Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hanoherantsika ny Demonia?

Ahoana no Hanoherantsika ny Demonia?

Ahoana no Hanoherantsika ny Demonia?

“Ny anjely izay tsy nitana ny toerany tany am-boalohany, fa nandao ny fonenana sahaza azy, dia notahirizin’Andriamanitra sy nofatorany mandrakizay ao amin’ny haizim-be, ho amin’ny fitsarana amin’ilay andro lehibe.”—JODA 6.

1, 2. Inona avy no fanontaniana mipoitra mahakasika an’i Satana Devoly sy ny demonia?

NAMPITANDRINA ny apostoly Petera hoe: “Aoka ianareo ho mailo hatrany sy hiambina, satria ny Devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona, mitady olona harapaka.” (1 Petera 5:8) Hoy koa ny apostoly Paoly momba ny demonia: “Tsy tiako hanan-javatra iombonana amin’ny demonia ianareo. Tsy afaka ny hisotro amin’ny kaopin’i Jehovah sy ny kaopin’ny demonia ianareo. Tsy afaka ny hihinana amin’ny ‘latabatr’i Jehovah’ sy ny latabatry ny demonia ianareo.”—1 Korintianina 10:20, 21.

2 Iza anefa moa i Satana Devoly sy ireo demonia? Ahoana no nampisy azy ireo, ary oviana? Noforonin’Andriamanitra ve izy ireo? Manao ahoana ny heriny eo amin’ny olona? Inona no azontsika atao mba hiarovan-tena amin’izy ireo?

Ahoana no nampisy an’i Satana sy ny demonia?

3. Ahoana no nahatonga ny anjely iray ho lasa Satana Devoly?

3 Nikomy ny anjelin’Andriamanitra iray tany am-piandohan’ny tantaran’ny olombelona, tao amin’ny zaridainan’i Edena. Nahoana? Tsy nahafa-po azy ny anjara asany teo anivon’ny fandaminan’i Jehovah tany an-danitra. Rehefa noforonina i Adama sy Eva, dia nahita tetika izy mba hitaomana azy ireo hivadika amin’ilay tena Andriamanitra, fa hankatò sy hanompo azy kosa. Lasa Satana Devoly io anjely io, rehefa nikomy tamin’Andriamanitra sy nitarika an’i Adama sy Eva hanota. Nisy anjely hafa niara-nikomy taminy koa tatỳ aoriana. Inona no nataon’izy ireo?—Genesisy 3:1-6; Romanina 5:12; Apokalypsy 12:9.

4. Inona no nataon’ny anjely sasany nikomy, talohan’ny Safodrano?

4 Lazain’ny Baiboly fa nisy anjely liana tamin’ny vehivavy tetỳ an-tany, talohan’ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa. Tsy natao hanana faniriana toy izany anefa ny anjely. Hoy ny Baiboly momba an’ireo anjely nanana sain-dratsy ireo: “Hitan’ny zanak’Andriamanitra [tany an-danitra] fa tsara tarehy ny zanakavavin’ny olona; ka dia nifidy vady ho azy tamin’izy rehetra araka izay tiany izy.” Nanao firaisana mamoafady izy ireo, ka niteraka safiotra natao hoe Nefilima. (Genesisy 6:2-4) Nikomy tamin’i Jehovah niaraka tamin’i Satana àry ireny anjely tsy nankatò ireny.

5. Inona no nanjo an’ireo mpikomy rehefa nandefa Safodrano lehibe i Jehovah?

5 Ringana ny Nefilima sy ny renin’izy ireo, rehefa nandefa Safodrano tetỳ an-tany i Jehovah. Voatery nanary ny vatan’olombelona notafiny ireo anjely mpikomy, ary niverina tany an-danitra. Tsy nahazo niverina tany amin’ny “toerany tany am-boalohany” niaraka tamin’Andriamanitra intsony anefa izy ireo. Nalefa tao amin’ny “haizim-be” an’ohatra antsoina hoe Tartara kosa izy ireo.—Joda 6; 2 Petera 2:4.

