Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Isaia—Fizarana II

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Isaia—Fizarana II

Velona ny Tenin’i Jehovah

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Isaia—Fizarana II

NANATONTOSA tsara ny asa nanirahana azy i Isaia mpaminany. Efa tanteraka ny zavatra nolazainy fa hanjo ny fanjakan’ireo foko folon’ny Israely. Mbola manan-kolazaina momba ny hoavin’i Jerosalema anefa izy.

Horavana ny tanànan’i Jerosalema ka ho lao, ary hoentina ho babo ny mponina ao. Tsy haharitra ela anefa izany. Haverina amin’ny laoniny ny fivavahana marina. Izany no hevi-dehibe ao amin’ny Isaia 36:1–66:24. * Handray soa isika raha mandinika izay voalaza ao amin’ireo toko ireo. Maro amin’ireo faminaniana ao mantsy no tanteraka farany amin’izao fotoana izao, na ho tanteraka tsy ho ela. Ahitana faminaniana mahavariana momba ny Mesia koa ao.

“INDRO, AVY NY ANDRO”

(Isaia 36:1–39:8)

Nanafika an’i Joda ny Asyrianina tamin’ny taona faha-14 nanjakan’i Hezekia (732 T.K.). Nampanantena i Jehovah fa hiaro an’i Jerosalema. Tsy natahorana hanafika intsony ny Asyrianina, rehefa novonoin’ny anjelin’i Jehovah ny miaramilan’izy ireo 185 000. Tsy nisy nanampy ilay anjely tamin’izany.

Narary i Hezekia. Namaly ny vavaka nataony i Jehovah ka nanasitrana azy. Nampian’i Jehovah 15 taona koa ny androm-piainany. Nandefa iraka tany amin’i Hezekia ny mpanjakan’i Babylona mba hiarahaba azy, noho izy tsy maty fo aman’aina. Tsy nandinika tsara i Hezekia, ka nasehony an’ireo iraka ireo ny harenany rehetra. Nasain’i Jehovah nilaza taminy àry i Isaia hoe: “Indro, avy ny andro, ka ho entina ho any Babylona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra noharìn’ny razanao ka voatahiry mandraka andro-any.” (Isaia 39:5, 6) Tanteraka io faminaniana io, 100 taona mahery kely tatỳ aoriana.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

38:8—Inona ilay hoe “dialin’i Ahaza”? Tamin’ny alalan’ny aloky ny masoandro no nahalalan’ny olona fahiny ny ora, ary nisy fitaovana manokana nandrefesana izany. Efa nampiasa azy ireny ny olona tany Ejipta sy Babylona, tamin’ny taonjato fahavalo T.K. Mety ho nahazo iray tamin’izany i Ahaza rain’i Hezekia, ka ny ora voasoratra teo amin’ilay izy angamba no tiana holazaina amin’ny hoe ‘dialy.’ Mety ho tohatra tao an-dapa koa anefa ny hoe ‘dialy.’ Nisy andry angamba teo akaikin’ilay tohatra, ary nikisaka tsikelikely ny alok’izy io, ka izany no namantarana ny ora.

Lesona ho antsika:

36:2, 3, 22. Naongana tsy ho lehiben’ny tao an-dapa i Sebna. Mbola navela hiasa tao ihany anefa izy, ka lasa mpitan-tsoratr’ilay nandimby azy. (Isaia 22:15, 19) Angamba koa isika nesorina tamin’ny andraikitsika teo anivon’ny fandaminan’i Jehovah. Nahoana raha tohizina hatrany ny fanompoana azy, ka tanterahina izay asa mbola avelany hatao?

37:1, 14, 15; 38:1, 2. Hendry isika raha mivavaka amin’i Jehovah, ka miantehitra tanteraka aminy, rehefa ao anatin’ny fahoriana.

37:15-20; 38:2, 3. Nitady hanafika an’i Jerosalema ny Asyrianina. Natahotra àry i Hezekia, sao ho afa-baraka ny anaran’i Jehovah raha rava i Jerosalema. Izany no tena nampanahy azy. Narary mafy izy avy eo, ary fantany fa tsy maintsy ho faty. Tsy ny tenany ihany anefa no noeritreretiny. Nampiady saina mafy azy koa ny hiafaran’ny tarana-mpanjaka avy amin’i Davida, raha maty izy. Mbola tsy nanan-janaka handimby azy mantsy izy. Nanahy koa izy hoe iza no hitarika ny ady amin’ny Asyrianina. Manahaka an’i Hezekia isika, ka ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah sy ny fahatanterahan’ny fikasany no zava-dehibe kokoa amintsika noho ny famonjena antsika.

