Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hahita Fahafaham-po Izay Matahotra An’i Jehovah

Hahita Fahafaham-po Izay Matahotra An’i Jehovah

Hahita Fahafaham-po Izay Matahotra An’i Jehovah

“Matahora an’i Jehovah, hianareo olony masina; fa tsy hanan-java-mahory izay matahotra Azy.”—SALAMO 34:9.

1, 2. a) Samy hafa ny fomba fihevitry ny Kristianina Anarana momba ny tahotra an’Andriamanitra. Inona avy izany? b) Inona avy ny fanontaniana hodinihintsika?

AMPIANARIN’NY mpitondra fivavahana sasany ao amin’ny Kristianisma Anarana, fa tokony hatahotra an’Andriamanitra ny olona, satria saziny mandrakizay ao amin’ny afobe ny mpanota. Milaza anefa ny Baiboly fa Andriamanitra fitiavana sy tia rariny i Jehovah, ka tsy manasazy olona any amin’ny afobe. (Genesisy 3:19; Deoteronomia 32:4; Romanina 6:23; 1 Jaona 4:8) Ny mpitondra fivavahana hafa kosa tsy mampirisika ny olona hatahotra an’Andriamanitra mihitsy. Lazainy fa avelan’Andriamanitra hanao izay tiany ny olona, ary saika ny olona rehetra no ankasitrahany, na manao ahoana na manao ahoana fomba fiainany. Tsy mampianatra an’izany koa ny Baiboly.—Galatianina 5:19-21.

2 Tena mampirisika antsika hatahotra an’Andriamanitra ny Baiboly. (Apokalypsy 14:7) Mety hanontany anefa isika hoe: Nahoana ilay Andriamanitra be fitiavana no mampirisika antsika hatahotra azy? Tahotra manao ahoana izany? Inona no soa raisintsika raha matahotra an’Andriamanitra isika? Hotohizintsika ny fandinihana ny Salamo 34 mba hamaliana ireo fanontaniana ireo.

Nahoana isika no tokony hatahotra an’Andriamanitra?

3. a) Ahoana no fiheveranao ny tahotra an’Andriamanitra? b) Nahoana no sambatra ireo olona matahotra an’i Jehovah?

3 Tokony hatahotra an’i Jehovah isika, satria izy no Mpamorona sy Mpanjakan’izao rehetra izao. (1 Petera 2:17) Tsy horohoro noho ny fahatahorana andriamanitra lozabe iray anefa izany. Izany kosa dia tahotra sy fanajana an’i Jehovah amin’ny maha Andriamanitra azy. Tahotra ny tsy hampifaly azy koa izy io. Mahafaly sy mamelombelona ny tahotra an’Andriamanitra fa tsy mahakivy na mampihorohoro. “Andriamanitra falifaly” i Jehovah ka iriny hifaly amin’ny fiainana ny olombelona. (1 Timoty 1:11) Tokony hiaina mifanaraka amin’izay takiny anefa isika, raha te hahita fahafaham-po. Olona maro àry no nanova ny fomba fiainany. Tsapan’izay rehetra nanao izany fa marina ity tenin’i Davida mpanao salamo ity: “Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy. Matahora an’i Jehovah, hianareo olony masina; fa tsy hanan-java-mahory izay matahotra Azy.” (Salamo 34:8, 9) Tsy orin-java-tsoa izay rehetra matahotra an’i Jehovah, satria manana fifandraisana tsara aminy.

4. Inona no fampanantenana nomen’i Davida sy Jesosy?

4 Mariho fa nanome voninahitra an’ireo lehilahy nomba azy i Davida ka niantso azy ireo hoe ‘olo-masina.’ Anisan’ilay firenena masin’Andriamanitra izy ireo, ary nanao vivery ny ainy mba hanarahana an’i Davida. Natoky i Davida fa hanome izay tena ilain’izy ireo foana i Jehovah, na dia teny am-pandosirana an’i Saoly Mpanjaka aza. Hoy izy: “Na dia ny liona tanora aza tsy ampy hanina ka noana; fa izay mitady an’i Jehovah kosa dia tsy ho orin-java-tsoa.” (Salamo 34:10) Toy izany koa ny fampanantenana nomen’i Jesosy ny mpanara-dia azy.—Matio 6:33.

