Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampio ny Hafa Hankatò Izay Ampianarin’ny Baiboly

Ampio ny Hafa Hankatò Izay Ampianarin’ny Baiboly

Ampio ny Hafa Hankatò Izay Ampianarin’ny Baiboly

“Ireo teo amin’ny tany tsara kosa, dia izay mandre ny teny amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitana azy, ary mamoa amin’ny fiaretana.”—LIOKA 8:15.

1, 2. a) Inona no antony namoahana ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? b) Inona no mampiseho fa notahin’i Jehovah ny ezaka nataon’ny mpanompony mba hanao mpianatra?

“TENA tsara ilay boky. Samy tia azy io na izaho na ny mpianatro. Afaka manomboka fampianarana Baiboly amin’izy io ianao, na dia eo am-baravaran’ny olona itorianao aza.” Izany no nolazain’ny Vavolombelon’i Jehovah iray mpitory manontolo andro, momba ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? * Hoy koa ny mpitory zokiolona iray momba azy io: “Efa 50 taona izay no nanompoako an’i Jehovah, ary olona maro no efa nampiako hahafantatra Azy. Sahiko anefa ny milaza fa hafa mihitsy io boky iray io. Tena mahafinaritra ireo sary sy fanoharana ao anatiny.” Toy izany koa ve no fahitanao ny boky Ampianarina? Natao hanampiana anao hanatontosa an’ity baikon’i Jesosy ity izy io: “Mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra ... Ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.”—Matio 28:19, 20.

2 Vavolombelona enina tapitrisa sy sasany mahery no mankatò io baikon’i Jesosy io, ka mazoto manao mpianatra. Azo antoka fa mampifaly ny fon’i Jehovah izany. (Ohabolana 27:11) Hita mihitsy hoe mitahy ny ezaka ataon’izy ireo i Jehovah. Tany 235, ohatra, no nitoriana ny vaovao tsara tamin’ny 2005, ary olona maherin’ny 6 061 500 no nampianarina Baiboly, tamin’ny antsalany. Olona maro àry no ‘nandre ny tenin’Andriamanitra ary tsy nandray azy io ho tenin’olona, fa araka ny tena izy dia tenin’Andriamanitra.’ (1 Tesalonianina 2:13) Nisy olona dimy hetsy mahery koa nampifanaraka ny fiainany tamin’ny fitsipik’i Jehovah sy nanolo-tena ho azy, nandritra ireo roa taona lasa.

3. Inona avy no fanontaniana hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?

3 Afaka nanomboka fampianarana Baiboly ve ianao tato ho ato? Azo inoana fa faly ianao raha nahavita izany. Mbola misy olona manana “fo tsara sy mahitsy” eran-tany. ‘Hitana’ ny tenin’Andriamanitra sy ‘hamoa amin’ny fiaretana’ izy ireo, raha mandre azy io. (Lioka 8:11-15) Andeha hodinihintsika ny fomba hampiasana ny boky Ampianarina rehefa manao mpianatra. Fanontaniana telo no hovaliantsika amin’izany: 1) Ahoana no hanombohana fampianarana Baiboly? 2) Inona avy no fomba fampianatra tena mahomby? 3) Ahoana no hanampiana ny mpianatra ho lasa mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra?

Ahoana no hanombohana fampianarana Baiboly?

4. Nahoana ny olona sasany no misalasala hianatra Baiboly, ary ahoana no azontsika anampiana azy ireny?

4 Andeha atao hoe asaina miampita lakandrano lehibe ianao. Ho sahy ve ianao raha asaina mitsambikina indray mandeha monja? Azo inoana fa tsia. Ho sahy hiampita anefa ianao, raha asiana vato maromaro mifanelanelana eo mba handehananao. Mety hisalasala ny hianatra Baiboly koa ny olona iray be atao. Mihevitra angamba izy fa mitaky fotoana sy ezaka be ny fianarana azy io. Ahoana no hanampianao azy amin’izany? Ho afaka hanampy an’ilay olona hianatra tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra ianao, raha ampiasainao mba hanaovana resadresaka fohy matetitetika sy ahafantaran-javatra, ny boky Ampianarina. Raha manomana tsara ianao, dia ho azo ampitahaina amin’ny vato fiampitana iray ny fiverenana mitsidika tsirairay ataonao, satria manampy an’ilay olona tsikelikely hifandray amin’i Jehovah izany.

