Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Samy Sarobidy ny Andraikitry ny Lehilahy sy ny Vehivavy

Samy Sarobidy ny Andraikitry ny Lehilahy sy ny Vehivavy

Samy Sarobidy ny Andraikitry ny Lehilahy sy ny Vehivavy

I ADAMA no noforonin’i Jehovah Andriamanitra voalohany, vao i Eva. Efa nahalala zavatra maro momba ny fiainana izy, talohan’ny namoronana an’i Eva. Nomen’i Jehovah toromarika koa izy. (Genesisy 2:15-20) Mpitondra tenin’Andriamanitra i Adama, ka tsy maintsy nampita ireny toromarika ireny tamin’ny vadiny. Noho izany, dia izy no tokony hitarika ny ankohonany rehefa misy zavatra atao mifandray amin’ny fivavahana.

Mitovy amin’izany ny rafitra misy eo anivon’ny fiangonana kristianina, ary hahasoa antsika ny fandinihana izany. Hoy ny apostoly Paoly: “Ny vehivavy tsy avelako ... hanana fahefana eo amin’ny lehilahy, fa tokony hangina kosa. I Adama mantsy no natao voalohany, vao i Eva.” (1 Timoty 2:12, 13) Tsy midika izany hoe tokony hangina tanteraka ny vehivavy mandritra ny fivorian’ny fiangonana. Midika kosa izany fa tsy tokony hifanditra amin’ny “lehilahy” izy. Tsy tokony hanao tsinontsinona ny fahefany koa izy, na hitady hampianatra ny fiangonana. Ny lehilahy no voatendry hitarika sy hampianatra ny fiangonana. Tena manatsara ny fivoriana anefa ny vehivavy, rehefa mandray anjara amin’ireo lafiny samihafa amin’izy io.

Manampy antsika hahatakatra ny andraikitra nomen’Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy ny apostoly Paoly. Hoy izy: “Ny lehilahy ... tsy avy amin’ny vehivavy, fa ny vehivavy no avy amin’ny lehilahy. ... Fa ao amin’ny Tompo, dia tsy nisy vehivavy raha tsy teo ny lehilahy ary tsy nisy lehilahy raha tsy teo ny vehivavy [natao hifameno izy ireo fa tsy samy hahaleo tena]. Fa tahaka ny niavian’ny vehivavy avy tamin’ny lehilahy no niavian’ny lehilahy koa avy tamin’ny vehivavy. Fa avy amin’Andriamanitra kosa ny zava-drehetra.”—1 Korintianina 11:8-12.

Manana tombontsoa miavaka ny vehivavy

Nanana tombontsoa maro ny vehivavy teo ambanin’ny Lalàna nomen’Andriamanitra ny Israely, ary afaka nampiasa ny fahaizany araka izay tiany. Miresaka momba ny “vehivavy tsara”, ohatra, ny Ohabolana 31:10-31. Voalaza ao fa nividy karazan-damba tena nety izy, ary nanamboatra fitafiana faran’izay tsara ho an’ny ankohonany. ‘Nanao akanjo’ koa izy, ka ‘nivarotra izany’! (Andininy 13, 21-24) “Toy ny sambon’ny mpandranto” io vehivavy mahafatra-po io, ka nitondra karazan-tsakafo tena tsara, na dia tany lavitra aza vao nisy an’izany. (Andininy 14) ‘Nihevitra saha izy ka nahazo azy’, ary ‘nanao tanimboaloboka.’ (Andininy 16) Nandeha ny varotra nataony, ka nahazo ‘tombony’ izy. (Andininy 18) ‘Nitandrina tsara ny ataon’ny ankohonany’ io vehivavy nazoto niasa sy natahotra an’i Jehovah io, sady nahafoy tena nanampy ny hafa. (Andininy 20, 27) Tsy mahagaga raha nahazo teny fiderana izy!—Andininy 31.

