Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Nananan’i Hana Fiadanan-tsaina?

Ahoana no Nananan’i Hana Fiadanan-tsaina?

Ahoana no Nananan’i Hana Fiadanan-tsaina?

NIVAVAKA tamin’ny feo avo ny vehivavy mahatoky iray ary nidera an’i Jehovah. Faly be izy fa tsy ketraka intsony, satria tsapany fa nanangana azy hiala tamin’ny vovoka Andriamanitra.

Tsy iza io vehivavy io fa i Hana. Fa nahoana izy no tsy ketraka intsony? Ary nahoana izy no lasa faly be? Inona no ianarantsika avy amin’ny zavatra nataony? Andeha isika handinika ny tantarany mba hamaliana ireo fanontaniana ireo.

Olana tao an-tokantrano

I Elkana no vadin’i Hana. Levita tany amin’ny faritanin’i Efraima i Elkana ary nanana vady roa. (1 Samoela 1:1, 2; 1 Tantara 6:18, 19) Azo natao ny nanana vady maro teo ambany Lalàn’i Mosesy, na dia tsy anisan’ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany aza izany. Miteraka olana anefa izany, araka ny asehon’ny zava-nitranga tao an-tokantranon’i Elkana, na dia nanompo an’i Jehovah aza izy ireo.

Tsy niteraka i Hana, fa maro anaka kosa i Penina rafivaviny.—1 Samoela 1:2.

Henatra ho an’ny vehivavy israelita izany tsy niteraka izany. Noheverina mihitsy aza fa tsy nankasitrahan’Andriamanitra izy matoa momba. Tsy misy porofo mampiseho anefa hoe tsy nahazo sitraka tamin’Andriamanitra i Hana. I Penina koa, tetsy an-danin’izany, tsy mba nampionona azy fa nanararaotra ny fahafahany niteraka mba hampijaliana an’i Hana.

Nankany amin’ny toerana masina

Na dia teo aza izany olana izany, dia nankany Silo isan-taona ny fianakavian’i Elkana, mba hanolotra fanatitra tao amin’ny toerana masin’i Jehovah. * Angamba izy ireo nandeha an-tongotra tamin’ny lalana tokotokony ho 60 kilaometatra, mandroso sy miverina. Tsy maintsy ho tena mafy tamin’i Hana ireny fotoana nanolorana fanatitra ireny, satria tsy nahazo afa-tsy sombiny iray tamin’ny fanati-pihavanana izy, fa i Penina sy ny zanany kosa nahazo maromaro. Nohararaotin’i Penina izany mba hanaovana izay hahasorena sy hampalahelo azy, satria toy ny hoe “nataon’i Jehovah momba” i Hana. Nitomany sy tsy nety nihinan-kanina i Hana, isaky ny nitranga izany fampahoriana izany isan-taona. Lasa nampahory an’i Hana ny nankany amin’ny toerana masin’i Jehovah, na dia tokony hahafaly aza. Nankany foana anefa izy.—1 Samoela 1:3-7.

Inona no ohatra tsara navelan’i Hana, ka tokony harahintsika? Inona no ataonao rehefa ketraka? Mitokantokana ve ianao ka mihataka amin’ny mpiray finoana aminao? Tsy nanao izany i Hana. Nataony fahazarana ny niaraka tamin’ireo mpivavaka amin’i Jehovah. Tokony hanao toy izany koa isika, na dia tojo zava-tsarotra aza.—Salamo 26:12; 122:1; Ohabolana 18:1; Hebreo 10:24, 25.

Nataon’i Elkana izay hamborahan’i Hana ny tao am-pony sady niezaka nampionona azy izy. Hoy izy: “Ry Hana, nahoana no mitomany hianao? ary nahoana no tsy mety mihinan-kanina hianao? ary nahoana no malahelo fo hianao? Tsy tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka folo mirahalahy va aho?” (1 Samoela 1:8) Nety ho tsy fantatr’i Elkana ny haratsiam-panahin’i Penina. Naleon’i Hana koa angamba tsy nitaraina fa nizaka samirery ny fahoriany. Niantehitra tamin’i Jehovah kosa izy, ka nivavaka mba hahazo fiadanan-tsaina.

