Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miandry An’ilay Fanjakana “Tsy Anisan’ity Tontolo Ity”

Miandry An’ilay Fanjakana “Tsy Anisan’ity Tontolo Ity”

Tantaram-piainana

Miandry An’ilay Fanjakana “Tsy Anisan’ity Tontolo Ity”

Notantarain’i Nikolai Gutsulyak

Nisy fikomiana tao amin’ny fonja nisy ahy, nandritra ny 41 andro sy 41 alina. Niantsambotra tampoka tao am-pandriana aho, fa nisy tafondro nirefotra. Nirohotra nankao amin’ilay toby nisy anay avy eo ny tanky sy ny miaramila, ary nanafika an’ireo voafonja. An-tenda ny aiko.

NAHOANA aho no tao amin’io fonja io? Aleo hohazavaiko. Tamin’ny 1954 izany no nitranga, tamin’izaho 30 taona. Maro ny Vavolombelon’i Jehovah naiditra am-ponja teo ambany fitondrana sovietika, satria niresaka momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy tsy nety nanao politika, ary anisan’ireny aho. Nisy 80 izahay no Vavolombelona tao: 46 ny lehilahy ary 34 ny vehivavy. Tany akaikin’ny tanànan’i Kengir, any afovoan’i Kazakhstan, ilay toby fiasana an-terivozona nisy anay. An’arivony ny voafonja niaraka taminay tao.

Maty herintaona talohan’io i Joseph Staline Filohan’ny Firaisana Sovietika, ary voafonja maro no nanantena fa hihaino ny fitarainany ny fitondrana vaovao tany Moscou. Nampijaly be mantsy ny fiainana tao am-ponja. Tsy faly izy ireo ka nikomy tamin’ny farany. Tsy ela dia nisy fifandonana teo amin’ireo mpikomy nafana fo sy ny miaramila mpiambina, ka tsy maintsy nanazava tsara tamin’izy ireo izahay Vavolombelona hoe tsy mandray anjara amin’izany. Tena nitaky finoana izany.

Nanomboka ny fikomiana

Nanomboka tamin’ny 16 Mey ny fikomiana tao amin’ilay toby. Voafonja 3 200 mahery no nitokona tsy nety niasa, roa andro taorian’izay. Nangataka ny hanatsarana ny fiainana tao am-ponja sy nitaky ny zon’ny gadra politika izy ireo. Nisesisesy haingana be ny zava-nitranga taorian’izay. Noteren’ny mpikomy hivoaka ny toby ny mpiambina. Nogorobahan’izy ireo avy eo ny tamboho. Noravany koa ny rindrina nanasaraka ny efitra fatorian’ny lehilahy sy ny vehivavy, mba ho tafaraka toy ny fianakaviana, hono, izy ireo. Falifaly be izy ireo ka nivady mihitsy aza ny sasany, ary mpitondra fivavahana nigadra tao ihany no nanao ny mariaziny. Nisy voafonja 14 000 tao amin’ny toerana telo nitrangan’ilay fikomiana tao amin’ny toby, ary nandray anjara ny ankamaroan’ireo.

Nanangana komity ny mpikomy mba hifampiraharaha tamin’ny miaramila. Tsy ela anefa dia tsy nifanaraka ny voafonja tao amin’ilay komity, ka nanjary ireo nafana fo indrindra no nitantana ny toby. Vao mainka nifandramatra ny mpikomy. Nanangana sampan-draharaha samihafa àry ny mpitarika ny fikomiana mba hisian’ny “filaminana”, hono. Tao ny mpitandro ny filaminana, tao ny tafika, tao ny mpampahafantatra vaovao. Nametraka tsato-kazo nanerana ny toby ny mpitarika, ary nanantona fanamafisam-peo teny. Nandefa hafatra nivaivay tamin’ireny izy ireo, mba hampirehitra ny hafanam-pon’ny mpikomy. Tsy nisy navelan’ny mpikomy handositra. Nosazin’izy ireo izay nanohitra. Nandrahona ny hamono avy hatrany an’izay tsy azoazony koa izy ireo. Niely aza ny tsaho hoe efa nisy voafonja novonoiny.

