Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Faly Aho Nanampy Olona ho Tonga Mpianatr’i Jesosy

Faly Aho Nanampy Olona ho Tonga Mpianatr’i Jesosy

Tantaram-piainana

Faly Aho Nanampy Olona ho Tonga Mpianatr’i Jesosy

Notantarain’i Pamela Moseley

Nafotaka ny ady tany Angletera, tamin’ny 1941. Nentin’i Neny nanatrika ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Leicester anefa aho. Nanao lahateny manokana ho an’ny ankizy i Joseph Rutherford, tamin’izay. Tamin’io fivoriambe io izahay sy Neny no natao batisa. Voamariko tamin’io fa faly be ireo olona nanampy anay hahafantatra ny fahamarinana. Tatỳ aoriana vao tsapako fa hay tena mahafaly ny manampy olona ho tonga mpianatr’i Jesosy.

HERINTAONA talohan’io izahay no nanomboka nianatra Baiboly. Tamin’ny Septambra 1939 no nipoaka ny Ady Lehibe II. Mbola tsaroako fa tena nampihorohoro ilay andro nanombohan’izy io. Nitomany i Neny sady tsy nitsahatra nanontany hoe: “Maninona no tsy milamina mihitsy izao tontolo izao?” Niasa tao amin’ny tafika mantsy izy sy Dada tamin’ny Ady Lehibe I, ary nahita zavatra maro nampihoron-koditra. Nanatona mpitondra fivavahana anglikanina iray tany Bristol i Neny, ary napetrany taminy ilay fanontaniany. Hoy fotsiny ilay mpitondra fivavahana: “Efa nisy foana ny ady, ary mbola hisy foana.”

Tatỳ aoriana kely anefa, dia nisy vehivavy zokiolona tonga nitsidika anay. Vavolombelon’i Jehovah izy io. Napetrak’i Neny taminy indray ilay fanontaniany hoe: “Maninona no tsy milamina mihitsy izao tontolo izao?” Nohazavain’ilay Vavolombelona fa ny ady dia anisan’ny famantarana fa efa miaina ao anatin’ny faran’ity tontolo feno herisetra ity isika. (Matio 24:3-14) Tsy ela dia nampianatra Baiboly anay ny zanany vavy. Anisan’ireo olona faly nijery anay tamin’ny batisanay izy mianaka. Nahoana no tena mahafaly ny manampy olona ho tonga mpianatr’i Jesosy? Fantatro ny antony tatỳ aoriana. Aleo hotantaraiko ny zavatra sasany hitako nandritra ireo 65 taona mahery nanampiako olona.

Faly aho nampianatra

Tany Bristol aho no nitory voalohany, tamin’izaho 11 taona. Nomen’ny anadahy iray grafofaonina sy karatra fitoriana aho, sady nilazany hoe: “Tsidiho daholo iretsy trano etsy ampitan’ny arabe iretsy.” Lasa tokoa àry aho, nefa tsy nisy niaraka tamiko. Mazava ho azy fa natahotra be aho. Nasaiko nihaino lahateny ara-baiboly noraisim-peo ny olona nitoriako, ary nasehoko azy avy eo ilay karatra fitoriana. Natao hampirisihana ny olona handray boky ara-baiboly izy io.

Taona vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nampirisihina bebe kokoa hamaky andininy ao amin’ny Baiboly ny mpitory, rehefa mitory isan-trano. Saro-kenatra aho, ka sarotra tamiko tamin’ny voalohany ny niresaka tamin’ny olona tsy fantatro sy ny nanazava andinin-teny. Nihanatoky tena anefa aho, tatỳ aoriana. Tamin’izay aho vao tena nankafy ny asa fitoriana. Toy ny mpivaro-boky fotsiny no niheveran’ny olona sasany anay taloha. Rehefa namaky sy nanazava andinin-teny tamin’izy ireo anefa izahay, dia fantany fa hay mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra. Tena tiako ilay asa, ka naniry handray anjara bebe kokoa tamin’izy io aho. Nirotsaka ho mpisava lalana na mpitory manontolo andro àry aho, tamin’ny Septambra 1955.

