Torohevitra Nanohina ny Fo
Torohevitra Nanohina ny Fo
NIZARANA diplaoma ny kilasy faha-121 amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada, tamin’ny 9 Septambra 2006. Natao tany amin’ny Foibem-pampianaran’ny Tilikambo Fiambenana, any Patterson, New York izany. Nampahery tokoa io fivoriana io.
I Geoffrey Jackson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah no nanomboka ny fotoana. Noarahabainy tonga soa ireo mpianatra 56, sy ireo mpanatrika 6 366 avy any amin’ny tany samy hafa. Nanazava ny Salamo 86:11 izy avy eo. Izao no voalaza ao: “Ampianaro ny làlanao aho, Jehovah ô, dia handeha amin’ny fahamarinanao aho; ampiraiso ny foko hatahotra ny anaranao.” Niresaka lafin-javatra telo misongadina ao amin’io andininy io ny Rahalahy Jackson. Hoy izy: “Miresaka momba ny fampianarana ny tapany voalohany. Ny fampiharana izany kosa no ao amin’ny tapany faharoa, ary ny antony hampiharana izay ianarana no resahin’ny tapany farany. Ianareo misionera indrindra no tena mila an’ireo zavatra telo ireo, amin’izao ianareo hotendrena ho any an-tany hafa izao.” Nilaza izy avy eo fa hisy lahateny sy fanadinadinana maromaro hanasongadina izany.
Torohevitra nampahery
I William Malenfant, mpiasa ao amin’ny foibe, no nanao ilay lahateny hoe “Ny Fiainana Tsara Indrindra.” Niresaka momba ny modely navelan’i Maria, rahavavin’i Marta, izy. Tamin’i Jesosy nitsidika azy mirahavavy ireo, dia nifidy ny hipetraka teo an-tongotr’i Jesosy i Maria, mba hihaino azy. Izany no zava-dehibe indrindra taminy. Hoy i Jesosy tamin’i Marta: ‘Nifidy ny tsara kokoa i Maria, ka tsy halaina aminy izany.’ (Lioka 10:38-42) Hoy ilay mpandahateny: “Eritrereto ange izany e! Noho ny safidy tsara nataony, dia hotsaroan’i Maria mandrakizay fa nipetraka teo an-tongotr’i Jesosy izy, ary nihaino azy niresaka momba ny fahamarinana sarobidy avy amin’Andriamanitra.” Noderain’ilay mpandahateny avy eo ireo mpianatra, noho ny safidy tsara nataony, mifandray amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Hoy izy taorian’izay: “Ny fiainanareo no tsara indrindra satria nanao safidy tsara ianareo.”
I Anthony Morris, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, indray avy eo no nanao ilay lahateny hoe “Tafio ny Toetran’i Jesosy Kristy Tompo.” Nalaina tao amin’ny Romanina 13:14 izy io. Mitafy ny toetran’i Jesosy isika, rehefa manahaka ny modely navelany sy ny toetrany. Hoy ilay mpandahateny: “Tsy nampahatahotra ny olona ny niaraka tamin’i Jesosy. Hitan’izy ireo mantsy fa tena niahy azy ireo izy.” Nohazavain’ilay mpandahateny avy eo ny antony nampianarana zavatra maro an’ireo mpianatra. Natao izany mba hahafahany ‘hahatakatra tsara izay sakany sy halavany sy haavony ary halaliny’ amin’ny fahamarinana, araka ny Efesianina 3:18. Nampahatsiahivin’ilay mpandahateny anefa ny andininy faha-19, manao hoe: “Ary hahalala ny fitiavan’i Kristy izay mihoatra noho ny fahalalana.” Nanoro hevitra an’ireo mpianatra izy hoe: “Rehefa mianatra samirery ianareo, dia eritrereto ny fomba azonareo anahafana ny fitiavan’i Kristy sy ny fangorahany, mba ho hita fa tena ‘mitafy ny toetran’i Jesosy Kristy Tompo’ ianareo.”