Nanao voady i Hana

Nohanina tao amin’ny toerana masin’i Jehovah ny fanati-pihavanana. Nandeha nivavaka tamin’Andriamanitra i Hana, rehefa avy nisakafo. (1 Samoela 1:9, 10) Nitalaho izy hoe: “Jehovah, Tompon’ny maro ô, raha mba hitsinjo tokoa ny alahelon’ny ankizivavinao Hianao ka hahatsiaro ahy ary tsy hanadino ny ankizivavinao, fa hanome ahy zazalahy, dia homeko ho an’i Jehovah kosa izy amin’ny andro rehetra hiainany, ka tsy hokasihin-kareza ny lohany.”—1 Samoela 1:11.

Voafaritra tsara ny vavak’i Hana. Nangataka zazalahy tamin’i Jehovah izy ary nivoady fa hatolony ho azy ilay zaza, ka ho Nazirita foana mandritra ny androm-piainany. (Nomery 6:1-5) Tsy afaka nanatanteraka an’io voady io anefa i Hana, raha tsy nankasitraka izany ny vadiny. Hita tamin’ny zavatra nataon’i Elkana tatỳ aoriana, fa nankasitrahany ny voady nataon’ilay vady malalany.—Nomery 30:7-9.

Nivavaka anakampo i Hana ka nihetsiketsika ny molony, fa tsy nisy feo re. Nivavaka tamin’ny fony manontolo izy tamin’io. Noheverin’i Ely Mpisoronabe ho mamo àry izy. (1 Samoela 1:12-14) Tsy maintsy ho nampalahelo an’i Hana izany, kanefa namaly tamim-panajana an’ilay mpisoronabe izy. Rehefa fantatr’i Ely fa noho ‘ny haben’ny fahoriany sy ny alahelony’ no nitenenan’i Hana’, dia hoy izy: “Homen’Andriamanitry ny Isiraely anao anie izay nangatahinao.” (1 Samoela 1:15-17) Lasa nandeha i Hana avy eo ary nihinan-kanina, fa “tsy nalahelo tarehy intsony.”—1 Samoela 1:18.

Inona no ianarantsika avy amin’izany rehetra izany? Rehefa milaza ny fanahiantsika amin’i Jehovah isika, dia azontsika ampahafantarina azy ny fihetseham-pontsika ary azontsika lazaina aminy amim-pahatsorana ny faniriantsika. I Jehovah no tokony havelantsika handamina an’ilay zava-manahirana, rehefa tsy misy zavatra azontsika atao intsony. Izany no zavatra tsara indrindra azontsika atao.—Ohabolana 3:5, 6.

Tena azo inoana fa hahatsapa fiadanan-tsaina toa an’i Hana ny mpanompon’i Jehovah, rehefa avy nivavaka tamin’ny fony manontolo. Hoy ny apostoly Paoly momba ny vavaka: “Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana. Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonareo sy ny sainareo amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.” (Filipianina 4:6, 7) I Jehovah no tokony havelantsika hitondra ny entantsika, rehefa avy napetratsika taminy izany. Hanahaka an’i Hana isika avy eo, ka tsy halahelo na tsy hanahy intsony.—Salamo 55:22.

Natolony ho an’i Jehovah ilay zaza

Tsaroan’i Jehovah i Hana, ka nanana anaka ary niteraka zazalahy. (1 Samoela 1:19, 20) Nataon’i Jehovah izay hahaterahan’ny zaza sasany mba hanompo azy. Iray amin’izy ireny i Samoela. Ho lasa mpaminanin’i Jehovah io zanak’i Elkana sy Hana io, ary hanana anjara lehibe amin’ny fanorenana ny fanjakan’ny Israely.

Azo inoana fa nampianarin’i Hana momba an’i Jehovah i Samoela, hatramin’ny fahakeliny. Hadinon’i Hana ve anefa ilay voady nataony? Tsy izany velively! Hoy izy: “Aoka aloha mandra-panoty ny zaza, fa amin’izay aho vao hitondra azy hiseho eo anatrehan’i Jehovah, ka hitoetra ao mandrakizay izy.” Rehefa nisara-nono i Samoela, angamba tamin’izy telo taona na mihoatra kely, dia nentin’i Hana nankany amin’ny toerana masin’i Jehovah, araka ilay voady nataony.—1 Samoela 1:21-24; 2 Tantara 31:16.

