Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitondra Fitahiana ny Fanaovana Safidy Tsara

Mitondra Fitahiana ny Fanaovana Safidy Tsara

Tantaram-piainana

Mitondra Fitahiana ny Fanaovana Safidy Tsara

Notantarain’i Paul Kushnir

AVY any Ukraine ny dadabeko sy bebeko. Nifindra tany Kanada izy ireo tamin’ny 1897, ary nipetraka tany akaikin’i Yorkton, any Saskatchewan, niaraka tamin’ny zanany efatra. Niteraka ahy i Marinka, zanak’izy ireo vavy tokana, tamin’ny 1923, ary zanany fahafito aho. Tsotra ny fiainana tamin’izany nefa nilamina. Nanana sakafo tsara sy fitafiana mafana izahay, ary nanome ireo zavatra tena nilaina toy ny fitsaboana ny fanjakana. Tsara fanahy ny mpiray tanàna ka nifanampy rehefa nisy asa lehibe natao. Nisy Mpianatra ny Baiboly (Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny) nitsidika anay tamin’ny faramparan’ny 1925, ka izany no nahatonga anay hanao safidy izay tsy nanenenako mihitsy.

Nahita ny fahamarinana izahay

Nandray bokikely avy tamin’ilay Mpianatra ny Baiboly i Neny, ary tsy ela dia fantany ny fahamarinana. Nandroso haingana izy, ary natao batisa tamin’ny 1926. Niova tanteraka ny fahitanay mianakavy ny fiainana, rehefa lasa Mpianatra ny Baiboly i Neny. Lasa toerana fandraisam-bahiny ny tranonay, satria matetika no nivahiny tao aminay ny mpitety fiangonana (mpiandraikitra mpitety faritany ankehitriny), sy ny Mpianatra ny Baiboly hafa. Nisy mpiandrikitra mpitety faritany iray nampiseho anay ny “Eurêka-Drame”, tamin’ny 1928. Mitovy amin’ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana” izy io saingy notsorina. Nindraminy ny kilalaonay (sahona maneno) mba hampanenoana isaky ny tokony hovana ny sary diapositives. Faly erỳ izahay namela azy hampiasa ilay kilalaonay!

Nisy mpiandraikitra mpitety faritany atao hoe Emil Zarysky nitsidika anay matetika. Nitondra tranofiara izy, ary niaraka taminy ny zanany lahy indraindray. Nampirisika anay ankizy io zanany io, mba hieritreritra ny fanompoana manontolo andro, izany hoe ny asan’ny mpisava lalana. Maro koa ny mpisava lalana nivahiny tao aminay. Nampindramin’i Neny lobaka ny mpisava lalana iray, indray mandeha, fa mbola namboarin’i Neny ny azy. Lasany tsy nahy ilay lobaka rehefa nandeha izy. Naveriny ilay izy, ela be tatỳ aoriana, ary niala tsiny izy sady nanoratra hoe: ‘Tsy ampy handefasana azy ity tamin’ny paositra ny volako.’ Tokony ho notazoniny ho azy ilay lobaka! Nieritreritra aho tamin’izany hoe: ‘Tiako raha mba mahafoy tena toy ireny mpisava lalana ireny aho, indray andro any.’ Isaorako an’i Neny ny fitiavany nandray vahiny, satria nanatsara ny fiainanay izany, ary nampitombo ny fitiavanay an’ireo rahalahy.—1 Petera 4:8, 9.

Tsy lasa Mpianatra ny Baiboly i Dada, nefa tsy nanohitra anay. Navelany hanaovana fivoriambe iray andro mihitsy aza ny trano fanatobiany entana, tamin’ny 1930. Vao fito taona aho tamin’izay, nefa nahavariana ahy ny fifaliana sy fifanajana nandritra ilay fivoriambe. Maty i Dada tamin’ny 1933, ary namela mananotena iray sy kamboty valo. Tsy niova mihitsy anefa ny fanapahan-kevitr’i Neny hitaiza anay tao amin’ny fahamarinana. Nentiny nivory niaraka taminy aho. Te hiara-milalao tamin’ny ankizy teny an-tokotany aho tamin’izany, satria hoatran’ny tsy ho tapitra mihitsy ny fivoriana. Nijanona tao am-pivoriana anefa aho noho ny fanajako an’i Neny. Nanonona andinin-teny tao amin’ny Baiboly i Neny matetika rehefa nahandro sakafo, ary nanontaniany ahy hoe aiza no misy an’ilay izy. Namokatra be tsy toy ny isan-taona ny taninay tamin’ny 1933, ka nividianan’i Neny fiara ny tombony azonay. Nisy mpiray tanàna nanakiana azy ho mpandanilany vola. Ninoany anefa fa nilainay tamin’ny fanompoana an’i Jehovah ilay fiara, ary marina ny azy.