Ahazoana valisoa ny fikirizana

Anisan’ny zavatra voalohany nianarako ny hoe ahazoana valisoa ny fikirizana sy ny hatsaram-panahy. Indray andro, dia nomeko gazety Tilikambo Fiambenana ny vehivavy iray, atao hoe Violet Morice. Niverina nitsidika azy aho taorian’izay. Novohany nidanadana ny varavarana, ary nihaino tsara izy rehefa nanazava ny Soratra Masina aho. Toa tena liana tamin’izay nolazaiko izy, isaky ny nitsidika azy aho. Nilaza taminy àry aho hoe afaka miara-mianatra Baiboly tsy tapaka izahay. Nanda anefa izy, ary niteny hoe: “Aleo aloha ho lehibe ny zanako.” Tena diso fanantenana aho! Milaza tokoa ny Baiboly hoe: “Ao ny andro itadiavana, ary ao ny andro ahaverezana.” (Mpitoriteny 3:6) Tapa-kevitra anefa aho fa mbola hiala nenina.

Niverina tany amin’i Violet aho, iray volana tatỳ aoriana, ary namaky andinin-teny vitsivitsy taminy. Tsy ela dia niara-nianatra Baiboly teo am-baravarany izahay, isan-kerinandro. Hoy izy tamin’ny farany: “Tsy aleo ve ianao mandroso ato an-trano e?” Natao batisa i Violet tatỳ aoriana, ka lasa Vavolombelon’i Jehovah. Tena mpiray finoana mahafinaritra izy, ary lasa mpinamana akaiky izahay!

Taitra be i Violet indray andro, rehefa nandre fa namidin’ny vadiny ny tranon’izy ireo nefa tsy fantany akory. Nilaozan’ilay rangahy koa izy. Soa ihany fa ny androtr’iny ihany dia nahazo trano hafa izy, noho ny fanampian’ny namana iray Vavolombelona. Tapa-kevitra àry izy fa hanao mpisava lalana mandritra ny androm-piainany sisa, ho fankasitrahana an’i Jehovah. Nazoto be izy noho ny fanampian’ny fanahin’i Jehovah. Rehefa nahita izany aho dia takatro amin’izay hoe nahoana no tena mahafaly ny manampy olona ho tonga mpianatr’i Jesosy. Tapa-kevitra aho fa tsy hiala amin’io asa io mihitsy!

Voatendry ho mpisava lalana tany amin’ny faritra be orinasa, tany Rutherglen, any Ekosy, izahay sy Mary Robinson, tamin’ny 1957. Nitory foana izahay na ratsy toy inona aza ny andro. Nisy vokany tsara izany. Nitory tamin’i Jessie aho, indray andro. Tiako ny nampianatra Baiboly azy. Kominista i Wally vadiny, ka nanao izay tsy hifanenana tamiko mihitsy tamin’ny voalohany. Nianatra Baiboly anefa izy tatỳ aoriana. Faly be izy rehefa nahalala fa ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no hitondra ny tena fiadanana ho an’ny olombelona. Samy lasa mpitory izy mivady, rehefa nandeha ny fotoana.

Mety hiova ny olona

Voatendry tany Paisley izahay, taorian’izay. Any Ekosy ihany no misy azy io. Nitory tamin’ny vehivavy iray aho, indray andro, nefa nakaratony avy hatrany ny varavarany. Nitady ahy anefa izy, tsy ela taorian’izay, mba hiala tsiny. Rehefa niverina tany aminy aho, ny herinandro nanaraka, dia hoy izy: “Toy ny hoe nanakatona ny varavarako tamin’Andriamanitra aho tamin’iny. Tsy nety àry ny saiko raha tsy nandeha nitady anao aho.” Pearl no anaran’io vehivavy io. Nilaza tamiko izy fa tena nandiso fanantenana azy ny namany sy ny havany, ka nivavaka tamin’Andriamanitra izy mba hahazo tena namana. “Ary dia tonga teo am-baravarako ianao”, hoy izy. “Fantatro izao fa tsy maintsy ho ianao ilay tena namana nangatahiko.”

