Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ry Vehivavy, Aoka Ianareo Hanaja Lalina ny Vadinareo

Ry Vehivavy, Aoka Ianareo Hanaja Lalina ny Vadinareo

Ry Vehivavy, Aoka Ianareo Hanaja Lalina ny Vadinareo

‘Aoka ianareo vehivavy hanaiky ny vadinareo.’—EFESIANINA 5:22.

1. Nahoana no sarotra amin’ny vehivavy matetika ny manaja ny vadiny?

REHEFA mivady ny olon-droa any amin’ny tany maro, dia mivoady ilay vehivavy fa hanaja lalina ny vadiny. Sarotra amin’ny vehivavy maro matetika ny manaja an’io voady io, noho ny fomba itondran’ny vadiny azy. Tsara fiandohana anefa ny fanambadiana voalohany. Naka taolan-tehezana tamin’ilay lehilahy voalohany, atao hoe Adama, Andriamanitra ary nataony vehivavy ilay izy. Hoy i Adama: “Taolana avy amin’ny taolako sy nofo avy amin’ny nofoko ity.”—Genesisy 2:19-23.

2. Inona no zava-nitranga tato ho ato momba ny vehivavy sy ny fanambadiana?

2 Na teo aza izany fiandohana tsara izany, dia vehivavy maro no niady mafy mba tsy hofehezin’ny lehilahy. Nanomboka nanao hetsika ho fitakiana ny zony ny vehivavy tany Etazonia, taoriana kelin’ny 1960. Ny lehilahy foana mazàna no nandao ny tokantranony, tamin’izany. Nitombo be anefa ny isan’ny vehivavy nanao izany, taona vitsivitsy tatỳ aoriana. Lasa miteny ratsy, misotro toaka be, mifoka sigara, ary ratsy fitondran-tena toy ny lehilahy izao ny vehivavy. Sambatra kokoa àry ve izy ireo? Tsia. Any amin’ny tany sasany dia ny antsasany eo ho eo amin’ny olona manambady no misara-panambadiana. Nisy vokany tsara ve ny ezaka nataon’ny vehivavy sasany mba hanatsarana ny fiainany ao an-tokantrano? Sa vao mainka ratsy ny vokany?—2 Timoty 3:1-5.

3. Inona no tena mahatonga ny fanambadiana tsy hilamina?

3 Inona no tena mahatonga ny fanambadiana tsy hilamina? Nanomboka nikorontana izy io rehefa namitaka an’i Eva ny anjely iray nikomy, dia ‘ilay menarana tany am-boalohany, antsoina hoe Devoly sy Satana.’ (Apokalypsy 12:9; 1 Timoty 2:13, 14) Nanova ny fampianaran’Andriamanitra i Satana. Nataony, ohatra, izay iheverana fa maneritery sy mahasorena ny fanambadiana. Mampita hevi-diso izy amin’ny alalan’ny fampitam-baovao eto amin’ity tontolo feheziny ity. Ny tanjony dia ny hahatonga ny olona hino, fa tsy ara-drariny sady lany andro ny fampianaran’Andriamanitra. (2 Korintianina 4:3, 4) Ho hitantsika anefa fa tsara sy mahasoa izay lazain’Andriamanitra momba ny anjara asan’ny vehivavy manambady, rehefa dinihina amin’ny saina tsy miangatra.

Fampitandremana ho an’ireo maniry hanambady

4, 5. a) Nahoana no mila mitandrina ireo maniry hanambady? b) Inona no tokony hataon’ny vehivavy, alohan’ny hanekeny hanambady olona iray?

4 Avy amin’Andriamanitra ny fanambadiana. Ahitana fampitandremana ho an’ireo maniry hanambady anefa ao amin’ny Baiboly. Voalaza ao mantsy fa na ny mpivady manana tokantrano sambatra aza, dia “hanam-pahoriana” raha mbola eto amin’ity tontolo fehezin’ny Devoly ity. Hoy koa ny Baiboly momba ny vehivavy maty vady, ka afaka manambady indray: ‘Sambatra kokoa izy, raha mitoetra amin’izao.’ Nampirisika an’izay afaka mijanona ho mpitovo koa i Jesosy, mba “hanao izany” raha mety aminy. Raha misy mifidy ny hanambady anefa, dia tokony ho “ao amin’ny Tompo” ihany ilay olona kasainy hovadina, izany hoe mpanompon’Andriamanitra vita fanoloran-tena sy batisa.—1 Korintianina 7:28, 36-40; Matio 19:10-12.

