Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Faly Miandry An’i Jehovah

Faly Miandry An’i Jehovah

Faly Miandry An’i Jehovah

EFA nihinana voankazo mbola tsy masaka ve ianao? Azo antoka fa nandiso fanantenana anao ny tsirony. Mila fotoana ny voankazo vao masaka, ary tena mahasoa ny miandry an’izay fotoana izay. Mahasoa koa ny miandry amin’ny lafin-javatra hafa. Hoy ny Baiboly: “Tsara ny miandry ny famonjen’i Jehovah amin’ny fanginana.” (Fitomaniana 3:26; Titosy 2:13) Ahoana avy no ampisehoan’ny Kristianina fa miandry an’i Jehovah izy? Inona no soa azontsika avy amin’izany?

Inona no atao hoe miandry an’Andriamanitra?

“Miandry sy manao an-tsaina foana ny fanatrehan’ny andron’i Jehovah” isika Kristianina. Tsy andrintsika izay hahazoana fanamaivanana, rehefa ‘horinganina ireo tsy matahotra an’Andriamanitra.’ (2 Petera 3:7, 12) Tena irin’i Jehovah ny hanafoana ny faharatsiana rehetra. Miandry anefa izy hatramin’izao, satria tiany hanome voninahitra ny anarany ny famonjeny ny Kristianina. Hoy ny Baiboly: “Te hampiseho ny fahatezerany sy hampahafantatra ny heriny Andriamanitra, nefa ... nandefitra sy be fahari-po tamin’ny fanaky ny fahatezerana izay mendrika ny haringana, mba hampahafantarany ny haren’ny voninahiny amin’ny fanaky ny famindram-po.” (Romanina 9:22, 23) Fantatr’i Jehovah ny fotoana tena tsara hamonjena ny mpanompony ankehitriny, toy ny tamin’ny andron’i Noa. (1 Petera 3:20) Ny miandry an’Andriamanitra àry dia midika hoe miandry ny fotoana hanaovany zavatra.

Mety ho sosotra isika indraindray eo am-piandrasana ny andron’i Jehovah, rehefa mahita fa miharatsy foana ny fitondran-tenan’ny olona. Hampahery antsika ny mieritreritra izay nosoratan’i Mika mpaminany, amin’ny fotoana toy izany. Hoy izy: “Lany tsy misy amin’ny tany intsony ny tsara fanahy; eny, tsy misy olo-marina ao amin’ny olombelona.” Hoy izy avy eo: “Izaho kosa dia hanandrandra an’i Jehovah, eny, hiandry an’Andriamanitry ny famonjena ahy aho.” (Mika 7:2, 7) Inona no toe-tsaina ilaina hananana mba ho vonona “hiandry” isika? Ahoana no ahitantsika fifaliana eo am-piandrasana an’Andriamanitra, na dia mahasorena aza matetika ny miandry?

Faly rehefa miandry

Hanana toe-tsaina tsara isika raha manahaka an’i Jehovah. “Andriamanitra falifaly” foana izy. (1 Timoty 1:11) Faly izy eo am-piandrasana, satria tsy mitsahatra miasa mba hanatanterahana ny fikasany. Tsy inona izany fa ny hanao izay hahalavorary an’ireo tia azy, araka ny efa niriny tamin’izy namorona ny olombelona. (Romanina 5:12; 6:23) Mahita vokatra tsara amin’ny asany izy. Olona an-tapitrisany tokoa izao no voasarika hanaraka ny fivavahana marina. Hoy i Jesosy: “Ny Raiko tsy mitsahatra miasa mandraka ankehitriny, ary izaho koa tsy mitsahatra miasa.” (Jaona 5:17) Tena ilaina ny manao zavatra ho an’ny hafa raha te ho sambatra. (Asan’ny Apostoly 20:35) Tsy mipetra-potsiny koa ny tena Kristianina eo am-piandrasana. Tsy mitsahatra manao zavatra kosa izy ireo mba hanampiana ny hafa hahafantatra ny fikasan’Andriamanitra momba ny olombelona.

