Fahazavana Tena Mahagaga!
Fahazavana Tena Mahagaga!
EFA nitsapatsapa tao anaty haizina angamba ianao mba hahitana lalana. Tena mahasorena izany. Mahatsiaro maivamaivana erỳ anefa ianao rehefa mahita hazavana! Toy ny ao anaty haizina koa ianao rehefa manana olana saro-bahana. Toy ny mahita hazavana anefa ianao rehefa mahita vahaolana. Talanjona tokoa isika rehefa tafavoaka tao anaty haizina ka mahita hazavana.
Maro ny olona tao anaty haizina tamin’ny taonjato voalohany, satria tsy nahafantatra ny marina momba an’Andriamanitra. Hoy ny apostoly Petera tamin’ireo niova finoana, ka nanaraka ny fivavahana kristianina: “Niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga [Andriamanitra].” (1 Petera 2:9) Toy ny olona avy tao anaty haizim-pito ka nahita hazavana mamirapiratra izy ireo tamin’izany. Mitovy amin’izany koa ireo olona nanirery sy tsy nanana fanantenana, izay lasa anisan’ny fianakaviana iray manana hoavy azo antoka.—Efesianina 2:1, 12.
“Nialanao ny fitiavana nanananao tamin’ny voalohany”
Nahafantatra “ny marina”, na ny tena finoana, ny Kristianina voalohany. (Jaona 18:37) Niala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavana mamirapiratra izy ireo rehefa nahalala ny fahamarinana. Tsy be zotom-po toy ny tamin’ny voalohany intsony anefa ny Kristianina sasany, rehefa nandeha ny fotoana. Nanana olana lehibe, ohatra, ny fiangonana tany Efesosy, tamin’ny faramparan’ny taonjato voalohany. Hoy i Jesosy Kristy efa tafatsangana tamin’ny maty: “Izao no anomezako tsiny anao: Nialanao ny fitiavana nanananao tamin’ny voalohany. Koa tsarovy izay nisy anao fony ianao mbola tsy lavo, dia mibebaha ka ataovy izay nataonao taloha.” (Apokalypsy 2:4, 5) Nila namelona indray ny fitiavany an’Andriamanitra sy ny fahamarinana ireo Kristianina tany Efesosy.
Ahoana ny amintsika? Faly koa isika rehefa nahalala ny fahamarinana ara-baiboly, satria nahita fahazavana mahagaga. Nanjary tiantsika ny fahamarinana. Mety hampihena ny fitiavantsika azy io anefa ny olana mpahazo ny olombelona. Eo koa ireo olana mampiavaka ny “andro farany.” Miaina ao anatin’ny “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” isika ary fahita ny olona ‘tia tena, tia vola, matin-kambo, miavonavona, mpanevateva, tsy mankatò ray aman-dreny, tsy misaotra, [ary] tsy mena-mivadika.’ (2 Timoty 3:1, 2) Mety hampihena ny zotom-pontsika sy ny fitiavantsika an’i Jehovah ny zavatra ataon’izy ireo.
Raha niala tamin’ny fitiavana nananantsika tamin’ny voalohany isika, dia mila ‘mahatsiaro izay nisy antsika fony isika mbola tsy lavo, [ary] hibebaka.’ Mila averintsika amin’ny laoniny ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. Mila mitandrina koa isika, mba tsy hihena ny fitiavantsika ny fahamarinana. Aoka isika rehetra hanana fanantenana sy ho falifaly foana, ary ataovy velombelona hatrany ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy ny fahamarinany. Tena iankinan’ny aina izany!
‘Manafaka antsika ny marina’
Mahagaga ny fahazavana avy amin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Valiana ao amin’io boky io mantsy ireo fanontaniana mahavery hevitra ny olombelona hatramin’ny an’arivony taona. Anisan’izany ny hoe: Inona no antony namoronana ny olombelona? Inona no zava-kendren’ny fiainana? Nahoana no misy ny faharatsiana? Misy fiainana ve aorian’ny fahafatesana? Mamaly an’izany ireo fampianarana
avy amin’i Jehovah. Tokony hisaotra azy amin’ny fontsika manontolo àry isika, ka hankasitraka an’ireo zavatra nianarantsika.Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hanafaka anareo.” (Jaona 8:32) Manafaka antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana ny sorom-panavotan’i Jesosy. Ireny fahamarinana sarobidy ireny koa no nanafaka antsika tamin’ilay tontolo rakotry ny haizina, izay tsy manana fahalalana sady tsy mahazo antoka ny zavatra hitranga amin’ny hoavy. Vao mainka hitombo ny fitiavantsika an’i Jehovah sy ny Teniny, raha misaintsaina sy mankasitraka ireo zavatra nianarantsika isika.
Hoy ny apostoly Paoly tamin’ireo Kristianina tany Tesalonika: “Fony nandray ny tenin’Andriamanitra renareo avy taminay ianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin’olona izany fa araka ny tena izy, dia tenin’Andriamanitra, izay miasa koa ao anatinareo mpino.” (1 Tesalonianina 2:13) “Nandray” ny Tenin’Andriamanitra tamim-pifaliana ny Tesalonianina, ka lasa “zanaky ny mazava”, fa tsy tao amin’ny “maizina” intsony. (1 Tesalonianina 1:4-7; 5:4, 5) Nianarany fa i Jehovah no Mpamorona, sady manana hery fara tampony, hendry, be fitiavana, ary mamindra fo. Nanjary fantany koa fa nanao fandaharana hamonoana ny fahotan’izy ireo i Jehovah, tamin’ny alalan’ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy Zanany.—Asan’ny Apostoly 3:19-21.
