Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Ianareo Zanaka, Ankatoavy ny Ray Aman-dreninareo”

“Ianareo Zanaka, Ankatoavy ny Ray Aman-dreninareo”

“Ianareo Zanaka, Ankatoavy ny Ray Aman-dreninareo”

“Ianareo zanaka, ankatoavy ny ray aman-dreninareo araka ny sitrapon’ny Tompo, fa marina izany.”—EFESIANINA 6:1.

1. Nahoana no miaro anao ny fankatoavana?

MBOLA velona isika hatramin’izao, noho isika mankatò. Efa nisy olon-kafa maty kosa, satria tsy nanao izany. Fa inona anefa no tokony hankatoavina? Tokony hankatò fampitandremana isika. Manome fampitandremana ho antsika, ohatra, ny vatantsika, izay natao tamin’ny fomba mahatalanjona. (Salamo 139:14) Aoka hatao hoe mahita rahona mainty ny masontsika, ary mandre kotroka ny sofintsika. Iny koa fa misy tselatra eny amin’ny lanitra, ka matahotra be isika. Efa fampitandremana izany fa ho avy be ny orana, ary mety hisy varatra sy havandra. Nolazaina tamintsika koa fa mety hahafaty ireo zavatra ireo, ka lasa haingana isika mitady toerana mety tsara hialofana.

2. Nahoana ny ankizy no mila fampitandremana, ary nahoana izy ireo no tokony hankatò ny ray aman-dreniny?

2 Mila fampitandremana ianareo rankizy, satria mety hisy loza hanjo anareo. Ny ray aman-dreninareo no manana andraikitra hampitandrina anareo. Milaza, ohatra, izy ireo hoe: “Aza kitihina io fatana io, fa mahamay!” “Lalina be io rano io, fa aza mankeo!” “Jereo tsara ny ankavia sy ankavanana vao miampita arabe.” Mampalahelo fa nisy ankizy naratra na maty mihitsy satria tsy nankatò an’ireo. Mila mankatò ny ray aman-dreny ianareo, satria “marina” izany. Ny hoe “marina” dia midika hoe mety sy tsara. Hendry koa ianareo raha mankatò. (Ohabolana 8:33) Misy andininy hafa milaza fa “ankasitrahana” eo anatrehan’i Jesosy Kristy Tompo izany. Takin’Andriamanitra àry ny hankatoavanareo ny ray aman-dreninareo.—Kolosianina 3:20; 1 Korintianina 8:6.

Mitondra valisoa lehibe ny fankatoavana

3. Inona ilay “tena fiainana” ho azon’ny ankamaroantsika, ary inona no tokony hataon’ny ankizy mba hahazoana azy io?

3 Miaro ny ‘fiainanao ankehitriny’ ny fankatoavanao ny ray aman-dreninao. Mety hahazo an’ilay fiainana “ho avy” koa ianao, dia ny “tena fiainana.” (1 Timoty 4:8; 6:19) Ny atao hoe tena fiainana dia fiainana mandrakizay ampanantenain’Andriamanitra. Fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao eto an-tany no ho azon’ny ankamaroantsika, raha mankatò hatrany ny didiny isika. Nanome izao didy tena lehibe izao, ohatra, izy: “ ‘Hajao ny rainao sy ny reninao.’ Izany no didy voalohany mirakitra fampanantenana hoe: ‘Mba hahita soa ianao, ary mba ho ela velona eto ambonin’ny tany.’ ” Ho sambatra àry ianao, raha mankatò ny ray aman-dreninao. Ho azo antoka ny hoavinao, ary mety ho afaka hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany ianao!—Efesianina 6:2, 3.

