Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Hifaly Tokoa Ianao’

‘Hifaly Tokoa Ianao’

‘Hifaly Tokoa Ianao’

‘Hitandrina andro firavoravoana ho an’i Jehovah ianao, ka dia hifaly tokoa.’—DEOTERONOMIA 16:15.

1. a) Inona no adihevitra napoitran’i Satana? b) Inona no faminaniana nolazain’i Jehovah taorian’ny nikomian’i Adama sy Eva?

NAMPIPOITRA adihevitra lehibe roa i Satana, rehefa nitarika an’i Adama sy Eva hikomy tamin’ny Mpamorona azy. I Jehovah aloha no nokianiny hoe mpandainga sady tsy mahay mitondra. Avy eo, dia nilaza an-kolaka izy fa manompo an’Andriamanitra noho ny fitiavan-tena fotsiny ny olona. Tamin’ny andron’i Joba no tena niharihary io fiampangana faharoa io. (Genesisy 3:1-6; Joba 1:9, 10; 2:4, 5) Nanao zavatra haingana anefa i Jehovah mba handaminana ilay raharaha. Na dia mbola tao amin’ny Saha Edena aza i Adama sy Eva, dia nilaza izy fa hisy ‘taranaka’ iray ho avy. Ho torotoro ny ombelahin-tongotr’izy io, ary aorian’izay dia hotorotoroiny ny lohan’i Satana.—Genesisy 3:15.

2. Inona no nataon’i Jehovah mba hampahafantarana ny fomba hanatanterahany ilay faminaniana ao amin’ny Genesisy 3:15?

2 Nanazava tsikelikely an’io faminaniana io i Jehovah rehefa nandeha ny fotoana, mba hanaporofoana fa tsy maintsy ho tanteraka izy io. Nilaza tamin’i Abrahama izy, ohatra, fa ho avy amin’ny zanaka aman-jafiny no ipoiran’ilay ‘taranaka’ voalazan’ny faminaniana. (Genesisy 22:15-18) Avy amin’i Jakoba, zafikelin’i Abrahama, ireo foko 12 teo amin’ny Israely. Lasa firenena ireo foko ireo tamin’ny 1513 T.K. Nomen’i Jehovah lalàna izy ireo, ka anisan’izany ny lalàna momba ny andro firavoravoana na fety fanao isan-taona. Nilaza ny apostoly Paoly fa “aloky ny zavatra ho avy” ireny fety ireny. (Kolosianina 2:16, 17; Hebreo 10:1) Hita taratra tamin’ireny ny ho fahatanterahan’ny fikasan’i Jehovah momba ilay Taranaka. Tena nahafaly ny Israelita ny fankalazana an’ireny fety ireny. Handinika vetivety azy ireny isika, mba hinoantsika bebe kokoa fa azo itokisana ny fampanantenan’i Jehovah.

Nipoitra ilay taranaka

3. Iza ilay Taranaka nampanantenaina, ary ahoana no nahatorotoro ny ombelahin-tongony?

3 Nipoitra ilay Taranaka nampanantenaina, 4 000 taona mahery taorian’ny nanambaran’i Jehovah ilay faminaniana. I Jesosy ilay izy. (Galatianina 3:16) Lehilahy lavorary i Jesosy. Tsy nivadika tamin’Andriamanitra mandra-pahafatiny izy, ka nanaporofo fa diso ny fiampangan’i Satana. Sorona tena sarobidy koa ny fahafatesany, satria tsy nanota mihitsy izy. Tamin’ny alalan’io sorona io, no nanafahany tamin’ny ota sy fahafatesana, ny olona mahatoky taranak’i Adama sy Eva. ‘Torotoro ny ombelahin-tongotr’ilay’ Taranaka nampanantenaina, rehefa maty teo amin’ny hazo fijaliana i Jesosy.—Hebreo 9:11-14.

