Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Andriamanitra Mahay Mankasitraka i Jehovah

Andriamanitra Mahay Mankasitraka i Jehovah

Andriamanitra Mahay Mankasitraka i Jehovah

“Andriamanitra ... tsy mba tsy marina ka hanadino izay nataonareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho an’ny anarany.”—HEBREO 6:10.

1. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah fa nankasitraka an’i Rota moabita izy?

TENA ankasitrahan’i Jehovah ny ezaka ataon’ireo maniry mafy hanao ny sitrapony, ary omeny valisoa tondraka izy ireo. (Hebreo 11:6) Nahafantatra an’io toetra tsaran’Andriamanitra io i Boaza, lehilahy nahatoky. Izao no nolazainy tamin’i Rota moabita noho izy nikarakara tamim-pitiavana ny rafozany, izay efa mpitondratena: ‘Hamaly ny nataonao anie Jehovah, ka homeny valim-pitia lehibe anie ianao.’ (Rota 2:12) Notahin’Andriamanitra ve i Rota? Izany tokoa! Voarakitra ao amin’ny Baiboly mihitsy aza ny tantarany! Nanambady an’i Boaza koa izy, ary lasa razamben’i Davida Mpanjaka sy Jesosy Kristy. (Rota 4:13, 17; Matio 1:5, 6, 16) Izany dia iray monja amin’ireo tantara ao amin’ny Baiboly, izay mampiseho fa mankasitraka ny mpanompony i Jehovah.

2, 3. a) Inona no mampiavaka ny fankasitrahana asehon’i Jehovah? b) Nahoana i Jehovah no mankasitraka ny fanompoana ataon’ny vahoakany? Hazavao amin’ny ohatra.

2 Mihevitra ny tenany ho manao ny tsy marina i Jehovah, raha tsy mankasitraka ny mpanompony. Hoy ny Hebreo 6:10: “Andriamanitra ... tsy mba tsy marina ka hanadino izay nataonareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho an’ny anarany, tamin’ny nikarakaranareo sady mbola ikarakaranareo ny olona masina.” Inona no mampiavaka an’Andriamanitra araka ny voalaza eo? Mankasitraka ny mpanompony izy, na dia mpanota sy tsy mahatratra ny voninahiny aza izy ireo.—Romanina 3:23.

3 Tsy lavorary isika, ka mety hihevitra fa tsy misy dikany amin’Andriamanitra sady tsy mendrika ny hotahiny, ny ezaka ataontsika mba hanompoana azy. Fantatr’i Jehovah tsara anefa ny antony anaovantsika izany sy ny toe-javatra misy antsika, ary tena ankasitrahany ny fanompoantsika azy amin’ny fo manontolo. (Matio 22:37) Indro misy ohatra: Nahita fanomezana teo ambony latabatra ny renim-pianakaviana iray. Vakana mora vidy ilay izy ka tsy noraharahainy. Hitany tao amin’ny taratasy niaraka tamin’ilay fanomezana anefa fa avy tamin’ny zanany vavikely ilay izy ary ny tahiriny rehetra no nividianany azy. Niova àry ny fahitan’ilay reny an’ilay fanomezana. Namihina an’ilay zanany izy sady nankasitraka azy tamin’ny fony manontolo, ary nanganohano mihitsy aza angamba ny ranomasony.

4, 5. Ahoana no nanehoan’i Jesosy fankasitrahana toa an’i Jehovah?

4 Fantatr’i Jehovah tsara ny antony anompoantsika azy sy izay mety ho vitantsika. Velom-pankasitrahana izy rehefa manome azy ny tsara indrindra isika, na be izany na kely. Nanahaka tanteraka ny Rainy i Jesosy tamin’io lafiny io, araka ny asehon’ny tantaran’ilay mpitondratena nanome farantsakely roa. “Nanopy ny masony [i Jesosy], ka nahita ny manankarena nandatsaka ny fanomezany tao amin’ireo vata fandatsaham-bola. Dia nahita vehivavy mpitondratena nahantra nandatsaka vola madinika roa faran’izay kely vidy izy, ka nilaza hoe: ‘Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena io no nandatsaka betsaka kokoa noho izy rehetra na dia mahantra aza. Fa izy rehetra nandatsaka fanomezana avy tamin’ny ambim-bavany, fa izy kosa, na mahantra aza, dia nandatsaka ny fivelomany rehetra.’ ”—Lioka 21:1-4.