Faly midera an’Andriamanitra foana ny olona mahatoky, eo am-piandrasana ny fotoana hanaovany zavatra. Diniho ny ohatr’i Davida mpanao salamo. Nanenjika azy ny mpanjakany, ary namadika azy ny namany akaiky sy ny zanany lahy. Nahita fifaliana ihany anefa ve i Davida, teo am-piandrasana ny fotoana hanamaivanan’i Jehovah ny fahoriana naterak’ireo zava-nitranga ireo? Hoy ny Salamo faha-71, izay mety ho nosoratan’i Davida ihany: “Izaho ... dia hanantena [na hiandry] mandrakariva, ary hitombo lalandava ny fiderako Anao. Ny vavako hitory ny fahamarinanao sy ny famonjenao mandrakariva.” (Salamo 71:14, 15) Tsy sorena i Davida teo am-piandrasana. Faly kosa izy satria nazoto nidera an’i Jehovah, ary nampahery an’ireo nanaraka ny fivavahana marina.—Salamo 71:23.

Ny miandry an’i Jehovah dia tsy mahasorena toy ny miandry sakafo tsy mety masaka, amin’ny fotoana maha maika anao. Toy ny tsapan’ny ray aman-dreny faly miandry zanaka ho lehibe mba ho reharehany kosa izy io. Manabe izy ireo, manoro hevitra, manafay ary manao zavatra betsaka mandritra ny taona maro, mba hahatongavana amin’ny tanjona tiany hotratrarina. Toy izany koa fa faly isika manampy ny hafa hanatona an’i Jehovah, eo am-piandrasana azy. Tiantsika koa ny hahazo sitraka amin’Andriamanitra, ka ho voavonjy amin’ny farany.

Manantena foana

Ny miandry an’i Jehovah koa dia midika hoe tia sy manompo azy hatrany, sady manana fanantenana foana. Mety tsy ho mora izany ho an’ny ankamaroan’ny mpanompon’Andriamanitra. Fanaon’ny olona ankehitriny mantsy ny maneso an’izay mino ny fampanantenan’Andriamanitra sy miaina mifanaraka amin’izany. Diniho anefa ny ohatr’ireo Israelita nahatoky, babo tany Babylona nandritra ny 70 taona. Namelombelona ny fanantenany foana izy ireo. Tamin’ny fomba ahoana? Azo antoka fa nampahery azy ireo ny namaky ny salamo. Milaza toy izao, ohatra, ny salamo iray efa voasoratra tamin’izany andro izany: “Ny teniny no nanantenako. Ny fanahiko miandry ny Tompo mihoatra noho ny fiandrin’ny mpiambina ny maraina, dia ny fiandrin’ny mpiambina ny maraina. Manantenà an’i Jehovah, ry Isiraely.”—Salamo 130:5-7.

Namelombelona tsy tapaka ny fanantenany ny Jiosy, rehefa namaky sy niresaka momba azy io. Novalian-tsoa izy ireo rehefa nisy nanafika i Babylona, tamin’ny farany. Jiosy nahatoky an’arivony no nankany Jerosalema avy hatrany. Izao no tsapan’izy ireo tamin’io fotoana io: “Fony Jehovah nampody an’i Ziona avy tamin’ny fahababoany, ... dia feno hehy ny vavantsika.” (Salamo 126:1, 2) Tsy nanary toky mihitsy ireo Jiosy ireo, fa nanao izay hanatanjahana ny finoany foana. Tsy nitsahatra nanao hira fiderana an’i Jehovah koa izy ireo.

Miezaka tsy tapaka mba hanatanjaka ny finoany koa ny tena Kristianina, izay miandry an’Andriamanitra amin’izao “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity” izao. Mianatra ny Tenin’Andriamanitra izy ireo, mifampahery, ary midera an’Andriamanitra foana amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakany.—Matio 24:3, 14.

Miandry mba handray soa avy amin’ny famaizana

Hoy i Jeremia mpaminany: “Tsara ny miandry ny famonjen’i Jehovah amin’ny fanginana.” (Fitomaniana 3:26) Te hilaza i Jeremia fa tsy tokony hitaraina ny vahoakan’i Jehovah rehefa nofaiziny, ka navelany horavana i Jerosalema. Hiana-javatra kosa izy ireo, raha mandinika ny tsy fankatoavany sy ny fanovana mila ataony eo amin’ny toe-tsainy.—Fitomaniana 3:40, 42.

