Zavatra Niavaka teo Amin’ny Tantaran’ny Baiboly any Afrika
Zavatra Niavaka teo Amin’ny Tantaran’ny Baiboly any Afrika
EFA ela ireo olona tia namaky Baiboly tany Eoropa sy Amerika Avaratra no niaiky, fa tsara raha mba afaka mamaky ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fiteniny ny Afrikanina. Lehilahy maro àry no nankany Afrika ary nianatra ny fitenin’ny olona tany. Namorona soratra mihitsy ny sasany ary namoaka diksionera. Nandika ny Baiboly tamin’ny fiteny maro any Afrika izy ireo taorian’izay. Tsy mora ny nanao izany. Hoy Ny Tantaran’ny Baiboly Navoakan’i Cambridge (anglisy): “Mety ho tsy maintsy nikaroka nandritra ny taona maro ny [mpandika teny], vao nahita ny teny mety tsara handikana ny foto-pampianarana kristianina tsotra indrindra.”
Nivoaka tamin’ny 1857 ny Baiboly manontolo amin’ny fiteny tswana. Io no Baiboly voalohany voadika tamin’ny fiteny afrikanina vao namoronana soratra. * Natao pirinty izy io, ary tsy tonga dia boky iray fa nizarazara ho maromaro. Voadika tamin’ny fiteny afrikanina hafa koa ny Baiboly tatỳ aoriana. Ahitana ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah ny ankamaroan’ireny fandikan-teny voalohany ireny. Misy an’izany ao amin’ny Soratra Hebreo, na “Testamenta Taloha”, sy ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, na “Testamenta Vaovao.” Tsy nanaja ny anarana masin’i Jehovah, ilay nampanoratra ny Baiboly, anefa ny olona sasany, rehefa nanao fanitsiana tao amin’ireny Baiboly ireny, na namoaka fandikan-teny vaovao. Nosoloany anaram-boninahitra toy ny hoe Andriamanitra na Tompo kosa izany, satria nanaraka ny finoanoam-poanan’ny Jiosy izy ireo. Nilaina àry ny namoaka Baiboly nisy ny anarana hoe Jehovah, ho an’ireo tia an’Andriamanitra tany Afrika.
Niezaka mafy ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, taorian’ny taona 1980, mba hamoaka Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny fiteny be mpampiasa any Afrika. Afaka mamaky azy io amin’ny fiteniny àry ny Afrikanina ana hetsiny tia Baiboly. Efa misy amin’ny fiteny afrikanina 17 izao ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo na ny ampahany aminy.
Tena faly ny mpamaky an’io Baiboly io, satria asongadina ao ny anaran’Andriamanitra be voninahitra hoe Jehovah. Misy an’io anarana io, ohatra, ny andinin-teny tao amin’ny horonam-bokin’Isaia 61:1, 2) Izao ilay andinin-teny novakin’i Jesosy, araka ny Filazantsaran’i Lioka ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao: “Ny fanahin’i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra ahy hilaza vaovao tsara amin’ny mahantra izy, ary naniraka ahy hitory fanafahana amin’ny babo sy fampahiratana amin’ny jamba, hanafaka sy handefa ny torotoro fo, hitory taona fanehoan’i Jehovah fankasitrahana.”—Lioka 4:18, 19.
i Isaia. Namaky izany i Jesosy, tao amin’ny synagoga tao Nazareta, rehefa niresaka momba ny asa nanirahan’ny Rainy azy. (Fotoana niavaka teo amin’ny tantaran’ny Baiboly any Afrika koa ny Aogositra 2005. Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao maherin’ny 76 000 amin’ny fiteny afrikanina no natao pirinty sy nakambana ho boky, tao amin’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Afrika Atsimo, tamin’io volana io. Anisan’izany ny Baiboly 30 000 tamin’ny teny shona. Nivoaka tamin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Mankatoava An’Andriamanitra”, nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Zimbabwe io Baiboly io.
Tsy hay hadinoina tokoa ny zava-nitranga tamin’io volana io. Tena faly ireo nitsidika ny sampan’i Afrika Atsimo nahita ny namokarana Baiboly vaovao tamin’ny teny afrikanina. Hoy i Nhlanhla, mpianakavin’ny Betela miasa ao amin’ny fanakambanana boky: “Tena faly tsy nisy hoatra izany aho nandray anjara tamin’ny fanamboarana ny Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao tamin’ny teny shona sy fiteny afrikanina hafa.” Mitovy fihetseham-po aminy ny fianakavian’ny Betela manontolo ao Afrika Atsimo.
Tsy hafarana avy any ivelany toy ny taloha izao ny Baiboly, ka sady haingana kokoa no tsy andaniam-bola be intsony ny fizarana azy amin’ny olona any Afrika. Ny tena zava-dehibe aza dia hoe tsy sarotra amin’ny Afrikanina izao ny mahazo Baiboly voadika amin’ny fomba marina tsara, sady misy ny anarana masin’i Jehovah Andriamanitra, ilay nampanoratra azy io.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 3 Tamin’ny 1835 no voadika tamin’ny teny malagasy ny Baiboly, ary tamin’ny 1840 ny tamin’ny teny amharique any Etiopia. Efa ela be talohan’izany no nisy ny soratra malagasy sy amharique.
[Sary, pejy 12]
Anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly tswana, nivoaka tamin’ny 1840
[Sary nahazoan-dalana]
Harold Strange Library of African Studies
[Sary, pejy 13]
Mpitsidika avy any Soazilandy nijery ny famokarana Baiboly vaovao tao amin’ny sampan’i Afrika Atsimo