4. Inona no mifanitsy amin’ny soron’i Jesosy tamin’ny zava-nitranga tany Ejipta?

4 Maty tamin’ny 14 Nisana, taona 33, i Jesosy. * Ny 14 Nisana no daty nankalazana ny Paska teo amin’ny Israely. Andro nahafaly izy io. Isan-taona, dia niara-nihinana zanak’ondry tsy misy kilema ny fianakaviana, rehefa tonga io andro io. Izany dia nampahatsiahy azy ireo ny famonjena avy tamin’ny ran’ny zanak’ondrin’ny Paska, tamin’ny 14 Nisana 1513 T.K. Tamin’izay mantsy no novonoin’ny anjely ny lahimatoa rehetra tany Ejipta, afa-tsy ny an’ny Israelita ihany. (Eksodosy 12:1-14) I Jesosy no mifanitsy amin’ilay zanak’ondrin’ny Paska. Hoy ny apostoly Paoly momba azy: ‘Efa natao sorona i Kristy, izay toy ny zanak’ondrin’ny Paska.’ (1 Korintianina 5:7) Mamonjy olona maro ny ra nalatsak’i Jesosy, toy ny ran’ilay zanak’ondrin’ny Paska ihany.—Jaona 3:16, 36.

Ireo “voaloham-bokatra amin’ireo nodimandry”

5, 6. a) Oviana i Jesosy no natsangana tamin’ny maty? Nahoana isika no afaka milaza fa mifanitsy amin’ny fety iray voalazan’ny Lalàna izany? b) Nahoana no tena nilaina ny nananganana an’i Jesosy tamin’ny maty, mba hahatanterahan’ny Genesisy 3:15?

5 Natsangana tamin’ny maty i Jesosy tamin’ny andro fahatelo, mba hahafahany hanolotra ny vidin’ilay sorona nataony, any amin’ny Rainy. (Hebreo 9:24) Mifanitsy amin’ny zavatra natao nandritra ny fety iray ny nananganana azy tamin’ny maty. Izany dia ny Andro Firavoravoana Fihinanana ny Mofo tsy Misy Masirasira, izay nanomboka ny 15 Nisana. Nitondra voaloham-bokatra tany amin’ny mpisorona ny Israelita ny ampitson’iny, izany hoe ny 16 Nisana. Amboaram-bary hordea na orza no nentiny, satria io no vokatra niakatra voalohany teo amin’ny Israely. Nahevahevan’ny mpisorona teo anatrehan’i Jehovah izany. (Levitikosy 23:6-14) Tena nifanitsy tsara tamin’io andro io mihitsy, izany hoe tamin’ny 16 Nisana taona 33, no natsangan’i Jehovah tamin’ny maty i Jesosy. Foana àry ny ezak’i Satana hampangina mandrakizay an’ilay ‘vavolombelona mahatoky sy marina’! Lasa zavaboary ara-panahy tsy mety maty i Jesosy.—Apokalypsy 3:14; 1 Petera 3:18.

6 I Jesosy àry no “voaloham-bokatra amin’ireo nodimandry.” (1 Korintianina 15:20) Tsy toy ireo natsangana tamin’ny maty talohany izy, satria tsy maty intsony taorian’ny nananganana azy. Niakatra nankeo an-tanana ankavanan’i Jehovah kosa izy, ary niandry mandra-pandraisany ny fahefana amin’ny maha Mpanjakan’ny Fanjakan’i Jehovah azy. (Salamo 110:1; Asan’ny Apostoly 2:32, 33; Hebreo 10:12, 13) Efa nahazo fahefana i Jesosy ankehitriny, ka afaka manorotoro ny lohan’i Satana. Horinganiny mandrakizay io fahavalony lehibe io sy ny taranany.—Apokalypsy 11:15, 18; 20:1-3, 10.

Tsy olona iray fotsiny ny Taranak’i Abrahama

7. Oviana no nankalazaina ny Andro Firavoravoana Manarakaraka Ireo Herinandro, ary inona no natao tamin’izany?

7 I Jesosy ilay Taranaka nampanantenaina tao Edena, ary amin’ny alalany no “handrava[n’i Jehovah] ny asan’ny Devoly.” (1 Jaona 3:8) Tsy olona iray fotsiny anefa no ho ‘taranak’i Abrahama’, araka ny nolazain’i Jehovah. Nilaza izy fa ho “tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra sy ho tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina” izany. (Genesisy 22:17) Hita taratra tamin’ny fety iray hafa fa hisy olon-kafa ho anisan’ilay ‘taranaka.’ Ny Andro Firavoravoana Manarakaraka Ireo Herinandro no niantsoana azy io, ary nankalazaina 50 andro taorian’ny 16 Nisana. Hoy ny Lalàna, momba an’io fety io: “Amin’ny ampitson’ny Sabata fahafito no hahataperan’ny andro dimam-polo hisainareo, dia manatera fanatitra hohanina vaovao ho an’i Jehovah indray. Ary mitondrà mofo roa avy amin’ny fonenanareo ho fanatitra ahevaheva; hatao amin’ny koba tsara toto roa ampahafolon’ny efaha izy ka hasiana masirasira [na lalivay] raha hendasina; voaloham-bokatra ho an’i Jehovah izany.” *Levitikosy 23:16, 17, 20.