5 Ny vehivavy indrindra no tokony handinika tsara hoe iza no hekeny ho vadiny. Mampitandrina mantsy ny Baiboly hoe: “Voafatotry ny lalàna amin’ny vadiny ny vehivavy.” Tsy “afaka amin’ny lalàn’ny vadiny” mihitsy izy, raha tsy efa maty izy io, na nijangajanga ka nisarahany. (Romanina 7:2, 3) Mety hahafinaritra be ny miaraka amin’ny olona iray tonga dia nambabo anao. Tsy midika anefa izany fa hanana tokantrano sambatra ianareo. Mila manontany tena àry ny vehivavy mpitovo hoe: ‘Tena vonona hanambady an’io lehilahy io ve aho, ka hanaiky ho voafatotry ny lalàny?’ Alohan’ny hanambadiana ianao no tokony handinika izany, fa tsy rehefa tafiditra ao.

6. Inona no safidy azon’ny ankamaroan’ny vehivavy atao, ary nahoana izany no tena zava-dehibe?

6 Any amin’ny tany maro, dia azon’ny vehivavy atao ny mifidy na hanaiky an’izay mangataka azy ho vady izy na tsia. Mety ho sarotra be aminy anefa ny hanao safidy tsara, satria mety haniry mafy hanana namana akaiky sy hotiavina izy. Mety tsy handinika tsara intsony àry izy, ka toy ny olona iray mitsambiki-mikimpy. Nilaza zavatra mitovitovy amin’izany ny mpanoratra iray: ‘Arakaraka ny aniriantsika hanao zavatra iray no iheverantsika fa mety ilay izy. Tsy mandinika tsara intsony isika, ka tsy mahita afa-tsy ny lafy tsarany.’ Mety hahita loza ny olona raha sady mikimpy no mitsambikina. Toy izany koa fa hahita loza isika, raha tsy mandinika tsara, rehefa handray fanapahan-kevitra. Mety hahita olana goavana àry isika, raha tsy mahay mifidy vady.

7. Inona no torohevitra tena tsara nomen’ny Kristianina iray ho an’izay te hanambady?

7 Tokony hoeritreretin’ny vehivavy tsara hoe inona no hiandry azy, raha manaiky ho voafatotry ny lalàn’ilay lehilahy mangataka azy izy. Tena mila ny fanampian’ny ray aman-dreniny sy ny olon-kafa izy amin’izany. Taona maro lasa izay, dia nitsotra toy izao ny tovovavy indianina iray: “Be taona sy hendry kokoa noho isika ny ray aman-drenintsika. Tsy mora voafitaka izy ireo raha oharina amintsika.” Imbetsaka ny Kristianina matotra iray no nanoro hevitra ny tanora, mba hamantatra tsara ny ray aman-drenin’ilay olona tiany hovadina na te haka vady azy. Nasainy nodinihin’izy ireo tsara koa ny fifandraisan’ilay olona amin’ny ray aman-dreniny sy ny mpianakaviny hafa.

Nanaiky fahefana i Jesosy

8, 9. a) Ahoana no niheveran’i Jesosy ny fanekena an’Andriamanitra? b) Inona no vokatra tsara azo rehefa manaiky fahefana ny vehivavy?

8 Mety ho sarotra amin’ny vehivavy ny manaiky fahefana. Toa an’i Jesosy anefa, dia tokony hihevitra izany ho voninahitra lehibe izy. Nahafaly an’i Jesosy ny nanaiky an’Andriamanitra, na dia nijaly sy maty teo amin’ny hazo fijaliana aza izy. (Lioka 22:41-44; Hebreo 5:7, 8; 12:3) Afaka manahaka ny modely navelan’i Jesosy ny vehivavy, satria hoy ny Baiboly: “Ny lehilahy no lohan’ny vehivavy, ary Andriamanitra kosa no lohan’i Kristy.” (1 Korintianina 11:3) Tsara homarihina anefa fa tokony hanaiky ny fahefan’ny lehilahy foana ny vehivavy, na dia tsy manambady aza.

9 Resahin’ny Baiboly fa tokony hanaiky ny fahefan’ny lehilahy mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana ny vehivavy, na manambady izy na mpitovo. (1 Timoty 2:12, 13; Hebreo 13:17) Rehefa mankatò izany toromarika izany ny vehivavy, dia lasa modely ho an’ny anjely eo anivon’ny fandaminan’Andriamanitra. (1 Korintianina 11:8-10) Mampianatra ny vehivavy tanora hanaiky ny vadiny koa ny vehivavy manambady efa zokiolona, raha miezaka ny ho fakan-tahaka sy manome torohevitra mahasoa azy ireny.—Titosy 2:3-5.