Fantatry ny Tesalonianina fa ao amin’ny Soratra Masina no tokony hanovozana fahalalana, na dia tsy nahalala ny fahamarinana rehetra aza izy ireo. Io no manampy ny olon’Andriamanitra “ho tena mahay sy ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” (2 Timoty 3:16, 17) Nianatra foana ireo Kristianina tany Tesalonika, ary imbetsaka izy ireo no nahatsapa fa tena mahagaga ny fahazavana avy amin’Andriamanitra. Nanana antony hifaliana mandrakariva izy ireo. (1 Tesalonianina 5:16) Toy izany koa isika.
Fanazavana ny lalantsika
Nilaza antony iray mahatonga ny fahazavana hahatalanjona ny mpanao salamo, rehefa nihira hoe: “Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao.” (Salamo 119:105) Manampy antsika hamantatra ny lalan-kizorana sy hanana fiainana mahafa-po ny tari-dalan’ny Tenin’Andriamanitra. Tsy voatery hanara-driandrano isika. Voaro isika rehefa mahafantatra sy mampihatra ny fahamarinana, ka tsy “hatopatopan’ny onja sy havezivezin’izao karazan-drivotry ny fampianarana rehetra izao.”—Efesianina 4:14.
Hoy ny Baiboly: “Aza matoky ny lehibe, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy.” Hoy koa izy io: “Sambatra izay manana an’Andriamanitr’i Jakoba ho Mpanampy azy sady manantena an’i Jehovah Andriamaniny.” (Salamo 146:3, 5) Tsy ho resin’ny tahotra sy ny fanahiana koa isika rehefa mitoky amin’i Jehovah. Hoy mantsy ny apostoly Paoly: “Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana. Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonareo sy ny sainareo amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.” (Filipianina 4:6, 7) Mahasoa antsika tokoa ny fahazavana avy amin’ny Tenin’Andriamanitra.
Mpanazava mamirapiratra eo amin’izao tontolo izao
Mahagaga koa ny fahamarinana avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, satria mahatonga ny Matio 28:18-20.
olombelona ho afaka handray anjara amin’ilay asa lehibe indrindra. Nandidy ny mpanara-dia azy mantsy i Jesosy hoe: “Mandehana ... ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, ka ataovy batisa amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina. Ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo. Ary hiaraka aminareo foana aho, mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” Hoy izy talohan’ny nilazany an’io didy io: “Efa nomena ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.”—Iza tokoa moa no manohana ny tena Kristianina amin’ilay asa ataon’izy ireo, dia ny fitoriana ny vaovao tsara sy ny fampianarana ny fahamarinana ny olona any amin’ny firenena rehetra? Nampanantena ny mpanara-dia azy i Jesosy fa hiaraka amin’izy ireo foana. Manampy sy manohana azy ireo tokoa i Jesosy, rehefa ‘mampamirapiratra ny fahazavany’ izy ireo amin’ny alalan’ny asa fitoriana sy fampianarana ary “asa tsara” hafa. (Matio 5:14-16) Mandray anjara amin’ny asa fitoriana koa ny anjely. (Apokalypsy 14:6) Ary i Jehovah Andriamanitra? Hoy ny apostoly Paoly: “Izaho namboly, Apolosy nanondraka, fa Andriamanitra no tsy nitsahatra nampitombo.” Tena voninahitra lehibe izany ‘miara-miasa amin’Andriamanitra’ izany!—1 Korintianina 3:6, 9.
Saintsaino koa ny valisoa raisintsika, rehefa miezaka manatontosa an’io asa io. Nomeny tombontsoa tsy manan-tsahala isika, dia ny ho ‘mpanazava hamirapiratra eo amin’izao tontolo izao.’ Afaka hanampy ny olona tso-po isika, raha mampiseho amin’ny teny sy ny atao ny fahazavana azontsika avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. (Filipianina 2:15) Faly isika rehefa mazoto mitory sy mampianatra, satria fantatsika fa ‘tsy mba tsy marina Andriamanitra ka hanadino izay nataontsika, sy ny fitiavana nasehontsika ho an’ny anarany.’—Hebreo 6:10.
‘Mividiana fanafody maso hikosehana ny masonao’
Hoy i Jesosy tamin’ny fiangonan’i Laodikia, tamin’ny taonjato voalohany: ‘Mividiana fanafody maso amiko hikosehana ny masonao mba hahitanao. Izay rehetra iraiketan’ny foko no anariko sy faiziko.’ (Apokalypsy 3:18, 19) “Fanafody maso”, izany hoe ny fampianarana sy ny famaizan’i Jesosy, no hany mahasitrana ny fahajambana ara-panahy. Tokony hankatò ny toroheviny sy ny tari-dalan’ny Baiboly isika, raha te hanana fomba fijery mety momba ny toe-javatra misy antsika sy ny hoavy. Tokony hanana toe-tsaina toy ny an’i Kristy koa isika, ary hanahaka ny modely nomeny. (Filipianina 2:5; 1 Petera 2:21) Tsy maimaim-poana anefa ilay fanafody maso, fa mila ‘vidina’ amin’i Jesosy. Ny fotoanantsika sy ny ezaka ataontsika no takalony.
Raha avy ao amin’ny toerana maizina isika no miditra ao amin’ny efitra mazava be, dia mila fotoana kely vao ho zatra an’ilay hazavana. Mila maka fotoana hianarana ny Tenin’Andriamanitra koa isika, mba hahitana ny fahazavan’ny fahamarinana. Ilaina koa ny maka fotoana hisaintsainana an’izay nianarantsika sy hieritreretana ny hasarobidin’ny fahamarinana. Tsy sarotra loatra izany zavatra takin’i Jesosy izany. Nahoana? Satria tena mahagaga ilay fahazavana!
[Sary, pejy 14]
‘Mividiana fanafody maso amiko hikosehana ny masonao mba hahitanao.’