Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Andao Isika Hiara-manandratra ny Anaran’i Jehovah

Andao Isika Hiara-manandratra ny Anaran’i Jehovah

Andao Isika Hiara-manandratra ny Anaran’i Jehovah

“Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko; ary aoka hiara-manandratra ny anarany isika.”—SALAMO 34:3.

1. Inona no ohatra tsara navelan’i Jesosy nandritra ny fanompoany teto an-tany?

NIHIRA fiderana ho an’i Jehovah i Jesosy sy ny apostoliny, rehefa nivory tao amin’ny efitra ambony rihana iray tao Jerosalema, tamin’ny alin’ny 14 Nisana taona 33. (Matio 26:30) Tamin’izay izy ireo no niara-nihira fiderana farany. Nety tsara ny namaranany an’ilay fivoriana tamin’ny hira. Nidera an’i Jehovah i Jesosy nandritra ny fanompoany teto an-tany, sady nazoto nampahafantatra ny anaran’io Rainy io. (Matio 4:10; 6:9; 22:37, 38; Jaona 12:28; 17:6) Toy ny namerina an’ity fanasana nataon’ny mpanao salamo ity izy, raha ny marina: “Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko; ary aoka hiara-manandratra ny anarany isika.” (Salamo 34:3) Ohatra tsara ho antsika tokoa izy!

2, 3. a) Ahoana no ahalalantsika fa manana heviny ara-paminaniana ny Salamo 34? b) Inona no hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity sy ilay manaraka?

2 Hafa tanteraka ny zavatra hitan’ny apostoly Jaona, ora vitsivitsy taorian’izay. Hitany nomelohina ho faty teo amin’ny tsato-kazo ny Tompony sy ny jiolahy roa. Nanapaka ny ranjon’ireo jiolahy ny miaramila romanina, mba hahafaty azy ireo haingana. Nilaza anefa i Jaona fa tsy notapahina ny ranjon’i Jesosy, satria efa maty izy nony tonga teo aminy ireo miaramila. Nanazava i Jaona tao amin’ny Filazantsarany, fa nanatanteraka an’ity andininy ao amin’ny Salamo 34 ity io zava-nitranga io: “Tsy hisy ho torotoro ny taolany.”—Jaona 19:32-36; Salamo 34:20.

3 Mbola maro ny lafin-javatra mahaliana ny Kristianina, ao amin’ny Salamo 34. Hijery ny zava-nitranga nahatonga an’i Davida hanoratra an’io salamo io isika, ato amin’ity lahatsoratra ity sy ilay manaraka. Hodinihintsika koa ireo lafin-javatra mampahery raketin’izy io.

Nandositra an’i Saoly i Davida

4. a) Nahoana i Davida no nohosorana ho mpanjakan’ny Israely? b) Inona no nahatonga an’i Saoly ho ‘tia’ an’i Davida?

4 I Saoly no mpanjakan’ny Israely, tamin’i Davida mbola kely. Tsy nankatò an’i Jehovah anefa i Saoly ka tsy nankasitrahany intsony. Nilaza taminy àry i Samoela mpaminany hoe: ‘Efa notriarin’i Jehovah ho afaka aminao androany ny fanjakan’Israely ka efa nomeny ny namanao izay tsara noho ianao.’ (1 Samoela 15:28) Naniraka an’i Samoela i Jehovah tatỳ aoriana, mba hanosotra an’i Davida zanak’i Jese faralahy, ho mpanjaka hasolo an’i Saoly. Niala tamin’i Saoly Mpanjaka ny fanahin’Andriamanitra ka tsy nahita fifaliana intsony izy. Nahay nitendry zavamaneno i Davida ka nentina tany Gibea mba hanompo ny mpanjaka. Nanjary ‘tian’i Saoly indrindra’ izy, satria namelombelona azy ny feon-kira notendreny.—1 Samoela 16:11, 13, 21, 23.