Tsy mora ny ninamana tamin’i Pearl. Teny an-tampon-kavoana ny tranony, ary tsy maintsy nandeha an-tongotra aho, rehefa niakatra teny. Nifofofofo mafy ny rivotra, ary avy be ny orana, tamin’izaho naka azy hamonjy fivoriana voalohany. Saika niankarapoka mihitsy aho tamin’izay. Simba ny eloko, ka nariako. Enim-bolana monja taorian’ilay nanakatonany ny varavarany tamiko, dia natao batisa i Pearl, ho porofon’ny fanoloran-tenany ho an’Andriamanitra.

Tapa-kevitra ny vadiny, tatỳ aoriana kely, fa hianatra Baiboly. Tsy ela dia lasa mpitory izy, ka niara-nitory isan-trano izahay. Avy, toy ny mahazatra, ny orana tamin’izay. “Aza manahy”, hoy izy. “Mahavita mijoro ela be ao anaty orana aho rehefa mijery baolina, ka nahoana no tsy hahavita izany rehefa manompo an’i Jehovah?” Be fikirizana tokoa ny olona avy any Ekosy, ary nampiaiky volana ahy foana izany.

Niverina tany aho, taona maro tatỳ aoriana, ka tena faly satria mbola manompo tsara an’i Jehovah daholo ny ankamaroan’ny olona nampianariko Baiboly! Mahafaly tokoa ny manampy olona ho tonga mpianatr’i Jesosy. (1 Tesalonianina 2:17-20) Rehefa avy nanao mpisava lalana nandritra ny valo taona mahery tany Ekosy aho, dia nasaina nanatrika ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada, tamin’ny 1966, mba hiofana ho misionera.

Voatendry tany an-tany hafa

Voatendry teto Santa Cruz, tanàn-dehibe iray eto Bolivia aho. Mafana be ny andro eto. Fiangonana iray no teto tamin’izany, ary 50 teo ho eo ny mpitory. Rehefa nijery an’ilay tanàna aho, dia toy ny nahita ny faritra andrefan’i Etazonia fahiny, aseho ao amin’ny filma western. Hafa noho ny an’ny misionera sasany ny zavatra niavaka hitako. Tsy mba nifanehatra tamin’ny voay, ohatra, aho, na notafihin’ny vahoaka romotra, na very tany an-tany efitra, na vaky sambo teny afovoan-dranomasina. Nanampy olona ho tonga mpianatr’i Jesosy anefa aho, ary izany no miavaka kokoa, araka ny hevitro.

Iray tamin’ireo vehivavy nampianariko Baiboly voalohany teto Santa Cruz, i Antonia. Sarotra tamiko ny nampianatra tamin’ny teny espaniola. Hoy ny zanany lahy kely, indray andro: “Neny a! Fa maninona izy no manao diso rehefa miteny? Sa izy te hampihomehy antsika?” Lasa Vavolombelon’i Jehovah i Antonia sy Yolanda zanany vavy, tatỳ aoriana. Nana-namana antsoina hoe Dito i Yolanda. Mpianatra momba ny lalàna izy io. Nianatra Baiboly koa izy, ary nanatrika ny fivoriantsika. Nisy zavatra nianarako rehefa nampianatra azy aho: Mila fampisaintsainana kely ny olona indraindray.

Nanomboka tapatapaka ny fianarany Baiboly, ka hoy aho taminy: “Dito a! Tsy manery anao hanohana ny Fanjakany ange i Jehovah e! Ianao no mila mifidy na hanao izany, na tsia.” Rehefa nilaza izy fa te hanompo an’Andriamanitra, dia hoy aho: “Misy sarina mpitarika tolom-bahoaka anefa ato an-tranonao. Raha hitan’ny vahininao ireo, hino ve izy fa nifidy ny hanohana ny Fanjakan’Andriamanitra ianao?” Izay ilay fampisaintsainana kely nilainy.

