Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fito sa mpivady fito isaky ny karazany avy ny biby madio nampidirin’i Noa tao anaty sambofiara?

Hoy i Jehovah tamin’i Noa rehefa vita ny sambofiara: “Midira ao anatin’ny sambo-fiara hianao mbamin’ny ankohonanao rehetra, satria hianao no hitako fa marina eo anatrehako amin’izao olona miara-belona aminao izao. Ny biby madio rehetra isan-karazany dia hanalanao ho ao aminao fito avy, lahy sy vavy; ary ny biby tsy madio isan-karazany roa avy, lahy sy vavy.” (Genesisy 7:1, 2) Nadika hoe “mpivady fito” ilay teny hebreo tany am-boalohany, ao amin’ny Baiboly Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara.

Midika ara-bakiteny hoe “fito fito” ny hoe “fito avy”, amin’ny teny hebreo tany am-boalohany. (Genesisy 7:2) Tsy voatery hatambatra anefa ireo isa ireo, na dia miverina indroa aza. Miresaka momba ny “lehilahy vaventy” manana ‘rantsana enina’, ohatra, ny 2 Samoela 21:20. Miverina indroa io isa ‘enina’ io amin’ny teny hebreo. Izany anefa tsy midika hoe misy rantsana 12 avy ny tanan’ilay lehilahy havia sy havanana, ary toy izany koa ny tongony. Nentina nanondro ny isan’ny rantsana amin’ny tanana tsirairay sy ny tongotra tsirairay fotsiny ilay isa naverina indroa.

Rahoviana no ampiasaina ny isa miverina indroa, araka ny fitsipi-pitenenana hebreo? Miresaka momba ny Genesisy 7:2, 9 ny boky iray momba ny fitsipi-pitenenana hebreo, nosoratan’i William Harper. Izao no voalaza ao: “Teny verindroa matetika no ampiasaina rehefa mitsinjara zavatra.” Izao koa no resahin’ny boky Fitsipi-pitenenana Hebreo (anglisy, fanontana fanindroany) nosoratan’i Gesenius: ‘Ampiasaina ny isa miverina indroa rehefa mitsinjara zavatra.’ Raisiny ho ohatra ny Genesisy 7:9, 15 sy ny 2 Samoela 21:20, izay mamerina indroa ny isa ‘roa’ sy ‘enina.’

Tsy mpivady fito, izany hoe 14, àry ny dikan’ilay hoe “fito avy” ao amin’ny Genesisy 7:2, ary tsy mpivady roa, izany hoe efatra, ny dikan’ilay hoe “tsiroaroa” ao amin’ny Genesisy 7:9, 15. Natao hitsinjarana zavatra fotsiny ny isa miverina indroa ao amin’ireo andininy ireo. Tsy tokony hatambatra ireo isa ireo. “Fito avy” àry ny biby madio nampidirina tao anaty sambofiara, ary “roa avy” ny biby maloto.

Inona anefa no tiana holazaina amin’ilay hoe “lahy sy vavy” aorian’ilay teny hoe “fito avy”, ao amin’ny Genesisy 7:2? Io mantsy no nahatonga ny olona sasany hihevitra fa nasaina nangalan’i Noa mpivady fito avy ny karazana biby madio rehetra. Tsy natao hangalana taranaka fotsiny anefa ny biby madio. Izao no nataon’i Noa rehefa tafavoaka ny sambofiara, araka ny Genesisy 8:20: “Noa dia nanorina alitara ho an’i Jehovah; ary ny biby madio rehetra sy ny vorona madio rehetra dia nanalany ka nataony fanatitra odorana teo ambonin’ny alitara.” Ny biby fahafito tamin’ireo biby madio no nataon’i Noa fanatitra, fa ireo mpivady telo kosa afaka niteraka ka niely eran-tany ny taranany.