6. Ahoana no amitahan’ny demonia ny olona?

6 Lasa naman’i Satana sy manampy azy amin’ny teti-dratsiny ireo demonia, rehefa namoy “ny toerany tany am-boalohany.” Tsy afaka nitafy vatan’olombelona intsony izy ireo nanomboka teo. Mahataona olona hanao firaisana mamoafady isan-karazany anefa izy ireo. Mamitaka ny olona koa ny demonia ka mitarika azy ireo hifandray amin’ny fanahy ratsy. Ao, ohatra, ny famosaviana, filalaovana ody, ary fanaovana sikidy. (Deoteronomia 18:10-13; 2 Tantara 33:6) Mitovy ihany ny hiafaran’ny anjely ratsy sy ny Devoly: samy ho ringana mandrakizay izy ireo. (Matio 25:41; Apokalypsy 20:10) Tokony hiorina mafy sy hanohitra azy ireny anefa isika, mandra-pahatongan’izany. Ilaintsika àry ny mamantatra ny hoe manao ahoana ny herin’i Satana, ary ahoana no hanoherantsika azy sy ny demoniany.

Manao ahoana ny herin’i Satana?

7. Manao ahoana ny herin’i Satana eo amin’izao tontolo izao?

7 Nanendrikendrika an’i Jehovah foana i Satana hatramin’izay. (Ohabolana 27:11) Mahataona olona maro koa izy. ‘Eo ambany fahefan’ilay ratsy izao tontolo izao manontolo’, hoy ny 1 Jaona 5:19. Izany no nahafahan’ny Devoly nanolotra ny fahefana sy ny voninahitry “ny fanjakana rehetra manerana ny tany” ho an’i Jesosy, tamin’izy naka fanahy azy. (Lioka 4:5-7) Hoy ny apostoly Paoly momba an’i Satana: “Koa raha tsy mazava ny vaovao tsara torinay, toy ny hoe misy lamba manarona, dia amin’izay ho ringana izany no tsy mazava. Eo amin’izy ireny ny andriamanitr’ity tontolo ity no manajamba ny sain’ny tsy mino, mba tsy hamirapiratan’ny fahazavan’ny vaovao tsara be voninahitra, dia ilay vaovao tsara momba an’i Kristy, izay endrik’Andriamanitra.” (2 Korintianina 4:3, 4) “Mpandainga ... sady rain’ny lainga” i Satana, nefa miseho ho “anjelin’ny mazava.” (Jaona 8:44; 2 Korintianina 11:14) Ananany ny hery sy ny fomba hanajambana ny sain’ny mpitondra sy ny vahoaka entin’izy ireo. Mamitaka ny olona amin’ny alalan’ny hevi-diso sy ny finoanoam-poana ary ny lainga ara-pivavahana izy.

8. Inona no lazain’ny Baiboly momba ny fahefan’i Satana?

8 Manasongadina ny fahefana sy ny herin’i Satana ny zava-nitranga tamin’ny andron’i Daniela mpaminany, 500 taona teo ho eo talohan’i Kristy. Naniraka anjely hitondra hafatra mampahery ho an’i Daniela i Jehovah, tamin’izay. Notoherin’ny fanahy ratsy “andrianan’ny fanjakan’i Persia” anefa ilay anjely. Voatana teo nandritra ny 21 andro ilay anjely mahatoky, ary tsy afaka raha tsy rehefa nanampy azy i “Mikaela, anankiray amin’ireo andriana lehibe.” Miresaka momba ny demonia “andrianan’i Grisia”, koa io tantara io. (Daniela 10:12, 13, 20) Ankoatra izany dia asehon’ny Apokalypsy 13:1, 2 ho toy ny “dragona” i Satana, ary manome “hery sy seza fiandrianana ary fahefana lehibe” ho an’ny bibidia ara-politika.

