Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Tena Fibebahana

Ny Tena Fibebahana

Ny Tena Fibebahana

NY MATOANTENY hoe “mibebaka” dia midika hoe “miova hevitra ny amin’ny zavatra natao taloha (na nokasaina hatao), na ny fitondran-tena narahina taloha (na nokasaina harahina), satria manenina na tsy afa-po.” Midika koa izy io hoe “mahatsapa nenina, alahelo, na enjehin’ny eritreritra, noho ny zavatra natao na tsy natao.” Izany no hevitr’ilay teny hebreo hoe na·chamʹ ao amin’ny andinin-teny maro. Ny hoe na·chamʹ dia mety hidika hoe “manenina, misaona, mibebaka” (Eksodosy 13:17; Genesisy 38:12, Fandikan-teny Katolika; Joba 42:6), sy hoe “mionona” (2 Samoela 13:39), ary koa hoe “miala fo (amin’ny fahavalo, ohatra)”, izany hoe mandripaka azy. (Isaia 1:24) Na hoe nenina no andikana azy, na hoe fampiononana, dia hita fa miova ny hevitr’ilay olona, na ny fihetseham-pony.

Ny matoanteny roa me·ta·no·eʹo sy me·ta·meʹlo·mai no ampiasaina amin’ny teny grika, rehefa miresaka fibebahana. Fitambaran’ny me·taʹ sy ny no·eʹo ny hoe me·ta·no·eʹo. Midika hoe “aoriana” ny me·taʹ, ary midika hoe “mahita, mahazo hevitra, mahatakatra, mahafantatra” ny no·eʹo, izay misy ifandraisany amin’ny nous (izany hoe ny saina, na ny fomba fihevitra, na ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy). Midika ara-bakiteny hoe fahalalana aoriana àry ny hoe me·ta·no·eʹo (mifanohitra amin’ny hoe fahalalana mialoha), ka milaza fiovan’ny hevitra, na ny toe-tsaina, na ny zavatra kasaina hatao. Inona kosa no dikan’ny hoe me·ta·meʹlo·mai? Avy amin’ny matoanteny meʹlo izay midika hoe “miahy na liana amin’ny” izy io. Rehefa ampiana tovona me·taʹ (izay midika hoe aoriana) io matoanteny io, dia lasa manana heviny hoe ‘mibebaka’ na ‘manenina.’—Matio 21:30, 2 Korintianina 7:8.

Araka izany àry, ny hoe me·ta·no·eʹo dia manantitrantitra ny fiovan’ny fomba fihevitra na ny toe-tsaina, izany hoe lasa heverina ho tsy tsara ary ialana ny zavatra natao taloha (na nokasaina hatao), na ny fitondran-tena narahina taloha (na nokasaina harahina). (Apokalypsy 2:5; 3:3) Manantitrantitra ny fahatsapana nenina kosa ny hoe me·ta·meʹlo·mai. (Matio 21:30) Manazava toy izao ny Diksionera Teolojikan’ny Testamenta Vaovao (anglisy), natontan’i G. Kittel: “Matoa avahana [ireo teny ireo] ao amin’ny T[estamenta] V[aovao], dia midika izany fa samy manana ny heviny izy ireo. Matetika kosa anefa no tsy navahan’ny olona niteny grika ny hevitr’ireo teny roa ireo.”—Nadikan’i G. Bromiley, 1969.

Matetika tokoa no miova ny fihetseham-pon’ny olona, rehefa avy miova hevitra izy. Na, mety hanenina izy aloha, izay vao hiova tanteraka ny fomba fiheviny na ny zavatra tiany hatao. (1 Samoela 24:6-8) Mifandray akaiky àry ireo teny roa ireo, na dia samy manana ny heviny aza.

Fibebahana noho ny fahotana

Ny fahotana no antony ilana fibebahana. Manota ny olona, rehefa tsy mahavita manaraka ny fitsipika marin’Andriamanitra. (1 Jaona 5:17) Namidin’i Adama ho andevon’ny ota ny olombelona rehetra taranany, ka mila mibebaka daholo. (Salamo 51:5; Romanina 3:23; 5:12) Tsy maintsy mibebaka ny olona iray (ary avy eo miova), raha te hihavana indray amin’Andriamanitra.

Mety ho noho ny fomba fiainany manontolo no ibebahan’ny olona iray, satria nifanipaka tamin’ny fikasan’Andriamanitra sy ny sitrapony ilay izy, fa nifanaraka kosa tamin’ity tontolo fehezin’ilay Fahavalony ity. (1 Petera 4:3; 1 Jaona 2:15-17; 5:19) Mety ho lafiny iray amin’ny fiainany koa no anehoany fibebahana, toy ny fahazaran-dratsy iray nanimba ny fitondran-tenany, izay azo lazaina hoe tsara amin’ny ankapobeny. Na mety ho fahotana indray mandeha monja ilay izy, na faniriana na toe-tsaina ratsy. (Salamo 141:3, 4; Ohabolana 6:16-19; Jakoba 2:9; 4:13-17; 1 Jaona 2:1) Mety hahafaoka zavatra tsy voafaritra tsara àry ny fahadisoana mitaky fibebahana, nefa mety ho zavatra iray miavaka tsara koa.

