Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hamantarana ny Fivavahana Marina?

Ahoana no Hamantarana ny Fivavahana Marina?

Ahoana no Hamantarana ny Fivavahana Marina?

MILAZA ny ankamaroan’ny fivavahana fa avy amin’Andriamanitra ny zavatra ampianariny. Ilaintsika àry ny manaraka izao tenin’i Jaona, apostolin’i Jesosy, izao: “Ry malala, aza mino izay fanambarana rehetra avy amin’ny fanahy, fa fantaro aloha raha avy amin’ny fanahin’Andriamanitra ireny fanambarana ireny na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa eo amin’izao tontolo izao.” (1 Jaona 4:1) Ahoana no ahafantarantsika raha avy amin’Andriamanitra na tsia ny fampianaran’ny fivavahana iray?

Hita taratra eo amin’ny zava-drehetra avy amin’Andriamanitra ny toetrany. Ny fitiavana no toetrany miavaka indrindra. Nataony, ohatra, izay hankafizantsika fofona manitra. Anisan’izany ny fofon’ny zavamanitra fanao amin’ny sakafo, voninkazo, ary mofo vao mafana. Finaritra koa isika mahita masoandro mody, lolo, na zazakely mitsiky. Afaka mandre mozika mahafinaritra, siokam-borona, na feon’ny olona tiantsika isika. Porofon’ny fitiavan’Andriamanitra izany rehetra izany. Ahitana taratry ny fitiavany koa ny toetrantsika, na dia tsy lavorary aza isika. Matetika àry isika no mahatsapa fa marina ireto tenin’i Jesosy ireto: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35) Mahafinaritra antsika ny maneho fitiavana, satria natao “tahaka ny endrik’Andriamanitra” isika. (Genesisy 1:27) Marina fa manana toetra hafa maro i Jehovah. Ny fitiavana anefa no toetrany miavaka indrindra.

Tokony hahitana taratry ny fitiavan’Andriamanitra koa àry ny boky avy aminy. Manana boky tranainy ny fivavahana sasany. Tena ahitana taratry ny fitiavan’Andriamanitra ve izy ireny?

Zara raha manazava momba ny fitiavan’Andriamanitra antsika ny ankamaroan’ireny boky tranainy ireny. Tsy resahiny koa ny fomba azontsika ampisehoana fa tiantsika Andriamanitra. Olona an-tapitrisany àry no tsy mety mahita ny valin’ity fanontaniana ity: “Nahoana no misy foana ny fijaliana sy ny faharatsiana, nefa hita eo amin’ny zavatra noforonin’Andriamanitra fa be fitiavana izy?” Ny Baiboly ihany no boky tranainy manazava tsara momba ny fitiavan’Andriamanitra. Ampianariny antsika koa ny fomba hanehoana fitiavana.

Boky momba ny fitiavana

Milaza ny Baiboly fa “Andriamanitry ny fitiavana” i Jehovah. (2 Korintianina 13:11) Resahiny koa fa nataon’Andriamanitra tsy marary na maty ny olombelona voalohany, noho ny fitiavany. Nanjary nijaly anefa izy ireo sy ny taranany, satria nikomy tamin’ny fahefan’Andriamanitra. (Deoteronomia 32:4, 5; Romanina 5:12) Nanao zavatra i Jehovah mba hamerenana indray ny fiainana tsy misy aretina sy fahafatesana. Hoy ny Baiboly: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16) Manome porofo hafa koa ny Soratra Masina fa tena tia antsika Andriamanitra. Resahina ao fa nanangana fanjakana tonga lafatra izy, mba hitondra fiadanana indray ho an’ny olona mankatò. I Jesosy no notendreny ho mpanjakan’izy io.—Daniela 7:13, 14; 2 Petera 3:13.

Fintinin’ny Baiboly toy izao ny zavatra takina amin’ny olona: “ ‘Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo.’ Izany no didy lehibe indrindra sady voalohany. Ny faharoa, izay toy izany ihany, dia izao: ‘Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.’ Ireo didy roa ireo no ihantonan’ny Lalàna manontolo.” (Matio 22:37-40) Avy amin’ny fanahy masin’Andriamanitra ny Baiboly, araka ny voalaza ao amin’izy io. Aseho miharihary ao ny toetran’Andriamanitra, ka azontsika antoka fa avy amin’ilay “Andriamanitry ny fitiavana” tokoa izy io.—2 Timoty 3:16.

Ahoana àry no ahalalantsika fa tena avy amin’Andriamanitra ny boky tranainy iray? Tena avy aminy ilay izy, raha ahitana taratry ny fitiavany. Ny fitiavana koa no ahafantarana ny olona manaraka ny fivavahana marina, satria manahaka ny fitiavan’Andriamanitra izy ireo.

Ahoana no ahalalana ny olona tia an’Andriamanitra?

Miaina ao anatin’ilay antsoin’ny Baiboly hoe “andro farany” isika izao. Mihatsy tia an’Andriamanitra ny ankamaroan’ny olona, fa tia tena sy tia vola ary tia fahafinaretana. Mora fantatra àry ny olona tena tia an’Andriamanitra.—2 Timoty 3:1-4.