9. Miady amin’iza ny Kristianina?

9 Tsy mahagaga raha nanoratra ny apostoly Paoly hoe: “Tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra [isika], fa amin’ireo fanjakana sy fahefana sy mpanjakan’izao tontolo anaty haizina izao, ary amin’ireo fanahy ratsy any amin’ny faritry ny lanitra.” (Efesianina 6:12) Mbola manan-kery eo amin’ny mpitondra eto an-tany sy ny olona ny demonia tsy hita maso eo ambany fahefan’i Satana Devoly. Mitarika azy ireo hanao zavatra mahatsiravina toy ny fandripahana foko, fampihorohoroana, ary vonoan’olona, ireny demonia ireny. Hodinihintsika izao hoe inona no hanampy antsika hahatohitra an’ireny anjely mahery ireny.

Inona no fiarovana ananantsika?

10, 11. Ahoana no hanoherantsika an’i Satana sy ny anjely ratsiny?

10 Tsy mahatohitra an’i Satana sy ny anjeliny ratsy amin’ny tanjatsika sy ny herin-tsaintsika samirery isika. Nanoro hevitra antsika i Paoly hoe: “Aoka ianareo hahazo hery mandrakariva ao amin’ny Tompo sy ao amin’ny tanjaky ny heriny.” Mila miantehitra amin’Andriamanitra àry isika mba hahazoana fiarovana. Hoy koa i Paoly: “Tafio avokoa ny fiadiana fiarovana rehetra avy amin’Andriamanitra mba hahafahanareo ho mafy orina ka hahatohitra ny teti-dratsin’ny Devoly. ... Raiso avokoa ny fiadiana fiarovana rehetra avy amin’Andriamanitra, mba hahatohitra ianareo amin’ny andro anjakan’ny faharatsiana, ka ho mafy orina rehefa vitanareo tanteraka avokoa izany rehetra izany.”—Efesianina 6:10, 11, 13.

11 Indroa i Paoly no nampirisika ny Kristianina mba hitafy “ny fiadiana fiarovana rehetra avy amin’Andriamanitra.” Asehon’ilay teny hoe “rehetra” fa tsy hahatohitra ny fanafihan’ny demonia isika, raha tsy miezaka amin’ny fo manontolo. Inona avy àry no fiadiana ara-panahy tena ilaintsika maika mba hanoherana azy ireny?

Ahoana no hatao mba ho “mafy orina”?

12. Inona no azon’ny Kristianina atao mba hisikinana ny fahamarinana?

12 Hoy i Paoly: “Koa aoka ianareo ho mafy orina, ka sikino fahamarinana ny andilanareo, ary mitafia ny fahitsiana ho fiarovan-tratra.” (Efesianina 6:14) Fitaovana roa no resahin’i Paoly eto: sikina na fehikibo, ary fiarovan-tratra. Tsy maintsy nanery tsara ny fehikibony ny miaramila mba hiarovana ny andilany, sy mba hahazakan’izy io ny sabany. Tokony ho toy ny fehikibo mifatotra tsara manodidina ny andilana ny fahamarinana ara-baiboly, izany hoe tokony hifikirantsika izy io mba hahafahantsika hampihatra azy. Anisan’ny fandaharam-potoanantsika isan’andro ve ny famakiana Baiboly? Miara-manao izany ve ny fianakaviantsika? Zatra mandinika ny teny vakina isan’andro ve ny fianakaviantsika? Ankoatra izany, moa ve isika maharaka ny fanazavana farany amin’ny boky avoakan’ny “mpanompo mahatoky sy malina”? (Matio 24:45) Manaraka ny torohevitr’i Paoly isika raha manao izany. Manana video sy DVD misy tari-dalana ara-baiboly koa isika. Ho afaka handray fanapahan-kevitra tsara sy ho voaro tsy hanao ratsy isika, raha mifikitra hatrany amin’ny fahamarinana.

