Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Izay Tena Ampianarin’ny Baiboly no Ampianaro

Izay Tena Ampianarin’ny Baiboly no Ampianaro

Izay Tena Ampianarin’ny Baiboly no Ampianaro

“Ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra ... Ampianaro izy.”—MATIO 28:19, 20.

1. Inona no porofo fa miely be ny Baiboly?

ANISAN’NY boky tranainy indrindra sy miely indrindra eran-tany ny Baiboly Masina, izay Tenin’i Jehovah. Voadika amin’ny fiteny 2 300 mahery, fara fahakeliny, ny ampahany amin’izy io. Maherin’ny 90 isan-jaton’ny mponina eran-tany no manana azy io amin’ny fiteniny.

2, 3. a) Nahoana no tsy fantatry ny olona intsony hoe inona marina no ampianarin’ny Baiboly? b) Inona avy no fanontaniana hodinihintsika?

2 Olona an-tapitrisany no mamaky Baiboly isan’andro, ary misy aza nahavaky azy io imbetsaka hatramin’ny farany. Fivavahana maro be no mihambo hoe mifototra amin’ny Baiboly ny fampianarany, nefa tsy mitovy ny zavatra ampianarin’izy ireny. Manampy trotraka an’izany ny fisian’ny mpiangona tsy mitovy hevitra mihitsy, nefa iray fivavahana ihany. Ny sasany indray tsy mahazo antoka hoe avy aiza marina ny Baiboly. Misalasala izy ireo raha azo itokisana sy mahasoa izy io. Maro koa no mihevitra ny Baiboly ho boky masina fanaovana fombafomba fotsiny, toy ny rehefa hanao voady na hianiana hilaza ny marina eo anoloan’ny fitsarana.

3 Mirakitra ny tenin’Andriamanitra ny Baiboly raha ny marina, izany hoe misy hafatra mafonja ho an’ny olombelona ao amin’izy io. (Hebreo 4:12) Tiantsika ho fantatry ny olona àry hoe inona no ampianarin’ny Baiboly, satria Vavolombelon’i Jehovah isika. Tena faly isika manatanteraka ilay asa nampanaovin’i Jesosy Kristy ny mpanara-dia azy. Hoy izy: “Mandehana ... ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra ... Ampianaro izy.” (Matio 28:19, 20) Kivy ny olona sasany itoriantsika, satria tsy fantatra intsony izay tena marina momba ny fivavahana eran-tany. Te hahafantatra ny marina momba ilay Mpamorona ireny olona tso-po ireny. Tiany ho fantatra koa hoe inona no antony namoronana antsika, araka ny voalazan’ny Baiboly. Handinika fanontaniana telo manitikitika ny sain’ny olona maro isika izao. Hojerentsika ny hevi-diso lazain’ny mpitondra fivavahana momba ilay izy, ary avy eo hoe inona marina no ampianarin’ny Baiboly. Ireto avy izany fanontaniana izany: 1) Miahy antsika ve Andriamanitra? 2) Inona no antony namoronana antsika? 3) Inona no manjo ny maty?

Miahy antsika ve Andriamanitra?

4, 5. Nahoana ny olona no mihevitra fa tsy miahy antsika Andriamanitra?

4 Hodinihintsika voalohany ilay fanontaniana hoe: Miahy antsika ve Andriamanitra? Mampalahelo fa maro no mihevitra hoe tsy miahy antsika izy. Nahoana? Satria feno fankahalana sy ady ary fijaliana eto an-tany. Mihevitra izy ireo hoe: ‘Raha tena miahy antsika Andriamanitra, dia azo antoka fa hataony izay tsy hitrangan’ireny loza ireny.’