4. Inona no tokony hataon’ny ankizy ho fanajana an’Andriamanitra, ary inona no soa ho azony?

4 Manaja an’Andriamanitra ianao rehefa manaja ny ray aman-dreninao, ka mankatò azy ireo. Andriamanitra mantsy no mandidy anao hanao izany. Mandray soa ianao raha mankatò. Hoy ny Baiboly: “Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no mampianatra anao hahita soa.” (Isaia 48:17; 1 Jaona 5:3) Nahoana moa no mahasoa ny fankatoavana? Satria hahafaly ny ray aman-dreninao izany, ka hanao zavatra maro hahasambatra kokoa anao izy. (Ohabolana 23:22-25) Ilay Rainao any an-danitra anefa no tena ho faly, ary hanome zava-tsoa maro ho anao izy! Andeha hojerentsika ny fomba nitahian’i Jehovah sy niarovany an’i Jesosy, izay nilaza toy izao momba ny tenany: “Manao izay sitrany foana aho.”—Jaona 8:29.

Mpiasa mazoto sy tena mahay i Jesosy

5. Nahoana isika no mino fa mpiasa tena nahay i Jesosy?

5 I Jesosy no lahimatoan’i Maria. Mpandrafitra no asan’i Josefa rainy nitaiza azy. Lasa mpandrafitra koa i Jesosy, ary azo inoana fa i Josefa no nampianatra azy io asa io. (Matio 13:55; Marka 6:3; Lioka 1:26-31) Nahay tsara ny asany ve i Jesosy? Nantsoina hoe fahendrena izy tany an-danitra, talohan’ny nametrahana azy tamin’ny fomba mahagaga tao an-kibon’i Maria. Izao no nolazainy tamin’izany: ‘Nanampy an’Andriamanitra toy ny mpanao mari-trano aho ka sady antom-piravoravoany isan’andro isan’andro.’ Mpiasa tena mahay no tena hevitr’ilay teny hebreo nadika hoe “mpanao mari-trano.” Naharavoravo an’Andriamanitra i Jesosy tany an-danitra, izany hoe nankasitrahany, noho izy mpiasa tena nahay. Azo inoana koa àry fa niezaka mafy ho tonga mpandrafitra mahay i Jesosy, rehefa lasa ankizy teto an-tany.—Ohabolana 8:30, Dikan-teny Iombonana eto Madagasikara; Kolosianina 1:15, 16.

6. a) Mety ho nanao raharaha ve i Jesosy tao an-trano, ary nahoana? b) Ahoana avy no azon’ny ankizy anahafana an’i Jesosy?

6 Azo antoka fa nilalao i Jesosy indraindray, tamin’ny mbola kely. Milaza mantsy ny Baiboly fa nilalao koa ny ankizy fahiny. (Zakaria 8:5; Matio 11:16, 17) Mety ho nanao raharaha anefa izy, ankoatra ny fianarana mandrafitra. Izy mantsy no lahimatoa, ary maro be ny zandriny. Ny ray aman-dreniny rahateo tsy dia nanam-bola firy. Lasa mpitory i Jesosy tatỳ aoriana, ary nandany ny fotoanany rehetra tamin’io asa io, fa tsy nitady izay hampiadana ny tenany. (Lioka 9:58; Jaona 5:17) Mahita fomba hanahafana an’i Jesosy ve ianao amin’izany rehetra izany? Ahoana raha asain’ny ray aman-dreninao manadio trano ianao na manao raharaha hafa? Mampirisika anao hanompo an’Andriamanitra ve izy ireo, ka hivory sy hitory? Inona no ho nataon’i Jesosy, araka ny hevitrao, raha izy no nasaina nanao an’ireo?

Nazoto nianatra sy nampianatra ny Baiboly

7. a) Iza avy no mety ho niaraka tamin’i Jesosy, mba handeha hankalaza ny Paska? b) Taiza ny toerana nisy an’i Jesosy rehefa teny an-dalana hody ny fianakaviany, ary nahoana izy no tany?

