Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Inona ilay fanisiana tombo-kase resahin’ny Apokalypsy 7:3?

Hoy ny Apokalypsy 7:1-3: “Hitako fa nisy anjely efatra nijoro teo amin’ny vazan-tany efatra. Nihazona mafy ny rivotra efatry ny tany izy ireo, mba tsy hisy rivotra hitsoka amin’ny tany na amin’ny ranomasina na amin’ny hazo. Ary hitako fa nisy anjely iray hafa koa niakatra avy tany amin’ny fiposahan’ny masoandro, nanana tombo-kasen’ilay Andriamanitra velona. Ary niantsoantso mafy tamin’ireo anjely efatra navela hanimba ny tany sy ny ranomasina izy, nanao hoe: ‘Aza manimba ny tany na ny ranomasina na ny hazo, mandra-panisinay tombo-kase eo amin’ny handrin’ny mpanompon’Andriamanitsika.’ ”

Hanomboka “ny fahoriana lehibe” rehefa havotsotra “ny rivotra efatry ny tany.” Horinganina amin’izay ny fivavahan-diso sy ity tontolo ratsy ity. (Apokalypsy 7:14) Ny hoe “mpanompon’Andriamanitsika”, dia tsy iza fa ireo voahosotra rahalahin’i Kristy eto an-tany. (1 Petera 2:9, 16) Hita avy amin’ilay faminaniana etsy aloha, fa ho efa voaisy tombo-kase daholo ireo rahalahin’i Kristy, vao hanomboka ny fahoriana lehibe. Misy fanisiana tombo-kase hafa anefa alohan’io, araka ny voalazan’ny andinin-teny hafa ao amin’ny Baiboly. Asiana tombo-kase indroa àry ny voahosotra. Inona no tsy mampitovy an’ireo fanisiana tombo-kase roa ireo?

Andeha aloha hojerentsika ny dikan’ilay teny hoe ‘nasiana tombo-kase.’ Fitaovana fanisiana marika eo amin’ny taratasy no atao hoe tombo-kase, fahiny. Antsoina hoe tombo-kase koa ilay marika. Fanaon’ny olona tamin’izany ny nanisy tombo-kase teo amin’ny taratasy, na tamin’ny zavatra hafa mba hilazana fa misy tompony ilay izy, na avy amin’ny manam-pahefana.—1 Mpanjaka 21:8; Joba 14:17.

Nilaza i Paoly fa toy ny hoe nanisy tombo-kase an’ireo voahosotra Andriamanitra, rehefa nanosotra azy ireo tamin’ny fanahy masina. Hoy izy: “Andriamanitra no manome antoka fa samy an’i Kristy na izahay na ianareo, ary izy koa no nanosotra antsika. Nanisy tombo-kase teo amintsika koa izy sady nanome antsika ilay antoka ny amin’izay ho avy, dia ny fanahy, ao am-pontsika.” (2 Korintianina 1:21, 22) Nohosoran’i Jehovah tamin’ny fanahy masina àry ireo Kristianina ireo, mba hanaporofoana fa fananany izy ireo.

Koa inona àry izany no tsy mampitovy an’ireo fanisiana tombo-kase roa? 1) Ny antony sy 2) ny fotoana anaovana azy. Asiana tombo-kase voalohany ireo voahosotra rehefa fidina ho anisan’ny Kristianina voahosotra. Asiana tombo-kase farany kosa izy ireo mba hanaporofoana fa tsy nivadika mihitsy. Amin’izay vao tsy esorina intsony ‘eo amin’ny handriny’ ilay tombo-kase, mba ho porofo tsy azo lavina fa efa vita sedra izy, sady “mpanompon’Andriamanitsika” mahatoky. Io fanisiana tombo-kase farany io no resahin’ny Apokalypsy toko faha-7.—Apokalypsy 7:3.

Noresahin’ny apostoly Paoly tamin’ny Kristianina voahosotra ny fotoana nanisiana tombo-kase voalohany azy ireo. Hoy izy: “Nanantena azy koa ianareo rehefa avy nandre ny tenin’ny fahamarinana, dia ny vaovao tsara momba ny famonjena anareo. Ary tamin’ny alalany koa no nanisiana tombo-kase anareo rehefa nino ianareo, dia ny tombo-kasen’ny fanahy masina nampanantenaina.” (Efesianina 1:13, 14) Hita avy amin’ny fitantarana maro ao amin’ny Baiboly, fa nasiana tombo-kase tokoa ny Kristianina voalohany taoriana kelin’ny nandrenesany ny vaovao tsara sy ninoany an’i Kristy. (Asan’ny Apostoly 8:15-17; 10:44) Natao hanaporofoana izany fa nankasitrahan’Andriamanitra izy ireo. Tsy midika anefa izany fa hankasitraka azy ireo foana Andriamanitra. Fa nahoana?

Nilaza i Paoly fa ‘asiana tombo-kase ho amin’ny andro fanafahana’ ny Kristianina voahosotra. (Efesianina 4:30) Midika izany fa misy fotoana elaela eo anelanelan’ilay fanisiana tombo-kase voalohany sy ilay “andro fanafahana.” Maharitra taona maro izany matetika. Tsy tokony hivadika mihitsy àry ny voahosotra manomboka amin’ny fotoana anosorana azy amin’ny fanahy masina, ka hatramin’ny andro anafahana azy hiala amin’ny vatany, izany hoe mandra-pahafatiny. (Romanina 8:23; Filipianina 1:23; 2 Petera 1:10) Tsy mahagaga àry raha taloha kelin’ny nahafatesany i Paoly vao niteny hoe: “Efa nahavita ny fihazakazahako aho, efa nihazona ny finoana aho. Manomboka izao, dia tahirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana.” (2 Timoty 4:6-8) Hoy koa i Jesosy tamin’ireo Kristianina voahosotra: “Aoka hahatoky hatramin’ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satroboninahitry ny fiainana.”—Apokalypsy 2:10; 17:14.

Hita avy amin’ilay teny hoe ‘satroboninahitra’ koa, fa misy fotoana elaela eo anelanelan’ilay fanisiana tombo-kase voalohany sy ilay farany. Nahoana isika no milaza izany? Fanaon’ny olona taloha ny nanome satroboninahitra an’izay mpihazakazaka nandresy. Mba hahazoan’ny olona iray satroboninahitra, dia tsy ampy fotsiny ny hoe mirotsaka amin’ilay hazakazaka izy, fa tsy maintsy mamita azy io hatramin’ny farany. Toy izany koa fa tokony tsy hivadika hatramin’ny farany ny Kristianina voahosotra, manomboka amin’ny fotoana nanisiana tombo-kase azy voalohany ka hatramin’ilay fanisiana tombo-kase farany. Amin’izay ihany izy vao hahazo satroboninahitra, dia ny fiainana any an-danitra. Tsy mety maty intsony izy ireo amin’izay.—Matio 10:22; Jakoba 1:12.

Rahoviana no hasiana tombo-kase farany “eo amin’ny handriny” ireo voahosotra mbola eto an-tany, izay efa voaisy tombo-kase voalohany? Alohan’ny hanombohan’ny fahoriana lehibe. Ho efa voaisy tombo-kase farany daholo ny Israely ara-panahy rehetra, rehefa havotsotra ny rivotra efatry ny fahoriana lehibe. Mety mbola hisy vitsivitsy amin’izy ireo eto an-tany amin’izay, ary tsy maintsy mbola mamita ny fihazakazahany hatramin’ny farany.