Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahaiza Foana Mankasitraka

Mahaiza Foana Mankasitraka

Mahaiza Foana Mankasitraka

“Zava-tsoa ... indrindra ny hevitrao, Andriamanitra ô! Akory ny hamaron’ny isany!”—SALAMO 139:17.

1, 2. Nahoana isika no tokony hankasitraka ny Tenin’Andriamanitra, ary ahoana no nanehoan’ilay mpanao salamo ny fankasitrahany azy io?

NAHATALANJONA ilay zavatra hitan’i Hilkia Mpisoronabe, nandritra ny fanamboarana ny tempolin’i Jehovah tao Jerosalema. Ilay “bokin’ny lalàn’i Jehovah” nosoratan’i Mosesy izy io, ary azo inoana fa vita tokony ho 800 taona talohan’izay. Alao sary an-tsaina ange izay tsapan’i Josia rehefa natolotra azy ilay boky e! Tena sarobidy tamin’io mpanjaka natahotra an’Andriamanitra io ilay izy, ka tonga dia nasainy namaky azy io tamin’ny feo avo i Safana mpitan-tsoratra.—2 Tantara 34:14-18.

2 Olona an’arivony tapitrisa izao no afaka mamaky ny Tenin’Andriamanitra, na Baiboly feno no ananany na ampahany. Mampihen-danja ny Soratra Masina ve anefa izany? Tsy izany mihitsy! Mirakitra ny hevitr’ilay Mahery Indrindra izy io, ary natao hitondra soa ho antsika. (2 Timoty 3:16) Hoy i Davida mpanao salamo momba ny Tenin’Andriamanitra: “Zava-tsoa amiko indrindra ny hevitrao, Andriamanitra ô! Akory ny hamaron’ny isany!”—Salamo 139:17.

3. Inona no mampiseho fa nihevitra ho sarobidy ny fifandraisany tamin’Andriamanitra i Davida?

3 Tsy lefy mihitsy ny fankasitrahan’i Davida an’i Jehovah sy ny Teniny ary ny fandaharana nataony mifandray amin’ny fivavahana marina. Mirakitra ny fihetseham-pony ireo salamo mahafinaritra nataony, toy ilay ao amin’ny Salamo 27:4 hoe: “Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon’i Jehovah amin’ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan’i Jehovah sy mandinika ny tempoliny.” Araka ny teny hebreo tany am-boalohany, ilay teny hoe “mandinika” dia midika hoe mijery maharitra, mamakafaka lalina, mijery amim-pifaliana sy amim-pahafinaretana. Nihevitra ny fifandraisany tamin’Andriamanitra ho sarobidy tokoa i Davida, ary tena nankasitraka izay rehetra nataon’i Jehovah mba hanatanjahana ny finoany. Nankafiziny avokoa ny fahamarinana nahariharin’Andriamanitra. Mendri-kotahafina izany fahaiza-mankasitraka izany.—Salamo 19:7-11.

Mahaiza mankasitraka ny fahalalana ny fahamarinana

4. Nahoana i Jesosy no “faly aoka izany”?

4 Mampieboebo ny fahaizana sy ny fampianaran’ity tontolo ity. Tsy miankina amin’ireo anefa ny fahatakarana ny hevitry ny Tenin’Andriamanitra, fa miankina amin’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’i Jehovah. Io toetra io dia asehony amin’ny olona manetry tena sy tso-po, izay mahatsapa fa mila azy. (Matio 5:3; 1 Jaona 5:20) “Faly aoka izany i Jesosy” rehefa nieritreritra hoe voasoratra any an-danitra ny anaran’ny olona sasany tsy lavorary. Hoy izy: “Midera anao ampahibemaso aho, Ray ô, Tompon’ny lanitra sy ny tany, satria nataonao tsara afina tamin’ny hendry sy ny mahira-tsaina izany, fa nahariharinao tamin’ny zaza bodo kosa.”—Lioka 10:17-21.

