Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Ataon’ny Anjely ho An’ny Olombelona?

Inona no Ataon’ny Anjely ho An’ny Olombelona?

Inona no Ataon’ny Anjely ho An’ny Olombelona?

“Ary taorian’izany, dia hitako fa nisy anjely hafa iray nidina avy tany an-danitra, ary nanana fahefana lehibe izy. ... Ary niantsoantso mafy izy hoe: ‘Nianjera, nianjera i Babylona Lehibe.’ ”—APOKALYPSY 18:1, 2.

1, 2. Inona no mampiseho fa mampiasa anjely i Jehovah mba hanatanterahana ny sitrapony?

NAHAZO fahitana momba ny hoavy ny apostoly Jaona efa zokiolona, rehefa natao sesitany tany amin’ny nosy Patmo. Toy ny efa niaina tamin’ny “andron’ny Tompo” izy rehefa teo ambanin’ny “herin’ny fanahy masina”, ka nahita ireo zava-mahatalanjona hitranga amin’izany. Nanomboka tamin’ny fotoana nahalasa mpanjaka an’i Jesosy Kristy io andro io, izany hoe tamin’ny 1914, ary tsy ho tapitra raha tsy amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taonany.—Apokalypsy 1:10.

2 Tsy nanambara mivantana an’ireo zavatra ireo tamin’i Jaona i Jehovah Andriamanitra, fa nampiasa mpampita hafatra. Hoy ny Apokalypsy 1:1: “Izay nahariharin’i Jesosy Kristy, sady nomen’Andriamanitra azy, mba hanehoany amin’ny mpanompony ny zavatra tsy maintsy hitranga tsy ho ela. Ary nirahin’i Jesosy ny anjeliny, ka famantarana no nanehoany izany tamin’i Jaona mpanompony, tamin’ny alalan’ny anjeliny.” Nasain’i Jehovah naniraka anjely i Jesosy, mba hampahafantatra an’i Jaona ireo zavatra mahavariana hitranga amin’ny “andron’ny Tompo.” Efa nisy fotoana koa ‘nahitan’i Jaona anjely hafa iray nidina avy tany an-danitra sy nanana fahefana lehibe.’ Inona no asa nampanaovina azy io? “Niantsoantso mafy izy hoe: ‘Nianjera, nianjera i Babylona Lehibe.’ ” (Apokalypsy 18:1, 2) Nirahina hanambara ny fianjeran’i Babylona Lehibe, na ny fivavahan-diso rehetra, io anjely mahery io, ary tombontsoa lehibe tokoa izany. Azo antoka àry fa ampanaovin’i Jehovah asa lehibe ny anjely, mba hanatanterahana ny sitrapony. Hodinihintsika amin’ny an-tsipiriany ny anjara asan’izy ireo amin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra. Hojerentsika koa hoe inona no ataon’izy ireny ho antsika. Tsara ho fantatra anefa aloha hoe ahoana no nampisy ny anjely.

Ahoana no nampisy ny anjely?

3. Inona no hevi-diso ananan’ny olona maro momba ny anjely?

3 Olona an-tapitrisany no mino fa misy ny anjely. Maro anefa no manana hevi-diso momba azy ireny sy ny fiaviany. Mino, ohatra, ny mpivavaka sasany fa antsoina ho any amin’Andriamanitra ny havany rehefa maty, ary lasa anjely. Izany ve no lazain’ny Tenin’Andriamanitra? Ahoana marina no nampisy ny anjely, ary inona no antony namoronana azy ireny?

4. Araka ny lazain’ny Soratra Masina, ahoana no nampisy ny anjely?

4 Mikaela Arkanjely no anaran’ilay anjely mahery indrindra sy manana fahefana ambony indrindra. Izy no filohan’ny anjely. (Joda 9) Tsy iza izy io fa i Jesosy Kristy. (1 Tesalonianina 4:16) Io Zanany io no noforonin’i Jehovah voalohany, rehefa nikasa hamorona izy taloha ela be. (Apokalypsy 3:14) Nampiasa an’io Zanany lahimatoa io izy tatỳ aoriana, rehefa namorona ny anjely hafa rehetra. (Kolosianina 1:15-17) Nantsoin’i Jehovah hoe zanany koa ireo anjely hafa ireo, rehefa nanontany an’i Joba izy hoe: “Taiza ary hianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao. ... Iza no nametraka ny vato fehi-zorony, raha niara-nihira ny kintan’ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak’Andriamanitra?” (Joba 38:4, 6, 7) Mazava, araka izany, fa noforonin’Andriamanitra ny anjely, ary efa ela be talohan’ny olombelona izy ireo no efa nisy.

