Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aza Miala Amin’i Jehovah na Mikomy aza ny Zanakao!

Aza Miala Amin’i Jehovah na Mikomy aza ny Zanakao!

Aza Miala Amin’i Jehovah na Mikomy aza ny Zanakao!

NIEZAKA foana nampianatra ny zanany lahy ho tia an’i Jehovah Andriamanitra ny vehivavy kristianina iray, atao hoe Fara. Nikomy anefa ilay zanany, rehefa feno 18 taona teo ho eo, ary niala tao an-trano. Hoy i Fara: “Iny no zavatra mafy indrindra tamiko. Diso fanantenana aho, ka sady nalahelo be no sorena. Tsy nisy afa-tsy zavatra nahakivy tao an-tsaiko.”

Toy izany koa angamba ny manjo anao. Niezaka foana ianao nampianatra ny zanakao ho tia an’Andriamanitra sy hanompo azy. Indrisy anefa fa tsy manompo azy intsony ny zanakao iray na maromaro. Diso fanantenana tanteraka ianao. Ahoana no hiatrehanao izany? Inona no hanampy anao tsy hiala amin’i Jehovah mihitsy, fa hanompo azy hatrany?

Efa nanan-janaka nikomy i Jehovah

Voalohany, tadidio fa fantatr’i Jehovah tsara ny manjo anao. Hoy ny Isaia 49:15: “Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin’ny zanaka naloaky ny kibony? Eny, mety manadino ihany izy, fa Izaho kosa tsy mba manadino anao.” Manana fihetseham-po mitovy amin’ny an’ny ray aman-dreny i Jehovah. Manana fianakaviana koa mantsy izy any an-danitra. Fahiny, dia nidera sy nanompo an’i Jehovah daholo ny zanany, izany hoe ny anjely rehetra. Eritrereto ny hafaliany tamin’izany. Nampahatsiahiviny an’i Joba ny fotoana nahafaly niarahany tamin’izy ireo, rehefa niresaka taminy “teo anatin’ny tafio-drivotra” izy. Hoy izy: “Taiza ary hianao, fony Aho nanorina ny tany? ... Raha niara-nihira ny kintan’ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak’Andriamanitra?”—Joba 38:1, 4, 7.

Nikomy taminy, tatỳ aoriana, ny zanany lavorary iray tany an-danitra, ka lasa nantsoina hoe Satana na “Mpanohitra.” Niara-nikomy tamin’i Satana koa i Adama, zanak’i Jehovah voalohany teto an-tany, sy i Eva vadiny izay vehivavy lavorary. (Genesisy 3:1-6; Apokalypsy 12:9) Taorian’izay, dia nisy anjely hafa koa “nandao ny fonenana sahaza azy”, ary nikomy tamin’Andriamanitra.—Joda 6.

Tsy lazain’ny Soratra Masina amintsika izay tsapan’i Jehovah rehefa nikomy taminy ny zanany lavorary sasany. Voalaza mazava tsara ao anefa hoe: “Hitan’i Jehovah fa be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin’ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro. Ary Jehovah nanenina noho ny nanaovany olona tambonin’ny tany, ka nalahelo ny fony.” (Genesisy 6:5, 6) ‘Nalahelo’ koa izy rehefa nikomy taminy ny Israelita, izay vahoaka voafidiny.—Salamo 78:40, 41.

Azo antoka àry fa mangoraka i Jehovah rehefa mahita ny ray aman-dreny ory sy mijaly noho ny fikomian-janany. Nanome torohevitra mahasoa sy teny mampahery i Jehovah ao amin’ny Baiboly, mba hanampiana ny ray aman-dreny toy izany hiatrika ny manjo azy. Mampirisika azy ireo Andriamanitra mba hilaza aminy izay mampanahy azy, hanetry tena, ary hanohitra an’i Satana Devoly. Raha manaraka izany torohevitra izany ianao, dia tsy hiala amin’i Jehovah na dia mikomy aza ny zanakao. Andeha hojerentsika ny antony ilazantsika izany.

Lazao amin’i Jehovah izay mampanahy anao

Fantatr’i Jehovah fa mitebiteby mafy ny ray aman-dreny rehefa mahafantatra fa mitady hanimba tena ny zanany, na misy mitady hanisy ratsy. Nilaza fomba iray hiatrehana ny fanahiana toy izany ny apostoly Petera. Hoy izy: “Apetraho amin[’i Jehovah] avokoa izay rehetra mampanahy anareo, satria mikarakara anareo izy.” (1 Petera 5:7) Ny ray aman-dreny manana zanaka mikomy indrindra no tena mila an’izany fanasana sy fanomezan-toky izany. Nahoana?

Tamin’ny mbola kely ny zanakao, dia niezaka foana ianao niaro azy tamin’ny loza. Azo inoana fa nankatò ny toromarika feno fitiavana nomenao izy. Mety ho tsy nankatò anao firy intsony anefa izy rehefa nihalehibe. Na izany aza, dia mbola te hiaro azy amin’ny loza foana ianao. Vao mainka aza ianao te hiaro azy bebe kokoa.