5. Nahoana ianao no mila mamaky ny boky Ampianarina?

5 Tokony ho hainao tsara anefa izay raketin’ny boky Ampianarina, raha te hanampy olona handray soa avy amin’izy io ianao. Efa voavakinao hatramin’ny farany ve izy io? Nisy mpivady nitondra azy io tany am-panaovana vakansy, ary nanomboka namaky an’ilay izy rehefa nitsotsotra teo amoron-dranomasina. Nandalo ny vehivavy iray nivarotra entana tamin’ny mpizaha tany, ka nahamarika an’ilay lohateny hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Nolazainy tamin’izy mivady, fa vao ora vitsivitsy talohan’izay izy no nivavaka mba hahita ny valin’io fanontaniana io. Faly erỳ izy mivady nanome azy boky iray. Mahay ‘manararaotra ny fotoana’ koa ve ianao mba hamakiana an’io boky io? Mety ho azo atao izany mandritra ny fiatoana any am-piasana na any am-pianarana, na rehefa miandry olona, eny fa na dia efa voavakinao aza izy io. (Efesianina 5:15, 16) Raha manao izany ianao dia hahay tsara izay raketin’io boky io, ary mety hahita fomba hiresahana izany amin’ny hafa.

6, 7. Ahoana no azonao anombohana fampianarana Baiboly amin’ny boky Ampianarina?

6 Ampiasao tsara ny sary sy ny andinin-teny ary ny fanontaniana eo amin’ny pejy 4, 5, ary 6, rehefa mametraka an’ilay boky eny amin’ny fanompoana. Afaka manombo-dresaka toy izao, ohatra, ianao: “Araka ny hevitrao, aiza no misy tari-dalana tsara, mba hiatrehana ny olana misy ankehitriny?” Henoy tsara ny valin-tenin’ilay olona. Vakio avy eo ny 2 Timoty 3:16, 17, ary hazavao fa ny Baiboly no manome ny tena vahaolana amin’izany. Asehoy azy ny pejy 4 sy 5, ary milazà hoe: “Mampiseho olana maromaro ireto sary ireto. Iza amin’ireo no mampalahelo anao indrindra?” Rehefa manondro sary iray ilay olona, dia asaivo tazoniny ilay boky, ary vakio ao amin’ny Baibolinao ny andinin-teny mifanitsy amin’ilay sary. Vakio, avy eo, ireo fehintsoratra eo amin’ny pejy 6, ary anontanio izy hoe: “Iza amin’ireo fanontaniana ireo no tena mahaliana anao?” Raha manondro fanontaniana iray izy, dia asehoy azy ny toko mamaly izany. Omeo azy ilay boky, ary manaova fotoana hentitra tsara mba hihaonana aminy indray sy hamaliana an’ilay fanontaniana.

7 Vita ao anatin’ny dimy minitra eo ho eo io fomba fitory io. Efa nahafantatra ny zavatra mampanahy an’ilay olona anefa ianao, namaky sy nanazava andinin-teny roa, ary afaka nametraka fanontaniana hovaliana amin’ny manaraka. Mety ho tena hampahery sy hampionona an’ilay olona ny resaka fohy nataonao. Efa ela angamba izy no tsy nandre resaka toy izany, ka na dia be atao aza izy, dia mety haniry hanokana fotoana fohy hiresahana aminao indray amin’ny manaraka. Ho afaka hanampy azy tsikelikely handeha eo amin’ilay “lalana mankany amin’ny fiainana” ianao amin’izay. (Matio 7:14) Tokony hampitomboina ny fotoana ianarana rehefa mihaliana ilay olona. Anontanio izy raha afaka mipetraka ianareo mba hahafahana hianatra ela kokoa. Azonao faritana hoe adiny firy ilay izy.