10. Inona no modely navelan’i Jesosy raha ny amin’ny fanekena fahefana?

10 Takatr’i Jesosy fa tena ilaina ny manaiky fahefana, raha mbola azo atao. Nirahiny, ohatra, ny apostoly Petera mba handoa ny hetran’izy mirahalahy any amin’ny manam-pahefana olombelona. Nomeny vola handoavana izany mihitsy aza i Petera. Hoy i Petera tatỳ aoriana: “Noho ny Tompo, dia maneke izay rehetra natsangan’olombelona.” (1 Petera 2:13; Matio 17:24-27) Niharihary kokoa, tatỳ aoriana, fa modely miavaka i Jesosy raha ny amin’ny fanekena fahefana. Hoy mantsy ny Baiboly: ‘Nofoanany ny tenany ary naka ny endriky ny mpanompo izy, ka nanjary nitovy tamin’ny olombelona. Ary tsy izany ihany, fa rehefa hitany fa nitovy tamin’ny olombelona izy, dia nanetry tena ka nankatò ary tonga hatramin’ny fahafatesana ny fankatoavany.’—Filipianina 2:5-8.

11. Nahoana i Petera no nanoro hevitra ny vehivavy mba hanaiky ny vadiny, na dia tsy manompo an’i Jehovah aza izy io?

11 Nampirisika ny Kristianina i Petera mba hankatò ny manam-pahefana eto amin’ity tontolo ity, na dia masiaka sy manao ny tsy rariny aza izy ireo. Hoy izy avy eo: “Ho amin’izany lalana izany tokoa mantsy no niantsoana anareo, satria na i Kristy aza nijaly ho anareo, ka nanome modely ho anareo mba hanarahanareo tsara ny diany.” (1 Petera 2:21) Nilaza i Petera, taorian’izay, fa nijaly be i Jesosy nefa niaritra ary nankatò hatrany. Nanoro hevitra ny vehivavy manambady lehilahy tsy mpanompon’i Jehovah izy, avy eo, hoe: “Toy izany koa ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo mba hahazoanareo azy tsy amin’ny teny, raha misy tsy mankatò ny teny masina, fa amin’ny fitondran-tena kosa, noho izy mahita ny fitondran-tena madio anananareo, sy ny fanajana lalina asehonareo.”—1 Petera 3:1, 2.

12. Inona no vokany rehefa nanaiky fahefana i Jesosy?

12 Maneso ny vadiny ny lehilahy sasany sady manao teny mandratra aminy. Mety hisy hihevitra àry fa diso ilay vehivavy raha mbola manaiky ny fahefany ihany. Tsy mitovy hevitra amin’izany anefa i Jesosy. Hoy i Petera: “Rehefa notevatevaina izy, dia tsy mba nanevateva. Rehefa nijaly izy, dia tsy mba nandrahona.” (1 Petera 2:23) Lasa nino an’i Jesosy ny olona sasany nahita azy nijaly, anisan’izany ny iray tamin’ireo jiolahy niara-nofantsihana taminy sy ilay manamboninahitra nahita ny namonoana azy. (Matio 27:38-44, 54; Marka 15:39; Lioka 23:39-43) Ho lasa Kristianina koa, araka ny tenin’i Petera, ny lehilahy sasany tsy mpanompon’i Jehovah, na dia ireo mpampijaly vady aza, rehefa hitany fa manaiky ny fahefany ny vadiny. Mahita izany tokoa isika ankehitriny.

Ahoana no mety hahatonga ny vadinao ho Vavolombelona?

13, 14. Misy vokany tsara ny fanekena ny fahefan’ny lehilahy, na dia tsy Vavolombelona aza izy. Manomeza ohatra.

13 Lasa Vavolombelon’i Jehovah ny vadin’ny anabavy sasany, satria nahita ny fitondran-tena tsaran’izy ireo. Hoy ny lehilahy iray momba ny vadiny, tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah vao haingana: “Nasiaka be taminy aho. Tena nanaja ahy foana anefa izy. Tsy nanambany ahy mihitsy izy, na indray mandeha aza. Tsy nanery ahy hanaraka ny finoany izy. Nikarakara ahy tamim-pitiavana foana izy. Karakarainy aloha be ny sakafoko rehefa manatrika fivoriambe izy, ary vitainy tsara daholo ny raharaha ao an-trano. Nahatonga ahy ho liana tamin’ny Baiboly izany. Ary dia izao hitanareo eto izao aho. Lasa Vavolombelona aho ankehitriny!” ‘Azo tsy tamin’ny teny’ tokoa io lehilahy io, noho ny fitondran-tenan’ny vadiny.

