Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Hafa Ihany ve no Tianao Hilaza ny Marina?

Ny Hafa Ihany ve no Tianao Hilaza ny Marina?

Ny Hafa Ihany ve no Tianao Hilaza ny Marina?

NITENY toy izao ny ankizivavy iray 16 taona: “Halako ny lainga, ary tsy tiako maizina izany andaingana izany!” Miray hevitra aminy ny ankamaroantsika. Tiantsika raha zavatra marina no ambara amintsika. Mba milaza ny marina amin’ny hafa ve anefa isika?

Nilaza ny ankamaroan’ny olona nadinadinina tany Alemaina, fa “tsy maninona ny mandainga raha amin-javatra madinika, mba hiarovan-tena na hiarovana ny hafa tsy hiharam-pahavoazana. Ilaina mihitsy aza izany, [hoy izy ireo,] mba hihavanana tsara amin’ny hafa.” Hoy koa ny mpanao gazety iray: “Tsara ny milaza ny marina, kanefa mankaleo raha izany foana no atao.”

Tiantsika ve raha milaza ny marina amintsika ny olona, kanefa kosa isika mieritreritra hoe tsy tokony hilaza ny marina amin’ny hafa indraindray? Tsy maninona ve na milaza ny marina isika na tsia? Inona avy no vokatry ny lainga?

Voka-dratsin’ny lainga

Eritrereto ireto voka-dratsin’ny lainga sy ny tsy fanaovana ny marina ireto: Manjary tsy mifampatoky, ohatra, ny mpivady sy ny mpianakavy. Manjary afa-baraka ny olona iray noho ny fanendrikendrehana azy. Mitombo ny vola mivoaka amin’ny orinasa rehefa tsy manao ny marina ny mpiasa, ka lasa misondrotra ny vidin’entana. Mihena ny vola ikarakaran’ny fanjakana ny vahoaka, noho ny fanaovana hosoka eo amin’ny fandoavan-ketra. Simba ny hoavin’ny mpikaroka rehefa minia mamoaka fanazavana tsy marina izy, ary manaratsy laza ny orinasa na ny sekoly iasany izany. Mamoy ny vola nangoniny nandritra ny androm-piainany ny olona mora ambakaina, rehefa sodokan’ireo tetika feno fitaka, izay lazaina fa ahazoam-bola be haingana. Mety ho ratsy kokoa noho izany aza ny vokany. Tsy mahagaga àry raha milaza ny Baiboly, fa anisan’ireo zavatra halan’i Jehovah Andriamanitra “ny lela fandainga”, sy “ny mamoaka lainga ho vavolombelona tsy marina”!—Ohabolana 6:16-19.

Manimba ny tsirairay sy ny fiaraha-monina manontolo ny lainga. Vitsy angamba no handa izany. Nahoana àry ny olona no minia mandainga? Azo lazaina ho lainga ve izay zavatra rehetra tsy marina lazain’ny olona? Hovaliana ao amin’ny lahatsoratra manaraka ireo fanontaniana ireo sy ny hafa koa.

[Sary, pejy 3]

Manimba ny fifampitokisan’ny mpivady ny lainga