Ny fomba fampianatra tena mahomby

8, 9. a) Ahoana no anampianao ny mpianatra Baiboly hiatrika ireo olana sy fitsapana mety hihatra aminy? b) Aiza no ahitana ireo fitaovana tsy mety may, izay hanampy ny mpianatra hanana finoana matanjaka?

8 Mety hiatrika olana hisakana azy tsy handroso ny olona iray, raha vao manomboka mankatò izay ampianarin’ny Baiboly. Hoy ny apostoly Paoly: “Henjehina koa izay rehetra te hiaina ao anatin’ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra sady tafaray amin’i Kristy Jesosy.” (2 Timoty 3:12) Nampitahain’i Paoly tamin’ny afo ireny fisedrana ireny. Hanimba ny fitaovam-panorenana mora may izany, saingy tsy hanan-kery amin’ny fitaovam-panorenana toy ny volamena sy volafotsy ary vatosoa. (1 Korintianina 3:10-13; 1 Petera 1:6, 7) Ampio hanorina amin’ny fitaovana tsy mety may ny olona ampianarinao Baiboly, mba hananany ny toetra ilaina hiatrehana ireo fitsapana mety hihatra aminy.

9 Nampitovin’ny mpanao salamo tamin’ny ‘volafotsy voarendrika tao anatin’ny memy sy voadio impito, ny tenin’i Jehovah.’ (Salamo 12:6) Hita ao amin’ny Baiboly tokoa ny fitaovana sarobidy rehetra, izay hanampy ny mpianatra hanana finoana matanjaka. (Salamo 19:7-11; Ohabolana 2:1-6) Manoro anao ny fomba mandaitra azo ampiasana andinin-teny koa ny boky Ampianarina.

10. Ahoana no anampianao ny mpianatra hisaintsaina ireo andinin-teny?

10 Ampio ny mpianatra mba hisaintsaina ireo andinin-teny ao amin’ny toko tsirairay rehefa mianatra ianareo. Mametraha fanontaniana mba hanampiana azy hahazo sy hampihatra ireo andinin-teny mifandray amin’ny hevi-dehibe. Mitandrema anefa mba tsy ho ianao indray no handray fanapahan-kevitra ho azy. Manahafa kosa an’i Jesosy. Rehefa nanontany azy, ohatra, ny lehilahy iray nahay Lalàna, dia namaly izy hoe: “Inona no voasoratra ao amin’ny Lalàna? Ahoana no fahazoanao azy?” Nanambara izay voalazan’ny Soratra Masina ilay lehilahy, ary nanampy azy hampihatra an’ilay toro lalana i Jesosy. Nanao fanoharana koa izy mba hanampiana an’ilay lehilahy hahita izay tokony hataony. (Lioka 10:25-37) Feno fanoharana tsotra ao amin’ny boky Ampianarina, ary azonao ampiasaina izy ireny mba hanampiana ny mpianatra hampihatra ny toro lalan’ny Soratra Masina.

11. Ahoana no hamaritana ny habetsahan’ny fehintsoratra ianarana isaky ny mianatra?

11 Hazavain’ny boky Ampianarina amin’ny fomba tsotra sy mivantana ny Tenin’Andriamanitra, toy ny nampiasan’i Jesosy teny tsotra mba hampitana hevitra sarotra. (Matio 7:28, 29) Tahafo izy! Ampitao amin’ny fomba tsotra sy mazava ary marina tsara ny hevitra. Aza maimaika! Farito arakaraka ny toe-javatra misy an’ilay olona sy ny fahaizany, ny isan’ny fehintsoratra dinihina isaky ny mianatra. Fantatr’i Jesosy ny zavatra mety ho takatry ny mpianany, ka izay fanazavana nilain’izy ireo tamin’izany fotoana izany ihany no nomeny.—Jaona 16:12.