5. Nahoana ny mpianatr’i Jesosy no tsy tokony hanamaivana ny fahamarinana naharihary tamin’izy ireo?

5 Nitodika tany amin’ny mpianany i Jesosy rehefa avy nanao io vavaka avy amin’ny fo io, ka nilaza hoe: “Sambatra ny maso mahita izay hitanareo. Fa lazaiko aminareo fa mpaminany sy mpanjaka maro no naniry hahita izay hitanareo ankehitriny fa tsy nahita, sy naniry handre izay renareo ankehitriny fa tsy nahare.” Nampirisihin’i Jesosy ny mpianany nahatoky mba tsy hanamaivana ny fahamarinana sarobidy momba ilay Fanjakana, izay naharihary tamin’izy ireo. Tsy naseho tamin’ny mpanompon’Andriamanitra tany aloha mantsy izany, ary azo antoka fa tsy naharihary tamin’ny “hendry sy ny mahira-tsaina” tamin’ny andron’i Jesosy koa.—Lioka 10:23, 24.

6, 7. a) Inona no antony ankasitrahantsika ny fahamarinana? b) Inona no tsy itovian’ny fivavahana marina sy ny diso?

6 Maro kokoa ankehitriny ny antony tokony hankasitrahantsika ny fahamarinana. Vao mainka mihalalina mantsy ny fahatakarantsika ny Soratra Masina, satria mampiasa ny “mpanompo mahatoky sy malina” i Jehovah mba hanampiana antsika. (Matio 24:45; Daniela 12:10) Izao no nosoratan’i Daniela mpaminany momba ny andro farany: “Maro no hazoto mandinika, ka hitombo ny fahalalana.” (Daniela 12:4) Tsy miaiky ve ianao fa tena ‘mitombo’ ny fahalalana an’Andriamanitra ankehitriny, ary tondraka ny sakafo ara-panahy azon’ny mpanompon’i Jehovah?

7 Betsaka tokoa ny fahalalana azon’ny vahoakan’Andriamanitra! Tsy mba toy izany kosa ny an’i Babylona Lehibe ka manakorontan-tsaina ny fampianarany. Olona maro àry no diso fanantenana na tofoka amin’ny fivavahan-diso, ka lasa manaraka ny fivavahana marina. Toy ny ondry izy ireo, ary tsy te “hiombona ota” amin’i Babylona Lehibe na ho tratran’ny “loza hanjo azy.” Asain’i Jehovah sy ny mpanompony ho ao amin’ilay tena fiangonana kristianina, ny olona rehetra toy izany.—Apokalypsy 18:2-4; 22:17.

Miandany amin’Andriamanitra ny olona mahay mankasitraka

8, 9. Ahoana no ahatanterahan’ny teny ao amin’ny Hagay 2:7 ankehitriny?

8 Hoy i Jehovah momba ny tempoliny ara-panahy: “Hampihorohoroiko koa ny firenena rehetra, ka ho avy izay irin’ny firenena rehetra; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity.” (Hagay 2:7) Tanteraka io faminaniana mahatalanjona io tamin’ny andron’i Hagay, rehefa avy nanorina indray ny tempoly tao Jerosalema ireo vahoakan’Andriamanitra nody an-tanindrazana. Tanteraka amin’ny heviny lehibe kokoa anefa io faminaniana io ankehitriny, ary mifandray amin’ny tempoly ara-panahy lehiben’i Jehovah izany.

9 Olona an-tapitrisany no efa nirohotra ho ao amin’ilay tempoly ara-panahy mba hivavaka amin’Andriamanitra “araka ny fanahy sy ny fahamarinana”, ary ana hetsiny ireo “irin’ny firenena rehetra” manohy manao izany isan-taona. (Jaona 4:23, 24) Asehon’ny tatitra maneran-tany tamin’ny taom-panompoana 2006, ohatra, fa 248 327 no nanolo-tena ho an’i Jehovah sy natao batisa, izany hoe olona 680 eo ho eo isan’andro! Tia ny fahamarinana ireo mpitory ilay Fanjakana ireo, ary te hanompo an’i Jehovah. Izany no manaporofo fa tena notaomin’Andriamanitra izy ireo.—Jaona 6:44, 65.

10, 11. Milazà fitantarana mampiseho fa mankasitraka ny fahamarinana ny olona.