Torohevitra farany
I Wallace Liverance, mpampianatra ao Gileada, no nanao ny lahateny manaraka. Nalaina avy tao amin’ny Ohabolana 4:7 ny lohatenin’izy io. Nohazavainy fa tena ilaina ny fahendrena avy amin’Andriamanitra. Tsy maintsy manao izay hahazoana fahalalana koa anefa isika. Mba hahazoana tsara ny foto-kevitra iray, dia mila manambatra hevitra maromaro isika, ary mandinika ny fifandraisan’izy ireo. Nilaza ilay mpandahateny, fa ho faly isika raha mahazo fahalalana. ‘Nampianatra ny lalàna’, ohatra, ny Levita tamin’ny andron’i Nehemia, ka “azon’ny olona tsara” ilay izy. ‘Nifaly indrindra [àry] ny olona, satria azony tsara ny teny izay notorina taminy.’ (Nehemia 8:7, 8, 12) Hoy ny Rahalahy Liverance teo am-pamaranana: “Faly isika rehefa mahazo tsara ny Teny nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fanahiny.”
“Iza no Tena Fahavalonao?” Izany no lahateny nataon’i Mark Noumair, anisan’ny mpampianatra. Maro amin’ny miaramila any an’ady no maty voatifitry ny namany ihany. Nanontany àry ilay mpandahateny hoe: “Ahoana kosa ny amin’ny ady ara-panahy ataontsika? Raha tsy mitandrina isika, dia tsy ho fantatsika intsony hoe iza no tena fahavalontsika, ka ny namantsika indray no hasiantsika.” Ny fialonana no mahatonga ny olona sasany hanao izany. Nialona an’i Davida i Saoly Mpanjaka, ka nitady hamono azy. Ny Filistinina anefa no tena fahavalony, fa mpiara-mivavaka aminy kosa i Davida. (1 Samoela 18:7-9; 23:27, 28) Hoy ilay mpandahateny avy eo: “Ahoana raha misy misionera namanao mahay zavatra maro kokoa noho ianao? Hanao toy ilay miaramila mitifitra ny namany ve ianao, ka hanakiana azy? Sa kosa ianao hanaiky fa tsy maintsy misy foana ny olona mahay zavatra maro kokoa noho ianao? Mety tsy ho fantatsika intsony ny tena fahavalo raha mifantoka amin’ny fahadisoan’ny hafa isika. I Satana no tena fahavalo, ka izy no asio.”
Fitantarana nahafinaritra sy fanadinadinana nahalalan-javatra
I Lawrence Bowen, mpampianatra ao Gileada, no nanao ilay lahateny manaraka hoe “Ataovy ny Asan’ny Mpitory ny Vaovao Tsara.” Nisy fanadinadinana sy fitantarana tamin’izy io. Nilaza izy hoe: “Ny fitoriana ny vaovao tsara no tena asan’ny misionera nianatra teto Gileada. Izany no nataon’ireto mpianatra ireto, na taiza na taiza nahitany olona.” Nahafinaritra ny fitantaran’ireo misionera, ka natao fampisehoana ny sasany.
Nanao lahateny roa nifampitohy kosa i Michael Burnett sy Scott Shoffner, izay samy mpianakavin’ny Betela. Nanadinadina rahalahy anisan’ny Komitin’ny Sampana any Aostralia, Barbade, Korea, ary Ouganda izy ireo. Hita tamin’ny tenin’ireo rahalahy ireo fa nisy asa mafy natao, mba hikarakarana ny fahasalaman’ny misionera, sy hanomezana azy trano mety tsara, na izay zavatra hafa ilainy. Nasongadin’izy ireo koa fa mahita vokatra tsara ny misionera, rehefa vonona hianina amin’ny zava-misy eo an-toerana.