Efa nampoizin’ny mpikomy fa hanafika ny miaramila, ka niomana tsara izy ireo mba hiaro tena. Nandidy ny voafonja rehetra ny mpitarika mba hirongo fiadiana, amin’izay dia ho betsaka no ho afaka hiaro ny toby. Nongotan’ny voafonja àry ireo bara vy tamin’ny varavarankely, ka notefeny ho antsy sy fiadiana hafa. Nanana basy sy grenady mihitsy aza izy ireo.

Noterena hikomy

Nanatona ahy ny mpikomy roa lahy, indray andro. Nisy antsy vao avy noranitina teny amin’ny iray. Hoy izy: “Intỳ ny antsin’ialahy! Mila an’ity ialahy mba hiarovan-tena.” Nivavaka anakampo tamin’i Jehovah aho, mba hanampiany ahy ho tony. Hoy aho tamin’ilay lehilahy: “Kristianina aho, ary Vavolombelon’i Jehovah. Migadra eto izahay satria misy ady ataonay, saingy tsy ady amin’olona fa amin’ny fanahy ratsy tsy hita maso. Ny finoanay sy ny fanantenanay ny Fanjakan’Andriamanitra no fiadiana hanoheranay azy ireo.”—Efesianina 6:12.

Gaga aho fa nihatokatoka ilay lehilahy mba hampisehoana fa azony izay nolazaiko. Ilay iray kosa anefa nanisy totohondry mafy ahy. Lasa izy ireo avy eo. Nitety ny trano nisy ny voafonja ny mpikomy, ary niezaka nanery ny Vavolombelona hikomy koa. Nanda daholo anefa izahay, na rahalahy na anabavy.

Nodinihina tamin’ny fivorian’ny komitin’ireo mpikomy, ny tsy fetezan’ny Vavolombelon’i Jehovah handray anjara tamin’ilay fikomiana. Nanamarika izy ireo hoe: “Miaraka amintsika daholo ny olona avy amin’ny fivavahana rehetra, na Pentekotista, na Advantista, na Batista. Ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no tsy mety. Hataontsika ahoana ireo?” Nisy nandroso hevitra ny handefasana Vavolombelona iray ao anaty lafaoro mba hampitahorana anay. Nitsangana anefa ny voafonja iray. Manamboninahitra tao amin’ny tafika izy taloha ary nohajain’ny voafonja hafa. Hoy izy: “Tsy mety izany. Tokony hatokantsika ao amin’ny trano iray akaikin’ny tamboho, tsy lavitra ny vavahady, izy rehetra. Amin’izay ry zareo no maty voalohany, raha manafika antsika ny miaramila mitondra tanky. Tsy isika amin’izay no ho tompon’andraikitra amin’ny fahafatesany.” Nekena ny soso-keviny.

Natao teo am-bava loza

Tsy ela dia nisy voafonja nitety ny toby ary niantsoantso hoe: “Mivoaha tao ny Vavolombelon’i Jehovah!” Nentin’izy ireo tao amin’ny trano iray teo akaikin’ny tamboho izahay 80 avy eo. Navoakan’izy ireo ny fandriana mba hampahalalaka an’ilay izy, ary notereny hiditra izahay. Lasa fonja kely tao anatin’ny fonja ilay izy.

Nanambatra lamba firakotra maromaro ireo anabavy, mba hanasarahana an’ilay trano ho efitra roa, ho an’ny lehilahy sy ho an’ny vehivavy. (Nataon’ny rahalahy rosianina iray sary izany tatỳ aoriana, ary hita eto ambany.) Nivavaka matetika izahay tao amin’io trano tery kely io, ary nitalaho mafy tamin’i Jehovah mba hanome anay fahendrena sy “hery fanampiny.”—2 Korintianina 4:7.

Teo anelanelan’ny mpikomy sy ny tafika sovietika no nisy anay, ary nampidi-doza izany. Tsy fantatray mihitsy izay hataon’izy ireo. Hoy ny rahalahy be taona iray mahatoky: “Aleo tsy manombantombana lava eto. Matokia fa tsy handao antsika i Jehovah.”