38:9-20. Ianarantsika avy amin’io hiran’i Hezekia io, fa ny fiderana an’i Jehovah no zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainana.

“HATSANGANA HIANAO”

(Isaia 40:1–59:21)

Nilaza i Isaia teo aloha fa ho rava i Jerosalema ary ho babo any Babylona ny Jiosy. Taorian’izay avy hatrany, dia naminany izy fa haverina amin’ny laoniny indray ny fivavahana marina ao Jerosalema. (Isaia 40:1, 2) Hoy ny Isaia 44:28: “Hatsangana hianao [Jerosalema].” Ho toy ny ‘entana’ taterina any an-toeran-kafa sisa ny sampy babylonianina. (Isaia 46:1) Horavana i Babylona. Tanteraka izany rehetra izany, 200 taona tatỳ aoriana.

Homen’i Jehovah ho “fanazavana” ny hafa firenena ny mpanompony. (Isaia 49:6) “Ho levona tahaka ny setroka” ny “lanitra” na ny mpitondra babylonianina, ary “ho faty tampoka” ny vahoakany. ‘Hovahan’i Ziona, zanakavavy babo [kosa] ny fatorana amin’ny tendany.’ (Isaia 51:6; 52:2) Hoy i Jehovah amin’ireo manatona hihaino azy: “Hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho, dia ny famindrampo mahatoky nampanantenaina an’i Davida.” (Isaia 55:3) “Hiravoravo amin’i Jehovah” izay manaraka ny fitsipiny marina. (Isaia 58:14) Lasa ‘tafasaraka tamin’ny Andriamaniny’ anefa ny Israelita, noho ny heloka nataony.—Isaia 59:2.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

40:27, 28—Nahoana ny Israelita no nilaza hoe: “Miafina tsy hitan’i Jehovah ny làlako, ary mihelina tsy hitan’Andriamanitro ny rariny tokony ho ahy”? Nihevitra angamba ny Jiosy sasany tany Babylona fa niafina tamin’i Jehovah, na tsy hitany ny tsy rariny nianjady taminy. Nampahatsiahivina azy ireo fa nahita ny zava-nitranga tany Babylona ilay Mpamorona ny tany. Tsy mba mety ho reraka na sasatra mantsy izy.

43:18-21—Nahoana ireo Jiosy avy babo no nilazana mba ‘tsy hahatsiaro ny taloha’? Tsy hoe nasaina nanadino ny famonjen’i Jehovah tamin’ny andro fahiny izy ireo. Irin’i Jehovah hidera azy noho ny “zava-baovao” ho hitany kosa izy ireo. Ho voaro, ohatra, izy ireo rehefa hody any Jerosalema, ary angamba handeha amin’ny lalana manitsy any an-tany efitra. Hanana antony vaovao hiderana an’i Jehovah koa ny olona tsirairay anisan’ny “vahoaka be” ho tafavoaka velona amin’ny “fahoriana lehibe.”—Apokalypsy 7:9, 14.

49:6—Nahoana ny Mesia no lazaina hoe “fanazavana ny jentilisa” na ny hafa firenena, nefa teo amin’ny zanak’Israely ihany izy no nanompo? Ny zava-nitranga taorian’ny nahafatesan’i Jesosy no nahatonga izany. Nampiharina tamin’ny mpianany mantsy ny Isaia 49:6 nanomboka tamin’izay. (Asan’ny Apostoly 13:46, 47) Mbola “fanazavana ny jentilisa” na ny hafa firenena ankehitriny ny Kristianina voahosotra sy ny vahoaka be. Manazava na mampianatra ny olona “manerana ny tany onenana” mantsy izy ireo.—Matio 24:14; 28:19, 20.