5. Nahoana i Saoly no lasa nankahala an’i Davida, ary inona no tsy maintsy nataon’i Davida?

5 Niharihary rehefa nandeha ny fotoana, fa nomba an’i Davida i Jehovah. Izy no nanampy azy handresy an’ilay Filistinina goavam-be atao hoe Goliata. Izy koa no nanohana an’i Davida, ka nanjary nidera azy ho mpiady mahay ny Israelita. Lasa nialona sy nankahala azy i Saoly noho izany fitahiana azony izany. Indroa ilay mpanjaka no nitora-defona an’i Davida, tamin’izy nitendry harpa teo anatrehany. Afa-niala foana anefa i Davida. Tsapany fa tsy maintsy nandositra izy mba hamonjena ny ainy, rehefa nitady hamono azy fanintelony i Saoly. Tapa-kevitra ny hialokaloka tany ivelan’ny faritanin’ny Israely i Davida, satria nitady hisambotra sy hamono azy foana i Saoly.—1 Samoela 18:11; 19:9, 10.

6. Nahoana ny mponina tao Noba no nasain’i Saoly novonoina?

6 Nijanona tao Noba, tanàna nisy ny tranolay masina, i Davida, rehefa hamonjy ny sisin-tanin’ny Israely. Nisy tovolahy maromaro niaraka taminy, ka nitady sakafo ho azy sy ireo namany ireo izy. Ren’i Saoly fa nomen’ny mpisoronabe sakafo i Davida sy ny namany, ary nomeny azy koa ny sabatr’i Goliata. Tezitra i Saoly ka nasainy novonoina daholo ny mponina tao Noba, anisan’izany ireo mpisorona 85.—1 Samoela 21:2, 3; 22:12, 13, 18, 19; Matio 12:3, 4.

Tafavoaka velona indray

7. Nahoana i Davida no tsy tokony ho nialokaloka tany Gata?

7 Niala tao Noba i Davida ary nandeha tokony ho 40 kilaometatra niankandrefana. Tonga tany amin’ny faritanin’ny Filistinina izy, ary nitady fialofana tany amin’i Akisy, mpanjakan’i Gata, tanànan’i Goliata. Nihevitra angamba i Davida fa tsy hitady azy any mihitsy i Saoly. Fantatry ny mpanompon’i Akisy anefa izy, tsy ela taorian’izay. “Natahotra [mafy] an’i Akisy, mpanjakan’i Gata” i Davida, rehefa reny fa nisy nahalala izy.—1 Samoela 21:11-13.

8. a) Inona no zavatra niainan’i Davida tany Gata araka ny Salamo 56? b) Nahoana i Davida no tafavoaka velona, na dia efa saika maty aza?

8 Nosamborin’ny Filistinina i Davida. Nety ho tamin’izay no namoronany an’ilay salamo mampihetsi-po, izay nitalahoany tamin’i Jehovah hoe: “Ataovy ao an-tavoahanginao ny ranomasoko.” (Salamo 56:8 sy ny teny mampiditra azy io) Nasehony tamin’izany fa natoky izy hoe tsy hanao tsinontsinona ny fahoriany i Jehovah, fa hiaro sy hikarakara azy amim-pitiavana. Nitady tetika hamitahana ny mpanjakan’ny Filistinina koa i Davida. Nody adala izy. Tezitra tamin’ny mpanompony i Akisy Mpanjaka rehefa nahita izany, satria nitondran’izy ireo olona “very saina” izy. Tena notahin’i Jehovah ilay tetika nampiasain’i Davida ka afa-nandositra izy. Tafavoaka velona indray izy na dia efa saika maty aza.—1 Samoela 21:14-16.

9, 10. Nahoana i Davida no nanoratra ny Salamo 34? Iza koa no mety ho tao an-tsainy rehefa nanoratra an’io salamo io izy?

9 Tsy voalazan’ny Baiboly raha niaraka tamin’i Davida tany Gata ireo mpanara-dia azy, na niandry azy tao amin’ireo tanànan’ny Israely teo akaiky teo. Na ahoana na ahoana, dia azo antoka fa tena faly izy ireo rehefa nifankahita. Tsy maintsy ho notantarain’i Davida tamin’izy ireo ny fomba nanafahan’i Jehovah azy indray. Io zava-nitranga io no nahatonga an’i Davida hamorona ny Salamo 34, araka ny asehon’ny teny mampiditra azy io. Nidera an’Andriamanitra i Davida ao amin’ireo andininy fito voalohany amin’io salamo io, noho izy nanafaka azy. Notaominy hidera an’i Jehovah koa ireo olona niaraka taminy, satria tena Mpamonjy ny mpanompony izy.—Salamo 34:3, 4, 7.