13. Ahoana no azontsika iarovana ny fontsika an’ohatra?

13 Natao hiarovana ny tratran’ny miaramila sy ny fony ary ny taova hafa iankinan’ny aina ny fiarovan-tratra. Afaka miaro ny fony an’ohatra ny Kristianina, izany hoe ny toe-tsainy sy ny faniriany ary ny fihetseham-pony, rehefa miezaka hankasitraka ny fahitsian’i Jehovah sy manaraka ny fitsipiny mahitsy. Miaro antsika tsy hanamaivana ny Tenin’Andriamanitra ny fiarovan-tratra an’ohatra. Misakana ny tongotsika ‘tsy ho amin’ny lalan-dratsy’ isika, rehefa ‘mankahala ny ratsy, ka tia ny tsara.’—Salamo 119:101; Amosa 5:15.

14. Inona no dikan’ny hoe ‘mikiraro fahavononana hitory ny vaovao tsaran’ny fihavanana ny tongotsika’?

14 Matetika ny miaramila romanina no nanao kiraro mety tsara hanaovana dia lavitra an-jatony kilaometatra, tamin’ireo lalana nanerana ny fanjakana romanina. Ny Kristianina kosa ‘mikiraro fahavononana hitory ny vaovao tsaran’ny fihavanana.’ (Efesianina 6:15) Inona no dikan’izany? Midika izany fa vonona hanao zavatra isika. Vonona hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny toe-javatra rehetra mety amin’izany isika. (Romanina 10:13-15) Voaro amin’ny ‘teti-dratsin’i’ Satana isika, raha mazoto manompo.—Efesianina 6:11.

15. a) Inona no mampiseho fa tena ilaina ny ampinga lehiben’ny finoana? b) Inona avy ireo “zana-tsipìka mirehitra” mety hanimba ny finoantsika?

15 Hoy ihany i Paoly: “Ambonin’izany rehetra izany, dia raiso ny ampinga lehibe, dia ny finoana, izay hahafahanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra alefan’ilay ratsy.” (Efesianina 6:16) Mariho ilay teny hoe “ambonin’izany rehetra izany.” Asehon’izany fa tena ilaina ny ampinga lehiben’ny finoana. Tsy tokony halemy ny finoantsika. Toy ny ampinga lehibe izy io, ka miaro antsika amin’ny “zana-tsipìka mirehitra” alefan’i Satana. Inona avy ireo zana-tsipìka ireo? Mety ho resaka aelin’ny fahavalo na ny mpivadi-pinoana mba hampihenana ny finoantsika izany. Anisan’izany ny fanivaivana mandratra sy ny lainga ary ny filazana zavatra toa marina nefa mamitaka. Mety ho fakam-panahy hitarika antsika ho tia vola koa ilay “zana-tsipìka”, ka hahatonga antsika ho revo amin’ny fividianana entana maro, na hifaninana amin’ireo tia sehoseho mihitsy aza. Mety hanao trano sy hividy fiara lehibe sy tsara kokoa ny olona toy ireny, na hampideradera ny firavaka lafo vidy na ny lamaody farany ananany. Na inona na inona anefa ataon’ny olona, dia tsy maintsy manana finoana matanjaka isika mba tsy ho voan’ireny “zana-tsipìka mirehitra” ireny. Inona no azo atao mba hananana finoana matanjaka foana?—1 Petera 3:3-5; 1 Jaona 2:15-17.

16. Inona no hanampy antsika hanana finoana matanjaka?

16 Afaka manatona an’Andriamanitra isika, rehefa mianatra samirery tsy tapaka ny Baiboly sy mivavaka amin’ny fo. Afaka mangataka aminy mba hanatanjaka ny finoantsika isika. Mila manao zavatra mifanaraka amin’izany isika avy eo. Ohatra, manomana tsara ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana isan-kerinandro ve isika, sady mieritreritra ny handray anjara? Hatanjaka ny finoantsika raha mianatra ny Baiboly sy ireo boky ara-baiboly isika.—Hebreo 10:38, 39; 11:6.