53:10—Nahoana i Jehovah no nankasitraka ny fanorotoroana ny Zanany? Tsy maintsy ho nampalahelo azy ny nahita ny Zanany malalany nijaly, satria Andriamanitra mangoraka sy miantra izy. Nankasitrahany na nahafaly azy anefa ny nahita an’i Jesosy nankatò an-tsitrapo. Faly koa izy satria maro ny zavatra ho tanteraka noho ny fijalian’i Jesosy sy ny nahafatesany.—Ohabolana 27:11; Isaia 63:9.

53:11—Inona ilay fahalalana ‘hanamarinan’ny [Mesia] ny olona maro’? Tsy inona izany fa ny fahalalana azon’i Jesosy tamin’izy tonga olombelona, ka nijaly tsy ara-drariny sy maty mihitsy tamin’ny farany. (Hebreo 4:15) Tamin’izany fomba izany no nanolorany ny sorom-panavotana, izay nilaina mba hahatonga ny Kristianina voahosotra sy ny vahoaka be ho olo-marina eo anatrehan’Andriamanitra.—Romanina 5:19; Jakoba 2:23, 25.

56:6—Iza ireo “hafa firenena”, ary nahoana izy ireo no lazaina fa ‘mitana ny faneken’i Jehovah’? Ny ondry hafan’i Jesosy no atao hoe “hafa firenena.” (Jaona 10:16) Mitana ny fanekena vaovao izy ireo, satria mankatò ny lalàna mifandray amin’izy io, manohana tanteraka ny fandaminan’i Jehovah, mianatra zavatra mitovy amin’izay ianaran’ny Kristianina voahosotra, ary miara-mitory sy mampianatra amin’izy ireo.

Lesona ho antsika:

40:10-14, 26, 28. Matanjaka i Jehovah nefa tsara fanahy. Izy no mahery indrindra sy hendry indrindra, ary tena mahatakatra zavatra be lavitra noho isika.

40:17, 23; 41:29; 44:9; 59:4. “Zava-poana” ny fifanekena ara-politika sy ny sampy. Tsy mahasoa mihitsy ny mitoky amin’izy ireny.

42:18, 19; 43:8. Toy ny jamba sy marenina isika raha tsy miraharaha ny Tenin’Andriamanitra, sy tsy mety mihaino ny fampianarana omeny amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina.”—Matio 24:45.

43:25. Noho ny amin’ny tenany no antony amonoan’i Jehovah ny fahotantsika. Ny fanamasinana ny anarany no zava-dehibe kokoa noho ny fanafahana antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana, na ny fahazoantsika fiainana mandrakizay.

44:8. Manampy antsika i Jehovah, izay toy ny vatolampy mafy sy tsy mora mihozongozona. Tsy tokony hatahotra hijoro ho vavolombelony mihitsy isika. Sahy milaza isika fa izy no tena Andriamanitra!—2 Samoela 22:31, 32.

44:18-20. Efa simba ny fon’ny olona iray matoa izy manompo sampy. Tsy tokony hisy na inona na inona hisolo an’i Jehovah àry ao am-pontsika.

46:10, 11. Mahay manatanteraka ny fikasany i Jehovah. Porofo tsy azo lavina izany fa izy no tena Andriamanitra.

48:17, 18; 57:19-21. Mitadiava vonjy any amin’i Jehovah, manatòna azy, ary ankatoavy ny didiny. Ho betsaka tahaka ny rano mikoriana ao amin’ny ony ny fiadanantsika amin’izay, ary ho be dia be tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinantsika. Toy ny “ranomasina misamboaravoara” kosa izay tsy mankatò ny Tenin’Andriamanitra. Tsy hahita fiadanana izy ireo.

52:5, 6. Nihevitra ny Babylonianina fa tsy matanjaka ilay tena Andriamanitra. Diso anefa izy ireo. Tsy fantany fa tezitra tamin’ny Israely i Jehovah matoa nandefa azy ho babo. Rehefa misy loza manjo ny hafa, dia tsy tokony ho maika hanatsoaka hevitra momba ny antony nahatonga izany isika.

52:7-9; 55:12, 13. Antony telo, fara fahakeliny, no mahatonga antsika ho faly hitory sy hampianatra: tsara erỳ ny tongotsika amin’ireo olona manetry tena te hianatra momba an’Andriamanitra, “mifanatri-maso” amin’i Jehovah na mifandray akaiky aminy isika, ary mahazo fitahiana be dia be.