8. Inona no zava-nitranga niavaka tamin’ny Pentekosta taona 33?

8 Nantsoina hoe Pentekosta ny Andro Firavoravoana Manarakaraka Ireo Herinandro, tamin’i Jesosy tetỳ an-tany. Avy amin’ny teny grika midika hoe “fahadimampolo” izy io. Tamin’ny Pentekosta taona 33, dia nandatsaka ny fanahy masina tamin’ny mpianatra 120 nivory tao Jerosalema i Jesosy Kristy, izay efa natsangana tamin’ny maty sady Mpisoronabe. Nanjary voahosotry ny fanahy àry ireo mpianatra ireo, ka lasa zanak’Andriamanitra sady rahalahin’i Jesosy Kristy. (Romanina 8:15-17) Lasa firenena vaovao antsoina hoe “Israelin’Andriamanitra” izy ireo. (Galatianina 6:16) Vitsivitsy izy ireo tamin’ny voalohany, nefa hiisa 144 000 amin’ny farany.—Apokalypsy 7:1-4.

9, 10. Inona no natao fanatitra tamin’ny Pentekosta, ary nahoana izany no mifanitsy amin’ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra?

9 Ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra, no mifanitsy amin’ireo mofo roa misy lalivay izay nahevaheva teo anatrehan’i Jehovah isaky ny Pentekosta. Ny lalivay tamin’ireo mofo dia nampiseho fa nandova ota ny Kristianina voahosotra. Na izany aza, dia afaka manatona an’i Jehovah izy ireo noho ny sorom-panavotan’i Jesosy. (Romanina 5:1, 2) Nahoana no mofo roa no natolotra? Nidika angamba izany fa halaina avy amin’ny karazan’olona roa ireo voahosotra zanak’Andriamanitra, dia avy amin’ny jiosy sy ny hafa firenena.—Galatianina 3:26-29; Efesianina 2:13-18.

10 Voaloham-bokatra tamin’ny varimbazaha no nanamboarana ireo mofo roa natolotra tamin’ny Pentekosta. ‘Anisan’ny voaloham-bokatra amin’ny zavaboarin’Andriamanitra’ koa, ireo Kristianina nateraky ny fanahy. (Jakoba 1:18) Izy ireo no nahazo famelan-keloka voalohany miorina amin’ny ra nalatsak’i Jesosy. Tsy ho faty intsony izy ireo vokatr’izany, ary hiara-manjaka amin’i Jesosy ao amin’ny Fanjakany any an-danitra. (1 Korintianina 15:53; Filipianina 3:20, 21; Apokalypsy 20:6) Tsy ho ela izy ireo dia “hiandry [ireo firenena] amin’ny tehim-by”, ary hahita an’i ‘Satana hotorotoroina eo ambany tongony.’ (Apokalypsy 2:26, 27; Romanina 16:20) Hoy ny apostoly Jaona: “Izy ireo no nanaraka foana ny Zanak’ondry na taiza na taiza nalehany. Novidina avy teo amin’ny olombelona izy ireo ho voaloham-bokatra ho an’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry.”—Apokalypsy 14:4.

Ny dikan’ny Andro Fanavotana

11, 12. a) Inona no natao tamin’ny Andro Fanavotana? b) Inona no soa azon’ny Israelita avy tamin’ny fanatitra vantotr’ombilahy sy osy roa nataon’ny mpisoronabe?

11 Nankalaza fety hafa iray ny Israelita tamin’ny fahafolon’ny volana Etanima (nantsoina hoe Tisry tatỳ aoriana). * Nantsoina hoe Andro Fanavotana io fety io. Nampiseho mialoha ny fomba handraisan’ny olona soa avy amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy izy io. Novorina ny olona rehetra tao amin’ilay firenena tamin’io andro io, ary nisy fanatitra natao mba hanaronana ny fahotan’izy ireo.—Levitikosy 16:29, 30.

