Amosa—Mpioty sa Mpanindrona Aviavy?
Amosa—Mpioty sa Mpanindrona Aviavy?
NANDIDY an’i Amosa mpaminany mba tsy haminany intsony teo amin’ny Israely i Amazia, tamin’ny taonjato fahasivy T.K. Mpisorona ratsy fanahy i Amazia ary nivavaka tamin’ny ombilahy kely. Tsy nanaiky ny teniny i Amosa, fa namaly hoe: “Mpiandry ondry sy mpioty aviavy ihany aho, saingy nalain’i Jehovah tany am-piandrasana ondry ka nataony hoe: Mandehana, ka maminania amin’ny Isiraely oloko.” (Amosa 7:14, 15) Tsy i Amosa mihitsy no nanendry ny tenany ho mpaminany, fa i Jehovah. Inona anefa no tian’i Amosa holazaina tamin’ilay hoe “mpioty” aviavy izy?
“Mpanindrona” no dikan’io teny io, araka ny teny hebreo nanoratana ny Baiboly, ary ao amin’io andininy io ihany no ahitana azy. Adika hoe “mpamboly” izy io ao amin’ny Baiboly hafa. Milaza anefa ny gazety Fikarohana Momba ny Zavamaniry (anglisy) fa mety ny handikana azy io hoe “mpanindrona”, satria manondro ny asa manokana fanaon’ny mpamboly aviavy ilay izy.
Efa fanao hatry ny ela tany Ejipta sy Chypre ny manindrona aviavy, izany hoe manisy loaka kely ao amin’izy ireny. Tsy fanao any Israely intsony izany izao, satria karazana aviavy hafa no maniry any. Nanao izany anefa ny Israelita tamin’ny andron’i Amosa, satria karazana aviavy avy tany Ejipta no naniry tany tamin’izany.
Toa mitroka rano sy lasa be ranony kokoa ny aviavy, rehefa tsindronina. Lasa mitombo koa ny gazy atao hoe etilenina ao anatiny, ka masaka haingana kokoa izy, ary manjary lehibe sy mamy kokoa. Tsy simban’ny fanenitra koa izy rehefa tsindronina, satria vetivety dia matoy.
Olona tso-piaina i Amosa, satria mpiandry ondry sy mpanindrona aviavy. Tsy natahotra ny fahavalony anefa izy, na izany aza. Be herim-po kosa izy, ka nanambara ny didim-pitsaran’i Jehovah momba ny Israely. Modely ho an’ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny tokoa izy, satria tsy maintsy mitory hafatra tsy tian’ny olona koa izy ireo!—Matio 5:11, 12; 10:22.