Mety Daholo ve Izay Fivavahana Fidinao?
Mety Daholo ve Izay Fivavahana Fidinao?
TIAN’NY ankamaroantsika raha betsaka azo isafidianana ny entana amidy eny an-tsena. Rehefa misy voankazo sy legioma isan-karazany, ohatra, eny, dia afaka mifidy izay tena tiantsika sy mahasoa ny fianakaviantsika isika. Afaka mifidy izay akanjo tena mety amintsika koa isika, rehefa misy akanjo isan-karazany sy takatry ny volantsika eny amin’ny magazay. Tsy dia zava-dehibe loatra ny safidy sasany ataontsika, fa miankina amin’izay zavatra tiantsika fotsiny. Misy safidy iankinan’ny aina anefa, toy ny fifidianana sakafo na namana. Ahoana kosa ny amin’ny fivavahana? Tsy dia zava-dehibe ve izay safidy ataontsika, fa miankina amin’izay tiantsika fotsiny? Sa kosa tena miankina amin’izay fivavahana fidintsika ny fahasambarantsika?
Betsaka ankehitriny ny fivavahana azo isafidianana. Afaka mifidy malalaka izay fivavahana tiany harahina ny olona any amin’ny tany maro, ka tsy mampaninona azy ireo intsony ny miala amin’ny fivavahan’ny ray aman-dreniny. Hita tamin’ny fanadihadiana iray natao tany Etazonia, ohatra, fa ny 80 isan-jaton’ny Amerikanina no “mino hoe tsy fivavahana iray ihany no hahazoana ny famonjena.” Ny “ampahadimin’ny olona nanontaniana no nilaza fa niova fivavahana rehefa lasa olon-dehibe.” Hita tamin’ny fanadihadiana natao tany Brezila koa, fa efa ho ny ampahefatry ny Brezilianina no niova fivavahana.
Niady hevitra be momba ny foto-pinoana mampiavaka ny fivavahana iray amin’ny fivavahana hafa ny olona, taloha. Maro kosa ankehitriny no milaza hoe: ‘Mety daholo izay fivavahana fidinao.’ Izany tokoa ve no izy? Sa miankina amin’izay safidy ataonao ny fahasambaranao?
Manontany momba ny niavian’ny entana amidy aminy ny mpividy malina. Tokony ho malina koa àry ianao, ka hanontany hoe: ‘Nahoana no be dia be toy izao ny fivavahana, ary ahoana no nampisy azy ireny?’ Misy valin’izany ao amin’ny Baiboly.
Ahoana no nampisy ny fivavahana maro?
Namorona fivavahana vaovao teo amin’ny Israely i Jeroboama 1 Mpanjaka 12:28) Hita araka izany fa namorona fivavahana vaovao izy, mba tsy hankanesan’ny olona any Jerosalema. Tany mantsy no toerana nivavahan’izy ireo, nefa tany koa no foiben’ny fanjakan’ny foko roa tany atsimo. Naharitra taonjato maro ilay fivavahana noforonin’i Jeroboama. Fivadiham-pinoana anefa izany, ka nosazin’Andriamanitra ilay firenena tamin’ny farany. An-tapitrisany ny Israelita maty na nalefa sesitany. Nataon’i Jeroboama fitaovana politika àry ny fivavahana. Toy izany koa no nampisy ny fivavahana sasany hitantsika ankehitriny. Mpanao politika no namorona azy ireny, mba hananany fahefana bebe kokoa.
