Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Wessel Gansfort sy ny Fanavaozana Protestanta

Wessel Gansfort sy ny Fanavaozana Protestanta

Wessel Gansfort sy ny Fanavaozana Protestanta

Nanomboka tamin’ny 1517 ny Fanavaozana Protestanta. Tsy vaovao tamin’ireo rehetra nianatra momba izany ny anaran-dry Luther sy Tyndale ary Calvin. Vitsy ihany anefa no mahafantatra an’i Wessel Gansfort, izay nantsoina hoe “Mpitondra Fanavaozana talohan’ny Fanavaozana Protestanta.” Te hahafantatra azy bebe kokoa ve ianao?

TERAKA tany Groningue, tanàna any Holandy, i Wessel tamin’ny 1419. Nianatra tany an-tsekoly izy na dia vitsy aza ny olona afaka nanao izany, tamin’ny taonjato faha-15. Tena nahay izy nefa tsy maintsy nijanona nianatra tamin’izy sivy taona, satria nahantra be ny ray aman-dreniny. Vonona handoa ny saram-pianarany anefa ny vehivavy mpanankarena iray, rehefa reny fa zaza narani-tsaina i Wessel. Afaka nanohy ny fianarany àry izy. Nahazo diplaoma ambony momba ny haiteny sy haisoratra izy rehefa nandeha ny fotoana. Toa nantsoina hoe teolojianina koa izy tatỳ aoriana.

Naniry mafy hahazo fahalalana i Wessel, nefa tsy nisy tranomboky firy tamin’izany. Na dia noforonina tamin’ny androny aza ny milina fanontam-pirinty misy lohavỳ, dia saika sora-tanana avokoa ny boky nisy tamin’izany sady lafo vidy. Nisy manam-pahaizana maromaro nitety tranomboky sy monasitera, mba hitady boky sora-tanana tsy fahita firy sy efa tsy hita hatry ny ela. Anisan’izy ireo i Wessel. Nifampizara ny zavatra hitany izy ireo avy eo. Nahazo fahalalana be dia be i Wessel, ary nofenoiny tenin’olona sy sombin-dahatsoratra avy tamin’ny asa soratra grika sy latinina fahiny ny kahieny. Tsy natoky azy ny teolojianina hafa matetika, satria nahafantatra zavatra betsaka mbola tsy ren’izy ireo mihitsy i Wessel. Nantsoina hoe Mpiady Hevitra Ikoizana izy.

“Nahoana ianao no tsy mitaona ahy hanatona an’i Kristy?”

Nihaona tamin’i Thomas à Kempis i Wessel, tokony ho 50 taona talohan’ny Fanavaozana Protestanta. Niaina tamin’ny 1379 ka hatramin’ny 1471 tany ho any i Thomas, ary nanoratra an’ilay boky malaza hoe Fanahafana An’i Kristy (latinina). Anisan’ilay fikambanana antsoina hoe Rahalahy Tso-piaina, izay nanantitrantitra ny hananana fahafoizan-tena, i Thomas à Kempis. Imbetsaka izy no nampirisika an’i Wessel mba hangataka fanampiana amin’i Maria renin’i Jesosy, araka ny voalazan’ny mpanoratra ny tantaram-piainan’i Wessel. Namaly an’i Thomas izy hoe: “Nahoana ianao no tsy mitaona ahy hanatona an’i Kristy, izay tsara fanahy ka manasa an’ireo rehetra mavesatra entana mba hanatona azy?”

Voalaza fa tsy nanaiky hohamasinina ho pretra i Wessel. Tsy navelany hosolaina ny tampon-dohany, satria izany no marika namantarana ny mpitondra fivavahana katolika. Rehefa nanontaniana azy ny antony nandavany izany, dia nilaza izy fa tsy matahotra ny hahantona raha mbola vory saina koa. Tsy azo notorina tany amin’ny fitsarana mantsy ny pretra tamin’izany, ary maro tamin’ireo pretra nanao heloka bevava tokoa no tsy nahantona satria sola ny tampon-dohany. Notoherin’i Wessel koa ny sasany tamin’ireo fombafomba ara-pivavahana tiam-bahoaka. Tsy nety nino an’ireo fahagagana noresahina tao amin’ny boky iray be mpitia tamin’ny androny, ohatra, izy ka nisy nanakiana. Hoy izy: “Tsara kokoa ny mamaky ny Soratra Masina.”