12. Ahoana no tokony hampiasana ny fanazavana fanampiny?

12 Ahitana fanazavana fanampiny misy loha hevitra 14 ao amin’ny boky Ampianarina. Anjaranao ny mamaritra ny fomba tsara indrindra ampiasana azy io, arakaraka izay ilain’ny mpianatrao. Raha sarotra aminy, ohatra, ny foto-kevitra iray, na mametraka fanontaniana momba ny zavatra ninoany teo aloha izy, dia azonao atoro azy ny fanazavana fanampiny mifandray amin’izany ary asaina dinihiny samirery. Mety hiara-mandinika aminy an’ilay fanazavana anefa ianao, raha ilaina izany. Mirakitra foto-kevitra tena mahasoa ny fanazavana fanampiny, toy ny hoe “Manana Fanahy Tsy Mety Maty Tokoa ve ny Olona?” sy ny hoe “Inona no Atao hoe ‘Babylona Lehibe’?” Mety handinika an’ireo loha hevitra ara-baiboly ireo miaraka amin’ny mpianatrao ianao. Tsy misy fanontaniana anefa ao, ka mila mahafantatra tsara an’ireo fanazavana ianao, mba hahafahanao hametraka fanontaniana mety tsara.

13. Nahoana no tena ilaina ny vavaka rehefa mampianatra Baiboly?

13 Hoy ny Salamo 127:1: “Raha tsy Jehovah no manao ny trano, dia miasa foana ny mpanao azy.” Mangataha fanampiana amin’i Jehovah àry, rehefa manomana an’ilay fampianarana. Aoka ho hita taratra amin’ny vavaka ataonao, aloha sy aorian’ny fampianarana tsirairay, fa mifandray tsara amin’i Jehovah ianao. Ampirisiho hivavaka amin’i Jehovah ilay mpianatra, mba hananany fahendrena hahazoana ny hevitry ny Teniny, sy herim-po hampiharana ny torohevitra ao anatiny. (Jakoba 1:5) Hanampy azy hanana herim-po hiatrehana fitsapana izany, ary hanatanjaka hatrany ny finoany.

Ampio ny mpianatra ho tonga mpampianatra

14. Inona no fandrosoana tokony hataon’ny mpianatra Baiboly?

14 Tokony handroso ny mpianatra ka ho lasa mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra, raha tiany ny hitandrina “izay rehetra” nandidian’i Jesosy ny mpianany. (Matio 28:19, 20; Asan’ny Apostoly 1:6-8) Ahoana no anampianao azy hanao izany fandrosoana izany?

15. Nahoana ianao no tokony hampirisika ny mpianatra hanatrika fivoriana?

15 Asao hanatrika fivoriana miaraka aminao ilay mpianatra raha vao manomboka mianatra. Hazavao aminy fa any am-pivoriana no andraisana fampiofanana mba ho mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra. Mandritra ny herinandro maromaro, dia manokàna minitra vitsivitsy eo am-pifaranan’ny fianarana tsirairay, mba hiresahana aminy an’ireo fandaharam-pampianarana any amin’ireo fivoriana sy fivoriambe. Aoka ianao hafana fo rehefa miresaka ny soa azo avy amin’izany. (Hebreo 10:24, 25) Azo inoana fa ho lasa mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra ny mpianatra raha vao manomboka mivory tsy tapaka.

16, 17. Inona avy no tanjona azon’ny mpianatra tratrarina?

16 Ampio ny mpianatra hanana tanjona azo tratrarina. Ampirisiho, ohatra, izy hiresaka ny zavatra nianarany amin’ny namany na ny havany. Toroy hevitra koa izy mba hamaky ny Baiboly manontolo. Raha ampianao hanomboka hamaky Baiboly tsy tapaka sy ho zatra hanao izany izy, dia handray soa avy amin’izany foana, na dia ela be aorian’ny batisany aza. Maro ny andinin-teny mamaly ireo fanontaniana mamoaka ny hevi-dehibe. Nahoana raha ampirisihina hitadidy iray amin’ireny izy fara fahakeliny, isaky ny avy mianatra toko iray? Raha manao izany izy, dia ho lasa ‘mpiasa tsy mitsanga-menatra na amin’inona na amin’inona, ary hanazava ny tenin’ny fahamarinana amin’ny fomba marina tsara.’—2 Timoty 2:15.