10 Niafina tao amin’ny zohin’i Adolama i Davida sy ny olony. Faritra be tendrombohitra any Israely izy io ary any amin’ny 15 kilaometatra atsinanan’i Gata. Nanatona azy ireo tao koa ireo Israelita tsy faly tamin’ny fitondran’i Saoly Mpanjaka. (1 Samoela 22:1, 2) Ireo olona ireo angamba no tao an-tsain’i Davida, rehefa namorona ny Salamo 34:8-22 izy. Tena ilaintsika ankehitriny koa ny fampahatsiahivana raketin’ireo andininy ireo, ary azo antoka fa hahasoa antsika ny fandinihana amin’ny an-tsipiriany an’io salamo mahafinaritra io.

Inona no zava-dehibe indrindra aminao?

11, 12. Inona avy no antony tokony hiderantsika an’i Jehovah foana?

11 “Hisaotra an’i Jehovah lalandava aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy.” (Salamo 34:1) Nandositra foana i Davida ka tsy maintsy ho niasa saina ny amin’izay hohaniny isan’andro. Tapa-kevitra ny hidera an’i Jehovah hatrany anefa izy na izany aza, araka ny asehon’io andininy io. Izany ka ohatra tsara ho antsika rehefa tojo zava-tsarotra isika! Ny hidera an’i Jehovah no tokony ho zava-dehibe indrindra amintsika na any an-tsekoly isika, na any am-piasana, na miaraka amin’ny mpiray finoana, na eny amin’ny fanompoana. Mba saintsaino ange ireo antony tsy tambo isaina tokony hiderantsika azy e! Tsy ho tapitra mihitsy, ohatra, ny zavatra azontsika fantarina sy ankafizina amin’ireo zava-mahatalanjona noforonin’i Jehovah. Saintsaino koa ange ny zavatra nataony tamin’ny alalan’ny fandaminany eto an-tany e! Tsy lavorary ireo olona mahatoky ampiasain’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny, nefa ampanaoviny asa be dia be. Manao ahoana ny asan’Andriamanitra raha ampitahaina amin’ny an’ireo olona hindrahindrain’ity tontolo ity? Azo antoka fa hiaiky toa an’i Davida ianao hoe: “Tsy misy tahaka Anao, Tompo ô, amin’ireo andriamanitra; ary tsy misy tahaka ny asanao.”—Salamo 86:8.

12 Voatosika hanahaka an’i Davida isika, ka hidera an’i Jehovah foana noho ireo asany tsy manan-tsahala. Mientam-po koa isika mahafantatra fa efa manjaka izao i Jesosy Kristy, ilay Mpandova mandrakizay ny seza fiandrianan’i Davida. (Apokalypsy 11:15) Midika izany fa hifarana tsy ho ela ity tontolo ity, ary tandindomin-doza ny hoavin’ireo olona enina arivo tapitrisa mahery eto an-tany. Ilaina maika noho ny hatramin’izay àry ny miresaka amin’ny hafa momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy izay hataony tsy ho ela ho an’ny olombelona. Mila ampiana koa izy ireo mba hidera an’i Jehovah miaraka amintsika. Tokony hanararaotra ny fotoana rehetra àry isika mba hampirisihana ny hafa hanaiky an’io ‘vaovao tsara’ io, dieny tsy mbola tara loatra. Izany no tokony ho zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainantsika!—Matio 24:14.

13. a) Iza no reharehan’i Davida, ary iza no nanatona an’i Jehovah noho izany? b) Nahoana ireo mpandefitra no manatona ny fiangonana kristianina ankehitriny?