Hita ao amin’ny lalàna nomen’i Jehovah tamin’ny alalan’i Mosesy, fa nisy zavatra maro azon’ny vehivavy natao mba hanatanjahana ny finoany. Izao, ohatra, no vakintsika ao amin’ny Josoa 8:35: “Tsy nisy teny tamin’izay rehetra nandidian’i Mosesy, izay tsy novakin’i Josoa teo anatrehan’ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, mbamin’ny vehivavy sy ny ankizy madinika ary ny vahiny izay teo aminy.” Hoy koa ny Baiboly: “Nentin’i Ezra mpisorona ny lalàna tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana fahafito ho eo anatrehan’ny fiangonana, na lehilahy na vehivavy, mbamin’izay rehetra efa mahahaino. Dia novakina teo an-kalalahana teo anoloan’ny vavahadin-drano izany hatramin’ny vao maraina koa ka ambara-pitataovovonan’ny andro, dia teo anatrehan’ny lehilahy sy ny vehivavy mbamin’izay efa mahahaino; ary ny olona rehetra dia nampandry sofina hihaino ny bokin’ny lalàna.” (Nehemia 8:2, 3) Nandray soa avy tamin’ireny famakiana ny Lalàna ireny ny vehivavy. Nankalaza ny fety ara-pivavahana koa izy ireo. (Deoteronomia 12:12, 18; 16:11, 14) Ambonin’izany rehetra izany, dia afaka nifandray akaiky tamin’i Jehovah Andriamanitra sy nivavaka taminy ny vehivavy israelita tsirairay.—1 Samoela 1:10.

Nanana tombontsoa hikarakara an’i Jesosy koa ny vehivavy natahotra an’Andriamanitra, tamin’ny taonjato voalohany. (Lioka 8:1-3) Nisy vehivavy nanoso-menaka ny lohan’i Jesosy sy ny tongony, ohatra, nandritra ny sakafo hariva iray tany Betania. (Matio 26:6-13; Jaona 12:1-7) Niseho tamin’ny olona maromaro koa i Jesosy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, ary nisy vehivavy tamin’ireo. (Matio 28:1-10; Jaona 20:1-18) “Vehivavy” ny sasany tamin’ireo olona 120 niara-nivory taorian’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra, ary anisan’izy ireo i “Maria, renin’i Jesosy.” (Asan’ny Apostoly 1:3-15) Azo antoka fa tao amin’ilay efitra ambony rihana tao Jerosalema ny maro tamin’ireo vehivavy ireo na izy rehetra mihitsy, tamin’ny Pentekosta taona 33. Nirotsaka tamin’ny mpianatr’i Jesosy ny fanahy masina tamin’izay, ka lasa nahay fiteny maro isan-karazany izy ireo.—Asan’ny Apostoly 2:1-12.

Tanteraka tamin’ny lehilahy sy ny vehivavy ny Joela 3:1, 2, araka ny nolazain’ny apostoly Petera tamin’ny Pentekosta. Namerina ireto tenin’i Jehovah ireto izy tamin’izay: “Handatsahako ampahany amin’ny fanahiko ny karaza-nofo rehetra, ka ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany ... Ary na ny mpanompolahiko sy ny mpanompovaviko aza, dia handatsahako ampahany amin’ny fanahiko amin’izany andro izany.” (Asan’ny Apostoly 2:13-18) Nahazo ny fanomezan’ny fanahy ny vehivavy kristianina, nandritra ny fotoana kelikely taorian’ny Pentekosta taona 33. Niteny tamin’ny fiteny vahiny izy ireo ary naminany, izany hoe nilaza ny fahamarinana avy ao amin’ny Soratra Masina, fa tsy voatery hoe nilaza mialoha ny hoavy akory.

Niresaka tamim-pitiavana momba an’i “Foiby anabavintsika” i Paoly tao amin’ny taratasiny ho an’ny Kristianina tany Roma, ary nampirisika azy ireo handray azy tsara. Niresaka momba an’i Tryfena sy Tryfosa koa izy, ary nilaza fa “vehivavy miasa mafy ao amin’ny Tompo” izy ireo. (Romanina 16:1, 2, 12) Marina fa tsy notendrena ho mpiandraikitra teo anivon’ny fiangonana kristianina ireo vehivavy ireo. Nomem-boninahitra anefa izy ireo sy ny vehivavy maro hafa, satria nofidin’Andriamanitra mba hiara-manjaka amin’i Jesosy Kristy Zanany any an-danitra.—Romanina 8:16, 17; Galatianina 3:28, 29.