“Arakaraka ny anontaniantsika ihany no ahafantarantsika”

Nianatra teny hebreo sy grika i Wessel, ka nahafantatra zavatra be dia be momba ny asa soratr’ireo Rain’ny Eglizy tany am-boalohany. Tena niavaka ny fitiavany an’ireo teny nanoratana ny Baiboly ireo, noho izy niaina talohan’i Érasme sy Reuchlin. * Vitsy no nahay teny grika talohan’ny Fanavaozana Protestanta. Manam-pahaizana vitsy monja, ohatra, no nahay tsara an’io fiteny io tany Alemaina, ary tsy nisy fitaovana azo nianarana azy io. Toa nifandray tamin’ireo moanina grika nandositra tany Eoropa i Wessel, taorian’ny naharavan’i Constantinople tamin’ny 1453. Nampianatra azy ny teny grika tsotra indrindra sy tena nilaina izy ireo. Ny Jiosy ihany no niteny Hebreo tamin’izany, ary toa nianatra an’io teny io tamin’ireo Jiosy niova finoana izy.

Tena tian’i Wessel ny Baiboly. Nino izy fa avy amin’Andriamanitra izy io, ary mifandray tsara ny hevitra raketin’ny boky rehetra ao anatiny. Nihevitra i Wessel fa tokony hifanaraka amin’ny teny manodidina sady tsy azo aolana, ny fanazavana an’ireo andinin-teny. Tokony hoheverina ho mivadi-pinoana izay rehetra manolana ny hevitry ny Baiboly. Anisan’ny andinin-teny tiany indrindra ny Matio 7:7 manao hoe: “Mitadiava hatrany, dia hahita hianareo.” Io andinin-teny io no nahatonga azy hino mafy fa ilaina ny mametraka fanontaniana. Hoy mantsy izy: “Arakaraka ny anontaniantsika ihany no ahafantarantsika.”

Niavaka ny zavatra nangatahiny

Nitsidika an’i Roma i Wessel tamin’ny 1473, ka nihaona tamin’ny Papa Sixte Faha-4. Izy no voalohany tamin’ireo papa enina ratsy fitondran-tena, ka nahatonga ny Fanavaozana Protestanta tamin’ny farany. Nilaza i Barbara Tuchman, mpahay tantara, fa nanomboka tamin’ny andron’i Sixte Faha-4 no nisian’ny papa “tsy nahalala menatra sy tsy mba nanafinafina, rehefa nitady ny tombontsoa ho an’ny tenany sy nanararaotra fahefana.” Fanta-bahoaka ny fanaovany kiantranoantrano ka tafintohina ny Katolika sy ny olon-kafa. Nilaza ny mpahay tantara iray, fa nirin’i Sixte ho izy mianakavy ihany no hiara-manatontosa ny andraikitry ny papa. Vitsy no sahy nanohitra izany fanararaotam-pahefana izany.

Hafa mihitsy anefa i Wessel Gansfort. Hoy i Sixte taminy indray andro: “Angataho ry zanako izay irinao fa omenay anao.” Tonga dia namaly i Wessel hoe: ‘Koa satria ianao ry ray masina no mpisorona sy mpiandry ambony indrindra eto an-tany, dia miangavy anao aho mba hanatontosa amin’ny fomba tsara ny andraikitra lehibe tananao. Amin’izay, rehefa tonga ilay Mpiandry Lehibe dia ho afaka hilaza aminao izy hoe: “Tsara [ny nataonao], ry mpanompo tsara sady mahatoky! Miaraha mifaly amin’ny tomponao.” ’ Nilaza i Sixte fa raharahany manokana izany, fa izay ilain’i Wessel no tokony hangatahiny. Namaly àry izy hoe: “Omeo Baiboly amin’ny teny hebreo sy grika avy ao amin’ny Fitahirizam-bokin’i Vatikana àry aho e!” Nomen’ny papa azy izany, kanefa nilaza izy fa kely saina i Wessel satria ny ho eveka no tokony ho nangatahiny.

