Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanomezana avy Amin’ny Mpamorona

Fanomezana avy Amin’ny Mpamorona

Fanomezana avy Amin’ny Mpamorona

VOARESAKA an-kolaka na mivantana ao amin’ny toko voalohany amin’ny Baiboly, ireo zavatra heverin’ny mpahay siansa fa tena ilaina, mba hisian’ny zavamananaina eo amin’ny planeta iray. Tsy hitanao hoe mahavariana ve izany? Inona avy moa izy ireo?

Mila rano be dia be ny zavamananaina mba hahavelona azy tsara, araka ny Genesisy 1:2. Tsy maintsy mety tsara anefa ny hafanan’ny andro mba hahatonga an’ilay rano tsy hivaingana na ho lasa etona. Midika izany fa tokony hety tsara ny elanelan’ilay planeta amin’ny masoandrony. Miresaka imbetsaka momba ny masoandro sy ny vokatr’izy io amin’ny tany ilay fitantarana ao amin’ny Genesisy.

Raha tiana ho azo onenana ny planeta iray, dia tokony hanana atmosfera ahitana gazy isan-karazany ampy tsara. Resahina ao amin’ny Genesisy 1:6-8 izany. Nampisy oksizenina be dia be ny fisian’ny zavamaniry maro be, araka ny Genesisy 1:11, 12. Ankoatra izany, raha tiana hisy biby isan-karazany afaka mivelona tsara eo amin’ilay planeta, dia ilaina ny tany mahavokatra. Izany indray no voalaza ao amin’ny Genesisy 1:9-12. Farany, dia tsy maintsy mety tsara sy tsy miovaova ny fitongilan’ilay planeta, mba hananany toetrandro antonony tsara. Mahafeno an’io fepetra io ny tany, ary anisan’ny mahatonga izany ny hery misinton’ny volana. Miresaka momba ny volana sy ny soa sasany azo avy aminy ny Genesisy 1:14, 16.

Tsy nisy fitaovana maoderina na mpahay siansa nanampy an’i Mosesy, ka ahoana no nahafantarany an’ireo rehetra ireo? Nahoana izy no nahatakatra fa tena ilaina ireo? Nanana fahaizana miavaka noho ny an’ny mpiara-belona taminy fotsiny ve izy? Tsia. Nahazo herin’ny fanahy masina avy tamin’ilay Mpamorona ny lanitra sy ny tany kosa izy. Tsy mahagaga àry raha mifanaraka tsara amin’ny siansa ny fitantaran’ny Genesisy.

Asongadin’ny Baiboly, fa misy antony matoa noforonina ireny zava-mahagaga hitantsika eo amin’izao rehetra izao manodidina antsika ireny. Hoy ny Salamo 115:16: “Ny tany nomen[’i Jehovah] ho an’ny zanak’olombelona.” Milaza koa ny salamo iray hafa hoe: “Nanorina ny tany tambonin’ny fanorenany Izy, mba tsy hihetsehany mandrakizay doria.” (Salamo 104:5) Raha nisy Mpamorona nanao tokoa izao rehetra izao sy ity planeta kanto ity, dia tena azo antoka fa hainy ny manao izay tsy hahasimba azy ireo. Midika izany fa afaka matoky ianao hoe ho tanteraka ity fampanantenana tena tsara ity: “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” (Salamo 37:29) “Tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory” no namoronan’Andriamanitra ny tany, fa “nataony honenana” mandrakizay. Ny olona manaiky ny fisian’ny Mpamorona sy mankasitraka azy no homeny azy io.—Isaia 45:18.

Milaza ny Soratra Masina fa tonga teto an-tany i Jesosy, mba hampianatra antsika momba an’Andriamanitra sy ny fikasany. Anisan’izany fikasany izany ny hanome fiainana mandrakizay ho an’ny olombelona mankatò. (Jaona 3:16) Manome toky antsika Andriamanitra, fa tsy ho ela izy dia ‘handringana izay manimba ny tany.’ Ho tafavoaka velona kosa izay rehetra tia fihavanana sy manaiky ny fandaharam-pamonjeny. (Apokalypsy 7:9, 14; 11:18) Hahafinaritra tokoa ny fiainana amin’izay! Ho velona mandrakizay ny olona, ary hahita tsikelikely an’ireo zava-mahagaga noforonin’Andriamanitra, ka hankafy azy ireny.—Mpitoriteny 3:11; Romanina 8:21.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 8]

NASA photo