Manana tombontsoa lehibe koa ny vehivavy matahotra an’Andriamanitra ankehitriny! “Ny Tompo manome ny teny; ary ny vehivavy mpilaza soa dia antokony lehibe”, hoy ny Salamo 68:11. Mendri-koderaina ireny vehivavy ireny. Mahay mampianatra Baiboly, ohatra, izy ireny, ka mahatonga olona maro hanaiky ny fampianarana marina izay mampifaly an’Andriamanitra. Mendri-koderaina koa ny vehivavy kristianina manampy ny zanany ho tonga mpino, sady manohana ny vadiny izay misahana andraikitra maro eo anivon’ny fiangonana. (Ohabolana 31:10-12, 28) Nomen’Andriamanitra toerana mendri-kaja koa ny vehivavy mpitovo. Ary ampirisihina ny lehilahy kristianina mba ‘hiangavy ny vehivavy zokiolona toy ny reny, ary ny tanora toy ny anabavy, amin’ny fahadiovana tanteraka.’—1 Timoty 5:1, 2.

Ny andraikitra samihafan’ny lehilahy

Misy andraikitra nomen’Andriamanitra ny lehilahy, ary tokony hamita izany izy. Hoy i Paoly: “Tiako ho fantatrareo fa Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra, ny lehilahy no lohan’ny vehivavy, ary Andriamanitra kosa no lohan’i Kristy.” (1 Korintianina 11:3) Hitantsika eo fa manana filoha koa ny lehilahy, dia i Kristy. Ampamoahina eo anatrehan’i Kristy izy ireo, ary eo anatrehan’Andriamanitra raha ny tena izy. Takin’Andriamanitra ny hampiharan’ny lehilahy ny fahefany amim-pitiavana. (Efesianina 5:25) Izany foana no izy hatramin’ny namoronana ny olombelona.

Asehon’ny Baiboly fa nomen’Andriamanitra andraikitra nifanaraka tamin’ny fahefany ny lehilahy. Nasain’i Jehovah nanao sambofiara, ohatra, i Noa, mba hitsimbinana aina mandritra ny Safodrano. (Genesisy 6:9–7:24) Nampanantenaina i Abrahama fa amin’ny alalan’ny taranany no hitahiana ny fianakaviana sy ny firenena rehetra. I Kristy Jesosy no voalohany amin’io taranaka io. (Genesisy 12:3; 22:18; Galatianina 3:8-16) Nanendry an’i Mosesy mba hitarika ny Israelita hivoaka avy any Ejipta koa Andriamanitra. (Eksodosy 3:9, 10, 12, 18) Tamin’ny alalany no nanomezan’i Jehovah ny Fifaneken’ny Lalàna na Lalàn’i Mosesy. (Eksodosy 24:1-18) Ary lehilahy daholo ireo mpanoratra ny Baiboly.

“Nanolotra lehilahy ho fanomezana” i Jesosy, izay Lohan’ny fiangonana kristianina. (Efesianina 1:22; 4:7-13) Ny lehilahy koa no noresahin’i Paoly, rehefa nitanisa ny fepetra tokony hofenoin’ny mpiandraikitra izy. (1 Timoty 3:1-7; Titosy 1:5-9) Noho izany, dia lehilahy no tendrena ho mpiandraikitra na anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana eo anivon’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah. (Filipianina 1:1, 2; 1 Timoty 3:8-10, 12) Ny lehilahy ihany no manao ny asan’ny mpiandry eo anivon’ny fiangonana kristianina. (1 Petera 5:1-4) Nomen’Andriamanitra tombontsoa miavaka anefa ny vehivavy, araka ny hitantsika teo aloha.