Mety hanamelo-tena àry ianao rehefa mikomy ny zanakao ka iharan-doza, na miala amin’Andriamanitra, na mamoy fo. Nahatsiaro tena ho meloka i Fara, ilay voaresaka terỳ aloha. Hoy izy: “Nijaly foana aho isan’andro satria nieritreritra hoe tsy nahay nitaiza. Tiako ho fantatra izay tsy nety nataoko, ka tsy nitsahatra namisavisa ny lasa aho.” Amin’ny fotoana toy izany indrindra ianao no tian’i Jehovah ‘hametraka aminy izay mampanahy anao.’ Hanampy anao izy, raha manao izany ianao. Hoy ny mpanao salamo: “Apetraho amin’i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.” (Salamo 55:22) Izany no tsapan’i Fara. Hoy mantsy izy: “Tsy nisy nafeniko an’i Jehovah mihitsy izay rehetra tao am-poko, fa nolazaiko taminy daholo, ary izany no tena nampionona ahy.”

Olombelona tsy lavorary ianao, ka mety ho nisy fahadisoana nataonao teo amin’ny fitaizana ny zanakao. Aza mifantoka amin’izany anefa. Tsy mitsingoloka ny fahadisoantsika mantsy i Jehovah. Nihira ny mpanao salamo hoe: “Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, iza no hahajanona, Tompo ô?” (Salamo 130:3) Mety ho mbola nikomy ihany ny zanakao, na dia tsy nanao fahadisoana mihitsy aza ianao. Lazao amin’i Jehovah àry izay rehetra ao am-ponao, fa hanampy anao izy. Tsy izany ihany anefa no tsy maintsy ataonao, raha tianao ny tsy hiala amin’i Jehovah sy tsy ho voafandrik’i Satana.

Manetre tena

Hoy i Petera: “Manetre tena eo ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoana voatondrony.” (1 Petera 5:6) Nahoana ianao no mila manetry tena rehefa mikomy ny zanakao? Satria tsy vitan’ny hoe manamelo-tena sy ory ianao, fa mety ho menatra koa. Mety hihevitra ianao hoe afa-baraka ianareo mianakavy noho ny nataon’ny zanakao, indrindra moa raha voaroaka tsy ho anisan’ny fiangonana izy. Mety tsy hazoto hivory intsony ianao noho izany rehetra izany.

Mila maneho fahendrena ianao, raha mitranga ny toy izany. Mampitandrina ny Ohabolana 18:1 hoe: “Izay mitokana ho azy dia mitady ny mahafinaritra ny tenany ihany, misafoaka manohitra izay hevitra mahasoa rehetra izy.” Tongava foana àry amin’ny fivoriana kristianina, na dia eo aza ny alahelonao. Hahazo fampianarana sy fampaherezana tena sarobidy ianao any. Nitsotra toy izao i Fara: “Tsy te hahita na iza na iza mihitsy aho tamin’ny voalohany. Notadidiko anefa hoe tena ilaina foana ny manao ireo zavatra mifandray amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Raha nijanona tao an-trano koa aho, dia mety ho tsy nanao afa-tsy ny namisavisa ny fahoriako. Nanampy ahy hifantoka tamin-javatra mampahery ny fivoriana. Tena faly aho satria tsy nitokantokana. Raha nanao izany mantsy aho, dia tsy ho nahazo fampaherezana avy tamin’ireo anadahy sy rahavavy be fitiavana.”—Hebreo 10:24, 25.

Tadidio koa fa samy tompon’andraikitra amin’izay ataony ny Kristianina tsirairay ao an-tokantrano. Tsy maintsy ‘mitondra ny entany avy’ mantsy ny olona. (Galatianina 6:5) Takin’i Jehovah ny hitiavan’ny ray aman-dreny ny zanany sy hifehezany azy ireo. Antenainy koa anefa fa hankatò sy hanaja ny ray aman-dreniny ny ankizy. Ho tsara laza eo anatrehan’Andriamanitra ny ray aman-dreny, raha manao izay vitany mba hitaizana ny zanany araka ny “fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah.” (Efesianina 6:1-4) Ilay zaza kosa no ho ratsy laza, raha tsy mankatò ny fananarana feno fitiavana avy amin’ny ray aman-dreniny. Hoy ny Ohabolana 20:11: “Na dia ny zaza aza dia mampiseho amin’ny fanaony na madio sy mahitsy ny fitondrantenany.” Azo antoka fa na dia nikomy aza i Satana, dia tsy nahatonga an’i Jehovah ho ratsy laza teo anatrehan’ireo nahafantatra ny tena marina izany.