Nisy tolom-bahoaka tokoa àry, tapa-bolana tatỳ aoriana, ka nifampitifitra tamin’ny polisy ny mpianatry ny oniversite. Nikiakiaka tamin’ny namany i Dito hoe: “Andao hitsoaka!” Tsy nety anefa ilay namany, fa nilaza hoe: “Ity mihitsy ilay andro efa nandrasantsika hatry ny ela.” Naka basy izy, avy eo, ary niakatra teny ambonin’ny tafon’ny oniversite. Maty ny androtr’io ihany io naman’i Dito io, sy ny fito hafa. Saika maty koa i Dito raha tsy nifidy ny ho lasa tena Kristianina. Eritrereto ange ny hafaliako nahita azy indray e!

Hitako ny fiasan’ny fanahin’i Jehovah

Nandalovako fotsiny ny trano iray, indray andro, satria nihevitra aho fa efa nitory tao izahay. Nisy vehivavy niantso ahy anefa avy tao amin’ilay trano. Ignacia no anarany. Efa nahalala ny Vavolombelon’i Jehovah izy, saingy tsy afaka nianatra Baiboly. Nandrara azy mafy mantsy i Adalberto vadiny, izay polisy ranjanana be. Maro tamin’ireo fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly no tsy tena azony. Nampianariko Baiboly àry izy. Mbola nosakanan’i Adalberto ihany ny fianaranay. Afaka niresaka tamin’i Adalberto elaela anefa aho, saingy tsy resaka fivavahana no nifanaovanay. Lasa mpinamana izahay nanomboka teo.

Alao sary an-tsaina ny hafaliako rehefa lasa Vavolombelona i Ignacia. Tena be fitiavana izy, ary mampahery sy manampy olona maro mila fampiononana. Lasa Vavolombelona koa ny vadiny sy ny zanany telo, tatỳ aoriana. Nahazo ny hevitr’izay nianarany tao amin’ny Baiboly tokoa i Adalberto nony farany. Nankany amin’ny paositry ny polisy izy mba hitory tamin’ireo polisy namany. Nafana fo erỳ izy, ka nahazo famandrihana Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! niisa 200.

I Jehovah no mampitombo

Enin-taona no nanompoako teto Santa Cruz. Voatendry hankany La Paz renivohitr’i Bolivia aho, avy eo, ka nijanona tany nandritra ny 25 taona. Tsy nisy afa-tsy 12 ny mpiasan’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao La Paz, taoriana kelin’ny 1970. Nihanandroso anefa ny asa fitoriana, tatỳ aoriana, ka nilana trano malalaka kokoa. Nisy biraon’ny sampana vaovao naorina àry teto Santa Cruz, izay efa nihabe mponina. Nafindra teto ny biraon’ny sampana tamin’ny 1998, ary nasaina hiasa tao aho. Efa 50 mahery izao ny isan’ny mpiasa.

Iray monja ny fiangonana teto Santa Cruz, tamin’ny 1966, nefa maherin’ny 50 izany ankehitriny. Tsy nisy afa-tsy 640 koa ny Vavolombelona nanerana an’i Bolivia tamin’izany, nefa efa ho 18 000 izao!

Faly aho satria nisy vokany tsara ny fanompoako teto Bolivia. Na izany aza, dia mampahery ahy koa ny tsy fivadihan’ny mpiray finoana amiko eran-tany. Faly isika rehetra satria tahin’i Jehovah ny fitoriana ilay Fanjakana. Mahafinaritra tokoa ny manampy olona ho tonga mpianatr’i Jesosy.—Matio 28:19, 20.

[Sary, pejy 13]

Mpisava lalana tany Ekosy

[Sary, pejy 15]

Eto amin’ny biraon’ny sampan’i Bolivia; (ao anaty boribory) tao amin’ny kilasy faha-42 tamin’ny sekolin’i Gileada