5 Tsapan’i Jesosy fa tena sarobidy ny fanomezana nataon’ilay ramatoa ka nankasitrahany. Fantany mantsy fa mpitondratena izy io sady nahantra. Mahafantatra ny toe-piainan’ny mpanompony koa i Jehovah. (Jaona 14:9) Mampahery tokoa ny mahafantatra fa afaka mahazo sitraka amin’Andriamanitra sy ny Zanany ianao, na manao ahoana na manao ahoana toe-javatra misy anao, satria mahay mankasitraka izy ireo.

Namaly soa an’ilay Etiopianina natahotra azy i Jehovah

6, 7. Nahoana i Jehovah no nankasitraka an’i Ebeda-meleka, ary ahoana no nanehoany izany?

6 Imbetsaka ny Soratra Masina no mampiseho fa mankasitraka an’ireo manao ny sitrapony i Jehovah. Mariho izay nataony tamin’i Ebeda-meleka, lehilahy etiopianina natahotra azy. Niaina tamin’ny andron’i Jeremia izy, ary nanompo tao an-dapan’i Zedekia, mpanjaka tsy nahatoky tao Joda. Ren’i Ebeda-meleka fa nendrikendrehin’ireo manam-pahefana tao Joda ho mpikomy i Jeremia mpaminany, ary natsipin’izy ireo tao anaty lavadrano mba ho faty mosary tao. (Jeremia 38:1-7) Ny hafatra notorin’i Jeremia no nankahalan’ireo manam-pahefana ireo azy ary fantatr’i Ebeda-meleka izany. Nanao vivery ny ainy àry izy ka nandeha nitaraina tany amin’ny mpanjaka. Nilaza tamin-kerim-po toy izao izy: “Ry tompokolahy mpanjaka, ratsy avokoa izay rehetra nataon’ity firenena ity tamin’i Jeremia mpaminany, fa nataony tao an-davaka izy ka ho faty mosary ao amin’izay itoerany.” Naka 30 lahy i Ebeda-meleka, araka ny didin’ny mpanjaka, ary namonjy an’ilay mpaminanin’Andriamanitra.—Jeremia 38:8-13.

7 Nanampy an’i Ebeda-meleka handresy ny tahotra rehetra tao aminy ny finoana nananany. Hitan’i Jehovah izany ka nankasitrahany. Hoy izy tamin’ny alalan’i Jeremia: ‘Indro, hotoviko amin’ity tanàna ity ny teniko hahatonga loza, fa tsy soa. Nefa hovonjeko ianao amin’izany andro izany, fa tsy mba hatolotra eo an-tanan’ny olona izay atahoranao. Fa hovonjeko tokoa ianao, eny ny ainao no ho babonao satria efa natoky Ahy [ianao].’ (Jeremia 39:16-18) Nafahan’i Jehovah tamin’ny tanan’ireo manam-pahefana ratsy fanahy tao Joda tokoa, i Ebeda-meleka sy Jeremia. Novonjeny koa izy ireo rehefa nandrava an’i Jerosalema ny Babylonianina. Hoy ny Salamo 97:10: “Miaro ny fanahin’ny olony masina [i Jehovah] ary mamonjy azy amin’ny tànan’ny ratsy fanahy.”

“Hamaly anao ny Rainao izay mijery ao amin’ny miafina”

8, 9. Vavaka manao ahoana no ankasitrahan’i Jehovah, araka ny ohatra navelan’i Jesosy?

8 Hita taratra amin’izay lazain’ny Baiboly momba ny vavaka, fa mankasitraka ny fanompoantsika azy i Jehovah ary mihevitra izany ho sarobidy. Hoy i Solomona: “Ny fivavaky ny marina no sitra[k’Andriamanitra].” (Ohabolana 15:8) Maro tamin’ny mpitondra fivavahana tamin’ny andron’i Jesosy no nivavaka ampahibemaso. Tsy tena tia fivavahana anefa izy ireo fa te hisehoseho fotsiny, ka hoy i Jesosy: “Efa azony ny valisoany rehetra.” Nanoro hevitra ny mpanara-dia azy izy hoe: “Fa ianao kosa rehefa mivavaka, dia midira ao amin’ny efitranonao, ary rehefa voakatonao ny varavarana, dia mivavaha amin’ny Rainao izay ao amin’ny miafina. Ary hamaly anao ny Rainao izay mijery ao amin’ny miafina.”—Matio 6:5, 6.

