Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nampandroso ny Fivavahana Marina i Samoela

Nampandroso ny Fivavahana Marina i Samoela

Nampandroso ny Fivavahana Marina i Samoela

NANANATRA ny mpiray finoana taminy i Samoela mpaminany, sady nampirisika azy ireo hankatò an’Andriamanitra. Nitady olombelona mba ho mpanjakany mantsy izy ireo. Nangataka tamin’i Jehovah mba handefa oram-baratra i Samoela avy eo, mba hanaporofoana fa irak’Andriamanitra izy. Fotoana fijinjana vary teo amin’ny Israely tamin’izany, ka nahalana vao nisy oram-be nivatravatra. Nandefa kotroka sy orana anefa i Jehovah. Nanjary natahotra azy sy Samoela àry ny olona.—1 Samoela 12:11-19.

Mpanoratra koa i Samoela. Nanoratra zavatra maro nitranga tao anatin’ny 330 taona teo ho eo izy. Anisan’izany ny zavatra niavaka vitan’ireo mpitsara teo amin’ny Israely, toa an’ilay lehilahy natanjaka indrindra atao hoe Samsona. Nanaovana poezia, tantara an-kira na an-tsehatra, ary filma io tantara tena nisy io. (Mpitsara, toko 13–16) I Samoela koa no nanoratra ny tantaran’i Rota sy Naomy rafozambaviny. Samy maty vady izy ireo ary lasa nahantra. Tena mahaliana koa io tantara marina sy tsara fiafara io.—Rota, toko 1–4.

Inona no ianarantsika avy amin’ny asa soratr’i Samoela sy ny fiainany? Inona no nataony mba hampandrosoana ny fivavahana marina?

Ny fahazazany

Mpivavaka tamin’i Jehovah i Elkana rain’i Samoela ary tena tia vady. Tena tia an’Andriamanitra koa i Hana vadin’i Elkana. Momba i Hana, ka nankao amin’ny tranon’i Jehovah tao Silo, ary nitalaho mafy sady nivoady hoe: “Jehovah, Tompon’ny maro ô, raha mba hitsinjo tokoa ny alahelon’ny ankizivavinao Hianao ka hahatsiaro ahy ary tsy hanadino ny ankizivavinao, fa hanome ahy zazalahy, dia homeko ho an’i Jehovah kosa izy amin’ny andro rehetra hiainany, ka tsy hokasihin-kareza ny lohany.” (1 Samoela 1:1-11) Midika izany fa ho voatokana hanompo an’i Jehovah ilay zaza.

Nivavaka anakampo i Hana ka “ny molony ihany no nihetsiketsika.” Noheverin’i Ely Mpisoronabe hoe mamo izy ka noteneniny mafy. Namaly azy tamim-panajana anefa i Hana, ka nanazava ny nahazo azy. Hoy i Ely: “Mandehana soa aman-tsara; ary homen’Andriamanitry ny Isiraely anao anie izay nangatahinao taminy.” Namaly ny vavak’i Hana tokoa i Jehovah, satria hoy ny Baiboly: “Tamin’ny fahatanterahan’ny andro dia nanan-anaka Hana ka nitera-dahy, ary ny anarany nataony hoe Samoela, fa hoy izy: Tamin’i Jehovah no nangatahako azy.”—1 Samoela 1:12-20.

Notezaina araka “ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah” i Samoela. (Efesianina 6:4) Nentin’i Hana tany amin’ny tranon’i Jehovah tany Silo avy hatrany izy raha vao nisara-nono, ary nateriny tany amin’i Ely Mpisoronabe. “Nanao fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah” ilay zazalahikely ary i Ely no nikarakara azy. Dibo-kafaliana i Hana ka nanao teny fisaorana mampihetsi-po. Nosoratan’i Samoela izany tatỳ aoriana.—1 Samoela 2:1-11.

Raha manan-janaka ianao, moa ve ampirisihinao izy hanao ny fanompoana an’i Jehovah ho anton-draharaha? Ny fampandrosoana ny fivavahana marina mantsy no fomba tsara indrindra azontsika ampiasana ny herintsika.

Zatra tsara ny fiainana tao amin’ny tempoly i Samoela. “Nitombo teo anatrehan’i Jehovah” izy, ary “tian’i Jehovah sy ny olona.” Nanahaka ny toetran’i Jehovah izy ka mamy hoditra teo amin’ny fiaraha-monina.—1 Samoela 2:21, 26.

Tsy mba toy izany i Hofinia sy Finehasa zanak’i Ely. Lehilahy tsy nanjary izy ireo ary “tsy nahalala an’i Jehovah.” Naloto fitondran-tena izy ireo, ary naka ny ampahany tsara indrindra tamin’ny fanatitra nataon’ny olona tao amin’ny tempoly. Efa nisy mpaminany nirahin’i Jehovah mba hilaza tamin’i Ely ny sazy niandry azy. Anisan’izany ny hoe ho faty ny zanany roa lahy. (1 Samoela 2:12, 15-17, 22-25, 27, 30-34) Mbola nasain’i Jehovah nilaza hafatra fanamelohana koa anefa i Samoela.

