Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Asa Kristianina any Amin’ny “Trano Vato”

Asa Kristianina any Amin’ny “Trano Vato”

Asa Kristianina any Amin’ny “Trano Vato”

Midika hoe “Trano Vato” ny anaran’io firenena any Afrika io. Malaza izy io noho ny Riandranon’i Victoria sy ireo bibidia isan-karazany any. Any koa anefa no misy ireo zavatra tranainy lehibe indrindra naorin’olombelona, any amin’ny faritra atsimon’i Sahara. Lembalemba feno vato granita ny afovoan-tany. Antonony ny toetany eo amin’izy io, ka lonaka sy maitso mavana ny manodidina. Io no Zimbabwe, izay ahitana mponina 12 tapitrisa eo ho eo.

NAHOANA izy io no atao hoe Trano Vato? Nisy mpihaza sy mpikaroka tany vaovao atao hoe Adam Renders, nahita trano maromaro sy manda lehibe vita amin’ny vato teo amin’ny toerana mirefy 720 hektara, tamin’ny 1867. Trano mitafo bozaka vita amin’ny fotaka sy rantsankazo mazàna no hitany, tamin’izy nandalo teny amin’ny tanety afrikanina. Tanàna lehibe feno trano vato kosa anefa no hitany tamin’ity indray mitoraka ity. Antsoina hoe Zimbabwe Lehibe izy io ankehitriny.

Any atsimo kelin’i Masvingo no misy azy. Sivy metatra mahery ny haavon’ny manda sasany ao. Vato granita maro nampifanaingenina fotsiny izy ireny, fa tsy nisy rihitra. Ahitana tilikambo hafakely mirefy 11 metatra eo ho eo koa any, ary 6 metatra ny savaivon’ny fotony. Mbola tsy fantatra izay tena antony nanorenana azy io. Tamin’ny taona 700 tany ho any ilay tanàna no rava. Asehon’ny porofo anefa fa efa nisy nipetraka tao, taonjato maro talohan’izay.

Nomena anarana hoe Zimbabwe i Rodezia, zanatany britanika, rehefa nahazo fahaleovan-tena tamin’ny 1980. Shona ny ankamaroan’ny mponina any. Anisan’ny foko lehibe indrindra any izy io sy ny Ndebele. Tia mandray vahiny ny olona any, ary matetika izany no voamariky ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa mitory isan-trano izy ireo. Na dia tsy fantatry ny olona aza indraindray ilay mandondòna ao an-tranony, dia efa ataony hoe: “Mandrosoa”, sy hoe: “Mipetrapetraha.” Manaja fatratra ny Baiboly ny ankamaroan’ny olona. Matetika izy no tsy manaiky raha tsy manatrika eo ny zanany, rehefa misy dinidinika momba ny Soratra Masina.

Mitondra hafatra mampahery

Ny “SIDA” sy ny “hain-tany” no re matetika amin’ny fampahalalam-baovao, rehefa i Zimbabwe no resahina. Miely be ny SIDA ka misy vokany lehibe eo amin’ny mponina sy ny toe-karen’ireo tany any atsimon’i Sahara. Noho ny SIDA matetika no idiran’ny olona hopitaly. Fianakaviana maro no mitondra faisana vokatr’io aretina io.

Miezaka mafy ny Vavolombelon’i Jehovah manampy ny olona any Zimbabwe, ka mampirisika azy ireo hanaraka ny fitsipik’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly. Izany mantsy no fomba fiaina tsara indrindra. Ampianarin’ny Tenin’Andriamanitra, ohatra, fa ny mpivady ihany no tokony hanao firaisana. Lazainy koa fa raran’i Jehovah ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy, sy ny fampidiran-dra, ary ny fampiasana zava-mahadomelina. (Asan’ny Apostoly 15:28, 29; Romanina 1:24-27; 1 Korintianina 7:2-5; 2 Korintianina 7:1) Mizara hafatra manome fanantenana azo antoka koa ny Vavolombelona. Antitranterin’izy ireo fa tsy ho ela dia hanafoana ny aretina rehetra ny Fanjakan’Andriamanitra.—Isaia 33:24.

Fanampiana vonjy taitra

Nitondra fahavoazana lehibe tany Zimbabwe ny hain-tany, tao anatin’ireo folo taona lasa. Nitsitsitra tetsy sy teroa ny bibidia, noho ny hanoanana sy ny tsy fahampian-drano. Omby ana hetsiny no maty. Ala hektara maro no kila forehitra. Maro ny ankizy sy zokiolona maty noho ny tsy fahampian-tsakafo. Na ilay renirano mahery atao hoe Zambèze aza dia nihena be, ka natahorana tsy handeha intsony ilay milina mpamokatra herinaratra avy amin’ny rano.

