Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lehilahy Nankamamy ny Fiainana sy Tia Olona

Lehilahy Nankamamy ny Fiainana sy Tia Olona

Lehilahy Nankamamy ny Fiainana sy Tia Olona

NAHAVITA ny fanompoany teto an-tany teo amin’ny faha-87 taonany i Daniel Sydlik, tamin’ny talata 18 Aprily 2006. Anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny taona maro izy, ary efa ho 60 taona no nanompoany niaraka tamin’ny fianakavian’ny Betelan’i Brooklyn, any New York.

Tamin’ny 1946 no tonga tao amin’ny Betela ny Rahalahy Dan (anarana niantsoan’ny namany akaiky azy). Nanao ny asan’ny mpisava lalana manokana tany Kalifornia izy talohan’izay. Efa nigadra koa izy tamin’ny Ady Lehibe II, satria tsy nety nanao raharaha miaramila. Voatantara mazava tsara ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra 1985 ny zavatra niainany tamin’izany. Mitantara ny fiainany io gazety io eo ambanin’ilay lohateny hoe “Sarobidy ny Fisakaizanao, Andriamanitra Ô!”

Lehilahy tsotra sy mora hatonina no nahafantarana ny Rahalahy Sydlik. Be fanantenana sy nankamamy ny fiainana koa izy, ary hita taratra izany matetika tamin’ilay teny fanokafana fampiasany, rehefa nitarika fotoam-pivavahana maraina ho an’ny fianakavian’ny Betela izy. Hoy izy: “Mahafinaritra ny miaina mba hanompo an’ilay tena Andriamanitra velona.” Nampirisika ny hafa hanana izany fomba fijery izany izy rehefa nanao lahateny. Toy izao no lohatenin’ny sasany amin’izy ireny: “Sambatra ny Firenena Izay Manana An’i Jehovah ho Andriamaniny”, “Fanomezana Taratry ny Fifalian’i Jehovah”, “Hazony ho Velona Hatrany ao Anatinareo ny Afon’ny Fanahin’Andriamanitra”, ary “Mbola ho Avy ny Tsara Indrindra.”

Nanambady an’i Marina Hodson, avy any Angletera, ny Rahalahy Sydlik tamin’ny 1970, ary nolazainy fa “fanomezana avy amin’Andriamanitra” ilay vadiny. Niara-nanompo an’i Jehovah nandritra ny 35 taona mahery izy mivady.

Niasa tamin’ny sampan-draharaha samihafa ny Rahalahy Sydlik, tao amin’ny Betela. Anisan’izany ny tao amin’ny fanontam-pirinty sy ny Sampan-draharahan’ny Fanoratana. Efa niasa tao amin’ny radio WBBR koa izy. Voatendry ho anisan’ny Filan-kevi-pitantanana izy tamin’ny Novambra 1974, ary lasa anisan’ny Komitin’ny Mpiasa sy Komitin’ny Fanoratana tatỳ aoriana.

Niharihary nandritra ireo 30 taona mahery naha anisan’ny Komitin’ny Mpiasa azy, fa tena tia olona izy. Nampiasa ny feony midoboka, mba hampaherezana olona maro izy. Nampahatsiahiviny hatrany fa manana tombontsoa sarobidy isika manompo an’i Jehovah. Nasongadiny foana fa miankina amin’ny fifandraisantsika amin’i Jehovah sy ny fiheverantsika ny fiainana ny fahasambarantsika, fa tsy amin’izay mitranga eo amin’ny fiainantsika.

Malahelo mafy ny fianakavian’ny Betela, satria tsy eo intsony ny Rahalahy Sydlik. Mandray soa amin’ny modely nomeny foana anefa izy ireo. Tena nankamamy ny fiainana sy tia olona tokoa mantsy izy. Matoky isika fa anisan’ireo resahina ao amin’ny Apokalypsy 14:13 izy. Izao no voalaza ao: “Sambatra ny maty, izay maty ao amin’ny Tompo manomboka izao. Eny, hoy ny fanahy, aoka izy hitsahatra amin’ny asa mafy nataony, fa ny zavatra nataony manaraka azy.”