5. a) Olona nanao ahoana ny maro tamin’ireo mpanara-dia an’i Jesosy? b) Iza no tokony hatahorana araka ny torohevitr’i Jesosy?

5 Jiosy nahantra sy ambany saranga ny maro tamin’ireo nihaino an’i Jesosy. “Nangoraka” azy ireo i Jesosy, “satria nampahorina sady naparitaka toy ny ondry tsy misy mpiandry ireo.” (Matio 9:36) Nanana herim-po hanarahana an’i Jesosy ve ireo olona ambany saranga ireo? Nahavita izany izy ireo raha natahotra an’i Jehovah fa tsy natahotra olona. Hoy i Jesosy: “Aza matahotra an’izay mamono mahafaty anareo, nefa avy eo tsy mahay manao mihoatra noho izany akory. Fa hatoroko anareo kosa izay tokony hatahoranareo: Matahora an’ilay manana fahefana hanipy any amin’ny Gehena rehefa avy namono ho faty. Eny, hoy aho aminareo, matahora Azy. Tsy vola madinika roa kely vidy ve no ivarotana fody dimy? Tsy misy hadinoina eo anatrehan’Andriamanitra anefa ireny, na iray akory aza. Fa na ny volon-dohanareo aza voaisa avokoa. Koa aza matahotra fa sarobidy noho ny fody maro ianareo.”—Lioka 12:4-7.

6. a) Inona no tenin’i Jesosy mampahery ny Kristianina? b) Nahoana i Jesosy no ohatra tsara indrindra amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra?

6 Mety hahatsiaro an’ity torohevitr’i Jesosy ity ny olona matahotra an’i Jehovah, rehefa raran’ny fahavalony tsy hanompo an’Andriamanitra: “Izay manaiky eo anatrehan’ny olona fa tafaray amiko, dia mba heken’ny Zanak’olona koa eo anatrehan’ny anjelin’Andriamanitra fa tafaray aminy. Fa izay mandà ahy eo anatrehan’ny olona dia holavina koa eo anatrehan’ny anjelin’Andriamanitra.” (Lioka 12:8, 9) Mampahery ny Kristianina ireo teny ireo, indrindra fa ireo any amin’ny tany andrarana ny fivavahana marina. Midera an’i Jehovah hatrany izy ireo any am-pivoriana sy eny amin’ny fanompoana, ary malina tsara rehefa manao izany. (Asan’ny Apostoly 5:29) I Jesosy no namela ohatra tsara indrindra amin’ny ‘fahatahorana an’Andriamanitra.’ (Hebreo 5:7) Hoy ny faminaniana momba azy: ‘Ny Fanahin’i Jehovah hitoetra ao aminy, dia ny Fanahin’ny fahatahorana an’i Jehovah; ary ho hanitra ankasitrahana aminy ny fahatahorana an’i Jehovah.’ (Isaia 11:2, 3) I Jesosy àry no tsara toerana indrindra mba hampianatra antsika hatahotra an’Andriamanitra sy handray soa avy amin’izany.

7. a) Inona no hataon’ny Kristianina, raha manaiky ny fanasan’i Jesosy izy ireo? b) Ahoana no anahafan’ny ray aman-dreny ny ohatra tsara navelan’i Davida?

7 Maro ny olona manahaka ny ohatra navelan’i Jesosy sy mampihatra izay nampianariny. Manaiky ny fanasan’i Jesosy izy ireo, raha ny marina, ary mitovy amin’ity fanasan’i Davida ity izany: “Avia, anaka, mihainoa ahy; ny fahatahorana an’i Jehovah no hampianariko anareo.” (Salamo 34:11) Nantsoin’i Davida hoe “anaka” ireo olona niaraka taminy. Nety tsara izany satria nihevitra azy ho mpitarika ireo lehilahy ireo. I Davida kosa nanampy azy ireo hatahotra an’i Jehovah, mba hahatafaray azy ireo sy hahazoany sitraka amin’Andriamanitra. Izany ka ohatra tsara ho an’ny ray aman-dreny kristianina! Nodidian’i Jehovah mantsy izy ireo, mba ‘hitaiza hatrany [ny zanany lahy sy ny zanany vavy] araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah.’ (Efesianina 6:4) Manampy ny zanany hahita fahafaham-po sy hatahotra an’i Jehovah ny ray aman-dreny, raha miresaka aminy isan’andro ny momba an’Andriamanitra, sady mampianatra Baiboly azy ireo tsy tapaka.—Deoteronomia 6:6, 7.