5 Ny mpitondra fivavahana koa no mahatonga ny olona hieritreritra hoe tsy miahy antsika Andriamanitra. Inona matetika no lazain’izy ireny rehefa misy loza? Nanan-janaka kely roa maty tamin’ny lozam-piarakodia ny ramatoa iray. Hoy ny mpitondra fivavahana tao aminy rehefa nitranga izany: “Izao no sitrapon’Andriamanitra. Nila anjely roa fanampiny izy.” Manome tsiny an’Andriamanitra mihitsy izy ireo amin’izany, ka milaza fa izy no mahatonga ny zava-dratsy hitranga. Hoy anefa i Jakoba mpianatr’i Jesosy: “Rehefa misy fitsapana, dia aoka izy tsy hilaza hoe: ‘Fitsapana avy amin’Andriamanitra izao.’ Sady tsy azo tsapaina amin-javatra ratsy mantsy Andriamanitra, no tsy mitsapa na iza na iza amin’izany koa.” (Jakoba 1:13) Tsy avy amin’i Jehovah Andriamanitra mihitsy àry ny faharatsiana. Tena “lavitra an’Andriamanitra ny hanao ratsy!”—Joba 34:10.

6. Iza no fototry ny faharatsiana sy ny fijaliana eto amin’ity tontolo ity?

6 Nahoana àry no be dia be ny faharatsiana sy ny fijaliana? Satria tsy manaiky an’Andriamanitra ho Mpitondra ny ankamaroan’ny olona. Tsy te hankatò ny lalàny sy ny toro lalany marina izy ireo. Manaiky hofehezin’i Satana Fahavalon’Andriamanitra, izy ireo, na dia tsy fantany aza izany. ‘Eo ambany fahefan’ilay ratsy [mantsy] izao tontolo izao.’ (1 Jaona 5:19) Mora kokoa amintsika ny mahazo ny antony mahatonga ny faharatsiana, rehefa fantatsika izany. Ratsy fanahy i Satana, feno fankahalana, mamitaka, ary tsy mifaditrovana. Tsy mahagaga àry raha manahaka an’io mpitondra azy io ity tontolo ity, ary be dia be toy izao ny faharatsiana!

7. Inona no antony sasany mahatonga antsika hijaly?

7 Tsy lavorary ny olombelona, ary izany koa no mahatonga antsika hijaly. Mazàna mantsy no miady fahefana ny olona mpanota, ka ady sy fampahoriana ary fijaliana no vokatr’izany matetika. Marina tokoa ny voalazan’ny Mpitoriteny 8:9, manao hoe: ‘Manapaka ny namany ny olona, ka mampiditra loza aminy.’ Ankoatra izany, dia miteraka fijaliana koa ny “fotoana sy ny sampona.” (Mpitoriteny 9:11) Iharan-doza ny olona matetika, satria sendra eo amin’ny toerana itrangan’izany.

8, 9. Ahoana no ahafantarantsika fa tena miahy antsika Andriamanitra?

8 Mampahery ny mahafantatra fa tsy avy amin’i Jehovah ny fijaliana. Tena mihevitra an’izay manjo antsika tsirairay anefa ve izy? Izany tokoa, ary mahafaly izany! Fantatsika fa miahy antsika i Jehovah, matoa lazainy ao amin’ny Teniny ny antony amelany ny olona hanao ratsy. Misy ifandraisany amin’ny zony hitondra sy ny tsy fivadihan’ny olombelona izany. I Jehovah no Mpamorona mahery indrindra, ka tsy voatery hilaza amintsika izy hoe nahoana no avelany hisy ny fijaliana. Nampahafantariny antsika anefa izany, satria miahy antsika izy.

9 Misy porofo hafa mampiseho fa miahy antsika Andriamanitra. “Nalahelo ny fony”, rehefa feno faharatsiana teto an-tany tamin’ny andron’i Noa. (Genesisy 6:5, 6) Mbola malahelo ve izy mahita ny zava-dratsy mitranga ankehitriny? Izany tokoa, satria tsy miova izy. (Malakia 3:6) Mankahala ny tsy rariny izy, ary tsy tantiny mihitsy ny mahita olona mijaly. Milaza ny Baiboly fa hesorin’Andriamanitra tsy ho ela ny ratsy rehetra vokatry ny fitondran’olombelona sy ny herin’ny Devoly. Tsy mampiaiky antsika tokoa ve izany fa tena miahy antsika Andriamanitra?

