Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Azontsika Ianarana avy Amin’ny Zaza?

Inona no Azontsika Ianarana avy Amin’ny Zaza?

Inona no Azontsika Ianarana avy Amin’ny Zaza?

“MANAO sain-jaza mihitsy ianao ity!” Azo inoana fa ho tezitra isika, raha misy miteny toy izany amintsika. Marina fa mahafatifaty ny zaza. Hita anefa fa tsy ampy fahamatorana sy fahalalana ary fahendrena izy ireny, satria mbola tsy ela niainana.—Joba 12:12.

Na izany aza, dia hoy i Jesosy tamin’ny mpianany, indray mandeha: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo, raha tsy miova ho toy ny zaza.” (Matio 18:3) Inona no tian’i Jesosy holazaina? Inona no toetra tsara ananan’ny zaza ka tokony hotahafin’ny olon-dehibe?

Miezaha hanetry tena toy ny zaza

Andeha hodinihintsika ny zava-nitranga nahatonga an’i Jesosy hilaza ireo teny ireo. Tonga tao Kapernaomy izy sy ny mpianany, rehefa avy nanao dia lavitra. Nanontany azy ireo i Jesosy tamin’izay hoe: “Inona no nifandiranareo teny an-dalana?” Menatra ireo mpianatra ka tsy nahateny. Nifanditra mantsy izy ireo hoe iza taminy no ambony kokoa. Sahy nanontany an’i Jesosy ihany anefa izy ireo nony farany, ka nanao hoe: “Iza marina no lehibe indrindra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra?”—Marka 9:33, 34; Matio 18:1.

Somary mahagaga hoe mbola niady ny ho ambony ihany ireo mpianatra ireo, nefa efa ho telo taona no niarahany tamin’i Jesosy. Tsy tokony hahagaga loatra anefa izany satria nobeazina tao amin’ny fivavahana jiosy izy ireo, ary teo anivon’izy io dia tena noheverina ho zava-dehibe ny toerana ambony. Azo inoana àry fa nisy fiantraikany teo amin’ny fisainan’izy ireo io fivavahany taloha io, sy ny maha olombelona tsy lavorary azy.

Nipetraka i Jesosy, ary nantsoiny hanatona azy ny mpianany ka hoy izy: “Raha misy te ho voalohany, dia tsy maintsy ho farany amin’ny rehetra sy hanompo ny rehetra izy.” (Marka 9:35) Azo inoana fa tena nahagaga an’ireo mpianany izany. Nifanohitra tanteraka tamin’ny hevitry ny Jiosy mantsy ny hevitr’i Jesosy! Mba hanazavana bebe kokoa ny heviny, dia niantso ankizy kely iray izy. Nisakambina azy io izy, ary niteny hoe: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo, raha tsy miova ho toy ny zaza. Noho izany, izay hanetry tena tahaka ity zaza ity no ho lehibe indrindra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra.”—Matio 18:3, 4.

Ohatra mora azo tokoa no nampiasain’i Jesosy! Alaivo sary an-tsaina ange ilay zava-nitranga e! Lehilahy maromaro efa lehibe sy matotra no mijoro manodidina ny ankizy kely iray. Mibanjina an’ilay ankizy izy ireo. Tsy manambony tena ilay ankizy, ary matoky olona! Hita fa tsy tia fifaninanana izy, sady tsy mitady hanisy ratsy na iza na iza! Manaiky izay lazaina aminy koa izy, ary tsy tia sehoseho! Nanana an’ilay karazana fanetren-tena takin’Andriamanitra tokoa ilay ankizy.

Mazava ny tian’i Jesosy hambara. Tsy maintsy miezaka ny hanetry tena toy ny zaza isika rehetra, raha te handova ny Fanjakan’Andriamanitra. Toy ny fianakaviana iray ny tena Kristianina, ka tsy manambony tena, ary tsy tia fifaninanana na ady. (Galatianina 5:26) Ireo toetra ireo mantsy no nahatonga an’i Satana Devoly hikomy tamin’Andriamanitra tany am-boalohany. Tsy mahagaga àry raha halan’Andriamanitra ireo toetra ireo!—Ohabolana 8:13.