Ahoana no hanehoantsika tahotra an’Andriamanitra?

8, 9. a) Nahoana no tena ilaina ny tahotra an’Andriamanitra? b) Inona no tafiditra amin’ny hoe miaro ny lela?

8 Tsy mampahory ny tahotra an’i Jehovah, araka ny efa hitantsika terỳ aloha. Inona no tokony hataon’izay “maniry fiainana ka tia andro maro hahitana ny soa”? (Salamo 34:12) Nasehon’i Davida fa tena ilaina ny tahotra an’i Jehovah, raha tiantsika ny ho ela velona sy hahita soa. Mora anefa ny miteny hoe: “Matahotra an’Andriamanitra aho.” Sarotra kosa ny maneho izany amin’ny fitondran-tena. Nohazavain’i Davida àry ny fomba hanehoana tahotra an’Andriamanitra.

9 “Arovy ny lelanao amin’ny ratsy ary ny molotrao mba tsy hiteny fitaka.” (Salamo 34:13) Nahazo ny herin’ny fanahy masina ny apostoly Petera ka namerina an’io andinin-teny io, rehefa avy nananatra ny Kristianina mba hifankatia toy ny mpirahalahy. (1 Petera 3:8-12) Tsy hampiely fosafosa mihitsy isika raha miaro ny lelantsika amin’ny ratsy, fa hiezaka hatrany mba hampahery ny hafa. Hisikina herim-po koa isika mba hilazana ny marina.—Efesianina 4:25, 29, 31; Jakoba 5:16.

10. a) Hazavao ny dikan’ny hoe manalavitra ny ratsy. b) Inona no tafiditra amin’ny hoe asa tsara?

10 Halaviro ny ratsy, ka manaova soa; mitadiava fihavanana, ka araho izany.” (Salamo 34:14) Halavirintsika ny zavatra raran’Andriamanitra, toy ny fitondran-tena maloto, halatra, herisetra, fimamoana, fifandraisana amin’ny fanahy ratsy, fidorohana zava-mahadomelina, ary ny fijerena sary vetaveta. Lavintsika koa ny fialam-boly misy an’ireo zavatra maharikoriko ireo. (Efesianina 5:10-12) Mampiasa ny fotoanantsika kosa isika mba hanaovan-tsoa. Manao ny asa tsara indrindra isika rehefa mitory sy mampianatra tsy tapaka, satria manampy ny hafa hahazo famonjena. (Matio 24:14; 28:19, 20) Manao asa tsara koa isika rehefa manomana sy manatrika fivoriana kristianina, manohana ara-bola ny asa maneran-tany, mikojakoja Efitrano Fanjakana, ary mikarakara izay ilain’ny Kristianina sahirana.

11. a) Ahoana no nampisehoan’i Davida fa nitandro fihavanana izy? b) Inona no azonao atao mba hitandroana ny fihavanana eo anivon’ny fiangonana?

11 Namela modely ho antsika i Davida noho izy nitandro fihavanana foana. Indroa izy no afaka namono an’i Saoly, nefa tsy nanao izany. Te hamitram-pihavanana izy ka niresaka tamim-panajana tamin’ilay mpanjaka. (1 Samoela 24:9-12; 26:17-20) Inona no azontsika atao raha misy toe-javatra mitady hanimba ny fihavanan’ny fiangonana? Tokony ‘hitady fihavanana’ isika ka ‘hanaraka’ na hitandro izany. Hankatò an’ity tenin’i Jesosy ity àry isika, raha mahatsapa fa manana olana amin’ny mpiray finoana amintsika: “Mandehana aloha mihavana amin’ny rahalahinao.” Afaka manatontosa an’ireo lafim-panompoana samihafa isika avy eo.—Matio 5:23, 24; Efesianina 4:26.

Hahazoana valisoa tondraka ny tahotra an’Andriamanitra

12, 13. a) Inona no soa azon’ireo matahotra an’Andriamanitra ankehitriny? b) Inona no valisoa lehibe ho azon’ny mpanompon’i Jehovah mahatoky, amin’ny hoavy tsy ho ela?