Nitondra an’i Samoela tany amin’i Ely i Hana sy ny vadiny, rehefa avy nanolotra fanatitra ho an’i Jehovah. Azo inoana fa nitantana an’ilay zazany kely i Hana rehefa niteny tamin’i Ely hoe: “Tompoko ô, raha velona koa ny ainao, tompoko, izaho ilay vehivavy nitsangana teto anilanao ka nivavaka tamin’i Jehovah. Ny hahazoako ity zazalahy ity no nivavahako; dia nomen’i Jehovah ahy izay nangatahiko taminy. Koa atolotro ho an’i Jehovah kosa izy: eny, amin’ny andro rehetra hiainany dia voatolotra ho an’i Jehovah izy.” Nanomboka teo ny fanompoan’i Samoela an’Andriamanitra, izay fanompoana manokana sy hitohy mandritra ny androm-piainany.—1 Samoela 1:25-28; 2:11.

Tsy nanadino an’i Samoela mihitsy i Hana taorian’izay. Hoy ny Soratra Masina: “Nanaovan-dreniny akanjo kely izy, ka nentiny ho azy isan-taona isan-taona izany, raha niara-niakatra tamin’ny vadiny hanatitra ny fanatitra fanao isan-taona izy.” (1 Samoela 2:19) Azo antoka fa nivavaka ho an’i Samoela foana i Hana. Azo inoana fa nampahery an-janany mba haharitra amin’ny fanompoany izy, isaky ny nitsidika azy isan-taona.

Nitso-drano ny ray aman-drenin’i Samoela i Ely, indray mandeha, ka nilaza tamin’i Elkana hoe: “Homen’i Jehovah zaza amin’ity vehivavy ity anie hianao ho solon’ilay [natolotrao ho azy].” Notahin’i Jehovah tokoa izy mivady ka mbola niteraka telo lahy sy roa vavy.—1 Samoela 2:20, 21.

Tena namela ohatra tsara ho an’ny ray aman-dreny kristianina i Elkana sy Hana! Toy ny hoe manolotra ny zanany ho an’i Jehovah ny ray aman-dreny, rehefa mampirisika ny zanany lahy sy ny zanany vavy mba hanompo manontolo andro, na dia voatery handao azy ireo aza izy ireny. Mendri-piderana ireny ray aman-dreny ireny noho ny sorona ataony, ary hamaly soa azy ireo i Jehovah.

Naneho ny hafaliany i Hana

Faly aoka izany ilay vehivavy momba taloha! Vitsy ihany ny vavaky ny vehivavy, voarakitra ao amin’ny Baiboly. Misy vavaka roa nataon’i Hana anefa ao. Mirakitra ny fihetseham-pony tamin’izy ory sy nalahelo ny voalohany. Ny faharoa kosa vavaka fisaorana nataony tamin’izy faly be. Hoy i Hana: “Ny foko ravoravo amin’i Jehovah.” Faly izy satria ‘niteraka’ ihany na dia “momba” aza. Nidera an’i Jehovah izy ka niantso azy hoe ‘Mpanandratra’ sy ‘Mpanangana ny malahelo ho afaka amin’ny vovoka.’ “Manandratra ny mahantra hiala eo amin’ny zezika” tokoa i Jehovah!—1 Samoela 2:1-10.

Asehon’ny tantaran’i Hana, izay voarakitra ao amin’ny Baiboly, fa mety hampahory antsika ny tsy fahalavorariana na ny haratsiam-panahin’ny hafa. Tsy tokony havelantsika hanaisotra ny fifaliantsika amin’ny fanompoana an’i Jehovah anefa ny fitsapana toy izany. Tena Mpihaino vavaka i Jehovah, ka mamaly ny fitalahoan’ny mpanompony mahatoky sady manafaka azy ireo amin’ny fahoriana. Manome azy ireo fiadanan-tsaina izy, ary mamaly soa azy ireo amin’ny fomba maro hafa.—Salamo 22:23-26; 34:6-8; 65:2.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Antsoin’ny Baiboly hoe “tempoly” io toeram-pivavahana amin’i Jehovah io. Mbola tao anaty lay na tranolay masina no napetraka ny vata misy ny fifanekena tamin’izany fotoana izany. Tamin’ny andron’i Solomona Mpanjaka vao naorina ny tempolin’i Jehovah.—1 Samoela 1:9; 2 Samoela 7:2, 6; 1 Mpanjaka 7:51; 8:3, 4.

[Sary, pejy 17]

Natolotr’i Hana ho an’i Jehovah i Samoela