Nanangana komity valo niandraikitra ny vonjy taitra tany amin’ny toerana maro àry ny Vavolombelon’i Jehovah. Nitsidika fiangonana ny mpiandraikitra mpitety faritany mba hamantarana izay tena nilain’izy ireny. Nanao tatitra tany amin’izay komity tokony hikarakara izany izy ireo avy eo. Hoy ny mpiandraikitra iray: “Nizara katsaka arivo taonina mahery, sy trondro maina folo taonina, ary tsaramaso maina folo taonina izahay, nandritra ireo dimy taona lasa. Nikarakara mufushwa [legioma sy haninkotrana nohamainina] roa taonina ireo rahalahy. Nizara akanjo be dia be sy izay vola nilaina koa izahay.” Hoy koa ny mpiandraikitra hafa: “Be dia be ny olana natrehinay vao tonga teto ireny fanampiana tena nilaina ireny. Sahirana be, ohatra, izahay vao nahazo ny fahazoan-dalana notakin’ny fitondrana [teto] sy tany Afrika Atsimo. Zara raha nisy koa ny solika nilaina hitaterana ny entana. Rehefa mieritreritra an’izany aho, dia vao mainka miaiky fa marina tokoa ilay tenin’i Jesosy hoe fantatry ny Raintsika any an-danitra fa ilaintsika izany rehetra izany.”—Matio 6:32.

Ary ahoana kosa no ataon’ny mpiandraikitra mpitety faritany, rehefa mitsidika faritra tratran’ny hain-tany? Mitondra vatsy ho azy sy izay fianakaviana hivantanany ny sasany aminy. Nitantara ny iray fa nisalasala ny anabavy kristianina sasany raha tokony handeha hitory izy ireo, na hilahatra mba hahazoana ny fanampiana nampanantenain’ny fitondrana. Nanapa-kevitra izy ireo fa hiantehitra amin’i Jehovah ka handeha hitory, ary ho hita eo izay hitranga. Tsy tonga tamin’io andro io akory ilay fanampiana.

Hisy fivoriana ny ampitson’iny, ary tsy maintsy nanapa-kevitra indray ireo anabavy. Handeha hivory izy sa hilahatra? Nahafantatra izay zava-dehibe kokoa izy ireo, ka nandeha nivory tany amin’ny Efitrano Fanjakana. (Matio 6:33) Teo am-panaovana ny hira farany ry zareo, no nandre kamiao nanatona. Tonga teo am-baravarana mihitsy ny fanampiana, ary ireo rahalahy tao amin’ny komitin’ny vonjy taitra no nitondra azy! Tsy omby tratra ny hafalian’ireo Vavolombelona nahatoky, ary naneho fisaorana mitafotafo izy ireo.

Mampahery ny fitiavana

Manjary afaka mitory ny Vavolombelona, rehefa tsara fanahy amin’ny olona tsy mitovy finoana aminy. Niara-nitory tamin’ny Vavolombelona tany Masvingo ny mpiandraikitra mpitety faritany iray, indray mandeha. Nahita ankizivavy nitsitra teo amoron-dalana izy tamin’izay. Narary mafy ny fahitan’ireo mpitory azy, satria tsy afaka niteny tsara izy, ary nangovitra ny feony. Hamunyari no anarany, izay midika hoe “Tsy Menatra ve Ianao?”, amin’ny teny shona. Ren’ireo mpitory fa nilaozan’ny mpiara-miangona taminy izy, rehefa nandeha namonjy fotoam-pivavahana tany an-tendrombohitra izy ireo. Tena be fitiavana ireo mpitory, ka nanampy an’ilay ankizivavy. Nentiny tany amin’ny tanàna tsy lavitra teo izy.

Nisy nahafantatra an’i Hamunyari tao amin’ilay tanàna. Nasain’izy ireo naka azy àry ny havany. Hoy ny olona tao an-tanàna momba ny Vavolombelon’i Jehovah: “Io tokoa no fivavahana marina. Tokony hanam-pitiavana toy izany mihitsy ny Kristianina.” (Jaona 13:35) Nomen’ireo mpitory an’ilay taratasy mivalona hoe Tianao ve ny Hahafantatra Tsara ny Baiboly? * i Hamunyari, talohan’ny handehanan’izy ireo.

Nitsidika fiangonana tany amin’ny tanàna nisy an’i Hamunyari ilay mpiandraikitra mpitety faritany, ny herinandro nanaraka. Tiany ho fantatra mantsy raha tonga soa aman-tsara tany an-tranony izy. Faly be ny fianakavian’i Hamunyari, rehefa nahita an’ilay mpiandraikitra sy ny mpitory niaraka taminy. Hoy ny ray aman-dreniny: “Ny anareo no fivavahana marina. Nanavotra ny zanakay ianareo, rehefa navelan’ny olona teny an-dalana izy ary efa saika maty.” Hoy izy ireo tamin’ny mpiara-miangona tamin’i Hamunyari: “Tena marina mihitsy ny anaran’i Hamunyari. Tsy menatra ve ianareo namela azy ho faty?” Niara-nandinika ny Soratra Masina tamin’ny fianakavian’i Hamunyari ireo mpitory, ary nanome azy ireo boky ara-baiboly. Nangatahin’ilay fianakaviana hiverina sy hampianatra Baiboly azy izy ireo. Nanjary niova ny havan’i Hamunyari sasany izay nanohitra ny Vavolombelona taloha. Nanaiky hianatra Baiboly, ohatra, ny zaodahiny, izay mpitondra fivavahana tao an-tanàna.

