Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Isika no Tokony Hilaza ny Marina?

Nahoana Isika no Tokony Hilaza ny Marina?

Nahoana Isika no Tokony Hilaza ny Marina?

VOARAY hiasa tao amin’ny orinasa iray i Maurice, tamin’izy 18 taona. * Nalefan’io orinasa io hiofana indroa isan-kerinandro tany amin’ny sekoly fampiofanana iray, izy sy ny mpiasa vaovao vitsivitsy hafa. Nirava aloha izy ireo, indray mandeha. Tokony hiverina any am-piasana izy ireo, araka ny fitsipika tao amin’ny orinasa. I Maurice irery anefa no niverina, fa lasa nandehandeha kosa ny hafa. Sendra nandalo tao amin’ny orinasa, tamin’izay, ny mpiandraikitra ny mpiasa vaovao. Hoy izy, rehefa nahita an’i Maurice: “Tsy nandeha niofana angaha ianao androany? Ary aiza ireo namanao?” Tokony holazain’i Maurice ve ny marina?

Sarotra ny toerana nisy an’i Maurice. Mateti-pitranga anefa io nahazo azy io. Holazainy ve ny marina, sa handainga izy mba hiarovana ireo namany? Mety hahita olana mantsy ireo namany ireo, raha milaza ny marina izy. Mety hanjary tsy ho tian’izy ireo intsony koa izy. Tsy maninona àry ve ny mandainga amin’ny toe-javatra toy izany? Inona no ho nataonao, raha ianao no teo amin’ny toerany? Hijery ny nataony isika aoriana kely, fa andeha aloha hodinihintsika ireo lafin-javatra tsara ho fantatra, rehefa hanapa-kevitra isika hoe hilaza ny marina sa tsia.

Mifanohitra tanteraka ny fahamarinana sy ny lainga

Araka ny fahamarinana ny zava-drehetra, tamin’ny olombelona vao noforonina. Naseho araka ny tena izy ny fahamarinana, fa tsy naolana. “Andriamanitry ny fahamarinana” mantsy i Jehovah, ilay Mpamorona. Ny teniny no fahamarinana. Tsy mahay mandainga izy, ary manameloka ny lainga sy ny mpandainga.—Salamo 31:5; Jaona 17:17; Titosy 1:2.

Ahoana àry no nampisy ny lainga? Nohazavain’i Jesosy Kristy izany, rehefa namaly an’ireo mpitondra fivavahana nanohitra sy nitady hamono azy izy. Hoy izy: “Ianareo avy amin’ny Devoly rainareo, ary izay irin’ny rainareo no tianareo hatao. Mpamono olona hatrany am-piandohana izy, ary tsy nifikitra tamin’ny marina, satria tsy ao aminy ny marina. Rehefa mandainga izy, dia ny maha izy azy no avoakany, satria mpandainga izy sady rain’ny lainga.” (Jaona 8:44) Niresaka momba ilay zava-nitranga tany amin’ny saha Edena i Jesosy teo. Nitaona an’ilay mpivady voalohany tsy hankatò an’Andriamanitra i Satana tamin’izay. Lasa mpanota izy ireo vokatr’izany, ary niafara tamin’ny fahafatesana.—Genesisy 3:1-5; Romanina 5:12.

Nilaza mazava i Jesosy fa i Satana no “rain’ny lainga”, izany hoe nampisy ny lainga sy ny tsy fahamarinana. Mbola mampiely lainga i Satana hatramin’izao, ary “mamitaka ny tany rehetra misy mponina.” Izy àry no tena tompon’andraikitra amin’ny voka-dratsin’ny lainga eo amin’ny fiainan’ny olombelona.—Apokalypsy 12:9.

Mbola mitohy ankehitriny ny fifanoheran’ny fahamarinana sy ny lainga, izay natombok’i Satana Devoly. Hita eo amin’ny sarangan’olona rehetra eo anivon’ny fiaraha-monina izany, sady misy vokany eo amin’ny isam-batan’olona. Ny fomba fiainan’ny olona iray no ahitana raha miandany amin’ny fahamarinana izy na amin’ny lainga. Manaraka ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, ny olona miandany amin’Andriamanitra. Lasa eo ambany fahefan’i Satana kosa ny olona tsy manaraka ny fahamarinana, na fantatr’ilay olona izany na tsia. “Izao tontolo izao manontolo [mantsy] dia eo ambany fahefan’ilay ratsy.”—1 Jaona 5:19; Matio 7:13, 14.

Nahoana no maro be no mandainga?