Tohero ny Devoly

Nampitandrina i Petera hoe: “Aoka ianareo ho mailo hatrany sy hiambina, satria ny Devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona, mitady olona harapaka.” (1 Petera 5:8) Toy ny liona ny Devoly, ka ny tanora sy izay mbola tsy nahita fiainana mazàna no tafihiny. Nisy liona nandehandeha tany Israely fahiny, ka nahatandindomin-doza ny biby fiompy. Mora rembin’ny liona àry ny ondry kely raha nandao ny namany. Marina fa mety hanao vivery ny ainy ny reniny mba hiarovana azy. Tsy maharesy liona anefa na dia ny ondry lehibe aza. Nilaina àry tamin’izany ny mpiandry ondry be herim-po, mba hiaro ny andian’ondry.—1 Samoela 17:34, 35.

Ondrin’i Jehovah isika, ka mila arovana amin’ilay “liona mierona.” Nanendry mpiandry izy mba hikarakara ny andian’ondriny, ary i Jesosy Kristy, ilay “mpiandry lehibe indrindra”, no filohan’izy ireo. (1 Petera 5:4) Nampirisika an’ireny lehilahy voatendry ireny i Petera hoe: “Andraso ny andian’ondrin’Andriamanitra eo ambany fiandraiketanareo, tsy an-tery anefa, fa an-tsitrapo, tsy noho ny fitiavana tombony azo amin’ny tsy marina, fa amim-paharisihana kosa.” (1 Petera 5:1, 2) Raha miara-miasa tsara amin’ireny mpiandry ireny ianareo, dia mety ho afaka hanampy ny zanakareo hanitsy ny fitondran-tenany izy ireny.

Sakanan’ny ray aman-dreny anefa indraindray ny mpiandry kristianina, rehefa mila mananatra ny zanany. Tena tsy mety izany. Ny Devoly no tokony ‘hotoherina’ fa tsy ny mpiandry, araka ny tenin’i Petera.—1 Petera 5:9.

Rehefa mila anarina mafy kokoa ny zanakao

Ahoana raha Kristianina vita batisa ilay zanakao? Raha tsy mibebaka izy, dia mety homena ny fananarana mafy indrindra, izany hoe roahina tsy ho anisan’ny fiangonana. Mbola afaka mifandray be aminy ve ianao? Miankina amin’ny taonany sy amin-javatra hafa izany.

Mazava ho azy fa mbola tokony hanome izay ilain’ilay zanakao ianao, raha tsy ampy taona izy, ary mipetraka ao an-trano. Mbola andraikitrao koa ny manome azy fitsipika momba ny fitondran-tena sy fananarana ary famaizana. (Ohabolana 1:8-18; 6:20-22; 29:17) Tsara raha miara-mianatra Baiboly aminy ianao, ary mandray anjara amin’izany izy. Azonao atao ny mampisaintsaina azy amin’ny alalan’ny andinin-teny isan-karazany sy ny boky aman-gazety navoakan’ny “mpanompo mahatoky sy malina.” (Matio 24:45) Ento mivory koa izy, ary asaivo miara-mipetraka aminao. Antenaintsika mantsy fa hahatonga azy hanaraka ny torohevitry ny Soratra Masina izany rehetra izany.

Tsy toy izany kosa ny ho fifandraisanao amin’ilay zanakao voaroaka, raha efa ampy taona izy, ary tsy mipetraka ao an-trano intsony. Nampirisika ny Kristianina tany Korinto ny apostoly Paoly hoe: ‘Aza mifanerasera intsony amin’izay antsoina hoe rahalahy nefa mpijangajanga, na manana faniriana tsy mety afa-po, na mpanompo sampy, na mpanevateva, na mpimamo, na mpanao an-keriny, ary aza miara-mihinana aminy akory.’ (1 Korintianina 5:11) Marina fa mety ho tsy maintsy hifandray amin’ilay zanakao ianao rehefa misy raharaham-pianakaviana mila karakaraina. Tsy tokony hifanerasera tsy amin’ny antony aminy anefa ianao.

Tsy mety raha miaro ny zanakao ianao, ka mandà na manamaivana ny fananarana ara-baiboly omen’ny mpiandry kristianina. Tsy ho voaro amin’ny Devoly izy, raha izany no ataonao. Mety ho ianao indray aza no hiala amin’i Jehovah. Raha manohana ny ezaka ataon’ny mpiandry kosa ianao, dia ‘hanana finoana matanjaka’ hatrany, ary tena handray soa ny zanakao.—1 Petera 5:9.

Hanampy anao i Jehovah

Manan-janaka mikomy ve ianao? Tadidio fa tsy ianao irery no ray aman-dreny manan-janaka toy izany. Afaka manampy antsika anefa i Jehovah na inona na inona fitsapana atrehintsika.—Salamo 68:19.

Mivavaha àry amin’i Jehovah. Miaraha mivory tsy tapaka amin’ny fiangonana kristianina. Aza toherina ny fananaran’ny mpiandry voatendry. Tsy hiala amin’i Jehovah mihitsy ianao raha manao izany. Rehefa mahita ny modely omenao koa ny zanakao, dia mety hanaiky ny fanasana feno fitiavana omen’i Jehovah azy mba hiverina aminy indray.—Malakia 3:6, 7.

[Sary, pejy 18]

Mivavaha, ary miaraha foana amin’ny fiangonana kristianina mba hahazoanao hery