14 Tsy izay lazain’ny vehivavy loatra no ahazoana vokatra tsara, araka ny nasongadin’i Petera, fa izay ataony. Manaporofo izany ny tantaran’ny vehivavy iray nianatra Baiboly, ka tapa-kevitra hanatrika fivoriana kristianina. Nivazavaza taminy ny vadiny hoe: “Tsy mahazo miverina eto intsony ianao, ry Agnès, raha mivoaka an’io varavarana io!” Tsy nivoaka teo amin’ilay varavarana notondroin’ilay rangahy àry izy, fa tamin’ny varavarana hafa. Nandrahona azy toy izao indray ilay rangahy, tamin’ny fotoam-pivoriana nanaraka: “Tsy hahita ahy eto intsony ianao rehefa miverina!” Ary dia tsy tao an-trano tokoa izy! Tsy nody izy nandritra ny telo andro. Rehefa niverina izy dia nanontany azy moramora ilay anabavy hoe: “Sao dia te hihinan-javatra ianao?” Tsy nanaiky lembenana mihitsy i Agnès, fa nifikitra tamin’i Jehovah foana. Nanaiky hianatra Baiboly ny vadiny, tatỳ aoriana, ary nanolo-tena ho an’Andriamanitra. Lasa mpiandraikitra izy nony farany, ary nahazo tombontsoam-panompoana maro.

15. Inona no ‘haingo’ ampirisihana hanaovan’ny vehivavy kristianina manambady?

15 Nanaraka ny torohevitry ny apostoly Petera ireo vehivavy voaresaka tetsy aloha ireo. Tsy ny “firandranam-bolo” na ny ‘fanaovana akanjo ivelany’ no ‘haingo’ tena nifantohan’izy ireo, fa zavatra hafa. Hoy mantsy i Petera: “Aoka kosa [ny haingonareo] ho ilay toetra miafina ao am-po, izay manao fitafiana tsy mety simba, dia ny toetra tony sy malemy paika, izay tena sarobidy eo imason’Andriamanitra.” Malemy paika izy ireo, fa tsy mila ady na mila vaniny. Mahafinaritra kosa ny fomba fiteniny sy ny toetrany. Manaja lalina ny vadiny ny vehivavy kristianina toy izany.—1 Petera 3:3, 4.

Modely fanampiny

16. Nahoana i Saraha no modely ho an’ny vehivavy kristianina manambady?

16 Hoy i Petera: “Fa toy izany koa taloha no niravahan’ny vehivavy masina izay nanantena an’Andriamanitra. Nanaiky ny vadiny izy ireny.” (1 Petera 3:5) Takatr’ireny vehivavy ireny fa ho sambatra ny fianakaviany, ary hiaina mandrakizay izy, raha mampifaly an’i Jehovah ka manaraka ny toroheviny. Niresaka momba an’i Saraha, ilay vehivavy tsara tarehy vadin’i Abrahama, ohatra, i Petera. Nilaza izy fa “nankatò an’i Abrahama” i Saraha, ka “niantso azy hoe ‘tompo.’ ” Nanohana an’i Abrahama vadiny i Saraha, rehefa nasain’Andriamanitra nankany an-tany lavitra io lehilahy natahotra an’Andriamanitra io. Nanana fiainana nampiadana izy, nefa nafoiny izany. Nanao vivery ny ainy mihitsy aza izy. (Genesisy 12:1, 10-13) Noderain’i Petera i Saraha, noho ny herim-pony. Hoy izy: “Zanak’i Saraha ianareo raha manao ny tsara foana, sady tsy matahotra izay mampihorohoro.”—1 Petera 3:6.

17. Nahoana isika no milaza fa mety ho nihevitra an’i Abigaila ho modely ho an’ny vehivavy kristianina manambady koa i Petera?

17 Mety ho tao an-tsain’i Petera koa angamba i Abigaila, izay vehivavy be herim-po sady nanantena an’Andriamanitra. “Hendry” izy, fa i Nabala vadiny kosa “saro-po sy ratsy amin’izay ataony.” Nikasa hamono an’i Nabala sy ny ankohonany rehetra i Davida sy ny namany, satria tsy nety nanampy azy ireo izy. Nanao zavatra hamonjena ny ankohonany anefa i Abigaila. Naka sakafo izy, ka nametraka izany teo ambonin’ny ampondra, ary lasa nitsena an’i Davida sy ny miaramilany. Raha vao nahita an’i Davida izy, dia nidina haingana avy teo amin’ny ampondrany, ka niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany, ary nitalaho taminy mba tsy hanao zavatra maimaika. Tena nampihetsi-po an’i Davida izany. Hoy izy: “Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay naniraka anao hihaona amiko andro-any. Ary hotahiny anie ny fahendrenao.”—1 Samoela 25:2-33.