Tena niavaka ny fiaretana nananan’ireo anabavy kristianina malalanay, na antitra na tanora. Efa 80 taona teo ho eo ny iray, ary nila fanampiana manokana. Narary ny sasany, ary nila fitsaboana. Tsy maintsy nosokafana foana ny varavarana, mba hahafahan’ny mpikomy hanara-maso anay tsy tapaka. Nankao aminay koa ny voafonja nitam-piadiana tamin’ny alina. Renay izy ireo indraindray niteny hoe: “Matory ny Fanjakan’Andriamanitra.” Rehefa navela nankany amin’ny efitra fisakafoana izahay tamin’ny antoandro, dia niaraka foana ary nivavaka tamin’i Jehovah mba hiaro anay tamin’ireo lehilahy mahery setra.

Niezaka nifampahery izahay, tao amin’ilay trano nisy anay. Matetika, ohatra, no niresaka tantara ao amin’ny Baiboly ny rahalahy iray. Niteny mafy izy mba ho ren’ny rehetra. Nohazavainy avy eo ny ifandraisan’ilay tantara tamin’izay nanjo anay. Nisy rahalahy iray be taona koa tena tia niresaka momba ny tafik’i Gideona. Nampahatsiahy anay izy hoe: “Niady tamin’ny anaran’i Jehovah ireo 300 lahy nihazona zavamaneno, rehefa nifanandrina tamin’ny miaramila 135 000 nitam-piadiana. Tafaverina anefa izy 300 lahy ary tsy maty fo aman’aina.” (Mpitsara 7:16, 22; 8:10) Nanatanjaka ny finoanay tokoa ireny tantara ireny sy ny hafa koa. Vao tsy ela talohan’izay aho no lasa Vavolombelon’i Jehovah, nefa tena nampahery ahy ny nahita ny finoana matanjaka nananan’ireo rahalahy sy anabavy efa za-draharaha. Tsapako fa tena nanohana anay i Jehovah.

Raikitra ny ady

Nihanafana ny fikomiana tao amin’ny toby, tao anatin’ny herinandro vitsivitsy. Nihasarotra tamin’ny mpikomy sy ny mpitondra fanjakana ny nahita marimaritra iraisana. Nanizingizina ny mpikomy fa tsy maintsy mandefa solontena ny fitondrana tany Moscou, mba hihaona amin-dry zareo. Ny fitondrana kosa nandidy ny mpikomy hitolo-batana sy hametraka fiadiana ary hiverina hiasa. Tsy nisy nety nilefitra na ny andaniny na ny ankilany. Feno miaramila nanodidina an’ilay toby. Vonona hanafika avy hatrany izy ireo raha vao mahazo baiko. Efa vonona koa ny mpikomy. Nanangana barazy sy nanangona fiadiana be dia be izy ireo. Niandriandry ny rehetra hoe hipoaka ny ady teo amin’ny voafonja sy ny miaramila, na ho ela na ho haingana.

Tafondro nirefodrefotra nankarenin-tsofina no nanaitra anay tamin’ny torimasonay, tamin’ny 26 Jona. Nandrava ny tamboho ireo tanky, ary niditra tao amin’ny toby. Nanaraka tao aoriana ny andia-miaramila nanao tifitra variraraka tamin’ny basimarovava. Nihazakazaka nanatona ny tanky ny voafonja, na lahy na vavy, ary nihorakoraka hoe: “Alefaso e!” Nitora-bato izy ireo ary nanipy baomba namboarina sy izay rehetra voarain’ny tanany. Nafotaka ny ady avy eo, ary latsaka afovoany izahay Vavolombelona. Ahoana no namalian’i Jehovah ny vavaka nataonay ka nanampiany anay?

Nirohotra tampoka nankao amin’ilay trano nisy anay ny miaramila. Niantsoantso izy ireo hoe: “Mialà tato ry olo-masina! Mivoaha haingana any ivelan’ny tamboho!” Nanome baiko an’ireo miaramila ny lehiben’izy ireo mba tsy hitifitra anay. Nasainy niambina sy niaro anay kosa aza izy ireo. Nipetraka teo amin’ny tany malalaka feno bozaka teo ivelan’ny toby izahay, nandritra an’ilay fifandonana nangotraka. Nandre zavatra nirefodrefotra sy poa-basy, ary kiakiaka sy feo mitoreo avy tao amin’ny toby izahay, nandritra ny adiny efatra. Nangina be taorian’izay. Vao nangiran-dratsy dia hitanay ireo miaramila nitaona faty avy tao amin’ilay toby. Renay fa an-jatony no naratra na maty.