5. Ahoana no fomba andaminana ny anjely?

5 Hoy ny 1 Korintianina 14:33: “Andriamanitra tsy Andriamanitry ny fikorontanana, fa Andriamanitry ny filaminana.” Izany no antony nandaminan’i Jehovah ny zanany any an-danitra ho sokajiny telo lehibe: 1) ny serafima, izay manompo eo akaikin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra, manambara ny fahamasinany, ary mitandro ny fahadiovan’ny vahoakany eo amin’ny lafiny ara-pivavahana; 2) ny kerobima, izay manohana ny zon’i Jehovah hitondra; ary 3) ny anjely hafa izay manao ny sitrapony. (Salamo 103:20; Isaia 6:1-3; Ezekiela 10:3-5; Daniela 7:10) Inona no zavatra sasany ataon’ireny anjely ireny ho an’ny olombelona?—Apokalypsy 5:11.

Inona no anjara asan’ny anjely?

6. Ahoana no nampiasan’i Jehovah ny kerobima tany amin’ny zaridainan’i Edena?

6 Ao amin’ny Genesisy 3:24 no misy resaka voalohany momba ny anjely. Izao no vakintsika ao: “Noroahin[’i Jehovah] ny olona; ary nampitoeriny tany atsinanan’ny saha Edena ny kerobima sy ny lelafon’ny sabatra mihebiheby hiambina ny làlana mankany amin’ny hazon’aina.” Nisakana an’i Adama sy Eva tsy hiverina tao amin’ilay zaridaina fonenany teo aloha, ireo kerobima ireo. Tany am-piandohan’ny tantaran’ny olombelona izany no nitranga. Inona no anjara asan’ny anjely nanomboka teo?

7. Inona ny iray amin’ny anjara asan’ny anjely, raha jerena ny hevitry ny teny hebreo sy grika nadika hoe “anjely”?

7 Efa ho in-400 ny Baiboly no miresaka momba ny anjely. Azo adika hoe “mpitondra hafatra” ny teny hebreo sy grika ilazana ny hoe “anjely.” Fitaovana ifandraisan’Andriamanitra amin’ny olona àry ny anjely. Naniraka iray tamin’izy ireny, ohatra, i Jehovah mba hampita hafatra tamin’ny apostoly Jaona, araka ny hitantsika teo amin’ny fehintsoratra roa voalohany.

8, 9. a) Inona no vokany teo amin’i Manoa sy ny vadiny, rehefa nitsidika azy ireo ny anjely iray? b) Inona no azon’ny ray aman-dreny ianarana avy amin’ny fitsidihan’ny anjelin’Andriamanitra an’i Manoa?

8 Manampy sy mampahery ny mpanompon’Andriamanitra eto an-tany koa ny anjely. Mampiseho izany ny tantaran’i Manoa sy ny vadiny, izay niaina tamin’ny andron’ireo Mpitsara tany Israely. Naniry mafy hanan-janaka izy ireo, nefa momba ravehivavy. Naniraka ny anjeliny àry i Jehovah, mba hilaza tamin’ny vadin’i Manoa fa hanan-janaka lahy izy. Hoy ny Baiboly: “Indro, hanan-anaka hianao ka hiteraka zazalahy; ary tsy mba hokasihin-kareza ny lohany; fa ho Nazirita ho an’Andriamanitra hatrany an-kibo ny zaza; ary izy no hanomboka hamonjy ny Isiraely amin’ny tànan’ny Filistina.”—Mpitsara 13:1-5.

9 Niteraka zazalahy natao hoe Samsona ny vadin’i Manoa tatỳ aoriana. Lasa olo-malaza amin’ny tantara momba ny Baiboly izy io. (Mpitsara 13:24) Talohan’ny nahaterahany, dia nangataka tamin’i Jehovah i Manoa mba haniraka indray an’ilay anjely, hanoro azy mivady ny fomba tokony hitaizany azy. Hoy i Manoa: “Ahoana ange no hitondranay ny zaza, ary inona no ho asany?” Naverin’ilay anjelin’i Jehovah taminy ireo toromarika efa nolazainy tamin’ny vadiny. (Mpitsara 13:6-14) Azo antoka fa nampahery an’i Manoa izany! Tsy mitsidika olona toy izany ny anjely ankehitriny, nefa afaka manahaka an’i Manoa ny ray aman-dreny. Mila miezaka mahafantatra ny fomba fisainan’i Jehovah izy ireo, rehefa manabe ny zanany.—Efesianina 6:4.

10, 11. a) Inona no tsapan’i Elisa sy ny mpanompony, rehefa tonga hanafika azy ireo ny tafika syrianina? b) Inona no soa raisintsika avy amin’ny fandinihana an’io tantara io?