17. Ahoana no ‘handraisantsika ny fiarovan-dohan’ny famonjena’?

17 Izao no torohevitra namaranan’i Paoly an’ilay resaka fiadiana ara-panahy: “Raiso ... ny fiarovan-dohan’ny famonjena, sy ny sabatry ny fanahy, izany hoe ny tenin’Andriamanitra.” (Efesianina 6:17) Niaro ny loha sy ny atidohan’ny miaramila ny fiarovan-doha, izany hoe niaro an’ireo taova ampiasaina rehefa manapa-kevitra. Miaro ny saintsika Kristianina koa ny fanantenantsika. (1 Tesalonianina 5:8) Tsy tokony hibahana ao an-tsaintsika àry ny tanjon’ity tontolo ity, na ny faniriana ho mpanankarem-be. Tokony hifantoka amin’ny fanantenana avy amin’Andriamanitra kosa isika, toy ny nataon’i Jesosy.—Hebreo 12:2.

18. Nahoana isika no tsy tokony hanao tsirambina ny famakiana Baiboly tsy tapaka?

18 Farany, dia manana ny tenin’Andriamanitra na ny hafatra ao amin’ny Baiboly isika, mba tsy ho voataonan’i Satana sy ny demoniany. Antony fanampiny tsy tokony hanaovantsika tsirambina ny famakiana Baiboly tsy tapaka izany. Ho voaro amin’ny laingan’i Satana sy ny fampianaran’ny demonia, ary ny zavatra manafintohina lazain’ny mpivadi-pinoana isika, raha ampy tsara ny fahalalantsika ny Tenin’Andriamanitra.

“Mivavaha mandrakariva”

19, 20. a) Inona no hanjo an’i Satana sy ny demoniany? b) Inona no hanatsara ny fifandraisantsika amin’i Jehovah?

19 Horinganina tsy ho ela i Satana sy ny demoniany ary ity tontolo ratsy ity. Fantatr’i Satana fa “fohy ny fotoana ananany.” Tezitra izy ka miady amin’izay ‘mitandrina ny didin’Andriamanitra sy manao ny asa fitoriana momba an’i Jesosy.’ (Apokalypsy 12:12, 17) Tena mila manohitra an’i Satana sy ny demoniany àry isika.

20 Ankasitrahantsika tokoa ilay fampirisihana mba hitafy ny fiadiana fiarovana rehetra avy amin’Andriamanitra! Izao no torohevitr’i Paoly rehefa avy niresaka momba ny fiadiana ara-panahy izy: “Mivavaha mandrakariva na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona, eo ambany fitarihan’ny fanahy, sady manaova vavaka sy fitalahoana amin’ny endriny rehetra. Noho izany, dia miambena hatrany ka mahareta amin’izany sady manaova fitalahoana ho an’ny olona masina rehetra.” (Efesianina 6:18) Manatsara ny fifandraisantsika amin’i Jehovah ny vavaka, ary manampy antsika ho mailo hatrany. Aoka àry isika hanaraka ny torohevitr’i Paoly, ka hivavaka mandrakariva. Hanampy antsika hahatohitra an’i Satana sy ny demoniany izany.

Inona no Nianaranao?

• Ahoana no nampisy an’i Satana sy ny demoniany?

• Manao ahoana ny herin’ny Devoly?

• Inona no fiarovana ananantsika mba hanoherana an’i Satana sy ny demoniany?

• Inona no azontsika atao mba hitafiana ny fiadiana fiarovana rehetra avy amin’Andriamanitra?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 26]

“Hitan’ny zanak’Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin’ny olona”

[Sary, pejy 28]

Hainao tanisaina ve ireo fiadiana ara-panahy enina?

[Sary, pejy 29]

Nahoana no miaro antsika amin’i Satana sy ny demoniany ny fanaovana ireo zavatra ireo?