12 “Ny mason’i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.” (Salamo 34:15) Manamarina an’ireo teny ireo ny zavatra nataon’Andriamanitra tamin’i Davida. Tena faly sy miadan-tsaina isika ankehitriny, satria fantatsika fa miahy antsika i Jehovah. Matoky isika fa hanome izay ilaintsika foana izy, eny fa na dia latsaka an-katerena aza isika. Fantatsika fa tsy ho ela ireo tena mpivavaka amin’i Jehovah dia hiatrika ny fanafihan’i Goga avy any Magoga, izay efa nambara mialoha. Efa antomotra koa ny “andron’i Jehovah, izay sady lehibe no mahatsiravina.” (Joela 2:11; 3:4; Ezekiela 38:14-18, 21-23) Ho tanteraka ity tenin’i Davida ity, na inona na inona toe-javatra hitranga amintsika: “Mitaraina ny marina, ary mihaino azy Jehovah ka mamonjy azy amin’ny fahoriany rehetra.”Salamo 34:17.

13 Ho faly tokoa isika amin’izay fotoana izay, rehefa hanandratra ny anarany lehibe i Jehovah! Tena hatahotra sy hanaja kokoa an’i Jehovah noho ny hatramin’izay isika, ary hanao izany amin’ny fontsika manontolo. Ho ringana sy ho afa-baraka kosa ireo rehetra manohitra an’i Jehovah. ‘Ny tavan’i Jehovah tezitra amin’ny mpanao ratsy, [ka] hofongorany tsy ho eo amin’ny tany ny fahatsiarovana azy.’ (Salamo 34:16) Handray valisoa tondraka tokoa isika rehefa hahazo izany fanafahana lehibe izany, ka hiaina ao amin’ilay tontolo vaovao sy marina!

Fampanantenana manampy antsika hiaritra

14. Inona no hanampy antsika hiaritra, na dia eo aza ny fahoriana?

14 Mila miaritra isika mba hankatoavana an’i Jehovah foana, eto amin’ity tontolo ratsy sy feno fankahalana ity. Tena manampy antsika hankatò, ny tahotra an’Andriamanitra. Miaritra fahoriana mafy, izay mahavaky fo sy mahakivy, ny mpanompon’i Jehovah sasany, noho isika miaina amin’ny andro mahory. Afaka matoky tanteraka anefa izy ireo, fa hampian’i Jehovah hiaritra raha miantehitra aminy. Tena mampionona ny tenin’i Davida hoe: “Akaikin’izay manana fo mangorakoraka Jehovah ary mamonjy izay torotoro fanahy.” (Salamo 34:18) Mampahery koa ilay teniny manaraka hoe: “Maro ny fahorian’ny marina; nefa Jehovah manafaka azy amin’izany rehetra izany.” (Salamo 34:19) Na maro toy inona aza ny fahoriantsika, dia afaka mamonjy antsika i Jehovah.

15, 16. a) Inona no ren’i Davida, tsy ela taorian’ny namoronany ny Salamo 34? b) Inona no hanampy antsika hiaritra fitsapana?

15 Ren’i Davida ny namonoan’i Saoly ny mponin’i Noba sy ny ankamaroan’ny mpisorona tao, tsy ela taorian’ny namoronany ny Salamo 34. Tsy maintsy ho nalahelo tokoa izy rehefa nieritreritra fa ny fandalovany tao Noba no nampipoaka ny hatezeran’i Saoly! (1 Samoela 22:13, 18-21) Azo antoka fa nitady fanampiana tamin’i Jehovah i Davida, ary tena nampionona azy ny fanantenana fa hisy ny “fitsanganan’ny marina.”—Asan’ny Apostoly 24:15.