10 Nisy ohatra tena mahavariana mampiseho ny fanampian’ny anjely, tamin’ny andron’i Elisa mpaminany. Tany Dotana, tanàna iray any Israely, i Elisa tamin’izay. Nifoha maraina ny mpanompony indray mandeha ary nitazana ny teny ivelany. Hitany fa voahodidina soavaly sy kalesin’ady ny tanàna. Nandefa tafika mahery ny mpanjakan’i Syria, mba hisambotra an’i Elisa. Nanao ahoana ny mpanompon’i Elisa? Natahotra izy, ary angamba nivadi-po mihitsy, ka nikiakiaka hoe: “Indrisy, tompoko! Ahoana no hataontsika?” Nihevitra izy fa tsy nisy azo nantenaina intsony. Namaly azy anefa i Elisa hoe: “Aza matahotra; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy.” Inona no tiany holazaina?—2 Mpanjaka 6:11-16.

11 Fantatr’i Elisa fa nisy tafik’anjely vonona hanampy azy teo. Tsy nahita izany anefa ilay mpanompony. Noho izany, dia ‘nivavaka i Elisa hoe: Jehovah ô, mifona aminao aho, ampahirato ny masony mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny mason’ilay zatovo; ary dia nahita izy, ka, indro, ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo nanodidina an’i Elisa.’ (2 Mpanjaka 6:17) Nahita tafik’anjely ilay mpanompo tamin’izay. Raha mahatakatra ireo fahamarinana lalina ao amin’ny Baiboly isika, dia ho tsapantsika koa fa manampy sy miaro ny vahoakan’i Jehovah ny anjely eo ambany fitarihan’izy sy Kristy.

Fanampian’ny anjely tamin’ny andron’i Kristy

12. Inona no fampaherezana azon’i Maria tamin’ny anjely Gabriela?

12 Izao no hafatra azon’ilay vehivavy virjiny jiosy atao hoe Maria: “Hitoe-jaza ianao, ka hiteraka zazalahy, ary hataonao hoe Jesosy ny anarany.” Hafatra nanaitra tokoa izany. Nahazo fampaherezana anefa izy. Taloha kelin’ny nampitana an’io hafatra io mantsy, dia efa nilaza taminy toy izao ny anjely Gabriela, izay nirahin’Andriamanitra: “Aza matahotra, ry Maria, fa efa nankasitrahan’Andriamanitra ianao.” (Lioka 1:26, 27, 30, 31) Azo antoka fa nampahery an’i Maria ireo teny ireo, satria nanome toky azy fa nahazo sitraka tamin’Andriamanitra izy!

13. Ahoana no nanampian’ny anjely an’i Jesosy?

13 Nanampy an’i Jesosy koa ny anjely, rehefa avy nanohitra fakam-panahy telo avy tamin’i Satana izy, tany an-tany efitra. Milaza ny Baiboly fa “nandao azy ny Devoly” taorian’izay, “ary indreo, nisy anjely tonga nikarakara azy.” (Matio 4:1-11) Toy izany koa no nitranga ny alina talohan’ny nahafatesany. Nitebiteby mafy izy, ka nandohalika ary nivavaka hoe: “ ‘Ray ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka mangidy ity, nefa aoka tsy ny sitrapoko no atao, fa ny anao.’ Dia nisy anjely anankiray avy tany an-danitra niseho taminy, ary nankahery azy.” (Lioka 22:42, 43) Ahoana anefa no anampian’ny anjely antsika ankehitriny?

Fanampian’ny anjely amin’ny andro maoderina

14. Inona no fanenjehana tsy maintsy niaretan’ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny andro maoderina? Inona no vokatr’izany?

14 Diniho kely ange ny tantaran’ny fitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny andro maoderina e! Tsy mampiaiky antsika ve izy io fa tena tohanan’ny anjely izy ireo? Nahavita niaritra ny fampijalijalian’ny Nazia, ohatra, izy ireo tany Alemaina sy Eoropa Andrefana, talohan’ny Ady Lehibe II (1939-1945) sy nandritra izany. Mbola naharitra noho izany aza ny fanenjehana azy ireo tany Italia sy Espaina ary Portogaly, teo ambany fitondrana fasista katolika. Vitan’izy ireo koa anefa ny nizaka izany. Ankoatra izany, dia nenjehina nandritra ny am-polony taona maro izy ireo tany amin’ny Firaisana Sovietika teo aloha sy ireo tany teo ambany fitondrany. Tsy maintsy niaritra fanenjehana koa ny Vavolombelona tany amin’ny tany afrikanina sasany. * Ary vao haingana, dia nijaly noho ny fanenjehana nahery vaika ny mpanompon’i Jehovah tany Géorgie. Nanao izay ho afany tokoa i Satana, mba hampitsaharana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mbola eo foana anefa izy ireo sady miroborobo. Anisan’ny mahatonga izany ny fiarovan’ny anjely.—Salamo 34:7; Daniela 3:28; 6:23.

15, 16. Ahoana no anampian’ny anjely ny Vavolombelon’i Jehovah, eo amin’ny fanompoana ataon’izy ireo eran-tany?