7 Tsy maintsy nankany amin’ny tempolin’i Jerosalema ny lehilahy israelita rehetra nandritra ireo fety jiosy telo, mba hivavaka tamin’i Jehovah. (Deoteronomia 16:16) Tamin’i Jesosy 12 taona, dia mety ho niaraka nankany izy sy ny fianakaviany, mba hankalaza ny Paska. Azo inoana fa nandeha daholo ny iray tam-po aminy. Niaraka tamin’izy ireo koa angamba i Salome sy Zebedio vadiny ary Jakoba sy Jaona zanak’izy ireo, izay lasa apostoly tatỳ aoriana. Toa rahavavin’i Maria i Salome. * (Matio 4:20, 21; 13:54-56; 27:56; Marka 15:40; Jaona 19:25) Nihevitra i Josefa sy Maria teny an-dalana hody, fa niaraka tamin’ny havan’izy ireo i Jesosy. Tsy niaraka tamin’izy ireo anefa izy, ary tsy nisy nahatsikaritra izany tamin’ny voalohany. Hitan’i Maria sy Josefa ihany i Jesosy, telo andro tatỳ aoriana. Tao amin’ny tempoly izy, “nipetraka teo afovoan’ny mpampianatra, ary nihaino sady nanontany.”—Lioka 2:44-46.

8. Inona no nataon’i Jesosy tao amin’ny tempoly, ary nahoana ny olona no gaga?

8 Nahoana i Jesosy no “nanontany” an’ireo mpampianatra? Tsy hoe te hahalala zavatra fotsiny izy. Ilay teny grika nadika hoe “nanontany” dia manondro an’ireny fanontaniana fampiasa eny amin’ny fitsarana ireny, mba hamotopotorana na hanadihadiana olona. Hita tokoa fa tena tia nianatra Baiboly i Jesosy, na dia mbola kely aza, ka nahagaga an’ireo mpampianatra momba ny fivavahana izany! Hoy ny Baiboly: “Talanjona izay rehetra nihaino azy noho ny fahiratan-tsainy sy noho ny valin-teniny.”—Lioka 2:47.

9. Ahoana no azonao anahafana an’i Jesosy?

9 Mbola kely i Jesosy dia efa nahalala tsara ny Baiboly. Gaga tamin’ny fahaizany, na dia ny mpampianatra tena nahay aza. Inona no anton’izany, araka ny hevitrao? Nanana ray aman-dreny matahotra an’Andriamanitra i Jesosy. Mbola kely izy, dia efa nampianarin’izy ireo ny toromarik’Andriamanitra. (Eksodosy 12:24-27; Deoteronomia 6:6-9; Matio 1:18-20) Azo inoana koa fa nentin’i Josefa tany amin’ny synagoga izy, mba hihaino ny famakiana sy ny fanazavana ny Soratra Masina. Manana ray aman-dreny mampianatra anao Baiboly koa ve ianao? Mitondra anao mivory ve izy ireo? Nankasitraka ny ezaka mafy nataon’ny ray aman-dreniny i Jesosy, ary niresaka tamin’ny olon-kafa ny zavatra nianarany. Mankasitraka ny ezaka mafy ataon’ny ray aman-dreninao koa ve ianao? Miresaka amin’ny olon-kafa ny zavatra ianaranao ve ianao?

Nankatò i Jesosy

10. a) Nahoana no tokony ho fantatry ny ray aman-drenin’i Jesosy ny toerana nisy azy? b) Inona no modely navelan’i Jesosy ho an’ny ankizy?