9 Mazava ho azy fa tsy nandrara ny vavaka ampahibemaso i Jesosy, satria na izy aza nanao izany indraindray. (Lioka 9:16) Tena ankasitrahan’i Jehovah ny vavaka ataontsika, rehefa avy amin’ny fo fa tsy noho ny fisehosehoana fotsiny. Ny vavaka ataontsika samirery no ahitana fa tena tia sy mitoky amin’Andriamanitra isika. Tsy mahagaga àry raha nitady toerana mitokana i Jesosy matetika, mba hivavahana. Nanao izany “vao maraina be” izy indray mandeha “raha mbola maizina ny andro.” “Niakatra irery tany an-tendrombohitra” kosa izy tamin’ny fotoana hafa. Ary nivavaka irery nandritra ny alina manontolo izy, talohan’ny nifidianany ny apostoliny 12.—Marka 1:35; Matio 14:23; Lioka 6:12, 13.

10. Inona no azontsika antoka rehefa mivavaka avy amin’ny fo sy maniry mafy hampifaly an’i Jehovah isika?

10 Tsy maintsy ho nanongilan-tsofina i Jehovah, rehefa namboraka taminy ny tao am-pony ilay Zanany! “Nitaraindraina mafy sy nitomany” mihitsy i Jesosy indraindray rehefa nivavaka, ary “nohenoina noho ny fahatahorany an’Andriamanitra.” (Hebreo 5:7; Lioka 22:41-44) Afaka matoky koa isika fa hankasitraka sy hanongilan-tsofina ilay Raintsika any an-danitra, rehefa mivavaka avy amin’ny fo isika sady maniry mafy hampifaly azy. ‘Eo akaikin’izay rehetra miantso Azy marina tokoa i Jehovah.’—Salamo 145:18.

11. Inona no tsapan’i Jehovah rehefa mahita izay ataontsika ao amin’ny miafina izy?

11 Ankasitrahan’i Jehovah isika, rehefa mivavaka aminy na dia tsy misy mahita aza. Tsy maintsy hankasitrahany koa àry isika, rehefa mankatò azy na dia tsy misy mahita aza! Mahafantatra izay ataontsika ao amin’ny miafina mantsy i Jehovah. (1 Petera 3:12) Asehontsika fa manompo azy “amin’ny fo rehetra” isika, rehefa mahatoky sy mankatò azy na dia tsy misy mahita aza. Midika izany fa tsara ny antony anompoantsika azy sady tapa-kevitra hanao ny marina foana isika. (1 Tantara 28:9) Mampifaly ny fon’i Jehovah tokoa isika raha manao izany!—Ohabolana 27:11; 1 Jaona 3:22.

12, 13. Ahoana no iarovantsika ny saintsika sy ny fontsika, ka hanahafantsika an’i Natanaela, ilay mpianatra nahatoky?

12 Mitandrina àry ny Kristianina mahatoky mba tsy hanao fahotana miafina, toy ny fijerena sary vetaveta sy herisetra. Manimba ny saina sy ny fo mantsy izany. Mety ho azontsika afenina amin’ny olona ny fahotantsika. “Mihanjahanja sy miharihary eo imason’ilay manao ampamoaka antsika” anefa “ny zavatra rehetra.” (Hebreo 4:13; Lioka 8:17) Manana feon’ny fieritreretana madio isika, rehefa mitandrina mba tsy hampalahelo an’i Jehovah. Faly koa isika mahafantatra fa mahazo sitraka aminy. Azo antoka àry fa tena ankasitrahan’i Jehovah ireo “mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy, sady misaintsaina ny marina ny fony.”—Salamo 15:1, 2.

13 Ahoana àry no iarovantsika ny saintsika sy ny fontsika, eto amin’ity tontolo feno faharatsiana ity? (Ohabolana 4:23; Efesianina 2:2) Tokony hohararaotintsika izay rehetra omen’i Jehovah mba hanatanjahana ny finoantsika. Tsy izay ihany, fa tsy maintsy mandà ny ratsy sy manao ny tsara isika, ary manaisotra avy hatrany ny fanirian-dratsy ao am-pontsika mba tsy hanotantsika. (Jakoba 1:14, 15) Ho faly tokoa ianao raha nilazan’i Jesosy an’ilay teniny tamin’i Natanaela, na Bartolomeo, hoe: ‘Izany ka [lehilahy] tsy misy fitaka.’ (Jaona 1:47) Nahazo tombontsoa tsy manan-tsahala izy tatỳ aoriana, satria lasa anisan’ny apostolin’i Jesosy 12.—Marka 3:16-19.

