Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Efa Zato Taona Mahery Nefa Tsy Mipetra-potsiny

Efa Zato Taona Mahery Nefa Tsy Mipetra-potsiny

Efa Zato Taona Mahery Nefa Tsy Mipetra-potsiny

MIISA 60 ny olona 105 taona na mihoatra, any Soeda. Iray amin’ireny i Elin, izay 105 taona. Mipetraka any amin’ny trano fitaizana ny be antitra izy. Efa 60 taona mahery izao no naha Vavolombelon’i Jehovah azy, ary mbola mazoto manompo an’Andriamanitra foana izy.

Mbola mitory i Elin, ka izay nataon’ny apostoly Paoly tamin’izy nambenana tao amin’ny trano iray, no alainy tahaka. Nitory tamin’izay rehetra nitsidika azy mantsy i Paoly. (Asan’ny Apostoly 28:16, 30, 31) Mitory ny vaovao tsara avy ao amin’ny Baiboly amin’izay olona mihaona aminy ao amin’ilay trano ipetrahany koa i Elin. Anisan’izany ny mpanadio, mpitsabo nify, dokotera, mpanao volo ary mpitsabo mpanampy. Mitondra mpianatra Baiboly mba hitsidika an’i Elin indraindray ireo mpiray finoana aminy. Amin’izay dia afaka mandray soa amin’ny fahalalan’io anabavy io sy ny zavatra niainany izy ireo.

Mahafinaritra ny fiangonana misy azy i Elin. Falifaly sady liam-baovao mantsy izy. Hoy ny Kristianina iray: “Mahavariana fa maharaka tsara ny zava-mitranga eo anivon’ny fiangonana i Elin. Tadidiny daholo ny anaran’ny ankizy, sy ny an’ireo olona vao nifindra ao amin’ny fiangonana.” Malaza ho mahay mandray vahiny sy tia vazivazy ary mijery lafy tsaran-javatra koa izy.

Inona no manampy azy ho falifaly sy hazoto hanompo an’Andriamanitra foana? Mamaky andinin-teny avy ao amin’ilay bokikely hoe Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro izy. Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah io bokikely io. Mamaky Baiboly amin’ny lopy koa izy isan’andro, ary manomana ireo fivoriana fanaon’ny Vavolombelon’i Jehovah isan-kerinandro. Efa osa anefa izy, ka tsy afaka manatrika an’izany intsony. Raisim-peo àry ireo fandaharana, ka ireny no henoiny. Hahafa-po sy hisy tanjona koa ny fiainantsika, raha mamaky Baiboly sy boky ara-baiboly tsy tapaka isika, ary tsy manadino ireo fivoriana kristianina. Marina foana izany na firy taona isika na firy taona.—Salamo 1:2; Hebreo 10:24, 25.