13 “Jehovah no reharehan’ny fanahiko; hahare izany ny mpandefitra ka ho faly.” (Salamo 34:2) Tsy nirehareha noho ny zava-bitany i Davida eo. Tsy nampieboebo azy, ohatra, ny fomba namitahany ny mpanjakan’i Gata. Takany fa voavonjy izy, satria nanampy sy niaro azy i Jehovah. (Ohabolana 21:1) I Jehovah àry no reharehan’i Davida fa tsy ny tenany. Nahatonga an’ireo mpandefitra hanatona an’i Jehovah izany. Nanandratra ny anaran’i Jehovah foana koa i Jesosy, ka nanjary nanatona an’i Jehovah ireo olona nanetry tena sy mora nampianarina. Manatona ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra koa ireo mpandefitra avy amin’ny firenena rehetra, ary i Jesosy no Lohan’io fiangonana io. (Kolosianina 1:18) Mandre an’ireo Kristianina manetry tena midera ny anaran’Andriamanitra ireo mpandefitra ireo. Mandre ny hafatra ara-baiboly koa izy ireo, ary mahazo ny hevitr’izy io noho ny fanampian’ny fanahy masina. Nahatonga azy ireo hanatona an’i Jehovah izany.—Jaona 6:44; Asan’ny Apostoly 16:14.

Manatanjaka ny finoantsika ny fivoriana

14. a) Nianina tamin’ny fiderana samirery an’i Jehovah ve i Davida? b) Inona no ohatra navelan’i Jesosy momba ny fanatrehana fivoriana?

14 “Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko; ary aoka hiara-manandratra ny anarany isika.” (Salamo 34:3) Tsy nianina tamin’ny fiderana samirery an’i Jehovah i Davida, fa nanasa tamim-pitiavana an’ireo namany mba hiaraka aminy hidera ny anaran’Andriamanitra. Faly nidera an’i Jehovah ampahibemaso koa i Jesosy Kristy, ilay Davida Lehibe. Nanao izany izy tao amin’ny synagoga, sy rehefa namonjy fety tao amin’ny tempoly tao Jerosalema, ary rehefa niaraka tamin’ny mpanara-dia azy. (Lioka 2:49; 4:16-19; 10:21; Jaona 18:20) Faly tokoa isika manahaka ny ohatra navelan’i Jesosy ka manararaotra ny fotoana rehetra mba hiderana an’i Jehovah miaraka amin’ny mpiray finoana. Izao indrindra no fotoana tokony hanaovantsika izany, satria ‘hitantsika fa manakaiky ny andro’!—Hebreo 10:24, 25.

15. a) Inona no vokatry ny zavatra niainan’i Davida, teo amin’ireo olona niaraka taminy? b) Inona no soa azo avy amin’ny fanatrehana fivoriana?

15 “Mitady an’i Jehovah aho, dia mamaly ahy Izy ka manafaka ahy amin’ny tahotro rehetra.” (Salamo 34:4) Zava-dehibe tamin’i Davida ny nanafahan’i Jehovah azy. Hoy àry izy: “Ity olo-mahantra ity niantso, dia nihaino Jehovah ka namonjy azy tamin’ny fahoriany rehetra.” (Salamo 34:6) Afaka mitantara zavatra mampahery isika rehefa miaraka amin’ny mpiray finoana amintsika. Azontsika resahina ny fomba nanampian’i Jehovah antsika, ka nahafahantsika niaritra toe-javatra sarotra. Manatanjaka ny finoan’izy ireo mantsy izany. Nanao toy izany i Davida, ka natanjaka ny finoan’ireo olona niaraka taminy. ‘Nijery [an’i Jehovah ireo namany ireo] ka miramirana, sady tsy nangaihay ny tavany.’ (Salamo 34:5) Tsy menatra na ‘nangaihay’ izy ireo, na dia teny am-pandosirana an’i Saoly Mpanjaka aza. Miramirana izy ireo satria natoky fa nanampy an’i Davida Andriamanitra. “Mijery” an’i Jehovah na miantehitra aminy toy izany koa ireo Kristianina efa hatramin’ny ela sy ireo vaovao. Miramirana izy ireo rehefa mahatsapa ny fanampian’i Jehovah. Izany no mampiseho fa tapa-kevitra ny tsy hivadika izy ireo.