Nanatona anay ny manam-pahefana iray fantatro avy eo. Nirehareha erỳ izy nanontany ahy hoe: “Ka ahoana ry Nikolai, iza no namonjy anareo? Izahay sa Jehovah?” Nisaotra azy tamin’ny fonay izahay noho ny nanavotany anay, sady nilaza hoe: “Mino izahay fa i Jehovah, ilay Andriamanitray mahery indrindra, no naniraka anareo hanavotra anay, toy ny nataony tamin’ny mpanompony taloha ihany.”—Ezra 1:1, 2.

Nohazavain’ilay manam-pahefana taminay koa hoe ahoana no nahafantaran’ireo miaramila anay, sy ny toerana nisy anay. Nolazainy fa rehefa nihaona tamin’ny mpikomy ny miaramila indray mandeha, dia niampanga azy ireo ho namono an’izay voafonja tsy nanohana azy. Niaro tena ireo mpikomy ka nilaza fa tsy niaraka tamin’izy ireo ny Vavolombelon’i Jehovah nefa tsy novonoiny. Natokana trano kosa aza izy rehetra ho saziny. Notadidin’ireo miaramila izany teny nolazain’izy ireo izany.

Tsy nivadika tamin’ilay Fanjakana mihitsy izahay

Niresaka momba ilay fikomiana tao amin’ny fonja nisy anay ilay mpanoratra rosianina malaza atao hoe Alexandre Soljenitsyne, tao amin’ilay bokiny momba ireo toby fiasana an-terivozona. Hoy izy rehefa nanazava ny anton’ilay fikomiana: “Naniry fahafahana izahay, mazava ho azy, ... iza anefa no ho afaka hanome izany anay?” Naniry mafy hahazo fahafahana koa izahay Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ilay toby. Tsy hoe te ho afaka tao am-ponja fotsiny akory izahay, fa nangetaheta an’ilay fahafahana izay tsy ho azo raha tsy amin’ny alalan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Fantatray fa nila hery avy tamin’Andriamanitra izahay tany am-ponja, mba tsy hivadihana tamin’ny Fanjakany. Nanome izay rehetra nilainay i Jehovah. Nomeny fandresena izahay, nefa tsy nampiasa antsy na grenady.—2 Korintianina 10:3.

Hoy i Jesosy Kristy tamin’i Pilato: “Tsy anisan’ity tontolo ity ny fanjakako. Raha anisan’ity tontolo ity ny fanjakako, dia ho niady ny oloko.” (Jaona 18:36) Tsy nandray anjara tamin’ny ady ara-politika mihitsy àry izahay, satria mpanara-dia an’i Kristy. Faly izahay fa niharihary tamin’ny olona foana ny tsy fivadihanay tamin’ny Fanjakan’Andriamanitra, na nandritra ilay fikomiana, na taorian’izany. Nanoratra toy izao momba anay i Soljenitsyne: “Nanaraka an-tsakany sy an-davany ny fitsipika mifehy azy ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy nety nanorina manda fiarovana izy ireo na niambina.”

Efa 50 taona mahery izay no nisian’ireny fisafotofotoana ireny. Faly anefa aho matetika rehefa mitodika ny lasa, satria tsy hadinoko mihitsy ny zavatra nianarako tamin’izany. Nianatra niandry an’i Jehovah sy nitoky tanteraka tamin’ny sandriny mahery aho. Toa an’ireo rahalahy sy anabavy malala maro be tany amin’ny Firaisana Sovietika teo aloha, dia hitako fa omen’i Jehovah fahafahana sy arovany ary avotany ireo miandry an’ilay Fanjakana “tsy anisan’ity tontolo ity.”

[Sary, pejy 8, 9]

Toby fiasana an-terivozona nisy anay, any Kazakhstan

[Sary, pejy 10]

Sarin’ilay efitra nisy ny vehivavy tao amin’ny tobin’ny Vavolombelona

[Sary, pejy 11]

Miaraka amin’ireo rahalahy tamin’izahay nivoaka ny fonja