10 Inona no tsapan’i Josefa sy Maria, araka ny hevitrao, tamin’izy nahita an’i Jesosy tao amin’ny tempoly rehefa afaka telo andro? Azo inoana fa faly be izy ireo. Gaga anefa i Jesosy hoe nahoana no tsy fantatry ny ray aman-dreniny hoe taiza izy. Samy nahalala mantsy izy mivady fa teraka tamin’ny fomba mahagaga i Jesosy. Azo inoana koa fa fantatr’izy ireo hoe ho lasa Mpamonjy sy Mpanjaka ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy, na dia tsy nahalala ny tsipiriany rehetra momba izany aza izy ireo. (Matio 1:21; Lioka 1:32-35; 2:11) Nanontany azy ireo àry i Jesosy hoe: “Nahoana no nitady ahy ianareo? Tsy fantatrareo ve fa tsy maintsy ho ato an-tranon’ny Raiko aho?” Nankatò ny ray aman-dreniny anefa i Jesosy, ka niara-nody tamin’izy ireo tany Nazareta. Hoy ny Baiboly: ‘Nankatò azy ireo foana izy.’Ankoatra izany, dia ‘nitahiry tsara tao am-pony ny teny rehetra’ nolazain’i Jesosy ny reniny.—Lioka 2:48-51.

11. Nanao ahoana ny fankatoavan’i Jesosy ny ray aman-dreniny, ary inona no azonao ianarana avy amin’izany?

11 Nankatò foana ny ray aman-dreniny i Jesosy. Mora ve aminao ny manao toy izany? Sa hitanao kosa fa matetika izy ireo no tsy maharaka ny zava-misy ankehitriny, ary ianao indray no mahay noho izy? Marina fa nahita fianarana kokoa noho ny ray aman-dreninao angamba ianao, ary mahay kokoa mampiasa ny fitaovana maoderina sasany. Eritrereto anefa i Jesosy, izay nampitolagaga ny mpampianatra tena nahay, noho ny “fahiratan-tsainy sy noho ny valin-teniny.” Ekenao angamba fa kely dia kely ny zavatra fantatrao raha oharina amin’ny azy. Nankatò ny ray aman-dreniny anefa izy. Tsy midika izany hoe tiany foana ny fanapahan-kevitr’izy ireo. “Nankatò azy ireo foana” anefa izy, mandra-pahalehibeny. Inona no azonao ianarana avy amin’izany?—Deoteronomia 5:16, 29.

Sarotra ny mankatò

12. Miaro ny ainao ve ny fankatoavana? Manomeza ohatra.

12 Tsy mora foana ny mankatò, araka ny hita avy amin’izao tantara izao, izay nitranga taona vitsivitsy lasa izay. Tsy azo iampitana ny arabe sasany any andafy, satria natokana ho an’ny fiara ihany. Efa misy tetezana natao hiampitan’ny mpandeha an-tongotra eo ambonin’ilay arabe. Nisy ankizivavy roa anefa nanandrana niampita teo amin’ilay arabe ihany. Nanapa-kevitra handeha tamin’ilay tetezana kosa ny naman’izy ireo anankiray. Hoy àry izy roa vavy taminy: “Andao hiaraka aminay John a! Handeha ianao sa tsy handeha e?” Nisalasala i John. Hoy ilay ankizivavy iray taminy: “Saro-tahotra mihitsy ianao ity!” Tsy marina anefa izany. Nohazavain’i John ny antony tsy hiarahany amin’izy ireo. Hoy izy: “Bedin’i Neninay aho raha miampita eo.” Raha mbola teny ambonin’ilay tetezana i John, dia nahare feona fiara nijanona tampoka. Notazaniny ilay izy. Indreo fa voadonan’ny fiara izy mirahavavy! Maty ny iray, ary ilay faharoa kosa voadona mafy ka tsy maintsy notapahina ny tongony. Efa nilazan’ny reniny izy mirahavavy mba handeha eo amin’ilay tetezana eo ambony. Niteny tamin’ny renin’i John io ramatoa io, tatỳ aoriana, hoe: “Raha mba nankatò toy ny zanakao mantsy izy ireo.”—Efesianina 6:1.

13. a) Nahoana ianao no tokony hankatò ny ray aman-dreninao? b) Rahoviana ihany ny ankizy no tsy tokony hankatò ny ray aman-dreniny?