Ankasitraho ny fanampian’ny anjely

16. Ahoana no ampiasan’i Jehovah ny anjeliny mba hiaro antsika?

16 “Ny Anjelin’i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy.” (Salamo 34:7) Fantatr’i Davida fa tsy izy irery no vonjen’i Jehovah. Marina fa efa nohosoran’i Jehovah ho mpanjakan’ny Israely izy, kanefa fantany fa mampiasa ny anjeliny i Jehovah mba hiaro ny mpanompony mahatoky rehetra, na olona ambony izy ireo na olon-tsotra. Arovan’i Jehovah koa ireo tena manompo azy, ankehitriny. Niezaka handripaka ny vahoakan’Andriamanitra ireo manam-pahefana tany Alemaina Nazia, Angola, Malawi, Mozambika, sy tany an-tany hafa. Tsy nahomby anefa izy ireo. Vao mainka mitombo isa sy miara-mankalaza ny anaran’i Jehovah ny mpanompony, any amin’ireo tany ireo. Nahoana? Satria mampiasa ny anjeliny masina i Jehovah, mba hiaro sy hitarika ny vahoakany.—Hebreo 1:14.

17. Ahoana no anampian’ny anjelin’Andriamanitra antsika?

17 Ataon’ny anjely koa izay hanesorana an’ireo olona manafintohina ny hafa eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah. (Matio 13:41; 18:6, 10) Manaisotra an’ireo zavatra manakantsakana ny fanompoantsika an’Andriamanitra ny anjely, na dia mety tsy ho tsapantsika aza izany. Miaro antsika amin’izay zavatra mety hanimba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah koa izy ireo. Ary ny lehibe indrindra dia ny hoe, mitarika antsika hanatontosa ny asa fitoriana ny “vaovao tsara mandrakizay” any amin’ny firenena rehetra ny anjely, na dia ao anatin’ny toe-javatra mampidi-doza aza no anaovana izany. (Apokalypsy 14:6) Maro amin’ireo tantara voarakitra ao amin’ny boky sy gazetin’ny Vavolombelon’i Jehovah no manaporofo ny fanampian’ny anjely. * Tena betsaka izy ireny, ka tsy tokony hoheverina ho kisendrasendra fotsiny.

18. a) Inona no tsy maintsy ataontsika raha tiantsika ny hahazo ny fanampian’ny anjely? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

18 Raha tiantsika hatrany ny hahazo ny tari-dalana sy ny fiarovan’ny anjely, dia tsy maintsy midera ny anaran’i Jehovah foana isika na misy manohitra aza. Tadidio fa tsy mitoby afa-tsy eo amin’ny “manodidina izay matahotra” an’i Jehovah ny anjely. Inona no tiana holazaina amin’izany? Inona no atao hoe tahotra an’Andriamanitra, ary ahoana no hananantsika azy io? Nahoana ilay Andriamanitra be fitiavana no maniry antsika hatahotra azy? Hovaliana ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

Ahoana no Havalinao?

• Inona no zava-tsarotra niaretan’i Davida tamin’izy mbola tanora?

• Inona no zava-dehibe indrindra amintsika?

• Ahoana no tokony hiheverantsika ny fivoriana kristianina?

• Ahoana no ampiasan’i Jehovah ny anjeliny mba hanampiana antsika?

[Fanontaniana]

[Sarintany, pejy 21]

(Jereo ny gazety)

Rama

Gata

Ziklaga

Gibea

Noba

Jerosalema

Betlehema

Adolama

Keila

Hebrona

Zifa

Horesa

Karmela

Maona

En-jedy

Ranomasin-tsira

[Sary nahazoan-dalana]

Sarintany: Based on maps copyrighted by Pictorial Archive (Near Eastern History) Est. and Survey of Israel

[Sary, pejy 21]

Nidera ny anaran’i Jehovah i Davida na dia tany am-pandosirana aza

[Sary, pejy 23]

Matanjaka ny finoantsika rehefa mandre fitantarana mampahery any amin’ireo fivoriana kristianina