17 Tsy ampy ny mampianatra azy hanao tsianjery andinin-teny, na hamerina ny hevi-dehibe ao amin’izy ireny fotsiny. Ampirisiho kosa izy hanazava ny fifandraisan’ny andinin-teny sasany amin’ny loha hevitra iray, satria izany no tokony hataony rehefa mamaly ireo olona manontany azy momba ny finoany izy. Mety hanampy ny fanaovana famerenana fohy, ka ianao no maka ny toeran’ny havana na mpiara-miasa iray, izay mangataka aminy hanazava ny zavatra inoany. Asehoy azy koa ny fomba hamaliana “amim-pahalemem-panahy sy amim-panajana lalina.”—1 Petera 3:15.

18. Inona no fanampiana tokony homenao, rehefa lasa mpitory tsy vita batisa ilay mpianatra?

18 Mety hahafeno fepetra hanompo eny amin’ny saha ilay mpianatra rehefa mandeha ny fotoana. Antitrantero fa tombontsoa ny mandray anjara amin’io asa io. (2 Korintianina 4:1, 7) Raha vao hitan’ny anti-panahy fa mahafeno fepetra ho mpitory tsy vita batisa ilay mpianatra, dia ampio izy hanomana fomba fitory tsotra, ary miaraha manompo aminy. Miaraha aminy tsy tapaka amin’ireo lafim-panompoana samihafa. Ampianaro izy hanomana sy hanao fiverenana mitsidika, mba hahitany fahombiazana. Hisy vokany tsara eo aminy ny modely omenao.—Lioka 6:40.

‘Vonjeo ny tenanao sy ireo mihaino anao’

19, 20. Inona no tokony ho tanjontsika ary nahoana?

19 Marina fa mitaky ezaka be ny manampy olona hanana “fahalalana marina tsara ny fahamarinana.” (1 Timoty 2:4) Anisan’ny zavatra mahafaly indrindra eo amin’ny fiainana anefa ny manampy olona hankatò izay ampianarin’ny Baiboly. (1 Tesalonianina 2:19, 20) Voninahitra tokoa ny ‘miara-miasa amin’Andriamanitra’ amin’io asa fampianarana atao maneran-tany io!—1 Korintianina 3:9.

20 Tsy ho ela i Jehovah dia hampihatra ny didim-pitsarany amin’ireo ‘tsy mahalala an’Andriamanitra sy tsy mankatò ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Tompontsika.’ Hampiasa an’i Jesosy Kristy sy ny anjeliny mahery izy amin’izay. (2 Tesalonianina 1:6-8) Ain’olona maro no tandindomin-doza. Ataovy tanjona àry ny hitarika fampianarana Baiboly iray, fara fahakeliny, amin’ilay boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? “Hamonjy ny tenanao sy ireo mihaino anao” ianao, raha manao izany. (1 Timoty 4:16) Izao indrindra àry no fotoana tokony hanampiantsika ny hafa hankatò izay ampianarin’ny Baiboly.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 1 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Inona no Nianaranao?

• Inona no antony namoahana ny boky Ampianarina?

• Ahoana no hanombohana fampianarana Baiboly amin’ny boky Ampianarina?

• Inona avy no fomba fampianatra tena mahomby?

• Ahoana no hanampiana ny mpianatra ho lasa mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 26]

Ampiasainao tsara ve io boky io?

[Sary, pejy 27]

Mety hahatonga ny olona iray hianatra Baiboly ny resadresaka fohy

[Sary, pejy 29]

Inona no azonao atao mba hanampiana ny mpianatra hisaintsaina andinin-teny?

[Sary, pejy 30]

Ampio ny mpianatra mba handroso