“Lainga sy fitaka”

Nanorina ny Chapelle Sixtine, izay trano fivavahana mitondra ny anarany, i Sixte. Nila vola mafy izy tamin’izany ka nampiasa ny indolzansy (fanomezam-bola mba hahazoan’ny maty famelan-keloka) mba hahazoam-bola. Tena nalaza io fanao io. Hoy ny boky Ireo Solontenan’i Kristy—Ny Lafy Ratsin’ny Fitondran’ny Papa (anglisy): “Nandany ny volany rehetra ireo lehilahy sy vehivavy maty vady, sy ireo ray aman-dreny maty zanaka, mba hanesorana ny havan-tiany ao amin’ny Afofandiovana.” Tian’ny sarambabem-bahoaka ny indolzansy, satria tena nino izy ireo fa vitan’ny papa ny handefa ny havan-tiany ho any an-danitra.

Nanizingizina anefa i Wessel fa tsy afaka mamela heloka ny Fivavahana Katolika, anisan’izany ny papa. Nilaza an-karihary izy fa “lainga sy fitaka” fotsiny ny indolzansy. Tsy nino koa izy hoe ilaina ny mikonfesy amin’ny pretra mba hahazoana famelan-keloka.

Nokianiny koa ny filazana fa tsy mety diso ny papa. Nilaza izy fa tsy ho mafy orina ny foto-pinoan’ny fiangonana raha asaina mino izay lazain’ireo papa foana ny olona. Manao fahadisoana koa mantsy izy ireo. Hoy i Wessel: ‘Tsy hisy hilana azy ny didin’ny kardinaly ary tsy hisy dikany ny zavatra ataony, raha manilika ny didin’Andriamanitra izy ireo ka mampanjaka ny didin’olombelona.’

Nitarika ho amin’ny Fanavaozana Protestanta ny zavatra nataon’i Wessel

Maty tamin’ny 1489 i Wessel. Nijanona ho Katolika foana izy na dia nanohitra ny sasany tamin’ireo zava-dratsy nataon’ny eglizy aza. Tsy nanameloka azy ho mpivadi-pinoana mihitsy anefa ny eglizy. Rehefa maty kosa izy, dia nopotehin’ny moanina katolika mafana fo ny asa sorany, satria nihevitra izy ireo fa tsy nifanaraka tamin’ny fampianaran’ny eglizy izy ireny. Tsy be mpahalala intsony ny anaran’i Wessel tamin’ny andron’i Luther. Zara raha nisy niangana ny sora-tanany sady tsy nisy natao pirinty. Nivoaka teo anelanelan’ny 1520 sy 1522 anefa ny fanontana voalohany tamin’ny asa sorany. Nanoratra tao amin’izy io i Luther, ary nidera ny asa soratr’i Wessel.

Nanameloka an-karihary ny zava-dratsy sasany nataon’ny eglizy i Wessel, na dia tsy Mpitondra Fanavaozana toa an’i Luther aza. Ireny zava-dratsy ireny mantsy no nahatonga ny Fanavaozana Protestanta. Nilaza toy izao mihitsy aza ny Rakipahalalana (anglisy) nosoratan’i McClintock sy Strong: “Maro ny tera-tany alemà nahatonga ny Fanavaozana Protestanta, fa i Wessel no niavaka indrindra tamin’izy ireo.”

