Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Milaza ny Marina ve Ilay Baiboly 100 Minitra?

Milaza ny Marina ve Ilay Baiboly 100 Minitra?

Milaza ny Marina ve Ilay Baiboly 100 Minitra?

TAMIN’NY Septambra 2005, dia nankasitrahan’ny Eglizy Anglikanina ny famoahana Ny Baiboly 100 minitra (anglisy). Voavaky ao anatin’ny 100 minitra tokoa izy io. Voafintina ho fizarana 17 ny Soratra Hebreo, ary 33 ny Soratra Grika, ka ahitana fizarana iray ny pejy tsirairay. Nilaza ny mpandinika iray namaky azy io, fa efa tsy hita ao intsony ireo “ampahany tsy mahaliana” rehetra ao amin’ny Baiboly. Vetivety tokoa àry ilay izy dia voavaky. Marina ve anefa ny zavatra raketiny?

Voalohany aloha, dia tsy ao intsony ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah. (Salamo 83:18) Hahatsikaritra fahadisoana maromaro koa ny olona mpandalina Baiboly. Resahina ao amin’ny fizarana 1, ohatra, fa “namorona ny lanitra sy ny tany tao anatin’ny enina andro”, nisy 24 ora avy, Andriamanitra. Tsy milaza anefa ny Genesisy 1:1 hoe hafiriana no namoronana ny lanitra sy ny tany. Izao fotsiny no lazainy: “Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.” Rehefa jerena koa ireo andinin-teny eo ambany miresaka momba ny famoronana, dia efa ny zavatra hafa hita eto ambonin’ny tany no noforonina nandritra ireo enina “andro.” Tsy andro misy 24 ora avy anefa ireo “andro” ireo, fa vanim-potoana lava kokoa. Vao mainka manaporofo izany ny Genesisy 2:4, satria antsoiny hoe “andro” koa ny tontalin’ny fotoana namoronan’i Jehovah Andriamanitra ny lanitra sy ny tany.

Voalazan’ny Baiboly 100 Minitra koa, fa “ilay mpanompo[n’Andriamanitra] atao hoe Satana” no nanafika an’i Joba, lehilahy tsy nivadika. “Nanendry an’i Satana hiampanga ny olombelona”, hono, Andriamanitra. Tsy marina anefa izany. Midika hoe “Mpanohitra” mantsy ny teny hoe “Satana.” Tsy mpanompon’Andriamanitra velively i Satana, fa fahavalony lehibe indrindra. I Satana mihitsy no nifidy ny hiampanga ny olombelona.—Apokalypsy 12:7-10.

Ahoana kosa ny amin’ny Soratra Grika Kristianina ao amin’ny Baiboly 100 Minitra? Voalaza ao amin’ilay fanoharana momba ny ondry sy ny osy, ohatra, fa ankasitrahan’i Jesosy ny olona iray, “na iza na iza” ampiany, “eny fa na dia ny olona tsinontsinona aza.” Ny tena nolazain’i Jesosy anefa dia hoe izay manao soa amin’ny “rahalahiny”, izany hoe ny mpanara-dia azy, no ankasitrahany. (Matio 25:40) Resahina ao amin’ny famintinana ny Apokalypsy indray hoe “horavana tanteraka i Babylona lehibe, izay tsy iza fa i Roma.” Fantatry ny mpianatra Baiboly anefa, fa tsy misy andinin-teny manaporofo mihitsy ao amin’ny Baiboly tany am-boalohany, hoe i Roma no “Babylona Lehibe.”—Apokalypsy 17:15–18:24.

Raha te hahafantatra ny Mpamorona antsika sy ny fikasany àry ianao, dia tsy misy afa-tsy ny Baiboly feno ihany no ho afaka hanampy anao. Marina fa tsy ho 100 minitra fotsiny no ilaina mba hamakiana azy io manontolo. Tsy voavidim-bola anefa ny soa raisinao avy amin’izany. (Jaona 17:3) Ampirisihinay àry ianao hamaky ny Baiboly, na dia mitaky ezaka aza izany. Handray soa tokoa ianao.—2 Timoty 3:16, 17.