10. Inona koa no manaporofo fa tena tsy tian’i Jehovah hijaly ny olombelona?

10 Milaza lainga momba an’Andriamanitra ny mpitondra fivavahana, rehefa manambara fa sitrapon’Andriamanitra ny loza manjo antsika. Mifanohitra amin’izany no izy, satria maniry mafy hamarana ny fijalian’ny olombelona i Jehovah. “Mikarakara anareo izy”, hoy ny 1 Petera 5:7. Izany mihitsy no ampianarin’ny Baiboly!

Inona no antony namoronana antsika?

11. Inona matetika no lazain’ny fivavahana momba ny fiainana eto an-tany?

11 Hodinihintsika indray izao ilay fanontaniana faharoa mampieritreritra ny olona maro: Inona no antony namoronana antsika? Matetika ny fivavahana no milaza hoe natao hiaina vetivety eto an-tany fotsiny ny olona. Fandalovana fotsiny, hono, etỳ alohan’ny hiainantsika any ankoatra. Izany hoe toy ny toerana fakana aina kely alohan’ny hanohizana dia lavitra. Misy koa mpitondra fivavahana milaza fa hopotehin’Andriamanitra ity tany ity indray andro any. Ireo hevi-diso ireo no mahatonga olona maro hihevitra hoe aleo manaram-po tanteraka amin’ny fiainana dieny mbola velona, satria tsy maintsy ho faty ihany. Inona marina àry no lazain’ny Baiboly momba ny antony namoronana antsika?

12-14. Araka ny Baiboly, inona no fikasan’Andriamanitra momba ny tany sy ny olombelona?

12 Faran’izay tsara ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany sy ny olombelona. Tsy hoe tsy nisy antony no namoronany ny tany, fa “nataony honenana.” (Isaia 45:18) “Nanorina ny tany tambonin’ny fanorenany” koa i Jehovah “mba tsy hihetsehany mandrakizay doria.” (Salamo 104:5) Hitantsika avy amin’izany ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany sy ny olombelona, ary hanampy antsika hahafantatra ny antony namoronana antsika izany.

13 Tantaraina ao amin’ny Genesisy toko 1 sy 2 fa namorona ny tany i Jehovah ary nanomana tsara azy io mba honenan’ny olombelona. Rehefa vita izany, dia hitany fa tena “tsara” ny zava-drehetra nataony. (Genesisy 1:31) Napetrany tao amin’ny zaridaina iray tsara tarehy atao hoe Edena i Adama sy Eva, lehilahy sy vehivavy voalohany. Nomeny sakafo tsara sy tondraka koa izy ireo. Nilaza tamin’izy mivady izy hoe: “Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy.” Natao hiteraka olona lavorary izy ireo, ka hanitatra ilay zaridaina fonenany hanerana ny tany. Nasaina nanjaka tamim-pitiavana teo amin’ny biby koa izy ireo.—Genesisy 1:26-28.

14 Fikasan’i Jehovah ny hiainan’ny olombelona lavorary eto an-tany mandrakizay. Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” (Salamo 37:29) Natao hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany tokoa ny olombelona. Izany no fikasan’Andriamanitra, ary izany mihitsy no ampianarin’ny Baiboly!

Inona no manjo ny maty?

15. Inona no manjo ny maty, araka ny lazain’ny ankamaroan’ny fivavahana?

15 Handinika ny fanontaniana fahatelo mahalasa eritreritra ny olona maro isika izao: Inona no manjo ny maty? Milaza ny ankamaroan’ny fivavahana fa misy zavatra tsy mety maty ao amin’ny olona, ary mbola velona izy io rehefa maty izy. Mbola mino mafy koa ny fivavahana sasany fa manasazy ny ratsy fanahy Andriamanitra, ka mampijaly azy ireny mandrakizay any amin’ny afobe. Izany tokoa ve no izy? Inona marina no lazain’ny Baiboly momba ny fahafatesana?

16, 17. Inona no manjo ny maty, araka ny lazain’ny Baiboly?