Sambatra izy ireo manao ny anjarany avy

Sambatra ny lehilahy sy ny vehivavy rehefa samy miantsoroka ny andraikitra nomen’Andriamanitra azy. Sambatra ny tokantranony, rehefa manahaka an’i Kristy sy ny fiangonana izy ireo. Hoy i Paoly: “Ry lehilahy, tiavo mandrakariva ny vadinareo, tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana sy ny nanolorany ny tenany hamonjy azy ... Aoka koa ny lehilahy tsirairay avy ho tia ny vadiny tahaka ny tenany.” (Efesianina 5:25-33) Tokony hampihatra ny fahefany amim-pitiavana àry ny loham-pianakaviana, fa tsy ho tia tena. Tsy lavorary ireo anisan’ny fiangonan’i Kristy, kanefa tia sy mikarakara azy io izy. Tokony ho tia sy hikarakara ny vadiny koa àry ny lehilahy kristianina.

Tokony “hanaja fatratra ny vadiny” ny vehivavy kristianina. (Efesianina 5:33) Afaka manahaka ny fiangonana izy amin’io lafiny io. Hoy ny Efesianina 5:21-24: “Aoka ianareo samy hanaiky ny namanareo avy, amin’ny fahatahorana an’i Kristy. Aoka ny vehivavy hanaiky ny vadiny, toy ny anekeny ny Tompo, satria ny lehilahy no lohan’ny vadiny, toa an’i Kristy izay lohan’ny fiangonana, noho izy mpamonjy an’io vatana io. Toy ny aneken’ny fiangonana an’i Kristy no tokony haneken’ny vehivavy ny vadiny amin’ny zavatra rehetra.” Mety ho sarotra amin’ny vehivavy ny manaiky ny vadiny indraindray, nefa “zavatra mety izany eo imason’ny Tompo.” (Kolosianina 3:18) Ho mora kokoa aminy ny manaiky ny vadiny, raha mitadidy izy fa mampifaly an’i Jesosy Kristy Tompo izany.

Tokony hanaiky ny fahefan’ny vadiny ny vehivavy kristianina, na dia tsy mitovy finoana aminy aza izy io. Hoy ny apostoly Petera: “Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo mba hahazoanareo azy tsy amin’ny teny, raha misy tsy mankatò ny teny masina, fa amin’ny fitondran-tena kosa, noho izy mahita ny fitondran-tena madio anananareo, sy ny fanajana lalina asehonareo.” (1 Petera 3:1, 2) Nanaja an’i Abrahama vadiny i Saraha ka nahazo tombontsoa hiteraka an’i Isaka sy ho lasa razamben’i Jesosy Kristy. (Hebreo 11:11, 12; 1 Petera 3:5, 6) Azo antoka fa homen’Andriamanitra valisoa koa ny vehivavy manahaka an’i Saraha.

Manjaka ny fiadanana sy ny firaisan-tsaina, rehefa miantsoroka ny andraikitra nomen’Andriamanitra azy ny lehilahy sy ny vehivavy. Mahasambatra sy mahafa-po azy ireo izany, sady mahatonga azy hanana ny hajany. Manjary mahatsiaro ho misy vidiny àry ny olona, rehefa manatanteraka an’io andraikiny io araka izay voalazan’ny Soratra Masina.

[Efajoro, pejy 7]

Ny Fiheverany ny Andraikitra Nomen’i Jehovah Azy

Hoy i Susan: “Be fitiavana sy tsara fanahy ny vadiko, rehefa mampihatra ny fahefany. Miara-midinika izahay matetika rehefa hanapa-kevitra. Rehefa milaza izy hoe izao no hatao na tsy hatao, dia fantatro fa hahasoa anay izany. Tena sambatra aho miantsoroka ny andraikitra nomen’i Jehovah ny vehivavy, ary manamafy orina ny fanambadianay izany. Tena mifankatia izahay, ary miara-miasa mba hanatratra tanjona eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah.”

Hoy koa i Mindy: “Porofon’ny fitiavan’i Jehovah antsika vehivavy ny andraikitra nomeny antsika. Amiko dia fomba hisaorako an’i Jehovah noho io andraikitra nankininy tamiko io ny fanomezako voninahitra sy haja ny vadiko, ary ny fanohanako azy mba hahavitany ny andraikiny eo anivon’ny fiangonana.”

[Sary, pejy 5]

Nomen’Andriamanitra andraikitra samihafa nifanaraka tamin’ny fahefany avy i Noa sy Abrahama ary Mosesy

[Sary, pejy 7]

“Ny vehivavy mpilaza soa dia antokony lehibe”