Hitan’i Luther fa nitovy hevitra taminy i Wessel. Hoy i Cornelis Augustijn, mpanoratra: “Nampitovin’i Luther tamin’ny an’i Elia [mpaminany] ny fotoana sy ny zavatra niainany. Nihevitra ilay mpaminany fa izy irery sisa no tavela mba hiady ny adin’Andriamanitra. Nihevitra koa i Luther fa izy irery no niady tamin’ny eglizy. Rehefa namaky ny asa soratr’i Wessel anefa izy, dia takany fa ‘namela [mpanompo iray] ao amin’ny Israely’ ny Tompo”, ary tsy iza izany fa i Wessel Gansfort. “Nilaza mihitsy aza i Luther hoe: ‘Raha taloha kokoa aho no namaky ny asa soratr’i Wessel, dia mety ho nihevitra ny fahavaloko fa avy taminy no nahaizako ny zavatra rehetra. Tena mitovy mantsy ny fomba fihevitray.’ ”

“Hahita ianareo”

Tsy nitranga tampotampoka ny Fanavaozana Protestanta. Efa niely nandritra ny fotoana kelikely ireo hevitra nahatonga an’ilay fanavaozana. Fantatr’i Wessel fa tsy maintsy hitaky fanovana ny olona amin’ny farany, rehefa hitan’izy ireo fa miharatsy ny fitondran-tenan’ireo papa. Hoy izy, indray mandeha, tamin’ny tovolahy iray nazoto nianatra: ‘Ho hitanao fa indray andro any, dia holavin’ireo manam-pahaizana tena kristianina rehetra ny fampianaran’ireo teolojianina tia ady ireo.’

Na dia hitan’i Wessel aza ny sasany tamin’ireo zavatra tsy nety sy ny fanararaotam-pahefana nisy tamin’ny androny, dia tsy afaka nampiharihary tamin’ny fomba feno ny fahamarinana ara-baiboly izy. Nihevitra anefa izy fa tokony hovakina sy hianarana ny Baiboly. Nanantitrantitra i Wessel fa “ny Baiboly no manan-kery eo amin’ny resaka fivavahana satria nomena tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina”, araka ny boky Tantaran’ny Fivavahana Kristianina (anglisy). Mino koa ny tena Kristianina ankehitriny fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly ary avy amin’ny herin’ny fanahy masina. (2 Timoty 3:16) Tsy miafina na sarotra tadiavina intsony ny fahamarinana ara-baiboly amin’izao andro izao. Vao mainka marina noho ny hatramin’izay ilay toro lalan’ny Baiboly hoe: “Mitadiava hatrany, dia hahita ianareo.”—Matio 7:7; Ohabolana 2:1-6.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Noho izy roa lahy ireo, dia mora kokoa ny nianatra an’ireo teny nanoratana ny Baiboly tany am-boalohany. Namoaka boky misy ny fitsipi-pitenenana hebreo i Reuchlin tamin’ny 1506. Nahafahana nandalina kokoa ny Soratra Hebreo izany. Namoaka ny Soratra Grika Kristianina amin’ny teny grika i Érasme, tamin’ny 1516. Io no nampiasain’ireo mpandika Baiboly tatỳ aoriana.

[Efajoro/​Sary, pejy 14]

WESSEL SY NY ANARAN’ANDRIAMANITRA

Mazàna no nadika hoe “Johavah” ny anaran’Andriamanitra tao amin’ny asa soratr’i Wessel. Indroa anefa izy, fara fahakeliny, no nampiasa ilay anarana hoe “Jehovah.” Nanazava i Heiko Oberman, mpanoratra, fa nihevitra i Wessel hoe raha nahay teny hebreo i Thomas d’Aquin sy ny teolojianina hafa, dia “ho fantatr’izy ireo fa tsy midika hoe ‘Izaho no izaho’ ilay anaran’Andriamanitra nolazaina tamin’i Mosesy, fa hoe ‘Ho tonga izay iriko aho.’ ” Marina tsara ny nandikan’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao azy io hoe: “Hoporofoiko fa izaho ilay mahavita izay iriko.”—Eksodosy 3:13, 14.

[Sary nahazoan-dalana]

Sora-tanana: Universiteitsbibliotheek, Utrecht

[Sary, pejy 15]

Nankasitrahan’ny Papa Sixte Faha-4 ny indolzansy, saingy notoherin’i Wessel