Nanampy ahy hanao safidy tsara ny hafa

Misy fotoana tsy maintsy anaovan’ny tanora safidy, ary misy vokany amin’ny hoaviny izany. Nifidy ny hanao ny asan’ny mpisava lalana, ohatra, i Helen sy Kay zokiko vavy, rehefa nila nanapa-kevitra ny amin’izay hataony eo amin’ny fiainana. Nisy mpisava lalana iray tsara toetra atao hoe John Jazewsky tia nivahiny tao aminay. Nasain’i Neny nijanona kelikely tao aminay izy mba hanampy tamin’ny fambolena. Nanambady an’i Kay i John tatỳ aoriana, ary nanao ny asan’ny mpisava lalana tany amin’ny toerana tsy dia lavitra anay izy roa. Nasain’izy ireo hiara-manompo taminy aho nandritra ny vakansy, tamin’izaho 12 taona. Nanampy ahy hahafantatra ny fiainan’ny mpisava lalana izany.

Nahavita niandraikitra ny fambolena izahay sy John rahalahiko, rehefa nandeha ny fotoana. Lasa afaka nanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy àry i Neny nandritra ny Jolay sy Aogositra. Nampiasa sarety notarihin’ny soavaly antitra iray izy. Nantsoin’i Dada hoe Saul ilay soavaly maditra. Biby malefaka sy azo baikoina kosa izy io tamin’i Neny. Tena tianay sy John ilay toeram-pambolena, kanefa nihena tsikelikely ny fitiavanay azy io, isaky ny avy nanompo i Neny ka nitantara taminay ny zavatra hitany tany. Ny asan’ny mpisava lalana indray no nanjary tianay. Nanompo bebe kokoa aho tamin’ny 1938, ary natao batisa tamin’ny 9 Febroary 1940.

Voatendry ho mpanampy teo anivon’ny fiangonana aho taoriana kelin’izay, ka nikarakara ny antontan-taratasin’ny fiangonana. Faly aho isaky ny nisy fitomboana. Nanana faritany manokana hitoriana aho tany amin’ny 16 kilaometatra teo ho eo niala ny tranonay. Nankany isan-kerinandro aho tamin’ny ririnina. Fianakaviana iray liana tamin’ny Baiboly no nampiantrano ahy nandritra ny roa na telo andro, ka tao amin’ny efitra ambany tafo aho no natory. Tsy dia nahay nandanjalanja aho rehefa niresaka tamin’ny pasitera loteranina iray, ka norahonany hoe hiantsoany polisy raha mbola manelingelina ny andian’ondriny. Vao mainka izany nahatonga ahy ho tapa-kevitra ny hanohy.

Nikasa hanatrika fivoriambe tany Cleveland, any Etazonia, i Kay sy John, tamin’ny 1942. Faly be aho fa nasain’izy ireo hiaraka taminy. Anisan’ny zavatra tsara indrindra teo amin’ny fiainako iny fivoriambe iny. Nanampy ahy hahafantatra tsara izay hataoko amin’ny hoavy izy io. Nanao antso avo ny Rahalahy Nathan Knorr, izay nitarika ny asa eran-tany tamin’izany. Nilaza izy fa mila mpisava lalana 10 000. Nanapa-kevitra avy hatrany aho fa ho anisan’izy ireo!

Nitsidika ny fiangonanay ny mpiandraikitra mpitety fiangonana iray antsoina hoe Henry, tamin’ny Janoary 1943. Nahatonga anay ho be zotom-po ny lahateny nandrisika nataony. Nangatsiaka be ny ampitson’io andro nanaovany lahateny io, satria 40 degre ambanin’ny zero ny mari-pana. Vao mainka aza nampangatsiaka azy ny rivotra nifofofofo avy any avaratrandrefana. Tsy mivoaka ny trano izahay matetika rehefa mangatsiaka be toy izany ny andro. Tsy andrin’i Henry anefa izay handehanana hanompo. Nitaingina kalesy mitafo izy sy ny mpitory hafa, ary nankany amin’ny tanàna iray tany amin’ny 11 kilaometatra. Nisy fanafanana tao amin’ilay kalesy notarihin-tsoavaly. Izaho kosa nandeha nitsidika fianakaviana iray manan-janakalahy dimy. Nanaiky hianatra Baiboly izy ireo, ary lasa Vavolombelona tatỳ aoriana.