16 Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, ary tsy manana valim-pitia intsony.” Mariho fa ‘tsy mahalala na inona na inona’ ny maty, izany hoe tsy mandre, na mahita, na miteny, na mieritreritra, na mahatsapa na inona na inona. Tsy manana valim-pitia intsony izy. Ahoana tokoa moa no ahazoany valim-pitia? Izy aza tsy mahavita na inona na inona! Ankoatra izany, “na ny fitiavany, na ny fankahalany, na ny fialonany, dia samy efa levona”, satria tsy afaka maneho fihetseham-po intsony izy.—Mpitoriteny 9:5, 6, 10.

17 Tsotra sy mazava ny zavatra lazain’ny Baiboly: Tsy lasa miaina any an-toeran-kafa ny olona, rehefa maty. Tsy misy zavatra miala amin’ny vatany, ka hoe mbola miaina ary teraka ao anatin’ny vatana hafa indray avy eo. Izany moa no inoan’ny olona sasany. Azo oharina amin’ny afon-dabozia kosa ny aintsika. Tsy mankaiza na mankaiza ilay afo rehefa maty, fa tsy misy intsony fotsiny.

18. Inona avy no hazava tsara amin’ny mpianatra Baiboly, rehefa fantany fa tsy mahalala na inona na inona ny maty?

18 Eritrereto ny herin’izany fahamarinana tsotra nefa tena mafonja izany eo amin’ny olona. Rehefa fantatry ny mpianatra Baiboly fa tsy mahalala na inona na inona ny maty, dia tokony ho azony mora foana fa tsy afaka manisy ratsy azy ny razany, na dia tezitra mafy taminy aza fony fahavelony. Tsy tokony ho sarotra aminy koa ny hahatakatra fa tsy afaka mandre, na mahita, na miteny, na mieritreritra, na mahatsapa na inona na inona ny havany efa maty. Tsy mahatsiaro ho manirery any amin’ny afofandiovana àry izy ireo, sady tsy mijalijaly any amin’ny afobe. Milaza kosa ny Baiboly fa hatsangana amin’ny maty ny olona nodimandry izay ao amin’ny fitadidian’Andriamanitra. Fanantenana mahatalanjona tokoa izany!—Jaona 5:28, 29.

Boky vaovao hoentina mitory sy mampianatra

19, 20. Inona no andraikitsika Kristianina, ary inona ilay boky vaovao natao hampiasaintsika eny amin’ny fanompoana?

19 Vao telo monja amin’ny fanontaniana mampieritreritra ny olona no nodinihintsika teo. Hitantsika fa mazava sy mivantana ny valiny omen’ny Baiboly. Tena faly isika mampita ireny fahamarinana ireny amin’ny olona maniry hahafantatra izay ampianarin’ny Baiboly! Mbola mitady valiny mahafa-po amin’ny fanontaniana lehibe maro hafa anefa ny olona tso-po. Andraikitsika Kristianina ny manampy azy ireny hahita ny valin’ny fanontaniany.

20 Tsy mora anefa ny mampianatra ny fahamarinana ara-baiboly amin’ny fomba mazava sy manohina ny fo. Namoaka boky misy pejy 224 àry ny “mpanompo mahatoky sy malina”, mba hanampiana antsika hanao izany. Natao indrindra izy io mba hampiasaintsika eny amin’ny fanompoana. (Matio 24:45-47) Izao no lohatenin’io boky io: Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

21, 22. Inona avy no lafiny sasany mampiavaka an’ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

21 Navoaka tamin’ny 2005 io boky io, tamin’ilay Fivoriamben’ny Vondrom-paritry ny Vavolombelon’i Jehovah hoe “Mankatoava An’Andriamanitra.” Misy lafiny maromaro mampiavaka azy. Tena manampy antsika hanomboka fampianarana Baiboly, ohatra, ny sasin-tenin’izy io izay misy pejy dimy. Azo inoana fa ho mora aminao ny hiresaka momba ireo sary sy andinin-teny ao amin’izy io. Afaka mampiasa fanazavana avy ao koa ianao, mba hampisehoana amin’ny mpianatra Baiboly ny fomba fijerena toko sy andininy ao amin’ny Baiboly.

