivantana avy ao amin’ny Baiboly izany. Tsy hoe mifanipaka amin’ny andinin-teny hafa anefa izany, satria milaza izy ireny fa manomboka aoriana kelin’ny anombohan’ny fanatrehan’i Kristy ny fitsanganana voalohany.

13. Inona no lazain’ny 1 Tesalonianina 4:15-17, izay mahatonga antsika hanatsoaka hevitra fa nanomboka teo am-piandohan’ny fanatrehan’i Kristy ny fitsanganana voalohany?

13 Nanoratra toy izao, ohatra, i Paoly: “Isika izay velona, ka mahatratra ny fanatrehan’ny Tompo [fa tsy hoe ny faran’ny fanatrehany] dia tsy mba hialoha mihitsy an’ireo efa nodimandry, satria ny Tompo mihitsy amin’izay no hidina avy any an-danitra ka hibaiko amin’ny feo avo, amin’ny feon’ny arkanjely sy amin’ny trompetran’Andriamanitra, ka izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana voalohany. Ary aorian’izay, isika izay velona ka mahatratra izany fanatrehany izany, mbamin’izy ireo koa, dia hoentina anaty rahona, mba hihaona amin’ny Tompo eny amin’ny rivotra. Dia hiaraka amin’ny Tompo foana isika.” (1 Tesalonianina 4:15-17) Ireo Kristianina voahosotra maty talohan’ny fanatrehan’i Kristy àry, dia atsangana ho any an-danitra alohan’ireo mbola velona mandritra ny fanatrehany. Midika izany fa tsy maintsy nanomboka teo am-piandohan’ny fanatrehan’i Kristy ny fitsanganana voalohany, ary mitohy “mandritra ny fanatrehany.” (1 Korintianina 15:23) Hitranga mandritra ny vanim-potoana lavalava ny fitsanganana voalohany, fa tsy amin’ny fotoana iray.

“Samy nomena akanjo fotsy lava izy ireo”

14. a) Oviana no tanteraka ilay fahitana ao amin’ny Apokalypsy toko faha-6? b) Inona no tantarain’ny Apokalypsy 6:9?

14 Diniho koa ny porofo omen’ny Apokalypsy toko faha-6. Aseho ho toy ny Mpanjaka mitaingin-tsoavaly i Jesosy ao, ary mivoaka mba handresy. (Apokalypsy 6:2) Tantarainy koa fa tafiditra tanteraka ao anatin’ny ady lehibe mbola tsy nisy toy izany ireo firenena. (Apokalypsy 6:4) Miely patrana ny mosary. (Apokalypsy 6:5, 6) Mandripaka ny olombelona ny areti-mandringana. (Apokalypsy 6:8) Mitovy amin’ireo voalazan’ny faminaniana ireo mihitsy ny zava-mitranga eran-tany, nanomboka tamin’ny 1914. Milaza zava-mitranga hafa mandritra an’io fotoana io koa anefa ny Apokalypsy toko faha-6. Misarika ny saintsika ho amin’ny alitara iray izy. Teo am-pototr’izy io “ny ain’ireo novonoina tamin-kabibiana noho ny tenin’Andriamanitra sy noho ny asa fitoriana nataony.” (Apokalypsy 6:9) Novonoina ireo mpanompo mahatokin’i Jesosy, noho izy ireo sahy sy be zotom-po tamin’ny fitoriana. Ny ran’ireo mpanompon’i Jesosy ireo, raha ny marina, no nolazaina fa teo am-pototr’ilay alitara, satria “ny ain’ny nofo dia [ao] amin’ny ra.”—Levitikosy 17:11.

15, 16. Hazavao hoe nahoana no mifandray amin’ny fitsanganana voalohany ny Apokalypsy 6:10, 11.

15 Nitaraina ny ran’i Abela, lehilahy marina, satria naniry ny hampiharana ny rariny. (Genesisy 4:10) Mitaraina toy izany koa ny ran’ireo Kristianina maty noho ny finoany. “Niantsoantso mafy izy ireo hoe: ‘Ry Tompo Fara Tampony, izay masina sy marina ô, mandra-pahoviana ianao no mbola tsy hitsara ka tsy hamaly ny ranay amin’izay monina eny ambonin’ny tany?’ ” Inona no nitranga avy eo? “Samy nomena akanjo fotsy lava izy ireo, ka nilazana mba hiandry kely aloha, mandra-pahafenon’ny isan’ireo mpiara-manompo aminy sy ireo rahalahiny, izay nadiva hovonoina tahaka azy ireo koa.”—Apokalypsy 6:10, 11.