Famaranan-teny nampahery sy nampihetsi-po
Ilay hoe “Matahora An’Andriamanitra ka Omeo Voninahitra Izy” no lahateny lehibe indrindra. I John Barr, izay anisan’ny Filan-kevi-pitantanana efa ela, no nanao azy io. Nohazavainy ny Apokalypsy 14:6, 7, izay milaza hoe: “Hitako fa nisy anjely hafa iray nanidina teny afovoan’ny lanitra. Ary nanana vaovao tsara mandrakizay izy, dia vaovao mahafaly hotorina amin’ny mponina amin’ny tany sy amin’ny firenena sy foko sy olona samy hafa fiteny ary vahoaka rehetra. Ary izy nanao tamin’ny feo mafy hoe: ‘Matahora an’Andriamanitra ka omeo voninahitra izy, satria tonga ny ora fitsarany.’ ”
Nampirisihin’ny Rahalahy Barr ireo mpianatra, mba hitadidy zavatra telo momba an’io anjely io. Voalohany, nila nitory an’izao vaovao tsara mandrakizay izao izy: Efa manjaka i Kristy, ary manana fahefana feno. Hoy ilay mpandahateny: “Resy lahatra tanteraka isika, fa tamin’ny 1914 izy no lasa mpanjaka. Tsy maintsy torina maneran-tany àry izany vaovao mahafaly izany.” Faharoa, nilaza ilay anjely hoe: “Matahora an’Andriamanitra.” Nohazavain’ilay mpandahateny, fa tokony hampian’ireo mpianatra hanaja an’Andriamanitra ny olona ampianariny Baiboly. Tsy hanao zavatra mampalahelo an’Andriamanitra ilay olona amin’izay. Fahatelo, nandidy ilay anjely hoe: ‘Omeo voninahitra Andriamanitra.’ Notoroana hevitra ireo mpianatra hoe: “Aza hadinoina mihitsy fa te hanome voninahitra an’Andriamanitra isika matoa manompo azy, fa tsy hoe mitady voninahitra ho an’ny tenantsika.” Niresaka momba ‘ny ora fitsarana’ avy eo ny Rahalahy Barr. Hoy izy: “Kely sisa dia hambara ny didim-pitsarana farany. Mbola betsaka ny olona ao amin’ny faritanintsika no tokony handre ny vaovao tsara, dieny mbola tsy tara loatra.”
Raha mbola nisaintsaina izany teny izany ireo mpianatra 56, dia nomena diplaoma, ary nirahina hatrany amin’ny faran’ny tany. Nahafinaritra tokoa iny fivoriana iny. Tena nanohina ny fon’ireo mpianatra sy ny mpanatrika hafa rehetra ny torohevitra mampahery azony tao.
[Efajoro, pejy 17]
ANTONTAN’ISA MOMBA ILAY KILASY
Tany nanana solontena: 6
Tany nanendrena: 25
Mpianatra: 56
Salanisan-taona: 35,1
Salanisan’ny taona naha tao amin’ny fahamarinana: 18,3
Salanisan’ny taona nanompoana manontolo andro: 13,9
[Sary, pejy 18]
Ny Kilasy Faha-121 Nahazo Diplaoman’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada
Amin’ilay lisitra eto ambany, ireo laharana dia asiana nomerao avy eo aloha mankany aoriana, ary ireo anarana dia tononina avy eo ankavia miankavanana isaky ny laharana.
1) Fox, Y.; Kunicki, D.; Wilkinson, S.; Kawamoto, S.; Consolandi, G.; Mayen, C. 2) Santiago, N.; Clancy, R.; Fischer, M.; de Abreu, L.; Davis, E. 3) Hwang, J.; Hoffman, D.; Wridgway, L.; Ibrahim, J.; Dabelstein, A.; Bakabak, M. 4) Peters, M.; Jones, C.; Ford, S.; Parra, S.; Rothrock, D.; Tatlot, M.; Perez, E. 5) de Abreu, F.; Kawamoto, S.; Ives, S.; Burdo, J.; Hwang, J.; Wilkinson, D. 6) Fox, A.; Bakabak, J.; Cichowski, P.; Forier, C.; Mayen, S.; Consolandi, E.; Wridgway, W. 7) Parra, B.; Perez, B.; Tatlot, P.; Santiago, M.; Ibrahim, Y.; Kunicki, C. 8) Burdo, C.; Cichowski, B.; Ives, K.; Ford, A.; Rothrock, J.; Hoffman, D.; Davis, M. 9) Peters, C.; Dabelstein, C.; Jones, K.; Clancy, S.; Fischer, J.; Forier, S.