22 Tsotra sady mazava ny fomba nanoratana an’io boky io. Niezahana koa izay hampandraisana anjara an’ilay mpianatra, mba hanohina ny fony. Misy fanontaniana maromaro eo am-piandohan’ny toko tsirairay, ary misy efajoro hoe “Inona no Ampianarin’ny Baiboly?” any amin’ny farany. Hita ao ny valiny omen’ny Baiboly momba ireo fanontaniana napetraka teo am-piandohana. Hanampy an’ilay mpianatra Baiboly hahatakatra hevitra vaovao ireo sary mahafinaritra arahina fanazavana, sy ireo fanoharana ao amin’io boky io. Marina fa tsotra ny fanazavana ao amin’ilay boky, nefa mbola misy fanazavana fanampiny momba ny loha hevitra lehibe 14 any amin’ny faran’izy io. Azonao dinihina miaraka amin’ilay mpianatra izany, raha mila tsipiriany bebe kokoa izy.

23. Inona avy no soso-kevitra azo ampiharina momba ny fampiasana an’ilay boky Ampianarina?

23 Natao hanampiana antsika hampianatra olona tsy mitovy fari-pahaizana sy avy amin’ny fivavahana isan-karazany ny boky Ampianarina. Mety tsy ho vita indray mandeha ny toko iray, raha tsy mahay Baiboly mihitsy ilay mpianatra. Aza vitaina maimaika fotsiny ilay izy, fa miezaha hanohina ny fony. Hazavao aminy izay fanoharana tsy azony, na mitadiava fanoharana hafa. Miomàna tsara, ary ampiasao tsara araka izay azonao atao ilay boky. Mivavaha amin’Andriamanitra mba hanampiany anao ‘hanazava ny tenin’ny fahamarinana amin’ny fomba marina tsara.’—2 Timoty 2:15.

Ankasitraho ny tombontsoa sarobidy anananao

24, 25. Inona no tombontsoa sarobidy nomen’i Jehovah ny vahoakany?

24 Nomen’i Jehovah tombontsoa sarobidy ny vahoakany. Nampahafantariny antsika ny marina momba azy. Tsy tokony hohamaivanintsika mihitsy io tombontsoa io! Ny manetry tena ihany mantsy no natoron’Andriamanitra ny fikasany, fa nafeniny tamin’ny mpiavonavona kosa izany. Hoy i Jesosy: “Ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany ô, midera anao eo imason’ny olona aho, satria efa nafeninao tamin’ny hendry sy ny mahira-tsaina izany, fa nahariharinao tamin’ny zaza kosa.” (Matio 11:25) Voninahitra lehibe sady vitsy mpanana ny hoe anisan’ny olona manetry tena manompo an’i Jehovah, ilay Mpanjakan’izao Rehetra Izao.

25 Nirahin’Andriamanitra hampianatra ny olona ny momba azy isika, ary tombontsoa lehibe koa izany. Tadidio fa misy milaza lainga momba an’i Jehovah, ka manjary manana hevi-diso momba azy ny olona maro. Mihevitra izy ireo fa tsy miraharaha ny olona izy sady mafy fo. Vonona hanitsy izany hevi-diso izany ve ianao, ary tsy andrinao ny hanao izany? Tianao hahafantatra ny marina momba an’Andriamanitra ve ny olona tso-po rehetra? Raha izany no izy, dia porofoy fa mankatò an’Andriamanitra ianao, ka mazotoa mitory sy mampianatra izay lazain’ny Soratra Masina momba ny foto-kevitra lehibe. Mila fantarin’ireo mitady ny fahamarinana hoe inona marina no ampianarin’ny Baiboly.

Ahoana no Havalinao?

• Ahoana no ahafantarantsika fa miahy antsika Andriamanitra?

• Inona no antony namoronana antsika?

• Inona no manjo ny maty?

• Lafiny inona avy amin’ilay boky Ampianarina no tena tianao?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 22]

Milaza ny Baiboly fa hifarana ny fijaliana

[Sary nahazoan-dalana]

Ankizivavikely: © Bruno Morandi/age fotostock; vehivavy: AP Photo/Gemunu Amarasinghe; mpitsoa-ponenana: © Sven Torfinn/Panos Pictures

[Sary, pejy 23]

Hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa ny marina