13 Nahoana Andriamanitra no milaza hoe: “Ianareo zanaka, ankatoavy ny ray aman-dreninareo”? Mankatò an’Andriamanitra ianao raha mankatò ny ray aman-dreninao. Efa nahita zavatra maro koa ny ray aman-dreninao raha oharina aminao. Dimy taona monja talohan’ilay lozam-piarakodia voalaza tetsy aloha, ohatra, dia maty teo amin’io arabe io ny zanaky ny naman’ny renin’i John. Nanandrana niampita teo koa ilay ankizy tamin’izay! Marina fa tsy mora foana ny mankatò ny ray aman-dreninao. Milaza anefa Andriamanitra fa tokony hanao izany ianao. Raha mampirisika anao handainga na hangalatra na hanao zavatra hafa tsy tian’Andriamanitra kosa anefa ny ray aman-dreninao na ny olon-kafa, dia tsy maintsy manaraka an’ity toro lalana ity ianao: “Andriamanitra, fa tsy olona, no tsy maintsy ankatoavinay satria izy no mpitondra anay.” Izany no mahatonga ny Baiboly hilaza hoe “araka ny sitrapon’ny Tompo”, aorian’ilay hoe “ankatoavy ny ray aman-dreninareo.” Midika izany fa tsy tokony hankatò ny ray aman-dreninao ianao, raha mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra ny zavatra asainy hataonao.—Asan’ny Apostoly 5:29.

14. Nahoana no mora kokoa amin’ny olombelona lavorary ny mankatò, nefa nahoana izy no mila mianatra manao izany?

14 Mihevitra ve ianao fa ho mora ny hankatò ny ray aman-dreninao raha olombelona lavorary toa an’i Jesosy ianao, izany hoe ‘tsy misy loto sy tafasaraka amin’ny mpanota’? (Hebreo 7:26) Raha lavorary ianao, dia tsy ho mora manao ratsy toa antsika izao. (Genesisy 8:21; Salamo 51:5) Tsy maintsy nianatra nankatò anefa, na i Jesosy aza. Hoy ny Baiboly: ‘Na dia Zanaka aza i Jesosy, dia nianatra nankatò avy tamin’ny zavatra niaretany.’ (Hebreo 5:8) Nahoana ny zavatra niaretany no nanampy an’i Jesosy hianatra hankatò, izay zavatra mbola tsy nataony mihitsy tany an-danitra?

15, 16. Ahoana no nianaran’i Jesosy nankatò?

15 Narovan’i Josefa sy Maria tamin’ny loza i Jesosy, tamin’izy mbola kely. Nanampy azy ireo hanao izany i Jehovah. (Matio 2:7-23) Tsy niaro an’i Jesosy tamin’ny fomba mahagaga intsony anefa i Jehovah, tatỳ aoriana. Niady saina mafy i Jesosy sady nanaintaina, ka milaza ny Baiboly fa ‘nitalaho sy niangavy ary nitaraindraina mafy sy nitomany’ izy. (Hebreo 5:7) Oviana izany no nitranga?

16 Taloha kelin’ny nahafatesany no nitrangan’izany. Nanao araka izay fara heriny i Satana tamin’izay, mba hahatonga an’i Jesosy hivadika amin’i Jehovah. Noheverina ho mpanao ratsy izy, ary nohelohina ho faty. Azo inoana fa nampijaly mafy azy ny nieritreritra hoe mety hanala baraka ny Rainy izany. Noho izany, dia “vao mainka nivavaka mafimafy kokoa hatrany izy” tao amin’ny zaridainan’i Getsemane, ka “nanjary tahaka ny ra nitete teo amin’ny tany ny hatsembohany.” Tena nangirifiry izy rehefa nofantsihana teo amin’ny hazo fijaliana, ka izany no nahatonga azy ‘hitaraindraina mafy sy hitomany.’ (Lioka 22:42-44; Marka 15:34) “Nianatra nankatò avy tamin’ny zavatra niaretany” àry izy, ka nahafaly ny fon’ny Rainy. Any an-danitra izao i Jesosy, ary mangoraka antsika izy, rehefa mahita antsika miady mafy mba hankatò.—Ohabolana 27:11; Hebreo 2:18; 4:15.