12 Namono vantotr’ombilahy ny mpisoronabe, tamin’ny Andro Fanavotana. Niditra tao amin’ny efitra Masina Indrindra izy, avy eo, ary nafafiny impito teo anoloan’ny rakotra fanaovam-panavotana, na saron’ny vata misy ny fifanekena, ny ran’ilay ombilahy. Toy ny hoe natolotra teo anatrehan’i Jehovah ilay ra tamin’izany. Natolotra io fanatitra io noho ny fahotan’ny mpisoronabe sy “ny ankohonany”, anisan’izany ny mpisorona sy ny Levita. Naka osy roa ilay mpisoronabe taorian’izay. Novonoiny ho fanatitra noho ny ‘otan’ny olona’ ny osy iray. Nafafy teo anoloan’ny saron’ny vata misy ny fifanekena, tao amin’ny efitra Masina Indrindra koa, ny sasany tamin’ny ran’io osy io. Nametraka ny tanany teo ambonin’ny lohan’ilay osy faharoa ilay mpisoronabe avy eo, ary nifona noho ny fahotan’ny zanak’Israely. Nalefa nankany an-tany efitra io osy io avy eo, ka toy ny hoe nentiny tany ny otan’ilay firenena. Voavela heloka ny Israelita noho izany.—Levitikosy 16:3-16, 21, 22.

13. Inona no mampitovy ny sorona nataon’i Jesosy sy ny fanatitra nataon’ny mpisoronabe tamin’ny Andro Fanavotana?

13 Nampiseho mialoha ny sorona hataon’i Jesosy ireny fanatitra ireny. Mpisoronabe koa mantsy izy, ary nampiasa ny vidin’ny ra nalatsany mba hanomezana famelan-keloka. Ny “trano ara-panahy” na ny ankohonan’Andriamanitra, izany hoe ny Kristianina voahosotra miisa 144 000, no nandray soa voalohany tamin’ny vidin’ny ran’i Kristy, ka nambara fa marina sy madio eo imason’i Jehovah. (1 Petera 2:5; 1 Korintianina 6:11) Izany no mifanitsy amin’ilay fanatitra vantotr’ombilahy. Afaka mahazo ny lovany any an-danitra àry ireo voahosotra. Handray soa avy amin’ny vidin’ny ran’i Jesosy koa anefa ny olon-kafa an-tapitrisany mino an’i Kristy, ary izany no mifanitsy amin’ilay fanatitra osy. Hahazo ilay lova narian’i Adama sy Eva izy ireo, dia ny fiainana mandrakizay eto an-tany. (Salamo 37:10, 11) Manaisotra ny fahotan’ny olombelona i Jesosy noho ny ra nalatsany, toy ilay osy faharoa, izay nalefa tany an-tany efitra mba hanesorana ny fahotan’ny Israely.—Isaia 53:4, 5.

Mifalia eo anatrehan’i Jehovah

14, 15. Inona no natao tamin’ny Andro Firavoravoana Fitoerana Amin’ny Trano Rantsan-kazo, ary nampahatsiahy inona an’ireo Israelita izany?

14 Nankalaza ny Andro Firavoravoana Fitoerana Amin’ny Trano Rantsan-kazo ny Israelita, taorian’ny Andro Fanavotana. Io no fety nahafaly indrindra an’ireo Jiosy. (Levitikosy 23:34-43) Natao ny faha-15 ka hatramin’ny faha-21 tamin’ny volana Etanima izy io, ary namarana azy ny fara fivoriana tamin’ny faha-22 tamin’io volana io ihany. Nifarana tamin’io ny fanangonam-bokatra. Tamin’io koa no fotoana nanolorana fisaorana ho an’Andriamanitra noho ny haben’ny hatsaram-pony. Izany no antony nandidian’i Jehovah an’ireo nankalaza an’io fety io mba hifaly. Hoy izy: “Hitahy anao Jehovah Andriamanitrao amin’ny vokatrao rehetra sy ny asan-tànanao rehetra, ka dia hifaly tokoa hianao.” (Deoteronomia 16:15) Tsy maintsy ho fotoana naharavoravo tokoa izany!

