Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Inona marina ilay ady hitranga ao Hara-magedona, izay antsoina hoe ‘adin’ilay Andriamanitra Hery Fara Tampony’? Ary inona no ho vokatr’io ady io?—Apokalypsy 16:14, 16.

Raha tsorina, dia ady hitranga maneran-tany ny adin’i Hara-magedona. Handringana ny fahavalon’Andriamanitra amin’izay i Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka voatendriny. Resahin’ny Baiboly fa ny “mpanjakan’ny tany rehetra misy mponina” ireo fahavalon’Andriamanitra ireo. Hivondrona izy rehetra noho ny “fanambarana avy amin’ny demonia”, ary hiara-mandray anjara “amin’ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra, izay Hery Fara Tampony.” Hatao ao “amin’ilay toerana antsoina amin’ny teny hebreo hoe Hara-magedona” io ady io.—Apokalypsy 16:14, 16.

Toerana tsy tena misy izy io. Adikan’ny Baiboly sasany hoe “Tendrombohitr’i Megido” ny hoe Hara-magedona. (Apokalypsy 16:16) Mbola tsy nisy anarana tendrombohitra toy izany mihitsy anefa hatramin’izay. Tsy ho antonona eo amin’ny toerana iray koa “ireo mpanjakan’ny tany mbamin’ny tafiny.” (Apokalypsy 19:19) Manondro ilay zavatra hitranga àry ilay teny hoe “toerana.” Hanohitra an’i Jehovah sy ny ‘tafika any an-danitra’ tarihin’i Jesosy Kristy “Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo”, ny mpitondra ara-politika sy ny mpanohana azy ireo.—Apokalypsy 19:14, 16.

Tsara homarihina fa misy ifandraisany amin’ilay tanàna israelita fahiny atao hoe Megido, ilay teny hoe “Hara-magedona.” Teo atsinanan’ny Tendrombohitra Karmela no nisy an’io tanàna io. Tsara toerana i Megido, satria nandalo teo ny lalana lehibe indrindra tsy maintsy nalehan’ny mpivarotra sy ny miaramila avy tamin’ny firenena samy hafa. Teo koa no nanaovana ady maro, ary niavaka tsara ny mpandresy sy ny resy. “Teo anilan’ny ranon’i Megido”, ohatra, i Baraka, Mpitsara Israelita, no naharesy ny tafika matanjaka kananita notarihin’ny Jeneraly Sisera. (Mpitsara 4:12-24; 5:19, 20) Teo amin’io faritra io koa i Gideona Mpitsara no nandresy tanteraka ny Midianita. (Mpitsara 7:1-22) Ampifandraisin’ny Tenin’Andriamanitra amin’ny tanànan’i Megido ilay ady hitranga amin’ny hoavy. Te hanome toky antsika mantsy Andriamanitra, fa ho resiny tanteraka izay rehetra manohitra azy. Ny Zanany no hampiasainy amin’izany.

Inona no ho vokatr’ilay ady? Tsy hisy faharatsiana intsony eto an-tany, anisan’izany ny kolikoly. Hisy fotoam-pahasambarana mbola tsy nisy toa izany, manomboka amin’izay. (Apokalypsy 21:1-4) Hovana ho paradisa ny tany, ary honina mandrakizay ao ny olo-marina. Ny Fanjakan’Andriamanitra no hiandraikitra ny fanatanterahana izany.—Salamo 37:29.