16 Mampahery antsika koa ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty. Fantatsika fa tsy hampijaly antsika mandrakizay ny zavatra ataon’ny fahavalontsika amintsika. (Matio 10:28) Tena natoky an’izany koa i Davida ka hoy izy: “Miaro ny taolan[’ny olo-marina] rehetra Izy; tsy hisy ho tapaka ireny na dia iray akory aza.” (Salamo 34:20) Tanteraka tamin’i Jesosy io andinin-teny io. Tsy nisy “torotoro” ny taolany, na dia novonoina tamin-kabibiana aza izy. (Jaona 19:36) Manana heviny an’ohatra koa anefa izy io, ary ho tanteraka amin’ny sisa voahosotra sy ny “ondry hafa.” Manome toky ny Salamo 34:20, fa tsy haharitra mandrakizay ny voka-dratsin’ny fitsapana rehetra mety hihatra amintsika. Tsy ho torotoro mihitsy ny taolantsika, raha azo atao ny milaza izany.—Jaona 10:16.

17. Inona no loza miandry an’ireo mankahala ny vahoakan’i Jehovah, raha tsy miova izy ireo?

17 Hafa kosa ny hanjo ny ratsy fanahy. Tsy ho ela izy ireo dia hijinja izay nafafiny. “Hahafaty ny ratsy fanahy ny fahoriana; ary ny mankahala ny olo-marina hohelohina.” (Salamo 34:21) Ho tratran’ny loza faran’izay mafy ireo rehetra manohy manohitra ny vahoakan’Andriamanitra. “Hiharan’ny sazy vokatry ny didim-pitsarana ireo, dia fandringanana mandrakizay”, rehefa ho avy i Jesosy Kristy.—2 Tesalonianina 1:9.

18. Nahoana no azo lazaina fa efa navotana ny “vahoaka be”, ary inona no soa horaisin’izy ireo amin’ny hoavy?

18 Mifarana amin’izao teny manome toky izao ilay salamo nataon’i Davida: “Fa Jehovah manavotra ny fanahin’ny mpanompony, ka tsy mba hisy hohelohina izay rehetra mialoka aminy.” (Salamo 34:22) Hoy i Davida Mpanjaka, taloha kelin’ny nifaranan’ireo 40 taona nanjakany: “Namonjy ny aiko tamin’ny fahoriana rehetra” Andriamanitra. (1 Mpanjaka 1:29) Tsy ho ela koa ireo matahotra an’i Jehovah, dia ho afaka hitodika ny lasa toa an’i Davida, ary ho faly satria nafahana tamin’ny fanamelohana noho ny ota, sady voavonjy tamin’ny fitsapana rehetra nahazo azy ireo. Efa nahazo ny valisoany any an-danitra ny ankamaroan’ireo Kristianina voahosotra. Ireo “vahoaka be” avy amin’ny firenena rehetra kosa, manompo an’Andriamanitra miaraka amin’ireo rahalahin’i Jesosy mbola eto an-tany, ka lasa manana laza tsara eo anatrehan’i Jehovah. Mahazo izany fitahiana izany izy ireo, satria mino fa afaka manavotra azy ireo ny ran’i Jesosy. Handray soa feno avy amin’ny sorom-panavotan’i Kristy izy ireo, mandritra ilay Fanjakana Arivo Taona ho avy, ka ho lasa lavorary.—Apokalypsy 7:9, 14, 17; 21:3-5.

19. Tapa-kevitra ny hanao inona ny “vahoaka be”?

19 Nahoana ny “vahoaka be” no hahazo an’izany fitahiana rehetra izany? Satria izy ireo tapa-kevitra ny hatahotra sy hanaja an’i Jehovah foana, ary vonona hanohy hanompo sy hankatò azy. Tena mahatonga ny fiainana hahafa-po tokoa ny tahotra an’i Jehovah, na dia ankehitriny aza. Manampy antsika koa izy io mba “hihazona mafy ny tena fiainana”, dia ilay fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra.—1 Timoty 6:12, 18, 19; Apokalypsy 15:3, 4.

Tadidinao Ve?

• Nahoana isika no tokony hatahotra an’Andriamanitra, ary inona no dikan’izany?

• Inona no tokony ho vokatry ny tahotra an’Andriamanitra eo amin’ny fitondran-tenantsika?

• Inona no valisoa azon’ireo matahotra an’Andriamanitra?

• Inona avy ireo fampanantenana manampy antsika hiaritra?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 26]

Malina tsara ireo olona matahotra an’i Jehovah rehefa misy fandrarana

[Sary, pejy 28]

Ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana amin’ny mpiara-belona no asa tsara indrindra azontsika atao