Toy izany koa, fa mety ho nihataka be na nihataka kely tamin’ny fitsipika marin’Andriamanitra ny olona iray, ary tokony ho arakarak’izay ny halalin’ny nenina tsapany. ‘Niodina fatratra’ tamin’i Jehovah, ohatra, ny Israelita, ka nahatsiaro tena ho ‘nihalevona’ na lo noho ny fahotany. (Isaia 31:6; 64:4, 5; Ezekiela 33:10) Nilaza koa anefa ny apostoly Paoly fa misy “olona sendra manao fahadisoana nefa tsy fantany akory.” Nampirisika an’izay olona araka ny fanahy izy, mba “hiezaka hanitsy [an’ilay olona] amim-pahalemem-panahy.” (Galatianina 6:1) Mamindra fo i Jehovah rehefa mahita ny fahalemen’ny mpanompony, ka tsy voatery hahatsapa nenina lava izy ireo, rehefa nanao fahadisoana vokatry ny tsy fahalavorariana raiki-tampisaka ao aminy. (Salamo 103:8-14; 130:3) Ho faly foana izy ireo, raha manaraka tsara ny fitsipik’Andriamanitra.—Filipianina 4:4-6; 1 Jaona 3:19-22.

Mety ho olona efa nifandray tsara tamin’Andriamanitra ilay mibebaka. Nania mantsy izy ka tsy nahazo sitraka sy fitahiana taminy intsony. (1 Petera 2:25) “Firenena masina” voafidy avy tamin’ny firenena rehetra, ohatra, ny Israely, noho ilay fifanekena nifanaovany tamin’Andriamanitra. (Deoteronomia 7:6; Eksodosy 19:5, 6) Nanjary neken’Andriamanitra ho olo-marina koa ny Kristianina, noho ilay fifanekena vaovao natao tamin’ny alalan’i Kristy. (1 Korintianina 11:25; 1 Petera 2:9, 10) Rehefa nisy nania tamin’izy ireo, ka nibebaka, dia niverina tamin’ny laoniny ny fifandraisany tamin’Andriamanitra, ka nandray soa sy fitahiana avy tamin’izany indray izy ireo. (Jeremia 15:19-21; Jakoba 4:8-10) Etsy an-danin’izany, dia misy olona mbola tsy nifandray tamin’Andriamanitra mihitsy, toy ireo mpanompo sampy tao amin’ireo firenena tsy Israelita, nandritra ny fotoana nampanan-kery an’ilay fifaneken’i Jehovah sy ny Israely. (Efesianina 2:11, 12) Toy izany koa ireo olona samy hafa fiaviana, tsy anisan’ny fiangonana kristianina. Tena ilain’ny olona toy izany ny mibebaka, ary izany no dingana voalohany tsy maintsy ataony mba heken’Andriamanitra ho olo-marina izy, ka hanantena fiainana mandrakizay.—Asan’ny Apostoly 11:18; 17:30; 20:21.

Mety ho olona maromaro no indray mibebaka, na olon-tokana. Ny tanànan’i Ninive manontolo, ohatra, no nibebaka vokatry ny fitorian’i Jona. Nanao izany hatramin’ny mpanjaka ka hatramin’ny “kely indrindra”, satria samy meloka izy rehetra teo anatrehan’Andriamanitra. (Jona 3:5-9; ampitahao amin’ny Jeremia 18:7, 8.) Nanaiky ny tenin’i Ezra koa ireo Israelita rehetra niverina tany amin’ny taniny, ka niaiky ny heloka niombonan’izy ireo teo anatrehan’Andriamanitra. Ny andriana no nisolo tena azy ireo tamin’izany fibebahana izany. (Ezra 10:7-14; ampitahao amin’ny 2 Tantara 29:1, 10; 30:1-15; 31:1, 2.) Nampiseho fibebahana koa ny fiangonan’i Korinto manontolo, noho izy ireo namela olona zatra nanao fahotana lehibe hijanona teo anivony. (Ampitahao amin’ny 2 Korintianina 7:8-11; 1 Korintianina 5:1-5.) Na i Jeremia sy Daniela mpaminany aza dia nihevi-tena ho niara-meloka tamin’ny Joda, rehefa niaiky fa nanota ilay firenena matoa resy.—Fitomaniana 3:40-42; Daniela 9:4, 5.

[Loharanon-kevitra]

Avy amin’ny it-2 770-771 (anglisy)