Fitoriana nandritra ny fandrarana

Voarara ny fitoriana ilay Fanjakana, tany Kanada, nandritra ny Ady Lehibe II. Tsy maintsy nafenina ny boky sy gazetinay, ary nisy toerana maro nanaovana izany tao amin’ny toeram-pambolenay. Nankao aminay matetika ny polisy nefa tsy nahita na inona na inona. Baiboly ihany no nentinay rehefa nitory. Vitsivitsy izahay no niara-nivory, ary izahay sy John rahalahiko no nofidina ho mpitondra taratasy miafina.

Nizara an’ilay bokikely hoe Faran’ny Nazisma ny fiangonanay nandritra ny ady. Tamin’ny misasakalina izahay no nametraka an’ilay izy moramora teny am-baravaran’ny trano tsirairay, ka nitebiteby be aho. Izany no zavatra nampatahotra indrindra nataoko. Maivamaivana erỳ izahay rehefa voazara daholo ireo bokikely! Niverina haingana tao anaty fiara izahay, nojerenay raha efa teo ny rehetra, ary niala haingana izahay raha mbola maizina ny andro.

Asan’ny mpisava lalana sy fonja ary fivoriambe

Nanao veloma an’i Neny aho, ary nankany amin’ny toerana nanendrena ahy ho mpisava lalana, tamin’ny 1 Mey 1943. Vola Ar 40 000 teo ho eo sy valizy kely no nentiko. Nandray ahy tsara ry Rahalahy Tom Troop mianakavy, izay nipetraka tao Quill Lake, any Saskatchewan. Nankany amin’ny faritany mitokana tany Weyburn, any Saskatchewan, aho ny taona nanaraka. Voasambotra aho rehefa nitory teny an-dalana, tamin’ny 24 Desambra 1944. Nigadra teo an-toerana aloha aho, ary avy eo nalefa tany amin’ny toby fiasana tany Jasper, any Alberta. Niaraka tamin’ny Vavolombelona hafa aho tany. Teo akaikin’ny Tendrombohitra Rocheuses ny toerana nisy anay, ka voahodidin’ny asa mahatalanjon’i Jehovah izahay. Navelan’ny tompon’andraikitry ny toby hanatrika fivoriana tany Edmonton, any Alberta, izahay tamin’ny voalohandohan’ny 1945. Nahafaly be ny tatitra nolazain’ny Rahalahy Knorr momba ny fandroson’ny asa eran-tany. Tsy andrinay ny fotoana hanafahana anay, ka handraisanay anjara feno amin’ny fanompoana indray.

Niverina nanao mpisava lalana aho rehefa nivoaka ny fonja. Nambara taoriana kelin’izay fa hatao any Los Angeles, Kalifornia, ny fivoriambe “Fitarana any Amin’ny Firenena Rehetra.” Nanana kamiao ny rahalahy iray tany amin’ilay toerana vaovao nanendrena ahy. Nasiany seza ho an’olona 20 ilay izy, mba handehananay hamonjy ilay fivoriambe. Niainga izahay tamin’ny 1 Aogositra 1947. Tsy hay hadinoina ilay dia nahafinaritra nandritra ny 27 andro! Namakivaky lalana 7 200 kilaometatra izahay, nandalo tany lemaka maitso mavana, tany efitra, ary toerana kanto toy ny valan-javaboarin’ny Yellowstone sy Yosemite.

Faran’izay tsara koa ilay fivoriambe ka tsy hohadinoiko mihitsy. Te handray soa feno aho, ka nikarakara ny mpanatrika nandritra ny andro, ary niambina rehefa alina. Nanatrika ny fivoriana ho an’ireo maniry ho misionera aho ary nameno taratasy fangatahana, na dia tsy tena nino aza hoe ho voaray. Teo am-piandrasana izay ho valin’io dia nanao ny asan’ny mpisava lalana tany amin’ny provansin’i Québec, any Kanada, aho tamin’ny 1948.—Isaia 6:8.

Sekolin’i Gileada sy taorian’izay

Faly be aho rehefa nasaina nanatrika ny kilasy faha-14 amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada, tamin’ny 1949. Nanatanjaka ny finoako ilay fampiofanana, ary lasa akaiky kokoa an’i Jehovah aho. Efa nahazo diplaoma tamin’ny kilasy faha-11 i John sy Kay vadiny, ary misionera tany Rodezia Avaratra (Zambia ankehitriny). Nahazo diplaoma tamin’ny 1956 koa i John rahalahiko, ary niara-nanompo tamin’i Frieda vadiny tany Brezila nandritra ny 32 taona, mandra-pahafatiny.