15 Nipetraka tamin’ny trano rantsankazo nandritra ny herinandro ny Israelita, tamin’io fety io. Nampahatsiahy azy ireo izany fa efa nipetraka tamin’ny trano rantsankazo izy ireo tany an-tany efitra. Nikarakara azy ireo toy ny ray i Jehovah, ary nanam-potoana tsara ieritreretana izany izy ireo nandritra ilay fety. (Deoteronomia 8:15, 16) Na ny manankarena na ny mahantra dia samy nipetraka tamin’ny trano rantsankazo mitovy, ka tsapany tamin’izany fa tsy nisy ambony sy ambany izy ireo nandritra ilay fety.—Nehemia 8:14-16.

16. Inona no mifanitsy amin’ny Andro Firavoravoana Fitoerana Amin’ny Trano Rantsan-kazo?

16 Fetin’ny fijinjana ny Andro Firavoravoana Fitoerana Amin’ny Trano Rantsan-kazo. Fankalazana ny fanangonam-bokatra izy io ary tena nahafaly. Mifanitsy amin’ny fanangonana an’ireo maneho finoana an’i Jesosy Kristy izy io. Nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33 izany, rehefa voahosotry ny fanahy ho anisan’ny “mpisorona masina” ireo mpianatr’i Jesosy 120. Fantatr’ireo voahosotra fa “mpivahiny” fotsiny izy ireo eto amin’ity tontolo ratsy ity, toy ireo Israelita nipetraka tao amin’ny trano rantsankazo nandritra ny andro vitsivitsy monja. Ny ho any an-danitra no fanantenan’izy ireo. (1 Petera 2:5, 11) Hifarana mandritra izao “andro farany” izao ny fanangonana ireo Kristianina voahosotra, rehefa ho voangona ny sisa amin’ireo 144 000.—2 Timoty 3:1.

17, 18. a) Inona no mampiseho fa hisy olona ankoatra an’ireo Kristianina voahosotra handray soa avy amin’ny soron’i Jesosy? b) Iza no angonina ankehitriny, ary rahoviana no hifarana tanteraka ilay fanangonana mifanitsy amin’ny Andro Firavoravoana Fitoerana Amin’ny Trano Rantsan-kazo?

17 Tsara homarihina fa vantotr’ombilahy 70 no natao fanatitra, tamin’io fety io. (Nomery 29:12-34) Fito ampitomboina folo no manome 70. Isa feno ny isa fito any an-danitra ary isa feno ny isa folo eto an-tany, araka ny Baiboly. Handray soa avy amin’ny soron’i Jesosy àry ny olona mahatoky rehetra, izay avy amin’ireo fianakaviana 70 taranak’i Noa. (Genesisy 10:1-29) Hitantsika amin’izany fa mitatra ilay fanangonana ankehitriny, ka anisan’ireo angonina ny olona avy amin’ny firenena rehetra, izay maneho finoana an’i Jesosy sy manantena hiaina mandrakizay eto an-tany.

18 Nahazo fahitana momba izany fanangonana amin’ny andro ankehitriny izany ny apostoly Jaona. Reny aloha ny filazana hoe nasiana tombo-kase ny sisa tamin’ireo 144 000. Avy eo izy nahita “vahoaka be tsy tambo isaina” nitsangana teo anatrehan’i Jehovah sy Jesosy. “Nisy sampana palmie teny an-tanan[’ireo olona ireo].” “Avy tamin’ny fahoriana lehibe” izy ireo, ary niditra ho ao amin’ny tontolo vaovao. Mpivahiny fotsiny koa izy ireo eto amin’ity tontolo tranainy ity, ary efa tsy andriny ny fotoana ‘hiandrasan’ny Zanak’ondry azy toy ny ataon’ny mpiandry ondry, ka hitarika azy ho any amin’ny loharanon’ny ranon’aina.’ “Hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny mason[’izy ireo]” amin’izay fotoana izay. (Apokalypsy 7:1-10, 14-17) Ho afaka hiaina mandrakizay ireo vahoaka be sy ireo natsangana tamin’ny maty tsy mivadika, aorian’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Hifarana tanteraka amin’izay ilay fanangonana mifanitsy amin’ny Andro Firavoravoana Fitoerana Amin’ny Trano Rantsan-kazo, ary tena hahafaly izany.—Apokalypsy 20:5.