Mpaminany i Samoela

Nasain’Andriamanitra nilaza toy izao tamin’i Ely i Samoela: “Efa nambarako taminy fa hotsaraiko mandrakizay ny taranany noho ny heloka izay fantany, satria ny zanany nahatonga ozona ho an’ny tenany, nefa tsy nosakanany.” Tsy mora ny nampita izany hafatra izany. Nilaza tamin’i Samoela anefa i Ely mba tsy hanafina na dia teny iray aza. Notantarain’i Samoela taminy àry izay rehetra nolazain’i Jehovah. Be herim-po tokoa i Samoela!—1 Samoela 3:10-18.

Fantatry ny Israelita rehetra fa mpaminanin’Andriamanitra i Samoela, rehefa nihalehibe. (1 Samoela 3:19, 20) Nihatra ilay sazy nolazain’i Samoela rehefa resin’ny Filistinina tanteraka ny Israelita. Maty tany an’ady i Hofinia sy Finehasa, ary lasan’ny Filistinina ilay vata nisy ny fifaneken’i Jehovah. Rehefa fantatr’i Ely izany, dia nitsingatotra teo amin’ny sezany izy ka tapaka ny vozony, ary maty izy.—1 Samoela 4:1-18.

Nampirisika ny Israelita hiala tamin’ny fivavahan-diso i Samoela, 20 taona tatỳ aoriana. Nanaiky izy ireo ka nanaisotra ny sampiny, nifady hanina ary niaiky ny fahotany. Nivavaka ho azy ireo i Samoela ary nanolotra fanatitra dorana. Inona no nitranga? Rehefa niady tamin’ny Israelita ny Filistinina, dia nampisahotaka azy ireo Andriamanitra, ka resin’ny Israelita tanteraka izy ireo. Notahin’i Jehovah ny Israelita ka tena nihatsara ny fiainany, ary azony indray ny taniny nalain’ny Filistinina.—1 Samoela 7:3-14.

Tena nampandroso ny fivavahana marina i Samoela. Nataony, ohatra, izay hampiasana ny zavatra azo babo mba hikojakojana ny tranolay. Nikarakara ny fankalazana ny Paska koa izy, ary nandamina ny asan’ny Levita mpiandry varavarana. (1 Tantara 9:22; 26:27, 28; 2 Tantara 35:18) Niala tao an-tranony tao Rama i Samoela isan-taona, ary nitety tanàna mba hitsara ny olona. Nalaza ho nanao ny marina sy tsy niangatra izy. Nohajain’ny olona koa izy ka afaka nanampy azy ireo tamin’ny fanompoana an’i Jehovah. (1 Samoela 7:15-17; 9:6-14; 12:2-5) Nanao ny marina sy nafana fo tamin’ny fivavahana i Samoela, ka azo antoka fa nandrisika olona maro hanahaka azy izany. Misy heriny eo aminao toy izany koa ve ny tantaran’i Samoela?

Nangataka mpanjaka ny Israelita

Nanendry an’i Joela sy Abia zanany lahy ho mpitsara i Samoela, rehefa antitra. “Tsy nanaraka ny dian-drainy” anefa izy ireo, “fa nivily nitady vola aman-karena ka nandray kolikoly sy nanao fitsarana miangatra.” Izany no nahatonga ny anti-panahy teo amin’ny Israely hangataka mpanjaka. (1 Samoela 8:1-5) Tena ratsy ny fahitan’i Samoela an’izany. Nivavaka momba izany izy, nefa hoy Jehovah taminy: “Tsy hianao no laviny, fa Izaho no laviny tsy hanjaka aminy.” (1 Samoela 8:6, 7) Nasain’Andriamanitra nanao izay nangatahin’ny vahoaka i Samoela, sady nampiomana azy ireo fa ho voafehifehy izy ireo eo ambany fitondran’ny mpanjaka. Nisisika mafy ihany anefa ny vahoaka, ka nirahin’i Jehovah hanosotra an’i Saoly ho mpanjaka i Samoela.—1 Samoela 8:6-22; 9:15-17; 10:1.