Nozaraina tamin’ny Febroary 1950 ny diplaomanay, ary nahazo telegrama roa nampahery aho. Avy tamin’i Neny ny iray, ary avy tamin-dry Troop, tany Quill Lake, kosa ny iray, izay nisy lohateny hoe “Torohevitra ho An’ny Olona Nahazo Diplaoma.” Izao no voasoratra tao: “Andro iray toa zato ho anao ny andro anio, ary ho sarobidy aminao foana izy io. Enga anie ianao hahita fahombiazana sy fifaliana foana.”

Voatendry ho any Québec aho, nefa mbola nijanona kely tao amin’ny Toeram-piompiana sy Fambolen’ilay Fanjakana, tao amin’ny Fanjakan’i New York. Tao no natao ny Sekolin’i Gileada tamin’izany. Nanontany ahy ny Rahalahy Knorr, indray andro, raha te hanompo tany Belzika aho. Nanontaniany indray anefa aho taoriana kelin’izay raha nanaiky ho any Holandy. Voalaza tao amin’ilay taratasy fanendrena ahy, fa ho “mpikarakara ny sampana” aho any Holandy. Nahasadaikatra ahy izany.

Niainga tamin’ny 24 Aogositra 1950 ilay sambo nitondra ahy ho any Holandy, ary naharitra 11 andro ny dia. Ampy tsara izany fotoana izany mba hamakiako hatramin’ny farany an’ilay Baiboly vaovao Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Tonga tany Rotterdam aho, tamin’ny 5 Septambra 1950, ary nandray ahy tsara ny fianakavian’ny Betela. Niasa tsara ireo rahalahy mba hanohizana indray ny fanompoana sy ny fivoriana kristianina, na dia teo aza ny fanimbana nateraky ny Ady Lehibe II. Tsy nivadika mihitsy izy ireo na dia nahery vaika aza ny fanenjehana. Rehefa nitantara izany izy ireo, dia nihevitra aho fa ho sarotra aminy ny hanompo eo ambany fitantanan’ny mpikarakara ny sampana iray mbola tanora sy tsy ampy traikefa. Tsy ela anefa dia hitako fa tsy nisy antony tokony hatahorako.

Mazava ho azy fa nisy zavatra nila nokarakaraina. Tonga taloha kelin’ny fivoriambe iray aho. Gaga aho rehefa nahita ireo olona an’arivony nilasy teo amin’ny toerana hanaovana an’ilay fivoriambe. Nilaza aho fa tsara raha mitady trano hilasian’ny vahiny izahay amin’ny manaraka. Nihevitra ireo rahalahy fa tsara ilay hevitra, saingy tsy ho azo nampiharina teo an-toerana. Nitady marimaritra iraisana àry izahay ka nanapa-kevitra, fa ao amin’ny toerana hanaovana ny fivoriambe ny antsasaky ny vahiny no hilasy, ary any an-tranon’olona tsy Vavolombelona ny antsasany. Faly aho nilaza ny vokatr’ilay fanapahan-kevitra tamin’ny Rahalahy Knorr, rehefa tonga nanatrika ilay fivoriambe izy. Nisinda avy hatrany anefa ny fifaliako, rehefa namaky ny tatitra momba ilay fivoriambe aho, tatỳ aoriana. Izao no voalaza tao amin’ny Tilikambo Fiambenana: “Matoky izahay fa hanana finoana ireo rahalahy amin’ny manaraka, ka hiezaka hitady filasiana ho an’ny mpanatrika fivoriambe any amin’ny toerana mety indrindra mba hitoriana, izany hoe any an-tranon’olona.” Izany indrindra no nataonay tamin’ny fivoriambe “nanaraka”!

Nasaina nanatrika fivoriana tany Londres niaraka tamin’ny solontenan’ny sampana hafa ny solontena roa avy teto amin’ny sampana nisy anay, tamin’ny Jolay 1961. Nilaza ny Rahalahy Knorr tamin’izay, fa hadika amin’ny fiteny maro kokoa Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, ary anisan’izany ny teny holandey. Tena nahafaly izany vaovao izany! Soa ihany fa tsy fantatray ny halehiben’ilay tetikasa. Roa taona taorian’izay, izany hoe tamin’ny 1963, dia nivoaka tamin’ny fivoriambe natao tany New York Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny holandey. Faly be aho nanana anjara tamin’io fivoriambe io.