10 Maro amin’ireo olona tso-po ireo no nanjary tia ny fahamarinana, satria hitany “ny tsi-fitovian’ny marina sy ny meloka, dia ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy.” (Malakia 3:18) Diniho ny zavatra niainan’i Wayne sy Virginia, mpivady niangona tany amin’ny Protestanta. Nanana fanontaniana maro momba ny fivavahana izy ireo, nefa tsy nahazo valiny nahafa-po. Tsy tia ady izy ireo, ary sahiran-tsaina sy diso fanantenana rehefa nahita mpitondra fivavahana nitso-drano miaramila sy fitaovam-piadiana. Tsapan’izy mivady fa tsy noraharahain’ny mpiara-mivavaka taminy izy ireo rehefa nihantitra, na dia mpampianatra sekoly alahady nandritra ny taona maro aza i Virginia. Hoy izy ireo: “Tsy mba nisy namangy anay mihitsy na niahy izay nilainay ara-panahy. Ny volanay ihany no notadiavin’ny fiangonana. Kivy tanteraka izahay.” Vao mainka izy ireo diso fanantenana, rehefa nahita fa nilefitra tamin’ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy ny fiangonany.

11 Lasa Vavolombelon’i Jehovah ny zanany vavy sy ny zanak’izy io, tamin’izay. Nahasosotra an’i Wayne sy Virginia izany tamin’ny voalohany. Niova anefa izy ireo tatỳ aoriana ka nanaiky hianatra Baiboly. Hoy i Wayne: “Betsaka kokoa noho ny zavatra nianaranay tao amin’ny Baiboly nandritra ny 70 taona, ny zavatra fantatray tao anatin’ny telo volana! Tsy hainay mihitsy hoe Jehovah no anaran’Andriamanitra, ary tsy nahalala na inona na inona momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny Paradisa an-tany izahay.” Tsy ela dia nanomboka nivory sy nitory ilay mpivady tso-po. Hoy i Virginia: “Te hiresaka ny fahamarinana amin’ny olona rehetra izahay.” Samy 80 taona mahery izy mivady rehefa natao batisa tamin’ny 2005. Hoy izy ireo: “Nahita tena fianakaviana kristianina izahay.”

Aoka isika hahay hankasitraka satria ‘ampy fitaovana ho amin’ny asa tsara rehetra’

12. Inona no omen’i Jehovah ny mpanompony, ary inona no tsy maintsy ataontsika mba hahombiazana?

12 Ampian’i Jehovah hanao ny sitrapony foana ny mpanompony. Nahazo toromarika mazava sy voafaritra tsara momba ny fanamboarana ny sambofiara, ohatra, i Noa. Tsy maintsy narahina an-tsakany sy an-davany hatrany am-boalohany ireny toromarika ireny. “Nataon’i Noa [tokoa] izany; araka izay rehetra nandidian’Andriamanitra azy no nataony.” (Genesisy 6:14-22) Manome fitaovana ampy ho an’ny mpanompony koa i Jehovah ankehitriny, mba hanaovan’izy ireo ny sitrapony. Mazava ho azy fa ny andraikitsika voalohany dia ny hitory ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra efa miorina, sy ny hanampy an’ireo mendrika mba ho lasa mpianatr’i Jesosy Kristy. Hahomby isika raha mankatò toa an’i Noa. Tsy maintsy mankatò ny tari-dalana omen’i Jehovah amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fandaminany isika.—Matio 24:14; 28:19, 20.

13. Ahoana no ampiofanan’i Jehovah antsika?

13 Mba hamitana ny asa fitoriana sy fampianarana, dia ilaintsika ny mianatra ‘manazava amin’ny fomba marina tsara’ ny Tenin’Andriamanitra, ilay fitaovana lehibe indrindra ampiasaintsika. “Mahasoa [izy io] mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso, hanafaizana araka ny fahamarinana, mba hahatonga ny olon’Andriamanitra ho tena mahay sy ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” (2 Timoty 2:15; 3:16, 17) Manome fampiofanana sarobidy amin’ny alalan’ny fiangonana kristianina i Jehovah, toy ny nataony tamin’ny taonjato voalohany. Atao isan-kerinandro any amin’ireo fiangonana 99 770 maneran-tany ny Sekolin’ny Fanompoana sy ny Fivoriana Momba ny Fanompoana. Tena ilaina izy ireo satria manampy antsika hanatontosa ny fanompoantsika. Mankasitraka izany fampiofanana izany ve ianao, ka manatrika tsy tapaka sy mampihatra izay ianaranao any amin’ireo fivoriana ireo?—Hebreo 10:24, 25.

14. Ahoana no ampisehoan’ny Kristianina fa mankasitraka ny tombontsoany hanompo an’Andriamanitra izy ireo? (Resaho koa ny tatitra eo amin’ny pejy 27-30.)