Manorina trano fivavahana

Nanoratra toy izao ny poety iray, nahazo ny herin’ny fanahy masina: “Andriamanitra ô, ... mangetaheta Anao ny fanahiko, ... eto amin’ny tany maina sy mangentana tsy misy rano.” (Salamo 63:1) Izany tokoa no manjo ny olona maro any Zimbabwe! Miaina ao anatin’ny hain-tany izy ireo, nefa ‘mangetaheta an’Andriamanitra’ sy ny hatsaran-toetrany koa. Manaporofo izany ny vokatry ny fanompoan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nisy fiangonana 476 sy Vavolombelona 10 000 teo ho eo tany tamin’ny 1980, rehefa nahazo fahaleovan-tena i Zimbabwe. Ankehitriny anefa, izany hoe 27 taona atỳ aoriana, dia nitombo avo telo heny ny isan’ny mpitory, ary efa ho avo roa heny ny isan’ny fiangonana.

Vitsy tamin’ireny fiangonana ireny no nanana toeram-pivavahana. Tsy nisy afa-tsy 98 tamin’ireo fiangonana 800 mahery no nanana toeram-pivavahana, antsoina hoe Efitrano Fanjakana, tamin’ny Janoary 2001. Maro no nivory teny ambany hazo, na tany anaty trano tsotsotra mitafo bozaka vita amin’ny fotaka sy rantsankazo.

Nalala-tanana sy nazoto nanao asa an-tsitrapo ny rahalahy maneran-tany, hany ka afaka nanomboka tetikasa fanorenana ny Vavolombelona tany Zimbabwe. Noho izany dia maro kokoa ny fiangonana afaka mahazo Efitrano Fanjakana tsotra nefa mendrika. Nandamina ny asa aman-draharahany ny Vavolombelona avy any an-tany hafa, izay nanana fahaizana momba ny fanorenana. Tonga nanome tanana an’ireo mpiasa an-tsitrapo teo an-toerana izy ireo. Hoy ny rahalahy iray tao Zimbabwe: “Isaoranay amin’ny fonay manontolo ny rahalahy sy anabavy rehetra avy any amin’ny firenena isan-karazany, izay tonga nanampy anay hanorina Efitrano Fanjakana tsara tarehy. Isaoranay koa izay rehetra nanao fanomezana tao amin’ny Tahirim-bola ho An’ny Efitrano Fanjakana, satria io no ahafahana manatontosa ny asa.”

Teo ambanin’ny baobaba goavana iray no nanaovana fivoriana tany amin’ny faritra atsinanana, nandritra ny 50 taona. Rehefa nilazana ireo anti-panahy fa tena trano amin’izay no haorina, dia tsy iray monja no latsa-dranomaso. Hoy ny anti-panahy 91 taona, avy ao amin’ny fiangonana iray teny akaiky: “Efa an-taonany maro aho no nitalaho tamin’i Jehovah tamin-dranomaso, mba hisian’ny zavatra toy izao!”

Maro koa ny zavatra nolazain’ny olona, rehefa nahita ny hafainganan’ny fanorenana an’ireny trano mahafinaritra ireny izy ireo. Nisy nilaza hoe: “Ianareo no manorina amin’ny antoandro, fa Andriamanitra kosa no manohy azy amin’ny alina!” Voamariky ny olona koa fa miray saina sy falifaly ireo mpiasa. Efitrano Fanjakana 350 mahery hatramin’izao no efa vita, manerana an’i Zimbabwe. Fiangonana 534 àry izao no afaka mivory ao amin’ireny efitrano mafy orina vita amin’ny biriky ireny.

Mbola mitohy ny asa kristianina iankinan’ny aina any Zimbabwe. Te hidera an’i Jehovah isika rehefa mijery ny zava-bita, satria izy no nahatomombana izany. “Raha tsy Jehovah” tokoa “no manao ny trano, dia miasa foana ny mpanao azy.”—Salamo 127:1.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 16 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sarintany, pejy 9]

(Jereo ny gazety)

ZIMBABWE

HARARE

Masvingo

Zimbabwe Lehibe

[Sary, pejy 9]

Tilikambo

[Sary, pejy 12]

Efitrano Fanjakana vaovao, Fiangonana Concession

[Sary, pejy 12]

Sasantsasany amin’ny Fiangonana Lyndale, eo an-tokotanin’ny Efitrano Fanjakana vaovao

[Sary nahazoan-dalana, pejy 9]

Tanàna rava misy tohatoha-bato: ©Chris van der Merwe/AAI Fotostock/age fotostock; tilikambo: ©Ingrid van den Berg/AAI Fotostock/age fotostock