Fanapahan-kevitra sy fanendrena vaovao

Nanambady an’i Leida Wamelink aho, tamin’ny Aogositra 1961. Lasa Vavolombelon’i Jehovah izy mianakavy tamin’ny 1942, izany hoe tamin’ny fotoana nisian’ny fanenjehan’ny Nazia. Nanomboka ny asan’ny mpisava lalana maharitra i Leida tamin’ny 1950, ary tonga teto amin’ny Betela izy tamin’ny 1953. Hitako tamin’ny fomba fiasany tato sy tany amin’ny fiangonana, fa ho namana mahatoky eo amin’ny fanompoana izy.

Nasaina nankany Brooklyn aho, herintaona mahery kely taorian’ny nivadianay, mba hanatrika fampiofanana fanampiny, naharitra folo volana. Tsy nisy fandaharana natao anefa mba handehanan’ny vadin’ireo rahalahy niofana. Tsy dia salama i Leida nefa nilaza tamiko tamim-pitiavana izy, fa tokony hanaiky ilay fanasana aho. Nihanarary izy, tatỳ aoriana, saingy niezaka nanohy ny asanay tato amin’ny Betela ihany izahay. Nanapa-kevitra anefa izahay tamin’ny farany, fa tsara kokoa ho anay ny manompo manontolo andro eny amin’ny saha. Nanomboka nitety faritany àry izahay. Nisy fandidiana lehibe tsy maintsy natao tamin’i Leida, taoriana kelin’izay. Afaka niatrika izany izahay noho ny fanampiana sy ny fitiavan’ireo namana kristianina. Afaka nanao ny asan’ny vondrom-paritra mihitsy aza izahay, herintaona tatỳ aoriana, rehefa voatendry hanao izany.

Nitety faritany nandritra ny fito taona izahay, ary nahafaly sy nampahery anay izany. Nisy fanapahan-kevitra lehibe tsy maintsy noraisinay indray anefa, rehefa nasaina nampianatra tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana tato amin’ny Betela aho. Nanaiky izahay na dia sarotra aza ny fiovana tsy maintsy natao. Tianay mantsy ny nitety faritany. Naharitra tapa-bolana avy ireo kilasy 47 tamin’ilay sekoly. Afaka nanampy an’ireo anti-panahy aho nandritra izany fotoana izany, mba handraisan’izy ireo soa eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah.

Nikasa hitsidika an’i Neny aho ny taona 1978. Nahazo telegrama tampoka anefa izahay, tamin’ny 29 Aprily 1977, fa maty izy. Nalahelo be aho rehefa nieritreritra hoe tsy handre intsony ilay feony feno fitiavana, sady tsy ho afaka hilaza aminy intsony hoe tena tiako izay rehetra nataony ho ahy.

Nasaina ho anisan’ny fianakavian’ny Betela indray izahay rehefa nifarana ilay Sekoly. Mpandrindra teo anivon’ny Komitin’ny Sampana aho, nandritra ny folo taona nanaraka. Nanendry mpandrindra vaovao afaka nanao tsara an’ilay asa ny Filan-kevi-pitantanana, tatỳ aoriana, ka tena faly aho.

Manompo araka izay vita

Samy 83 taona izao izahay sy Leida. Faly aho nanompo manontolo andro nandritra ny 60 taona mahery. Niarahako tamin’ilay vadiko mahatoky ny 45 taona tamin’izany. Nihevitra izy fa anisan’ny fanompoany an’i Jehovah ny fanohanana ahy tamin’ny andraikitra rehetra nanendrena ahy. Manao izay asa vitanay ato amin’ny Betela sy any amin’ny fiangonana izahay izao.—Isaia 46:4.

Tianay erỳ ny mitadidy an’ireo fotoana nahafinaritra teo amin’ny fiainanay. Tsy nanenenanay mihitsy izay vitanay tamin’ny fanompoana an’i Jehovah, ary miaiky izahay fa nanao ny safidy tsara indrindra. Tapa-kevitra izahay fa hanohy hanompo sy hidera an’i Jehovah amin’ny herinay rehetra.

[Sary, pejy 13]

Izahay sy Bill, ilay zokiko lahy, ary Saul soavalinay

[Sary, pejy 15]

Ny mariazinay, Aogositra 1961

[Sary, pejy 15]

Izahay sy Leida ankehitriny