18. Iza no modely azon’ny vehivavy saintsainina, raha misy lehilahy ankoatra ny vadiny tia azy? Nahoana izy ireo no tokony hanao izany?

18 Modely tsara ho an’ny vehivavy manambady koa ilay tovovavy solemita. Tsy nivadika tamin’ilay fofombadiny, izay mpiandry ondry mahantra, izy. Tena tiany foana izy io, na dia nisy mpanjaka nanan-karena aza nangataka azy ho vady. Izao no nilazany ny fitiavany an’ilay mpiandry ondry: “Ataovy toy ny fanombohan-kase ao am-ponao aho sy toy ny fanombohan-kase eo an-tsandrinao; fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana. ... Na dia ny ony maro aza tsy mahavono ny afon’ny fitiavana, ary ny renirano tsy mahapaoka azy.” (Tonon-kiran’i Solomona 8:6, 7) Enga anie izay vehivavy rehetra efa nanaiky ny fangatahana azy ho vady, ka ho tapa-kevitra toy izany koa ny tsy hivadika amin’ny vadiny, ary hanaja azy lalina.

Torohevitra fanampiny avy amin’Andriamanitra

19, 20. a) Nahoana ny vehivavy no tokony hanaiky ny vadiny? b) Iza avy no modely tokony hotahafin’ny vehivavy?

19 Farany, dia diniho indray ny Efesianina 5:22, manao hoe: ‘Aoka ianareo vehivavy hanaiky ny vadinareo.’ Nahoana ny vehivavy no mila manaiky ny vadiny? “Satria ny lehilahy no lohan’ny vadiny, toa an’i Kristy izay lohan’ny fiangonana.” Toroana hevitra toy izao àry ny vehivavy manambady: “Toy ny aneken’ny fiangonana an’i Kristy no tokony haneken’ny vehivavy ny vadiny amin’ny zavatra rehetra.”—Efesianina 5:23, 24, 33.

20 Inona no hanampy ny vehivavy hankatò io didy io? Mila mandinika ny modely navelan’ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra izy, ary manahaka izany. Resahin’ny 2 Korintianina 11:23-28 ny zavatra nanjo ny apostoly Paoly, izay anisan’io fiangonana io. Asaina ianao hamaky ireo andininy ireo. Ho hitanao fa niaritra zavatra maro izy, mba tsy hivadihana tamin’i Jesosy Kristy, ilay Lohany. Toa an’i Paoly, dia tokony hanaiky foana ny fahefan’i Jesosy ny vehivavy manambady sy ny olon-kafa eo anivon’ny fiangonana. Manao izany izy ireo rehefa manaiky ny fahefan’ny vadiny.

21. Inona no hanampy ny vehivavy hanaiky hatrany ny fahefan’ny vadiny?

21 Mahasorena vehivavy maro ny manaiky ny fahefan’ny vadiny. Handinika ny soa azo avy amin’ny fanekena fahefana anefa ny vehivavy hendry. Mety ho ‘voavonjiny’, ohatra, ny vadiny tsy Vavolombelona, raha manaiky ny fahefany izy amin’ny zava-drehetra tsy mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra na ny toro lalany. Valisoa tsara tokoa izany! (1 Korintianina 7:13, 16) Ho faly koa izy satria fantany fa mankasitraka azy i Jehovah Andriamanitra, ary hamaly soa azy, noho izy nanahaka ny modely navelan’ny Zanany malala.

Tadidinao Ve?

• Nahoana no mety ho sarotra amin’ny vehivavy ny manaja ny vadiny?

• Nahoana ny vehivavy no tena mila mieritreritra tsara, alohan’ny hanekeny olona iray mangataka azy ho vady?

• Nahoana i Jesosy no modely ho an’ny vehivavy manambady? Inona no soa ho azon’izy ireo raha manahaka azy?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 19]

Nahoana ny vehivavy no tena mila mieritreritra tsara, alohan’ny hanekeny olona iray mangataka azy ho vady?

[Sary, pejy 21]

Inona no azon’ny vehivavy manambady ianarana avy amin’ireo vehivavy voaresaka ao amin’ny Baiboly, toa an’i Abigaila?