19. Inona no soa raisintsika avy amin’ny fandinihana ireo fety nankalazaina teo amin’ny Israely?

19 ‘Mifaly’ toy ireo Israelita fahiny koa isika, rehefa misaintsaina ny dikan’ireo fety teo amin’ny Jiosy fahiny. Mahafaly ny mieritreritra fa nasehon’i Jehovah mialoha ny fomba hahatanterahan’ilay faminaniana nomeny tany Edena. Mahafinaritra ny mahita fa tanteraka tsikelikely izy io. Fantatsika ankehitriny fa efa niseho ilay Taranaka, ary efa notorotoroina ny ombelahin-tongony. Mpanjaka any an-danitra izy izao. Efa nanaporofo ny tsy fivadihany hatramin’ny fahafatesana koa ny ankamaroan’ireo 144 000. Inona no mbola tsy tanteraka? Mbola ho ela ve vao ho tanteraka ilay faminaniana manontolo? Handinika izany isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Manomboka amin’ny tapatapaky ny volana Martsa ka hatramin’ny tapatapaky ny Aprily ny volana Nisana.

^ feh. 7 Izao matetika no nataon’ny mpisorona rehefa nanao fanatitra ahevaheva: Napetrany teo ambony felatanany roa ireo mofo, nakariny ambony ny tanany, ary nahevahevany miankavia sy miankavanana. Izany no fomba nanolorana ilay fanatitra tamin’i Jehovah.

^ feh. 11 Manomboka amin’ny tapatapaky ny volana Septambra ka hatramin’ny tapatapaky ny Oktobra amin’ny kalandrientsika ny volana Etanima na Tisry.

Hainao Hazavaina Ve?

• Inona no mifanitsy amin’ilay zanak’ondrin’ny Paska?

• Ny fanangonana an’iza no mifanitsy amin’ny Fetin’ny Pentekosta?

• Inona avy no natao tamin’ny Andro Fanavotana? Iza avy, araka izany, no mandray soa avy amin’ny soron’i Jesosy?

• Nahoana no mifanitsy amin’ny fanangonana ny Kristianina ny Andro Firavoravoana Fitoerana Amin’ny Trano Rantsan-kazo?

[Fanontaniana]

[Tabilao, pejy 22, 23]

(Jereo ny gazety)

Zava-nitranga: Mifanitsy amin’ny:

Paska 14 Nisana Novonoina ny Nanao sorona ny

zanak’ondrin’ny ainy i Jesosy

Paska

Andro 15 Nisana Sabata

Firavoravoana

Fihinanana 16 Nisana Natao fanatitra Natsangana

ny Mofo vary tamin’ny maty

Tsy Misy hordea i Jesosy

Masirasira

(15-21 Nisana)

50 andro

Andro 6 Sivana Natao fanatitra Natolotr’i

Firavoravoana ireo mofo roa Jesosy ho an’i

Manarakaraka Jehovah ireo

Ireo Herinandro rahalahiny

(Pentekosta) voahosotra

Andro 10 Tisry Natao fanatitra Nanolotra ny

Fanavotana ny vatotr’ombilahy vidin’ny rany

iray sy osy roa i Jesosy, ho

fanavotana

ny olombelona

Andro 15-21 Tisry Nipetraka tao Fanangonana ny

Firavoravoana amin’ny trano voahosotra sy

Fitoerana rantsankazo ny “vahoaka be”

Amin’ny Trano ny Israelita,

Rantsankazo sady faly noho ny

(na Fetin’ny fijinjana. Vantotr’

Tranolay Masina) ombilahy 70 no

natao fanatitra

[Sary, pejy 21]

Mamonjy olona maro ny ra nalatsak’i Jesosy, toy ny ran’ilay zanak’ondrin’ny Paska ihany

[Sary, pejy 22]

Mifanitsy amin’ny nananganana an’i Jesosy tamin’ny maty ny voaloham-bokatra tamin’ny vary hordea, natao fanatitra tamin’ny 16 Nisana

[Sary, pejy 23]

Mifanitsy amin’ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra ny mofo roa natao fanatitra tamin’ny Pentekosta

[Sary, pejy 24]

Mifanitsy amin’ny fanangonana ny voahosotra sy ny “vahoaka be” avy amin’ny firenena rehetra, ny Andro Firavoravoana Fitoerana Amin’ny Trano Rantsan-kazo