Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Atao hoe Fahombiazana?

Inona no Atao hoe Fahombiazana?

Inona no Atao hoe Fahombiazana?

MISY mihevitra fa i Jesse Livermore no mpivarotra nahomby indrindra tao amin’ny Foiben’ny Tsenam-bola Amerikanina. Nalaza ho nahay nanapa-kevitra teo amin’io sehatra io izy. Lasa mpanefohefo izy noho izany. Kompile faran’izay tsara foana no nanaovany, ary nipetraka tao amin’ny tranobe misy efitra 29 izy. Fiara mainty tena lafo vidy koa no nitondran’ny mpamiliny azy.

Naniry ho lasa toy izany koa i David. * Tale lefitra tao amin’ny sampan’ny orinasa lehibe iray izy, ka tsara toerana mba ho lasa tale. Nanapa-kevitra ny hiala tao amin’ilay orinasa anefa izy, na dia naniry ny hanan-karena sy halaza aza. Hoy izy: “Fantatro fa tsy ho lasa mpitantana orinasa lehibe intsony aho.” Tsy nety ve ny nataon’i David, araka ny hevitrao?

Maro no mihevitra fa mahomby ny olona iray, raha lasa manankarena, malaza, na mitana toerana ambony. Mety mbola hahatsapa ihany anefa ny olona iray manankarena, fa tsy tena misy heviny ny fiainany, na misy zavatra tsy ampy. Izany angamba no nitranga tamin’Atoa Livermore. Marina fa nanan-karena izy, nefa feno zavatra tena sarotra sy nampalahelo ny fiainany. Kivy tanteraka izy, nisara-panambadiana imbetsaka, ary tsy nifandray tsara tamin’ireo zanany lahy. Very koa ny ankamaroan’ny fananany. Nipetraka teo amin’ny latabatry ny hotely mihaja be iray Atoa Livermore indray andro, ary nitaraina mafy momba izay nanjo azy. Nanafatra zavatra hosotroina izy, namoaka karine lafo vidy, ary nanoratra teny fanaovam-beloma farany ho an’ny vadiny. Rehefa avy nisotro izy, dia niditra tao amin’ny trano fivoahana maizimaizina iray, ary nitifi-tena.

Marina fa tsy fantatra tsara ny tena antony namonoany tena. Porofoin’io zava-nitranga io anefa fa marina ny voalazan’ny Baiboly, manao hoe: “Izay tapa-kevitra ny ho tonga mpanan-karena dia ... nanindrona ny tenany tamin-javatra maro mampanaintaina.”—1 Timoty 6:9, 10.

Diso ve isika raha mieritreritra fa mahomby ny olona manankarena, na malaza na manana toerana ambony? Mahomby ve ny fahitanao ny tenanao? Nahoana ianao no milaza izany? Inona no atao hoe fahombiazana, araka ny hevitrao? Inona no heverinao fa tena ilaina mba hahombiazana? Ny lahatsoratra manaraka, dia manome torohevitra mandaitra afaka nanampy olona an-tapitrisany hahita fahombiazana. Andeha àry hojerentsika fa afaka ny hahomby koa ianao.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Novana ny anarana.