Mila fotoana isika mba handraisan-tsoa avy amin’ny famaizan’i Jehovah, toy ny voankazo izay mila fotoana vao vokatra sy masaka tsara. Hoy ny Baiboly: “Mitondra vokatra hiadanana ho an’izay nomena fanazarana tamin’izany [ny famaizan’Andriamanitra]. Ary ny fahamarinana izany vokatra izany.” (Hebreo 12:11) Mila fotoana àry isika mba hanovana ny toe-tsaintsika hifanaraka amin’ny fanazarana omen’Andriamanitra. Aoka hatao hoe mamoy tombontsoa sasany eo anivon’ny fiangonana isika, noho ny zavatra tsy nety nataontsika. Tsy ho kivy na hanary toky isika amin’izay, raha vonona hiandry an’Andriamanitra. Mampahery izao teny nasain’Andriamanitra nosoratan’i Davida izao, amin’ny fotoana toy izany: “Fa indray mipì-maso ihany ny fahatezeran[’Andriamanitra]; nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin’ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina; fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.” (Salamo 30:5) Ho avy ny fotoana ‘hihobiantsika’, raha miezaka hahay hiandry isika, sady mampihatra ny torohevitra omen’ny Tenin’Andriamanitra sy ny fandaminany.

Mila fotoana ny fahamatorana

Maniry mafy ny hahazo andraikitra eo anivon’ny fiangonana angamba ianao, raha tanora na vita batisa vao haingana. Mila fotoana anefa ny olona iray vao matotra ka ho afaka hiantsoroka andraikitra toy izany. Hararaoty tsara àry izany fotoana izany mba handrosoanao eo amin’ny lafiny ara-panahy. Fotoana tsara hamakiana ny Baiboly iray manontolo sy hiezahana hanana toetra kristianina, ary hianarana ny fahaiza-mampianatra, ohatra, ny fahatanorana. (Mpitoriteny 12:1) Ho avy ny fotoana hanomezan’i Jehovah andraikitra bebe kokoa anao, raha manetry tena ianao ary miandry azy.

Mitaky faharetana koa ny manao mpianatra. Mitovy amin’ny asan’ny mpamboly izy io. Tsy maintsy manondraka tsy tapaka ny voa namboleny izy, mandra-pahatongan’ny fotoana hampitomboan’Andriamanitra azy io. (1 Korintianina 3:7; Jakoba 5:7) Mila maharitra koa isika rehefa mampianatra Baiboly. Mety hila hanampy an’ilay olona mandritra ny volana na taona maro mihitsy aza mantsy isika, vao hanana finoana sy hankasitraka an’i Jehovah izy. Midika hoe manana fikirizana koa ny hoe miandry an’i Jehovah. Ilaina izany na dia tsy mampihatra avy hatrany ny zavatra ianarany aza ilay olona. Mety ho azo lazaina hoe manaiky hotarihin’ny fanahin’i Jehovah ihany anefa izy, raha mampiseho fankasitrahana na dia kely fotsiny aza. Ho faly ianao raha maneho faharetana, satria mety ho lasa mpianatr’i Kristy izy, noho ny fanampian’i Jehovah.—Matio 28:20.

Fanehoana fitiavana ny fiandrasana

Diniho ny ohatry ny Bebe iray mipetraka any amin’ny faritra ngazana any Andes, any Amerika Atsimo. Ho hitantsika avy amin’izy io fa maneho fitiavana sy fatokisana isika rehefa miandry. Izy sy ny anabavy iray ihany no Vavolombelon’i Jehovah ao an-tanànany. Alao sary an-tsaina hoe misy mpiara-manompo hitsidika azy ireo. Tsy ho tsindrin-daona erỳ ve izy ireo miandry azy? Nisy mpiandraikitra ny faritra tokoa nandeha nitsidika azy ireo indray mandeha. Sambany izy vao nankany ka diso lalana. Tsy maintsy niverina izy ary ora maro vao tonga. Efa dila ela ny misasakalina vao tazany lavitra ilay tanàna. Tsy nisy elektrisite ilay toerana, ka gaga izy nahita jiro iray nirehitra. Faly erỳ izy rehefa niditra an’ilay tanàna, ary nahita fa hay hazavana avy tamin’ny jiro solitany teny an-tanan’ilay Bebe ka nakariny ambony ilay tazany! Niandry i Bebe satria natoky fa ho tonga ilay mpiandraikitra.

Maharitra toa an’i Bebe koa isika, ka faly miandry an’i Jehovah. Matoky mantsy isika fa hanatanteraka ny fampanantenany izy. Toa an’ilay mpiandraikitra mpitety faritany, dia mankasitraka an’ireo miandry antsika amim-pitiavana koa isika. Tsy mahagaga àry raha tian’Andriamanitra ireo miandry azy. Hoy ny Baiboly: “Jehovah mankasitraka izay ... manantena [na miandry] ny famindrampony.”—Salamo 147:11.

[Sary, pejy 18]

Faly miandry an’i Jehovah ireo mazoto midera azy