16 Ny ra nihandrona teo am-pototry ny alitara ve no nomena an’ireo akanjo fotsy lava? Mazava ho azy fa tsia! Nomena ireo olona efa maty izay toy ny hoe nalatsa-dra teo amin’ilay alitara kosa ireo akanjo. Nanao sorona ny ainy noho ny anaran’i Jesosy izy ireo, ary efa natsangana tamin’ny maty ho zavaboary ara-panahy tamin’io fotoana io. Ahoana no ahalalantsika izany? Izao no voalazan’ny Apokalypsy, eo amin’ny toko voalohandohany: “Izay mandresy àry dia hampanaovina akanjo ivelany fotsy. Ary tsy hamono ny anarany ao amin’ny bokin’ny fiainana mihitsy aho.” Tadidio koa fa ireo anti-panahy 24 dia “nanao akanjo ivelany fotsy sady nisatroka satroboninahitra volamena.” (Apokalypsy 3:5; 4:4) Rehefa nanomboka nandripaka olona teto an-tany àry ny ady sy mosary ary areti-mandringana, dia natsangana tamin’ny maty tany an-danitra sy nampanaovina akanjo fotsy lava an’ohatra ireo anisan’ny 144 000 nodimandry. Izy ireo no tiana holazaina amin’ilay ra teo am-pototry ny alitara.

17. Inona no dikan’ny hoe ‘miandry’, ho an’ireo nomena akanjo fotsy lava?

17 Tsy maintsy ‘miandry’ aloha ireo olona vao avy natsangana tamin’ny maty ireo. Tsy maintsy miandry ny andro famalian’Andriamanitra izy ireo. Mbola tsy maintsy manaporofo ny tsy fivadihany ao anatin’ny fitsapana koa ireo “mpiara-manompo” aminy, izany hoe ireo Kristianina voahosotra mbola eto an-tany. Ho tapitra ilay ‘fiandrasana’, rehefa tonga ny fitsaran’Andriamanitra. (Apokalypsy 7:3) Amin’izay dia hanampy an’i Jesosy Kristy Tompo handringana ny ratsy fanahy, ireo voahosotra natsangana tamin’ny maty ireo. Anisan’ny horinganina ireo nandatsaka ny ran’ny Kristianina tsy manan-tsiny.—2 Tesalonianina 1:7-10.

Inona no hevitr’izany ho antsika?

18, 19. a) Nahoana ianao no manatsoaka hevitra fa efa nanomboka ny fitsanganana voalohany, ary mbola mitohy hatramin’izao? b) Manao ahoana ny fihetseham-ponao, mahafantatra momba ny fitsanganana voalohany?

18 Tsy milaza daty voafaritra tsara anombohan’ny fitsanganana voalohany ny Tenin’Andriamanitra. Ambarany ao kosa anefa fa hitranga mandritra ny vanim-potoana iray izy io, dia mandritra ny fanatrehan’i Kristy. Ireo Kristianina voahosotra nodimandry talohan’ny fanatrehan’i Kristy no hatsangana voalohany. Hovana ho zavaboary ara-panahy mahery “ao anatin’ny indray mipy maso” kosa, ireo Kristianina voahosotra maty mandritra ny fanatrehan’i Kristy. (1 Korintianina 15:52) Hahazo ny valisoany any an-danitra alohan’ny ady Hara-magedona ve ny voahosotra rehetra? Tsy fantatsika izany. Ny fantatsika anefa dia hoe hitsangana eo amin’ny Tendrombohitra Ziona any an-danitra ny 144 000 rehetra, amin’ny fotoana voatendrin’Andriamanitra.

19 Fantatsika koa fa efa tafaraka amin’i Kristy any an-danitra ny ankamaroan’ny 144 000. Vitsy ihany sisa no mbola eto an-tany. Porofo lehibe tokoa izany fa manatona haingana ny fotoana hampiharan’Andriamanitra ny didim-pitsarany! Horinganina tsy ho ela ny tontolon’i Satana manontolo. Hatsipy any amin’ny lavaka mangitsokitsoka i Satana. Hanomboka ny fananganana ny ankamaroan’ireo nodimandry, aorian’izay. Hatao lavorary, toa an’i Adama tamin’ny voalohany, ny olombelona mahatoky. Miorina amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy no hanaovana izany. Ho tanteraka tsara tokoa amin’izay ny faminanian’i Jehovah ao amin’ny Genesisy 3:15. Tena voninahitra lehibe ny hiaina amin’izany fotoana izany!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Mba hahitana porofo miorina amin’ny Soratra Masina fa nanomboka tamin’ny 1914 ny fanatrehan’i Kristy, dia jereo ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, pejy 215-218, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 10 Mba hahazoana fanazavana momba ny antony ilazana fa mifanitsy amin’ireo Kristianina voahosotra nandray ny toerany any an-danitra ny anti-panahy 24, dia jereo ny boky Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!, pejy 76-77, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Hainao Hazavaina Ve?

Hazavao amin’ny alalan’ireto andinin-teny ireto ny fotoana anombohan’ny “fitsanganana voalohany”:

Apokalypsy 12:7; 17:14

Apokalypsy 7:13, 14

1 Korintianina 15:23; 1 Tesalonianina 4:15-17

Apokalypsy 6:2, 9-11

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 26]

Inona no fitsanganana amin’ny maty hitranga alohan’ny hananganana ny ankamaroan’ireo nodimandry?

[Sary, pejy 29]

Inona no dikan’ny hoe nomena akanjo fotsy lava ny sasany tamin’ireo nodimandry?