Ahoana no ahalalanao ny olona tia an’Andriamanitra? Hoy ny Baiboly: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny itandremantsika ny didiny.” (1 Jaona 5:3) Mahatonga ny olona hankatò ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fitondran-tena, ny fitiavana an’Andriamanitra. Misy lalàna momba ny firaisana sy ny fanambadiana, ohatra, ao amin’ny Baiboly. Ny mpivady ihany no mahazo manao firaisana, ary tokony haharitra ny fanambadiana. (Matio 19:9; Hebreo 13:4) Nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah ny vehivavy iray any Espaina, izay nianatra teolojia. Mazoto mianatra ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fitondran-tena ny Vavolombelon’i Jehovah, any amin’ireny fivoriana ireny. Hoy ilay vehivavy: “Nampahery ahy ilay fivoriana. Nisy lahateny ara-baiboly mahaliana mantsy tany. Miray saina sy tsara fitondran-tena ary mahalala fomba koa ny Vavolombelon’i Jehovah.”

Tsy ny fitiavany an’Andriamanitra ihany no ahafantarana ny tena Kristianina. Mora fantatra koa izy ireo, satria tia ny mpiara-belona aminy. Milaza amin’ny olona izy ireo fa ny Fanjakan’Andriamanitra no hany fanantenana ho antsika. Izany no asa lehibe indrindra ataon’ny tena Kristianina. (Matio 24:14) Manampy ny mpiara-belona aminy hahalala an’Andriamanitra izy. Izany ihany mantsy no mitondra soa maharitra ho an’ny olona. (Jaona 17:3) Misy fomba hafa koa anehoan’ny tena Kristianina ny fitiavany. Manampy ny olona mijaly izy ireo. Nisy horohoron-tany nanimba zavatra betsaka, ohatra, tany Italia. Hoy ny gazety iray teo an-toerana momba ny Vavolombelon’i Jehovah: “Tena nanao zavatra izy ireo mba hanampiana ny tra-boina, eny fa na dia ireo tsy mitovy finoana aminy aza.”

Tsy Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminy ihany no tian’ny tena Kristianina. Mifankatia koa izy ireo. Hoy i Jesosy: “Omeko didy vaovao ianareo, dia ny mba ifankatiavanareo. Toy ny nitiavako anareo no tokony mba hifankatiavanareo koa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo raha mifankatia.”—Jaona 13:34, 35.

Miharihary tokoa ve fa mifankatia ny tena Kristianina? Eny. Izany no hitan’ny vehivavy iray mpiasa an-trano, atao hoe Ema, miasa any La Paz, Bolivia. Misy foko isan-karazany any, ary tsy mifandray izy ireo matetika, satria misy manankarena sy mahantra. Hoy anefa ilay vehivavy: “Nahita zavatra mbola tsy fahitako mihitsy aho, tamin’izaho nanatrika voalohany ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nipetraka teo akaikin’ny vehivavy tompon-tany iray mahantra ny lehilahy iray nihaja be, ary niresaka taminy. Fantatro tamin’izay fa ny Vavolombelon’i Jehovah no tena vahoakan’Andriamanitra.” Hoy koa ny vehivavy brezilianina iray, atao hoe Miriam: “Mbola tsy nahatsiaro tena ho sambatra mihitsy aho, na dia teo anivon’ny fianakaviako aza. Teo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no nahitako ny tena fitiavana, ary asehon’izy ireo amin’ny ataony izany.” Hoy ny tonian’ny fampahalalam-baovao, ao amin’ny tele iray any Etazonia: ‘Tsy ho toy izao ny firenentsika raha maro kokoa ny olona manana fomba fiaina mitovy amin’ny anareo. Hitako fa manjaka eo anivon’ny fivavahanareo ny fitiavana sy ny finoana ny Mpamorona.’

Tadiavo ny fivavahana marina

Anisan’ny mampiavaka ny fivavahana marina ny fitiavana. Nampitahain’i Jesosy tamin’ny olona mahita ny lalana tokony haleha, ka mifidy ny handeha amin’izany, ny olona mahita ny fivavahana marina. Io ihany no lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Hoy i Jesosy: “Midira amin’ny vavahady tery, satria lehibe sady malalaka ny lalana mankany amin’ny fandringanana, ka maro no miditra any, fa tery kosa ny vavahady ary ety ny lalana mankany amin’ny fiainana, ka vitsy no mahita azy.” (Matio 7:13, 14) Antokona Kristianina iray ihany no mandeha eo amin’ilay lalana mankany amin’ny fiainana, izany hoe manaraka ny fivavahana marina. Mila mahay mifidy fivavahana àry ianao. Hanana ny fiainana tsara indrindra ianao, raha mahita ny fivavahana marina, ka manaraka izany. Manjaka ao anatin’izy io mantsy ny fitiavana.—Efesianina 4:1-4.

Eritrereto ny fitahiana ho azonao, raha manaraka ny fivavahana marina ianao! Toy ny hoe miara-mandeha amin’Andriamanitra ianao amin’izay. Hampianatra anao fahendrena sy fitiavana izy, ka hifandray tsara amin’ny olona ianao. Hampahafantariny anao koa ny zava-kendren’ny fiainana. Ho fantatrao ny fampanantenany, ka tsy hampanahy anao ny hoavy. Tsy hanenina mihitsy àry ianao, raha mitady ny fivavahana marina.

[Sary, pejy 5]

Ny Baiboly ihany no boky tranainy manazava tsara momba ny fitiavan’Andriamanitra

[Sary, pejy 7]

Mora fantatra ny tena Kristianina, noho izy ireo maneho fitiavana