14 Mikely aina amin’ny fanompoana ny vahoakan’Andriamanitra an-tapitrisany maneran-tany, ho fankasitrahana ny fampiofanana azony. Nandritra ny taom-panompoana 2006, ohatra, dia nanokana 1 333 966 199 ora teny amin’ny fanompoana ireo mpitory ilay Fanjakana miisa 6 741 444, ary nitarika fampianarana Baiboly 6 286 618. Santionany amin’ireo lafin-javatra mampahery ao amin’ilay tatitra maneran-tany izany. Manasa anao izahay mba handinika tsara azy io sy handray fampaherezana avy amin’izany. Raha manao izany ianao, dia ho toa an’ireo rahalahy tamin’ny taonjato voalohany, izay nandray fampaherezana avy tamin’ny tatitra momba ny fandrosoan’ny asa fitoriana.—Asan’ny Apostoly 1:15; 2:5-11, 41, 47; 4:4; 6:7.

15. Nahoana no tsy tokony hisy ho kivy amin’ny fanompoana vitany, raha natao tamin’ny fo manontolo izany?

15 Manakoako ny fiderana asandratry ny mpanompony ho an’i Jehovah isan-taona. Asehon’izany fa tena ankasitrahan’izy ireo ny tombontsoa mahafantatra an’i Jehovah sy mitory momba azy. (Isaia 43:10) Marina fa azo ampitahaina amin’ny farantsakelin’ilay mpitondrantena, ny sorona fiderana ataon’ny sasany amin’ireo rahalahy sy anabavintsika be taona, na marary, na efa osa. Tsy tokony hohadinointsika mihitsy anefa fa tena ankasitrahan’i Jehovah sy ny Zanany daholo, ireo manompo an’Andriamanitra amin’ny fo manontolo ka manao izay rehetra azony atao.—Lioka 21:1-4; Galatianina 6:4.

16. Inona avy ireo boky fampianarana nomen’Andriamanitra antsika vao haingana?

16 Ankoatra ny fampiofanana ho amin’ny fanompoana, dia manome boky fampianarana faran’izay tsara ho antsika i Jehovah, amin’ny alalan’ny fandaminany. Anisan’izany ireto boky ireto, izay navoaka tato anatin’ireo folo taona farany: Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany, Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, ary vao haingana dia ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Raha tena mankasitraka an’ireny boky ireny isika, dia mampiasa tsara azy ireny eny amin’ny fanompoana, mifanaraka amin’izay toromarika omen’ny fandaminana.

Ampiasao tsara ny boky Ampianarina

17, 18. a) Inona ao amin’ny boky Ampianarina no tianao hasongadina eny amin’ny fanompoana? b) Inona no nolazain’ny mpiandraikitra ny faritra iray momba ny boky Ampianarina?

17 Misy toko 19 sy fanazavana fanampiny, izay manazava loha hevitra ara-baiboly amin’ny an-tsipiriany, ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Tsotra sy mazava koa ny teny ampiasainy. Tena manampy amin’ny fanompoana izy io noho izany. Resahin’ny toko faha-12, ohatra, ny loha hevitra hoe “Fomba Fiaina Mampifaly An’Andriamanitra.” Hazavain’io toko io ny fomba hahatongavan’ilay mpianatra ho naman’Andriamanitra, na dia maro aza no mihevitra fa tsy ho azo atao mihitsy izany. (Jakoba 2:23) Ahoana no fahitan’ny olona an’io boky io?

18 Hoy ny mpiandraikitra ny faritra iray any Aostralia momba ny boky Ampianarina: “Manintona ny olona avy hatrany izy io ka tonga dia miresaka izy ireo.” Nilaza koa izy fa tena mora ampiasaina ilay boky, ka “mpitory maro no nanjary natoky tena sy nahita fifaliana tamin’ny fanompoana indray. Tsy mahagaga raha misy milaza fa sarobidy toy ny volamena izy io!”

19-21. Milazà fitantarana manasongadina ny hasarobidin’ny boky Ampianarina.

19 Hoy ny vehivavy iray any Guyana tamin’ilay mpisava lalana tonga tao aminy: “Andriamanitra mihitsy no naniraka anao.” Vao nilaozan’ilay lehilahy niarahany izy sy ny zanak’izy ireo mianadahy. Nosokafan’ilay mpisava lalana ny toko voalohany amin’ny boky Ampianarina, ary novakiny ny fehintsoratra faha-11 eo ambanin’ny lohatenikely hoe “Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny tsy rariny mihatra amintsika?” Hoy ilay mpisava lalana: “Nanohina ny fony izay voalaza tao. Nitsangana mihitsy izy ka nankao ambadiky ny fivarotany, ary nitomany be.” Nanaiky hianatra Baiboly io vehivavy io ary nandroso tsara.