“Mpisoronabe miantra sy mahatoky”

14. Nahoana no tsy nitovy tamin’ny an’ny hafa ny fahitan’i Jesosy ny zavatra nataon’i Maria?

14 Manahaka tanteraka ny Rainy foana i Jesosy, ilay ‘endrik’Andriamanitra tsy hita maso.’ Mankasitraka an’ireo manompo an’Andriamanitra amin’ny fo madio koa izy noho izany. (Kolosianina 1:15) Nivahiny tao an-tranon’i Simona tany Betania, ohatra, izy sy ny mpianany vitsivitsy, dimy andro talohan’ny nahafatesany. Tamin’io takariva io i Maria, iray tam-po tamin’i Lazarosy sy Marta, dia “naka menaka manitra nilanja iray livatra. Narda tena izy ilay menaka sady lafo vidy be” satria nitovy sanda tamin’ny karama herintaona. Nararany teo amin’ny loha sy ny tongotr’i Jesosy izany. (Jaona 12:3) “Nahoana no mandanilany foana toy izao?”, hoy ny olona sasany. Hafa mihitsy anefa ny fahitan’i Jesosy an’ilay izy. Nolazainy fa malala-tanana i Maria, ary tena nilaina ilay fanosora-menaka noho izy efa akaiky ho faty sy halevina. Tsy nanakiana an’i Maria àry izy fa nanome voninahitra azy. Hoy izy: “Na aiza na aiza eran’izao tontolo izao itoriana ity vaovao tsara ity, dia holazaina koa ny nataon-dravehivavy ho fahatsiarovana azy.”—Matio 26:6-13.

15, 16. Inona no soa raisintsika, noho i Jesosy niaina sy nanompo an’Andriamanitra tetỳ an-tany?

15 Sambatra tokoa isika manana Mpitarika mahay mankasitraka toa an’i Jesosy! Ny fiainany tetỳ an-tany, raha ny marina, no nanomana azy ho amin’ilay asa nanendren’i Jehovah azy, izany hoe ho Mpisoronabe sy ho Mpanjaka. Hanompo eo anivon’ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra aloha izy, ary eo amin’izao tontolo izao avy eo.—Kolosianina 1:13; Hebreo 7:26; Apokalypsy 11:15.

16 Efa nahaliana an’i Jesosy ny olombelona ary efa niraiki-po tamin’izy ireo izy, talohan’ny nahatongavany tetỳ an-tany. (Ohabolana 8:31) Nanjary takany tsara kokoa ny fitsapana mahazo antsika eo am-panompoana an’Andriamanitra, noho izy niaina tetỳ an-tany. Hoy ny apostoly Paoly: ‘Tsy maintsy tonga tahaka an’ireo “rahalahiny” [i Jesosy] tamin’ny lafiny rehetra, mba ho tonga mpisoronabe miantra sy mahatoky. Fa noho izy efa nijaly rehefa niharam-pitsapana, dia afaka manampy an’izay iharam-pitsapana izy.’ “Mahay mangoraka antsika amin’ny fahalementsika” i Jesosy, satria “efa notsapaina tamin’ny lafiny rehetra toa antsika koa, nefa tsy nanota.”—Hebreo 2:17, 18; 4:15, 16.

17, 18. a) Nahoana ny taratasy ho an’ny fiangonana fito tany Azia Minora no mampiseho fa tena takatr’i Jesosy izay manjo ny mpianany? b) Nomanina ho amin’ny inona ireo Kristianina voahosotra?

17 Vao mainka takatr’i Jesosy ny fitsapana manjo ny mpanara-dia azy, taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. Miharihary izany tao amin’ny taratasiny ho an’ireo fiangonana fito tany Azia Minora, izay nasainy nosoratan’ny apostoly Jaona. Hoy i Jesosy tamin’ny fiangonan’i Smyrna: “Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao.” Toy ny nilaza i Jesosy teo hoe: ‘Fantatro tsara ny olana atrehinao sy ny zavatra manjo anao.’ Noho izy efa niaritra hatramin’ny fahafatesana, dia afaka nangoraka sy nanome toky azy ireo izy hoe: “Aoka hahatoky hatramin’ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satroboninahitry ny fiainana.”—Apokalypsy 2:8-10.