Mpanjaka, arivo taona teo ho eo talohan’ny nahatongavan’i Jesosy teto an-tany. I Jeroboama no mpanjaka voalohany teo amin’ny fanjakan’ny foko folo tany avaratra. Sarotra taminy ny nitaona ny olona hanatanteraka ny tanjony. Nitady hevitra àry izy, ka “nanao ombilahy kely volamena roa; ary hoy izy tamin’ny olona: Aoka izay ny fiakaranareo any Jerosalema! Ry Isiraely ô, indreo ny andriamanitrao.” (Misy antony hafa koa mahatonga ny olona hamorona fivavahana vaovao, araka ny tenin’ny apostoly Paoly. Hoy izy: “Fantatro fa rehefa lasa aho, dia hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo, ary tsy hiantra ny ondry ireny. Ary avy aminareo ihany no hipoiran’ny olona manolana hevi-teny mba hitaomana ny mpianatra hanaraka azy.” (Asan’ny Apostoly 20:29, 30) Te halaza mazàna ny mpitondra fivavahana sasany, ka mamorona fivavahana vaovao. Misy tsy fifanarahana maro anefa eo anivon’ny fivavahana mihambo ho Kristianina, ka lasa mizarazara be izy ireny.
Te hampifaly an’iza ny fivavahana?
Misy koa mamorona fivavahana vaovao mba hanaovana izay mahafinaritra ny olona. Miresaka momba an’ireo fivavahana amerikanina misy mpiangona an’arivony, ohatra, ny gazety Toe-karena (anglisy). Milaza io gazety io fa mihabetsaka ny mpiangona ao amin’ireny fivavahana ireny, noho izy ireo “maka tahaka ny tetika fampiasan’ny mpandraharaha mahomby. Ataony mantsy izay hahatamana ny olona.” Misy amin’izy ireny, ohatra, “mampiala voly ny olona mandritra ny fotoam-pivavahana, ka mandefa video sy fampisehoana tantara ary mozika maoderina.” Milaza koa ny mpitondra fivavahana sasany, fa mampianatra ny mpiangona ao aminy izy ireo hoe inona no atao, raha te “hanan-karena sy ho salama ary tsy hanana ahiahy.” Resahin’ny gazety Toe-karena fa misy olona manakiana an’ireny fivavahana ireny, ka milaza fa mody mampiala voly na ‘manoro hevitra’ ny mpiangona izy ireny, mba hahazoam-bola. Tsy marina anefa izany, hoy ihany io gazety io, fa “manao izay mahafinaritra ny olona fotsiny” izy ireo. Nilaza ilay gazety teo am-pamaranana hoe: ‘Tena nahomby ireny fivavahana ireny, noho izy ireo nampiasa ny tetika fanaon’ny mpandraharaha.’
Marina fa tsy hita avy hatrany hoe maka tahaka ny tetika fanaon’ny mpandraharaha ny fivavahana hafa. Mety ‘hanao izay mahafinaritra ny olona’ koa anefa izy ireny. Mampitandrina antsika toy izao i Paoly: ‘Ho avy ny fotoana tsy hahazakan’ny olona ny fampianarana mahasoa ka hanangonany mpampianatra ho an’ny tenany, araka izay iriny, mba handrenesany zavatra mahafinaritra ny sofiny. Ary tsy hihaino ny fahamarinana intsony izy, fa hivily kosa ho amin’ny tantara tsy marina.’—2 Timoty 4:3, 4.
Hitantsika teo ny antony nampisy ny fivavahana maro. Tsy hoe te hampifaly an’Andriamanitra ny olona namorona azy ireny, fa te hanana fahefana bebe kokoa, na te halaza. Misy koa te hanao izay mahafinaritra ny mpiangona fotsiny. Tsy mahagaga àry raha feno faharatsiana eo anivon’ny fivavahana, anisan’izany ny fametavetana ankizy, fisolokiana, ady, ary fampihorohoroana. Matetika no ampiasain’ny olona hamitahana ny fivavahana. Inona no azonao atao mba tsy ho voafitaka ianao?
[Teny notsongaina, pejy 4]
Ahoana no nampisy ny fivavahana maro? Tsy hoe te hampifaly an’Andriamanitra ny olona namorona azy ireny, fa te hanana fahefana bebe kokoa, na te halaza. Misy koa te hanao izay mahafinaritra ny mpiangona fotsiny