20 Namoy ny vadiny tamin’ny lozam-piarakodia i José, mipetraka any Espaina. Nampiasa zava-mahadomelina izy mba hampiononan-tena, sady nitady fanampiana tamin’ny manam-pahaizana momba ny saina. Tsy voavalin’izy io anefa ny fanontaniana nanahiran-tsaina an’i José indrindra, dia ny hoe: “Nahoana no navelan’Andriamanitra ho faty ny vadiko?” Nolazainy tamin’i Francesc, mpiara-miasa taminy, izany indray andro. Nanasa azy àry i Francesc mba hiara-mandinika aminy ny toko faha-11 amin’ny boky Ampianarina hoe “Nahoana Andriamanitra no Mamela ny Fijaliana Hisy?” Tena nampiaiky volana an’i José ilay fanazavana avy ao amin’ny Baiboly sy ilay fanoharana momba ny mpampianatra sy mpianatra. Nazoto nianatra Baiboly izy nanomboka teo ary nanatrika fivoriamben’ny faritra. Efa mivory koa izy izao.

21 Mpandraharaha any Polonina i Roman ary 40 taona izy. Nihevitra ny Baiboly ho sarobidy foana izy, ka nianatra azy io niaraka tamin’ny Vavolombelona. Sahirana be tamin’ny asany anefa izy ka tsy nitohy ny fianarany. Na izany aza, dia nanatrika ny fivoriamben’ny vondrom-paritra izy ary nahazo boky Ampianarina. Niova be izy taorian’izay. Hoy izy: “Toy ny hoe natambatra tao amin’io boky io avokoa ireo fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly.” Mianatra Baiboly tsy tapaka izao i Roman ary mandroso tsara.

Mahaiza foana mankasitraka

22, 23. Ahoana no ampisehoantsika fa mankasitraka foana an’ilay fanantenana ananantsika isika?

22 Maniry fatratra an’ilay “fanafahana mandrakizay” ampanantenain’Andriamanitra ny tena Kristianina, araka ny nohazavaina tany amin’ilay fivoriamben’ny vondrom-paritra nampietam-po hoe “Akaiky ny Fanafahana!” Afaka mahazo an’io fanafahana io isika noho ny ra nalatsak’i Jesosy Kristy. Tokony hiala “amin’ny asa maty” àry isika ka tsy hiverina amin’izany intsony, “mba hanaovantsika fanompoana masina ho an’ilay Andriamanitra velona.” Izany no fomba tsara indrindra ampisehoantsika fa tena mankasitraka an’io fanantenana sarobidy io isika.—Hebreo 9:12, 14.

23 Mahatalanjona tokoa ny mahita fa mpitory enina tapitrisa mahery no mahafoy tena manompo an’Andriamanitra, na dia mampirisika mafy azy ireo tsy hihevitra afa-tsy ny tenany aza ity tontolo ity. Izany no manaporofo, fa raisin’ny mpanompon’i Jehovah ho voninahitra ny fanompoana an’Andriamanitra ary tena mankasitraka izany izy ireo. Fantany mantsy fa ‘tsy very maina ny asa mafy ataony ao amin’ny Tompo.’ Enga anie ka tsy hihena na oviana na oviana izany fankasitrahana izany!—1 Korintianina 15:58; Salamo 110:3.

Ahoana no Havalinao?

• Nankasitraka an’Andriamanitra ny mpanao salamo sady velom-pisaorana noho izay nataon’i Jehovah mba hanatanjahana ny finoany. Inona no ianarantsika avy amin’izany?

• Ahoana no ahatanterahan’ny teny ao amin’ny Hagay 2:7 ankehitriny?

• Ahoana no anampian’i Jehovah ny mpanompony mba hahomby amin’ny fanompoana azy?

• Inona no azonao atao mba hampisehoana fa mankasitraka ny hatsaram-pon’i Jehovah ianao?

[Fanontaniana]

[Tabilao, pejy 27-30]

TATITRA MANERAN-TANIN’NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH, TAOM-PANOMPOANA 2006

(Jereo ny gazety)

[Sary, pejy 25]]

Manampy antsika hanao ny sitrapony i Jehovah