18 Hita taratra amin’ireo tenin’i Jesosy ao amin’ny taratasiny ho an’ny fiangonana fito, fa fantany tsara ny zava-tsarotra atrehin’ny mpianany, ary tena ankasitrahany ny tsy fivadihan’izy ireo. (Apokalypsy 2:1–3:22) Tadidio fa Kristianina voahosotra manantena ny hiara-manjaka aminy any an-danitra no nanoratan’i Jesosy. Nomanina ho amin’ny andraikitra lehibe miandry azy izy ireo, toa an’ilay Tompony ihany. Izany dia ny hanampy amin’ny fampiharana ny soa entin’ny sorom-panavotan’i Kristy eo amin’ny taranak’olombelona mijaly. Ho feno fangorahana izy ireo rehefa manao izany.—Apokalypsy 5:9, 10; 22:1-5.

19, 20. Ahoana no ampisehoan’ny “vahoaka be” fa mankasitraka an’i Jehovah sy ny Zanany izy ireo?

19 Mazava ho azy fa tsy ny Kristianina voahosotra ihany no tian’i Jesosy, fa eo koa ireo “ondry hafa” tsy mivadika an-tapitrisany. Anisan’ny ‘vahoaka be avy amin’ny firenena rehetra’ izy ireo, ary manantena ny ho tafavoaka velona amin’ny “fahoriana lehibe.” (Jaona 10:16; Apokalypsy 7:9, 14) Miandany amin’i Jesosy izy ireo, satria mankasitraka ny sorom-panavotana nataony sy ny fanantenana fiainana mandrakizay. Ahoana no anehoan’izy ireo ny fankasitrahany? “Manao fanompoana masina ho [an’Andriamanitra] andro aman’alina” izy ireo.—Apokalypsy 7:15-17.

20 Porofoin’ny tatitra maneran-tany tamin’ny taom-panompoana 2006, hita eo amin’ny pejy 27 ka hatramin’ny 30, fa tena “manao fanompoana masina ho [an’i Jehovah] andro aman’alina” tokoa, ireo mpanompony tsy mivadika ireo. Nandritra io taona io mantsy izy ireo sy ny sisa voahosotra vitsy an’isa, dia nanokana 1 333 966 199 ora teny amin’ny fanompoana. Mitovy amin’ny 150 000 taona mahery izany!

Mahaiza foana mankasitraka!

21, 22. a) Raha ny fahaizana mankasitraka no resahina, inona no tsy maintsy tandreman’ny Kristianina ankehitriny ary nahoana? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

21 Tena mahavariana ny fanehoan’i Jehovah sy ny Zanany fankasitrahana, rehefa jerena ny fifandraisany tamin’ny olombelona tsy lavorary. Mampalahelo anefa fa tsy miraharaha firy an’Andriamanitra ny ankamaroan’ny olona, fa mifantoka amin’izay hahasoa ny tenany. Hoy i Paoly momba ny olona miaina amin’ny “andro farany”: ‘Ho tia tena ny olona, ho tia vola, tsy mankasitraka.’ (2 Timoty 3:1-5, Fandikan-teny Katolika) Mifanohitra tanteraka amin’izany ny tena Kristianina! Mankasitraka an’Andriamanitra izy ireo noho izay rehetra nataony ho azy ireo, ka mivavaka aminy amim-pahatsorana sy mankatò azy an-tsitrapo, ary manompo azy amin’ny fo manontolo.—Salamo 62:8; Marka 12:30; 1 Jaona 5:3.

22 Maro ny zavatra omen’i Jehovah amim-pitiavana mba hanatanjahana ny finoantsika. Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny sasany amin’izany. Enga anie ka hitombo hatrany ny fankasitrahantsika, rehefa misaintsaina ireny “fanomezana tsara” ireny isika.—Jakoba 1:17.

Ahoana no Havalinao?

• Ahoana no nampisehoan’i Jehovah fa Andriamanitra mahay mankasitraka izy?

• Ahoana no ahafahantsika mampifaly ny fon’i Jehovah, na dia tsy misy mahita aza isika?

• Ahoana avy no nanehoan’i Jesosy fankasitrahana?

• Nahoana ny fiainan’i Jesosy tetỳ an-tany no nanampy azy ho lasa mpitondra mahay mangoraka sy mankasitraka?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 17]

Mankasitraka ny tsara indrindra avy amintsika i Jehovah, toy ny reny mankasitraka ny fanomezana tsotra ataon-janany