Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ho Vitanao ny Handresy Zava-tsarotra

Ho Vitanao ny Handresy Zava-tsarotra

Ho Vitanao ny Handresy Zava-tsarotra

TENA mafy ny fiainana ankehitriny ka olona maro no mahita zava-tsarotra. Toy ny hoe tratran’ny rivo-doza izy ireo. Mahavita miatrika izany anefa ny Kristianina, satria tia an’Andriamanitra sy mankatò ny toro lalany foana. Hita ao amin’ny fanoharana iray nolazain’i Jesosy Kristy ny fahamarinan’izany. Nampitahainy tamin’ny “lehilahy malina izay nanorina ny tranony teo ambony vatolampy” ny mpianany mankatò. Hoy izy: “Latsaka ny orana ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany. Tsy nirodana anefa ilay trano, satria naorina teo ambony vatolampy.”—Matio 7:24, 25.

Tsara homarihina fa malina ilay lehilahy, nefa mbola nahita zava-tsarotra ihany. Noharin’i Jesosy tamin’ny orana mivatravatra sy riaka be ary rivotra mifofofofo izany zava-tsarotra izany. Tsy nilaza àry i Jesosy hoe tsy hahita olana ny mpianany, na koa hoe tsy hanana ahiahy mihitsy sy hiadana foana. (Salamo 34:19; Jakoba 4:13-15) Nilaza kosa izy fa afaka miomana ny mpanompon’Andriamanitra mahatoky mba hiatrika zava-tsarotra tena mafy. Ho vitan’izy ireo koa ny handresy izany.

Izao no nanombohan’i Jesosy an’ilay fanoharana: “Izay rehetra mandre izany teniko izany ka mankatò, dia hoharina amin’ny lehilahy malina izay nanorina ny tranony teo ambony vatolampy.” Mazava ho azy fa tsy nampianatra momba ny fanorenan-trano i Jesosy teo, fa momba ny zavatra tokony hataon’ny Kristianina sy ny antony anaovany izany. Ny fampianaran’i Kristy no oharina amin’ny vatolampy. Mahay mandinika sy malina ny olona mankatò izany. Toy ny hoe manorina trano eo ambony vatolampy izy, satria mankatò ny zavatra nampianarina azy, ka mampifanaraka izany amin’ny ataony sy ny antony anaovany zavatra. Tsara homarihina fa tsy maintsy “nihady lalina” ilay lehilahy tao amin’ilay fanoharana vao nahita an’ilay vatolampy an’ohatra. (Lioka 6:48) Toy izany koa fa miezaka mafy hatrany ny mpianatr’i Jesosy mba hanana toetra tsy miovaova sy maharitra, izay hanampy azy ho akaiky kokoa an’Andriamanitra.—Matio 5:5-7; 6:33.

Inona no mitranga rehefa tojo zava-tsarotra toy ny rivo-doza ny mpanara-dia an’i Jesosy? Vonona hankatò ny fampianaran’i Kristy sy hanana ny toetrany izy ireo. Hanatanjaka azy izany mandritra ny fotoan-tsarotra, ary indrindra amin’ny Hara-magedona, izay ho avy tsy ho ela. (Matio 5:10-12; Apokalypsy 16:15, 16) Maro tokoa no mahavita mandresy zava-tsarotra, satria mankatò ny fampianaran’i Kristy. Nahoana raha manao toy izany koa?—1 Petera 2:21-23.