Mianara mankatò

17. Ahoana no tokony handraisantsika ny famaizana sy fananarana?

17 Manafay sy mananatra anao ny ray aman-dreninao indraindray. Midika izany fa mitady izay tena hahasoa anao izy, ary tia anao. Hoy ny Baiboly: “Fa iza moa no zanaka tsy faizin-drainy?” Tsy hampalahelo tokoa ve raha tsy tena tia anao ny ray aman-dreninao, ka tsy mba manokana fotoana hananarana anao, sy miezaka manafay anao? Toy izany koa fa tia anao i Jehovah, matoa mananatra anao. “Marina fa tsy misy famaizana toa mahafaly eo no ho eo, fa mampahory. Aorian’izany kosa anefa izy io, dia mitondra vokatra hiadanana ho an’izay nomena fanazarana tamin’izany. Ary ny fahamarinana izany vokatra izany.”—Hebreo 12:7-11.

18. a) Nahoana ny ankizy no faizin’ny ray aman-dreniny? b) Efa nahita olona nandray soa avy tamin’ny famaizan’ny ray aman-dreniny ve ianao? Tantarao izany.

18 Ilaina ny famaizana sy fananarana amin-katsaram-panahy avy amin’ny ray aman-dreny, araka ny tenin’i Solomona, mpanjakan’ny Israely. Nilaza i Jesosy fa tena hendry io mpanjaka io. Hoy i Solomona: “Izay mitsitsy ny tsorakazony dia tsy tia ny zanany; fa izay tia zanaka dia manafay azy, raha mbola kely.” Nilaza mihitsy aza i Solomona, fa ho voavonjy tsy ho faty ny olona nofaizina sy nanarina tamin-katsaram-panahy. (Ohabolana 13:24; 23:13, 14; Matio 12:42) Tsaroan’ny vehivavy kristianina iray, fa isaky ny naditra izy tany am-pivoriana tamin’ny mbola kely, dia nilaza ny rainy hoe hanafay azy rehefa tonga any an-trano izy ireo. Faly izy izao isaky ny mahatsiaro ny rainy, noho izy io nanafay azy tamin-katsaram-panahy, ka nanatsara ny fiainany.

19. Inona no antony lehibe indrindra tokony hankatoavanao ny ray aman-dreninao?

19 Tena tia anao ve ny ray aman-dreninao, ka manokana fotoana hananarana anao sy miezaka manafay anao amin-katsaram-panahy? Ankasitraho àry izy ireo. Mankatoava azy, toy ny nataon’i Jesosy Kristy Tompontsika tamin’i Josefa sy Maria ray aman-dreniny. Inona no antony lehibe indrindra tokony hankatoavanao azy ireo? Satria i Jehovah Andriamanitra, ilay Rainao any an-danitra mihitsy no mandidy anao hanao izany. “Hahita soa ianao” amin’izay, ary “ho ela velona eto ambonin’ny tany.”—Efesianina 6:2, 3.

[Fanamarihana ambany pejy]

Ahoana no Havalinao?

• Inona avy no soa ho azon’ny ankizy raha mankatò ny ray aman-dreniny izy ireo?

• Nankatò ny ray aman-dreniny foana i Jesosy tamin’ny mbola kely. Inona no ianaranao avy amin’izany?

• Ahoana no nianaran’i Jesosy nankatò?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 24]

Efa nahalala tsara ny Soratra Masina i Jesosy tamin’izy 12 taona

[Sary, pejy 26]]

Ahoana no nianaran’i Jesosy nankatò tamin’ny zavatra niaretany?