Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Natao Hifameno ny Lehilahy sy ny Vehivavy

Natao Hifameno ny Lehilahy sy ny Vehivavy

Natao Hifameno ny Lehilahy sy ny Vehivavy

NANIRY mafy hiaraka foana ny lehilahy sy ny vehivavy hatramin’izay. Avy amin’i Jehovah Andriamanitra izany faniriana izany. Hitany fa tsy tsara raha irery i Adama, ilay lehilahy voalohany, ka nanaovany “vady sahaza ho azy.”

Nataon’i Jehovah natory be i Adama. Nalainy avy eo ny taolan-tehezany iray, ary “nataony vehivavy ka nentiny tany amin-dralehilahy.” Tena faly i Adama nahita an’ilay zavaboary tsara tarehy noforonin’i Jehovah, ka hoy izy: “Ankehitriny dia taolana avy amin’ny taolako sy nofo avy amin’ny nofoko ity.” Lavorary i Eva ary nahatehotia tokoa, noho ireo toetram-behivavy nananany. Lavorary koa i Adama ary mendrika ny hohajaina, noho ireo toetran-dehilahy nampiavaka azy. Natao hifameno izy ireo. Hoy ny Baiboly: “Noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany ireo.”—Genesisy 2:18-24.

Misara-bazana anefa ny fianakaviana ankehitriny. Fahita ny mpivady mifanasa vangy sy mifampikasi-tanana. Misy tokantrano anjakan’ny fitiavan-tena. Eo koa ny lehilahy sy ny vehivavy tia mifaninana, ka lasa mifanditra sy tsy mifanaraka. Tsy izany mihitsy anefa no nokasain’Andriamanitra. Nanankinany andraikitra mahafinaritra ny lehilahy, ary notendreny hanampy azy ny vehivavy, ka nomeny andraikitra miavaka sy sarobidy. Natao hiara-miasa amim-piraisan-tsaina izy ireo. Hatramin’ny nisian’ny olombelona, dia niezaka namita an-tsakany sy an-davany ny andraikiny avy ny lehilahy sy ny vehivavy natahotra an’Andriamanitra, ka sambatra sy afa-po kokoa. Inona avy izany andraikitra izany, ary ahoana no ahafahantsika miantsoroka azy?

[Sary, pejy 3]

Nanankinan’Andriamanitra andraikitra sarobidy ny lehilahy sy ny vehivavy