Mitady fomba hanompoana ny hafa ny Kristianina, fa tsy mitady ny hotompoina. Mila manao asa ho an’ny hafa angamba isika indraindray, nefa tsy tiantsika ilay izy. Mety ho olona ambany saranga koa no anaovantsika izany. Hazoto hanompo azy ireo anefa isika, raha tena manetry tena. Ahazoana valisoa be dia be ny fanaovana asa ilana fanetren-tena toy izany. Hoy i Jesosy: “Izay mandray zaza tahaka ity amin’ny anarako, dia mandray ahy. Ary izay mandray ahy, dia tsy mandray ahy fotsiny, fa mandray koa an’ilay naniraka ahy.” (Marka 9:37) Ho tafaray amin’ilay Andriamanitra avo indrindra sy amin’ilay Zanany isika, raha miezaka ny hanetry tena toy ny zaza, sy ho tia manampy ny hafa. (Jaona 17:20, 21; 1 Petera 5:5) Ho sambatra isika satria manome. (Asan’ny Apostoly 20:35) Ho afa-po koa isika satria manao izay hisian’ny fihavanana sy firaisan-tsaina. Anisan’ny toetra mampiavaka ny vahoakan’Andriamanitra ireo.—Efesianina 4:1-3.

Mora ampianarina sy matoky olona

Nanasongadina toetra hafa azon’ny olon-dehibe alaina tahaka avy amin’ny ankizy koa i Jesosy. Hoy izy: “Izay tsy mandray ny fanjakan’Andriamanitra toy ny zaza, dia tsy ho tafiditra ao mihitsy.” (Marka 10:15) Tsy hoe manetry tena fotsiny ny ankizy, fa mora ampianarina koa. Hoy ny renim-pianakaviana iray: “Mora mandray sy mitadidy izay zavatra ampianarina azy ny ankizy, toy ny sponjy izay mora mifoka rano.”

Tsy maintsy mandray sy mankatò ny hafatra momba ilay Fanjakana àry isika, raha te handova ny Fanjakan’Andriamanitra. (1 Tesalonianina 2:13) Toy ny zaza menavava, dia tsy maintsy ‘ataontsika izay haniriana fatratra ny ronono tsy misy fangarony, dia ny rononon’ny teny, mba hampitomboan’izy io antsika ho amin’ny famonjena.’ (1 Petera 2:2) Ahoana anefa raha tsy mazava tsara amintsika ny foto-kevitra iray ampianarin’ny Baiboly? Hoy ny vehivavy iray mpitaiza zaza: “Manontany foana ny ankizy hoe ‘Fa maninona?’ Tsy mijanona mihitsy izy raha tsy afa-po amin’ny valim-panontaniana azony.” Tokony hanahaka azy ireny isika, ka hianatra Baiboly foana. Miresaha koa amin’ny Kristianina matotra. Mangataha fahendrena amin’i Jehovah. (Jakoba 1:5) Azo antoka fa hahazo valisoa ianao, raha tsy mitsahatra manao ireo rehetra ireo.—Matio 7:7-11.

Mety hanontany tena anefa ny olona sasany hoe: ‘Tsy ho mora voafitaka ve ny olona mora ampianarina?’ Tsia, raha toa ka azo itokisana ny mpampianatra azy. Tsy misalasala mitady torohevitra any amin’ny ray aman-dreniny, ohatra, ny ankizy kely. Hoy ny raim-pianakaviana iray: “Matoky ny ray aman-dreniny ny ankizy, noho izy ireo miaro sy mikarakara azy isan’andro.” Matoky an’i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra, koa isika satria miaro sy mikarakara antsika izy. (Jakoba 1:17; 1 Jaona 4:9, 10) Manome antsika tari-dalana azo itokisana izy, ao amin’ny Teniny. Mampahery sy manampy antsika koa ny fanahiny masina sy ny fandaminany. (Matio 24:45-47; Jaona 14:26) Tsy ho simba ny fifandraisantsika aminy raha mandray an’ireo fanampiany ireo isika.—Salamo 91:1-16.

Manjary miadan-tsaina koa isika rehefa miezaka mitoky amin’Andriamanitra, toy ny ankizy mitoky amin’ny ray aman-dreniny. Hoy ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly: “Nanao dia lavitra niaraka tamin’ny ray aman-drenintsika isika tamin’ny mbola kely. Tsy nanana saran-dalana isika, ary tsy fantatsika izay fomba hahatongavana any amin’ilay toerana haleha. Tsy natahotra mihitsy anefa isika hoe tsy ho tongan’ny ray aman-drenintsika soa aman-tsara any amin’ilay toerana.” Matoky tanteraka an’i Jehovah toy izany koa ve ianao eo amin’ny fiainanao, izay azo oharina amin’ny dia lavitra?—Isaia 41:10.