52:11, 12. Tsy maintsy madio ara-panahy sy ara-pitondran-tena isika, raha te hahafeno fepetra hitondra “ny fanak’i Jehovah”, izany hoe hanolotra fanompoana masina ho azy.

58:1-14. Misy olona mody miseho ho mpivavaka be sy manao ny marina. Ho very maina fotsiny anefa izany. Tokony hasehon’ny Kristianina amin’izay rehetra ataony, fa tena tia an’Andriamanitra sy ny rahalahiny izy.—Jaona 13:35; 2 Petera 3:11.

59:15b-19. Hitan’i Jehovah ny zava-mitranga etỳ an-tany, ary hanitsy an’izany izy amin’ny fotoana mety aminy.

“HO TONGA SATROBONINAHITRA” IZY

(Isaia 60:1–66:24)

Miresaka ny famerenana amin’ny laoniny ny fivavahana marina tamin’ny andro fahiny sy ankehitriny ny Isaia 60:1. Izao no voalaza ao: “Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr’i Jehovah efa miposaka aminao.” Tsy maintsy “ho tonga satroboninahitra” eo an-tanan’i Jehovah i Ziona.—Isaia 62:3.

Nivavaka ho an’ny mpiray tanindrazana taminy i Isaia. Hibebaka mantsy izy ireo mandritra ny fahababoany any Babylona. (Isaia 63:15–64:11) Nasehon’ilay mpaminany, avy eo, fa tsy mitovy ny olona manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo azy. Nolazainy koa ireo fitahiana ho azon’izay manompo an’i Jehovah.—Isaia 65:1–66:24.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

61:8, 9—Inona ilay “fanekena mandrakizay”, ary iza ireo “taranaka”? Ilay “fanekena mandrakizay” dia ny fifanekena vaovao nataon’i Jehovah tamin’ireo Kristianina voahosotra. Ny “ondry hafa” na ny olona an-tapitrisany mandray tsara ny hafatra torin’ny voahosotra no antsoina hoe “taranaka.”—Jaona 10:16.

63:5—Inona no dikan’ny hoe manohana an’Andriamanitra ny fahavinirany? Hain’Andriamanitra ny mifehy ny fihetseham-pony. Ara-drariny àry ny fahavinirany na fahatezerany. Manohana azy ny fahatezerany, izany hoe mandrisika azy hampihatra didim-pitsarana ara-drariny.

Lesona ho antsika:

64:5. Tsy mahavonjy ny tenany ny olombelona tsy lavorary. Tsy misy dikany toy ny lamba mihosin-dra ny asa marina ataon’izy ireo, ka tsy mahavotra azy amin’ny fahotany.—Romanina 3:23, 24.

65:13, 14. Tahin’i Jehovah ny mpanompony mahatoky, ka omeny sakafo ara-panahy be dia be.

66:3-5. Halan’i Jehovah ny fihatsarambelatsihy.

“Mifalia”

Azo antoka fa tena nampahery ny Jiosy nahatoky babo tany Babylona ireo faminaniana momba ny famerenana amin’ny laoniny ny fivavahana marina! Hoy i Jehovah: ‘Mifalia sy miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho; fa, indro, mahary an’i Jerosalema ho fifaliana Aho ary ny olony ho firavoravoana.’—Isaia 65:18.

Manarona ny tany sy ny firenena koa ankehitriny ny aizim-pito. (Isaia 60:2) “Fotoan-tsarotra tsy mora setraina” mantsy izao iainantsika izao. (2 Timoty 3:1) Tena mampahery antsika àry ny hafatra momba ny famonjena avy amin’i Jehovah, hita ao amin’ny bokin’i Isaia.—Hebreo 4:12.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Raha tianao ny hahazo fanazavana momba ny Isaia 1:1–35:10, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Velona ny Tenin’i Jehovah—Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Isaia—Fizarana I”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 2006.

[Sary, pejy 8]

Fantatrao ve ny tena antony nivavahan’i Hezekia mba hamonjena azy amin’ny Asyrianina?

[Sary, pejy 11]

“Akory ny hatsaran’ny tongotr’irỳ mitondra teny soa mahafaly erỳ an-tendrombohitra!”