Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanao ny Marina Izy

Nanao ny Marina Izy

Nanao ny Marina Izy

MPANAO volo i Nelma, vehivavy kristianina mipetraka any Cruzeiro do Sul, any Brezila. Tratran’ny tondra-drano ny tanànany, vao haingana, ka nanome azy fitafiana ny vehivavy mpandraharaha iray, mpanao volo tao aminy. Niharam-pitsapana ny tsy fivadihany tamin’izay, satria nahita vola mitentina 1 000 dolara (2 tapitrisa ariary eo ho eo) tao amin’ny paosin’ny pataloa iray izy, rehefa nijerijery ny haben’ireo fitafiana.

Mitovitovy amin’ny karaman’i Nelma mandritra ny fito volana ireo vola ireo, ary tena nila izany izy. Simban’ilay tondra-drano mantsy ny tranony, ary namoy ny ankamaroan’ny fananany ny rainy sy ireo iray tam-po aminy. Ampy hanamboarany ny tranony ireo vola ireo, ary mbola hisy ambiny hanampiany ny havany aza. Tsy namela an’i Nelma hihazona an’ilay vola anefa ny feon’ny fieritreretany voaofan’ny Baiboly.—Hebreo 13:18.

Nandeha aloha kokoa noho ny fotoana fandehanany miasa i Nelma ny ampitso, mba hihaonana tamin’ilay vehivavy nanome an’ireo akanjo. Nisaotra an’ilay vehivavy izy noho ireo fitafiana nomeny, ary nilaza fa tsy afaka ny hihazona ireo vola hitany tao. Faly be ilay vehivavy rehefa nandray an’ilay vola, izay efa natokany handoavana ny karaman’ny mpiasany. Hoy izy: “Tsy fahita ny olona manao ny marina toy izao.”

Mety hisy hihevitra fa tsy tena mahasoa ny fanaovana ny marina. Tena sarobidy amin’ireo miezaka mampifaly an’i Jehovah Andriamanitra anefa io toetra io. (Efesianina 4:25, 28) “Tsy ho nahita tory mihitsy aho raha tsy namerina an’ireo vola ireo”, hoy i Nelma.