Eo ambany fahefan’ilay rain’ny lainga “izao tontolo izao manontolo”, ka izany no mahatonga olona maro be handainga. Mety hieritreritra anefa isika hoe: ‘Inona no nahatonga an’i Satana hitaona ny olona handainga?’ Fantany fa i Jehovah no manana ny zo ho Mpanjakan’ny zava-drehetra noforoniny, anisan’izany ilay mpivady voalohany. Nitsiriritra an’io toeram-boninahitra tsy nananany zo io anefa izy. Tsy afa-po tamin’izay nananany izy sady fatra-paniry fahefana, ka nanao tetika mba hakana ny toeran’i Jehovah. Nampiasa lainga sy fitaka izy mba hanatanterahana izany.—1 Timoty 3:6.

Ary ahoana ankehitriny? Tsy afa-po amin’izay ananany koa ny olona maro sady fatra-paniry fahefana, ka izany no mahatonga azy handainga. Sa tsy izany? Mampiasa fitaka sy lainga ary manao hosoka ny mpandraharaha fatra-pitady tombony, sy ny mpanao politika tia kolikoly, ary ny fivavahan-diso. Nahoana? Mazàna izy ireo no tsy mety afa-po amin’izay ananany, matimatin-karena, ary maniry mafy hahazo laza sy fahefana tsy tokony ho azy. Nampitandrina toy izao i Solomona, mpanjaka hendry teo amin’ny Israely fahiny: “Izay maimay ta-hanan-karena dia tsy maintsy hohelohina.” (Ohabolana 28:20) Hoy koa ny apostoly Paoly: “Ny fitiavam-bola no fototry ny karazan-javatra ratsy rehetra.” (1 Timoty 6:10) Tena mihatra amin’ny olona fatra-paniry fahefana koa ireo teny ireo.

Mahatonga ny olona handainga koa ny tahotra. Matahotra izy, ohatra, hoe inona no mety ho vokany sy izay mety hoeritreretin’ny olona, raha milaza ny marina izy. Ara-dalàna ny faniriana ho tian’ny hafa. Mety hahatonga ny olona iray hanova kely ny fahamarinana anefa izany, na mety handainga mihitsy aza izy, mba hanarontsaronana fahadisoana, na hanafenana tsipiriany mahamenatra, na hisehoana ho tsara. Izany indrindra no antony nilazan’i Solomona hoe: “Mamandrika ny tahotra olona; fa izay matoky an’i Jehovah no hovonjena.”—Ohabolana 29:25.

Tsy mivadika amin’ilay Andriamanitry ny fahamarinana

Ahoana no navalin’i Maurice an’ilay mpiandraikitra? Nolazainy ny marina. Hoy izy: “Noravan’ny mpampianatra aloha izahay androany, ka niverina niasa aho. Raha ny amin’ireo mpiasa hafa indray, dia tsy afaka misolo tena azy ireo aho. Tsara angamba raha manontany azy ireo mivantana ianao.”

Mety ho afaka nanamboamboatra resaka i Maurice, ary mety ho nahatonga azy ho tian’ireo namany izany. Nisy antony tsara anefa matoa izy nilaza ny marina. Vavolombelon’i Jehovah izy. Tsy nenjehin’ny eritreriny mihitsy izy, satria nilaza ny marina. Nanjary natokisan’ny mpampiasa azy koa izy. Nasaina niasa tao amin’ny fivarotana firavaka izy, na dia mbola mpiofana aza. Nahazo fisondrotana izy ka nomena andraikitra lehibe, 15 taona teo ho eo tatỳ aoriana. Tamin’izay dia nitelefaonina taminy ilay mpiandraikitra voalaza tetsy aloha, ary nidera azy. Nampahatsiahiviny koa ilay fotoana nilazan’i Maurice ny marina taminy.

Andriamanitry ny fahamarinana i Jehovah, ka tsy maintsy ‘manary ny lainga’ sy ‘milaza ny marina’ ny olona te ho akaiky azy. Tokony ho tia ny fahamarinana ny mpanompon’Andriamanitra. Nanoratra toy izao ilay mpanjaka hendry: “Ny vavolombelona mahatoky tsy mba mety mandainga.” Inona anefa no atao hoe lainga?—Efesianina 4:25; Ohabolana 14:5.

Inona no atao hoe lainga?

Rehefa lainga dia tsy marina avokoa. Tsy hoe lainga daholo anefa ny filazana zavatra tsy marina. Nahoana? Izao no atao hoe lainga, araka ny diksionera iray: “Filazana ho marina ny zavatra fantatra fa tsy marina, [mba] hamitahana olona.” Ny maha lainga ny lainga àry dia ny finiavana hamitaka. Raha tsy milaza ny marina ny olona iray, nefa tsy fanahy iniany, dia tsy azo lazaina ho mpandainga izy. Mety ho sendra diso, ohatra, ny zavatra notantarainy na ny isa nolazainy.

