Kanto ity Tany ity ka Ankafizo
Kanto ity Tany ity ka Ankafizo
HITAN’NY astronoma fa toy ny pentina kely fotsiny ity tany ity, eo amin’izao rehetra izao midadasika sy tsy hita fetra. Mbola tsy nisy toeran-kafa nahitana zavamananaina ankoatra ny eto an-tany. Eto ihany no misy ny zava-drehetra ilaina mba hahavelomana.
Afaka mankafy ny fiainana koa isika eto amin’ity planeta kanto ity. Mahafinaritra erỳ ny mitanina andro amin’ny andro mangatsiaka! Ary iza moa no tsy ho talanjona rehefa mahita masoandro mody na miposaka? Tsy natao hahafinaritra antsika fotsiny anefa ny masoandro. Tena ilaina koa izy io mba hahavelona antsika.
Misy planeta maromaro mihodina manodidina ny masoandro, anisan’izany ny tany. Tsy miovaova mihitsy ny lalana arahin’izy ireo, efa an-tapitrisany taona izao, noho ny hery misinton’ny masoandro. Ankoatra izany, dia ianarana any an-tsekoly fa mbola mihodina manodidina ny ivon’ny vahindanitra misy antsika koa, ny masoandro sy ny planeta miaraka aminy. Tsy ny masoandro ihany anefa no manao izany fihodinana izany, fa misy kintana hafa ana hetsiny tapitrisa koa.
Antsoina hoe Voie lactée ny vahindanitra misy antsika. Mikambana ho vondrona ny vahindanitra maromaro, ary ilay misy antsika, dia ao anatin’ny vondrona iray ahitana vahindanitra 35 eo ho eo. An’arivony kosa ny vahindanitra ao amin’ny vondrona lehibe kokoa. Azo inoana fa hikorontana ny fihodinan’ny masoandrontsika sy ireo planeta miaraka aminy, raha tao anatina vondrona lehibe kokoa toy izany no nisy azy ireo. Eo amin’ny toerana tena tokony hisy azy anefa izy ireo, ka “mety tsara amin’ny zavamananaina be kojakojany” eto an-tany, araka ny voalazan’i Guillermo Gonzalez sy Jay Richards ao amin’ilay bokiny hoe Ilay Planeta Hafakely (anglisy). Vitsy ihany ny toerana toy izany eo amin’izao rehetra izao.
Tongatonga ho azy teo fotsiny ve ny zava-drehetra velona eto amin’ity planeta kanto ity? Sa tena nisy antony nampisy azy ireo?
Maro ny olona mino fa nisy namorona ny tany, ary natao hiainana. * Niresaka momba ny tany sy ny lanitra ny poety hebreo iray, taonjato maro lasa izay. Izao no nosoratany: “Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ny rantsan-tànanao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao, inona moa ny olona?” (Salamo 8:3, 4) Nino io poety io fa tena nisy namorona izao rehetra izao. Mandroso be anefa ny siansa ankehitriny, ka mbola azo ekena ve ny teniny?
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 7 Jereo ny bokin’ny Salamo, indrindra fa ny Salamo faha-8.
[Efajoro/Sary, pejy 3]
“Toy ny vatosoa manga manjelanjelatra ny Tany, rehefa jerena avy any ambony tsy taka-maso”, araka ny rakipahalalana iray miresaka momba ny tany.
[Sary nahazoan-dalana]
Gilaoby: U.S. Fish & Wildlife Service, Washington, D.C./NASA