Raha mitoky tanteraka amin’Andriamanitra isika, dia hahavita hanohitra izay toe-tsaina na fanao na zavatra hafa, mety hanimba ny fifandraisantsika aminy. Matoky tanteraka mantsy isika fa fantatr’ilay Raintsika any an-danitra ny zava-drehetra ataontsika, ary hikarakara antsika izy raha mbola ataontsika loha laharana ny fikatsahana ny Fanjakany sy ny fahamarinany, araka ny tenin’i Jesosy. Tsy ho variana hikatsaka vola aman-karena isika amin’izay, ka ho lasa an-tsirambina ny andraikitsika mifandray amin’ny fanompoana an’Andriamanitra.—Matio 6:19-34.

“Zaza bodo raha ny amin’ny faharatsiana”

Marina fa tsy lavorary hatrany am-bohoka ny ankizy kely. Miavaka anefa izy ireny satria madio saina sy fo. Izany no antony nampirisihan’ny Baiboly ny Kristianina hoe: “Aoka [ianareo] ho zaza bodo raha ny amin’ny faharatsiana.”—1 Korintianina 14:20.

Diniho izay nolazain’i Monique, ankizy kely dimy taona. Faly erỳ izy niteny tamin’ny reniny hoe: “Olioly hoatran’ny voloko mihitsy ny volon’i Sarah, ilay namako vaovao!” Samy hafa volon-koditra sy firazanana i Monique sy Sarah, nefa tsy nanisy resaka momba izany i Monique. Hoy ny renim-pianakaviana iray: “Tsy fantatry ny ankizy na ny fahasamihafan’ny volon-koditra, na ny firazanana, na ny fanavakavahana.” Toy izany mihitsy ny toetran’ilay Andriamanitsika. Tsy mizaha tavan’olona izy, fa tia ny olona avy amin’ny firenena rehetra.—Asan’ny Apostoly 10:34, 35.

Tena mahay mamela heloka koa ny zaza. Hoy ny raim-pianakaviana iray: “Asainay mifanao aza fady i Jack sy Levi kely, rehefa miady. Tsy ela aorian’izay, dia faly miara-milalao indray izy roa lahy. Tsy mifampilongilongy izy ireo na mamoha fota-mandry na mametraka fepetra vao mifamela heloka. Tonga dia minamana kosa izy ireo ary miara-milalao indray.” Tena mendrika hotahafin’ny olon-dehibe izany!—Kolosianina 3:13.

Ankoatra izany, dia mino avy hatrany ny ankizy kely fa misy Andriamanitra. (Hebreo 11:6) Tsotra ny ankizy, ka matetika izany no mahatonga azy ho sahy hitory. (2 Mpanjaka 5:2, 3) Mihetsi-po, na dia ny olona mafy fo indrindra aza, rehefa mandre ny vavaka tsotra sy avy amin’ny fo ataon’izy ireo. Mahavariana koa fa vitan’ny ankizy ny mandà tsy hanao ratsy, rehefa tojo fakam-panahy. Fanomezana sarobidy tokoa ny ankizy kely!—Salamo 127:3, 4.

Azo atao ny mamerina ny toetra tsara

Mety hanontany tena ianao hoe: ‘Ho vitan’ny olon-dehibe ve ny hanana indray ny toetra tsara nananany tamin’ny fahazazany?’ Eny, matokia fa ho vitanao izany! Azo atao izany, matoa i Jesosy nandidy ny mpanara-dia azy mba ‘hiova ho toy ny zaza.’—Matio 18:3.

Indro misy ohatra: Aoka hatao hoe simba ny sary hoso-doko iray tena lafo vidy. Efa nisy olona niezaka nanamboatra azy io ihany, nefa tsy nahavita. Mamerina azy io amin’ny laoniny anefa ny mpanao asa tanana vitsivitsy. Esorin’izy ireo ny loto mivangongo eo amin’ilay izy. Miezaka mafy izy ireo, na dia mitaky fotoana be aza izany. Tafaverina amin’ny laoniny ihany ilay izy amin’ny farany, ary hitan’ny rehetra ny lokony marevaka sy ny hatsarany tany am-boalohany. Ho tafaverina ao aminao koa ireo toetra tsara nanananao tamin’ny mbola kely, raha miezaka mafy ianao. Hanampy anao i Jehovah, amin’ny alalan’ny fanahiny masina. Hanohana anao koa ireo Kristianina be fitiavana eo anivon’ny fiangonana.—Efesianina 5:1.

[Sary, pejy 9]

Toetra voajanahary ao amin’ny ankizy kely ny fanetren-tena

[Sary, pejy 10]

Tsy manavakavaka ny ankizy kely, ary mora mamela heloka sy manadino ny ratsy natao taminy