Tokony hodinihina koa raha manan-jo hahafantatra ny marina rehetra ilay olona manontany. Aoka hatao hoe mpiandraikitra ny orinasa hafa no nanontany an’i Maurice. Ho voatery hilaza aminy ny zavatra rehetra ve izy? Tsia. Tsy manan-jo hahafantatra izany mantsy io mpiandraikitra io. Mazava ho azy anefa fa tsy tokony handainga koa i Maurice, na dia izany aza.

Ahoana no nataon’i Jesosy Kristy tamin’ny toe-javatra toy izany? Indray mandeha dia naniry hahafantatra momba ny diany ny olona sasany tsy nino azy. Nanoro hevitra an’i Jesosy izy ireo hoe: “Mialà eto ianao, ka mankanesa any Jodia.” Ahoana no navalin’i Jesosy? “Mandehana ianareo mamonjy ny fety [any Jerosalema], fa izaho mbola tsy handeha hamonjy an’io fety io, satria mbola tsy tena tonga ny fotoana voatondro ho ahy.” Nandeha nankany Jerosalema anefa i Jesosy, fotoana fohy taorian’izay. Fa nahoana àry izy no nilaza fa “mbola tsy handeha”? Satria tsy nanan-jo hahafantatra ny tsipiriany momba izay halehany ireo olona ireo. Tsy nandainga i Jesosy. Tsy nilaza ny marina rehetra kosa anefa izy, mba hisorohana ny zava-dratsy mety hataon’izy ireo aminy na amin’ny mpanara-dia azy. Tsy nandainga izy, satria hoy ny apostoly Petera: “Tsy nanota izy, ary tsy nahitana fitaka teo am-bavany.”—Jaona 7:1-13; 1 Petera 2:22.

Ahoana kosa ny amin’i Petera? Tamin’ilay alina nisamborana an’i Jesosy, dia nandainga intelo izy rehefa nilaza fa tsy nahalala azy. Resin’ny tahotra tokoa izy ka nandainga. Taorian’izay avy hatrany anefa, dia “nitomany tamin’alahelo be” izy ary nibebaka, ka voavela ny helony. Nanonitra an’io fahadisoany io koa izy. Nitory ampahibemaso momba an’i Jesosy izy, andro vitsivitsy tatỳ aoriana, ary tsy nitsahatra mihitsy na dia nampitahorin’ireo manam-pahefana jiosy tao Jerosalema aza. Nihelina ihany iny fahalemen’i Petera iny, fa nanarina izany haingana izy. Tokony hampahery antsika rehetra izany, satria mety ho resin’ny fahalemena mora foana koa isika indraindray, ka manota amin’ny teny na amin’ny atao.—Matio 26:69-75; Asan’ny Apostoly 4:18-20; 5:27-32; Jakoba 3:2.

Hitoetra mandrakizay ny fahamarinana

Hoy ny Ohabolana 12:19: “Ny molotra marina ampitoerina ho mandrakizay; fa ny lela mandainga dia indray mipì-maso monja.” Maharitra ny teny marina. Maharitra sy mahafinaritra kokoa ny fifandraisan’ny olona, rehefa samy tapa-kevitra hilaza sy hanao ny marina izy ireo. Andraisan-tsoa dieny izao tokoa ny fanaovana ny marina. Anisan’izany soa izany ny feon’ny fieritreretana madio, ny laza tsara, ny fifandraisana tsara eo amin’ny mpivady sy ny mpianakavy ary ny mpinamana, eny fa na dia eo amin’ny fanaovana raharaham-barotra aza.

Tsy maintsy hiharihary kosa ny lainga, na ho ela na ho haingana. Mety ho voafitaky ny lainga ny olona, nefa tsy haharitra izany. Tsy maintsy ho tratra mantsy izany rehefa mandeha ny fotoana. Nametra fotoana hanafoanana ny lainga sy ny olona mampiely lainga koa i Jehovah, Andriamanitry ny fahamarinana. Mampanantena ny Baiboly fa atsy ho atsy izy dia tsy hamela an’i Satana Devoly hamitaka ny tany rehetra misy mponina intsony. Hofaranany ny lainga ary haringany ny mpandainga rehetra.—Apokalypsy 21:8.

Hahafinaritra tokoa ny fiainana rehefa hampitoerina ho mandrakizay “ny molotra marina”!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Tsy tena anarany.

[Teny notsongaina, pejy 5]

Lasa mandainga ny olona maro, rehefa tsy mety afa-po amin’izay ananany sady fatra-paniry fahefana

[Teny notsongaina, pejy 6]

Rehefa lainga dia tsy marina avokoa. Tsy hoe lainga daholo anefa ny filazana zavatra tsy marina

[Sary, pejy 6]

Nanda an’i Kristy i Petera. Inona no ianarantsika avy amin’izany?

[Sary, pejy 7]

Maharitra sy mahafinaritra ny fifandraisana, rehefa samy milaza ny marina