Nanohana an’ilay fanapahan-kevitra i Samoela na dia nanahy aza. Novoriny tao Gilgala ny vahoaka taorian’ny nandresen’izy ireo ny Amonita, ary nolazainy tamin’ny fomba ofisialy fa mpanjaka i Saoly. (1 Samoela 10:17-24; 11:11-15) Nampahatsiahivin’i Samoela ny tantaran’ny Israelita ary nampirisihiny hankatò an’i Jehovah ny mpanjaka sy ny vahoaka. Namaly ny vavak’i Samoela i Jehovah, ka nandefa oram-baratra tamin’ny fotoana tsy fisian’ny orana, araka ny efa voalaza teo aloha. Rehefa nahita izany ny vahoaka, dia niaiky fa diso satria nanda an’i Jehovah. Niangavy an’i Samoela izy ireo mba hivavaka ho azy. Hoy izy: “Sanatria raha hanota amin’i Jehovah aho ka hitsahatra tsy hangataka ho anareo; fa izaho hanoro anareo izay làlana tsara sy mahitsy.” Tsy niala tamin’ny fitiavany an’i Jehovah sy ny vahoakany mihitsy izy, ka tena fakan-tahaka! (1 Samoela 12:6-24) Vonona hanohana ny fanapahan-kevitra raisina eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah, sy hivavaka ho an’ny mpiray finoana koa ve ianao?

Mpanjaka roa voalohany teo amin’ny Israely

Nanetry tena i Saoly ary nankasitrahan’Andriamanitra. (1 Samoela 9:21; 11:6) Tsy nanaraka ny toromarik’Andriamanitra anefa izy, rehefa nandeha ny fotoana. Maimaika izy, ohatra, indray mandeha ka nanolotra fanatitra nefa efa nahazo baiko mba hiandry. Nanarin’i Samoela izy noho izany. (1 Samoela 13:10-14) Mbola tsy nankatò koa i Saoly, ka tsy namono an’i Agaga mpanjakan’ny Amalekita. Hoy i Samoela taminy: “Efa notriarin’i Jehovah kosa ho afaka aminao andro-any ny fanjakan’Isiraely ka efa nomeny ny namanao izay tsara noho hianao.” I Samoela mihitsy no namono an’i Agaga. Nalahelo mafy an’i Saoly izy taorian’izay.—1 Samoela 15:1-35.

Hoy i Jehovah tamin’i Samoela tamin’ny farany: “Mandra-pahoviana no hahalahelovanao an’i Saoly, nefa Izaho efa nandà azy tsy ho mpanjakan’ny Isiraely?” Nirahin’i Jehovah nankany Betlehema i Samoela tamin’izay, mba hanosotra ny iray tamin’ny zanakalahin’i Jese ho mpanjaka. Nasaina nandalo tsirairay teo anatrehan’i Samoela izy ireo, ary i Davida, ilay faralahy no nofidin’i Jehovah. Nandray fianarana tena lehibe i Samoela tamin’io andro io: “Tsy mba toy ny fijerin’ny olona no fijerin’i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo.”—1 Samoela 16:1-13.

Nalahelo i Samoela rehefa tsy nankatò i Saoly. Vao mainka nalahelo mafy àry izy, rehefa fantany fa nankahala an’i Davida i Saoly ka nifofo ny ainy! Nazoto nanompo an’i Jehovah foana i Samoela, ary nanao izay azony natao, na dia teo aza izany fitsapana izany sy ny fahanterany.—1 Samoela 19:18-20.

Namela zava-tsarobidy ho antsika i Samoela

Nisaona ny Israelita rehefa maty i Samoela, ilay mpaminany nanetry tena sy be herim-po. Nisy heriny teo amin’ny fiainan’olona maro ny zavatra nataony. (1 Samoela 25:1) Tsy lavorary izy, ka diso hevitra indraindray. Tsy niala tamin’ny fanompoana an’i Jehovah mihitsy i Samoela na izany aza. Tsy nitandro hasasarana koa izy nanampy ny hafa hanao izany.

Efa niova be ny fiainana hatramin’ny andron’i Samoela. Andraisantsika fianarana tena mahasoa anefa ny tantarany. Nanaraka ny fivavahana marina tamin’i Jehovah izy, ary nanao izay hampandrosoana azy io. Manao toy izany koa ve ianao?

[Efajoro, pejy 16]]

LESONA AVY AMIN’NY TANTARAN’I SAMOELA

• Tezao araka “ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah” ny zanakao, toy ny nataon’ny ray aman-drenin’i Samoela, izay nampianatra azy ny tenin’Andriamanitra.—Efesianina 6:4.

• Ampirisiho ny zanakao hanao ny fanompoana an’i Jehovah ho anton-draharaha, toy ny nataon’i Samoela.

• Modely ho antsika i Samoela, satria nanahaka ny toetran’i Jehovah ka mamy hoditra teo amin’ny fiaraha-monina.

• Nanao izay rehetra azony natao i Samoela mba hampandrosoana ny fivavahana marina, ary tokony hanao izany koa isika.

[Sary, pejy 15]

Nampandroso ny fivavahana marina i Samoela, ary nanampy ny hafa tamin’ny fanompoana an’i Jehovah