15 Zava-dehibe amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay asa nanirahana azy ireo. Tsy inona izany fa ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra eran-tany, sy ny fampianarana ny fahamarinana ara-baiboly amin’ny olona liana, na aiza na aiza. (Matio 28:19, 20) Fantatr’izy ireo tsara anefa fa tsy hahavita izany izy, raha tsy ampian’ny anjely. Mampahery azy ireo foana àry ny Apokalypsy 14:6, 7, manao hoe: “Hita[n’ny apostoly Jaona] fa nisy anjely hafa iray nanidina teny afovoan’ny lanitra. Ary nanana vaovao tsara mandrakizay izy, dia vaovao mahafaly hotorina amin’ny mponina amin’ny tany sy amin’ny firenena sy foko sy olona samy hafa fiteny ary vahoaka rehetra. Ary izy nanao tamin’ny feo mafy hoe: ‘Matahora an’Andriamanitra ka omeo voninahitra izy, satria tonga ny ora fitsarany. Koa mivavaha amin’Ilay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano.’ ”

16 Mazava amin’izany fa manohana ny fitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany ny anjely, sady mitari-dalana azy ireo amin’io asa io. Maniraka ny anjeliny mba hitarika ny olona tso-po ho any amin’ireo Vavolombelony i Jehovah. Mitarika an’ireo Vavolombelona mba ho any amin’ireo olona mendrika koa ny anjely. Mpitranga matetika ny hoe amin’ny fotoan-tsarotra tena ilan’ny olona fanampiana avy ao amin’ny Baiboly no tonga ny Vavolombelon’i Jehovah. Imbetsaka izany no mitranga, ka tsy azo lazaina hoe fifanandrifian-javatra fotsiny.

Hanao zavatra tena hanaitra izy ireo tsy ho ela

17. Ahoana no niafaran’ny Asyrianina, rehefa notafihin’ny anjely iray monja izy ireo?

17 Misy asa hafa ataon’ny anjely, ankoatra ny mampita hafatra sy mampahery ny mpanompon’i Jehovah. Nanatanteraka ny didim-pitsaran’Andriamanitra izy ireo fahiny. Nandrahona an’i Jerosalema, ohatra, ny tafika lehiben’ny Asyrianina, tamin’ny taona 732 T.K. Ahoana no nataon’i Jehovah? Hoy izy: “Hiaro ity tanàna ity Aho ka hamonjy azy noho ny amin’ny tenako sy Davida mpanompoko.” Izao no nitranga, araka ny fitantaran’ny Baiboly: “Tamin’ny alin’io dia avy ilay Anjelin’i Jehovah ka namely olona dimy arivo amby valo alina sy iray hetsy tao an-tobin’ny Asyriana; ary nony maraina koa vao nifoha olona, dia hita fa, indreo, efa maty avokoa ireo.” (2 Mpanjaka 19:34, 35) Tsy misy dikany tokoa ny herin’ny tafik’olombelona, raha oharina amin’ny tanjaky ny anjely iray monja!

18, 19. Inona no zavatra tena hanaitra hataon’ny anjely tsy ho ela? Inona no ho vokatr’izany eo amin’ny olombelona?

18 Hampiasa tafik’anjely mba handringana Andriamanitra, tsy ho ela. Kely sisa dia ho avy “miaraka amin’ny anjeliny mahery, ao amin’ny afo midedadeda” i Jesosy. Inona no hataon’izy ireo? ‘Hamaly an’izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy mankatò ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Tompontsika.’ (2 Tesalonianina 1:7, 8) Hisy vokany lehibe eo amin’ny olombelona tokoa izany! Horinganina izay tsy mety mankatò ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra ambara eran-tany. Izay nitady an’i Jehovah sy ny fahamarinana ary ny fandeferana ihany no “ho voafina ... amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah”, ka ho afa-doza.—Zefania 2:3.

19 Velom-pisaorana isika hoe maniraka anjely mahery i Jehovah, mba hanampy sy hampahery ny mpanompony etỳ an-tany. Tena mampahery antsika ny mahafantatra ny anjara asan’ny anjely eo amin’ny fanatanterahana ny fikasan’i Jehovah, satria misy anjely nikomy taminy, ka lasa eo ambany fahefan’i Satana. Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka hoe inona no azon’ny tena Kristianina atao, mba hiarovan-tena amin’i Satana Devoly sy ny demoniany, izay manana hery lehibe.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 14 Misy tsipiriany momba ireo fanenjehana mivaivay ireo ao amin’ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1999 (Alemaina), 2001 (Angola), 1999 (Malawi), 2004 (Moldavia), 1996 (Mozambika), 2000 (Repoblika Tseky), 2002 (Ukraine), ary 2006 (Zambia). Jereo koa ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny teny frantsay tamin’ny 1978 (Espaina), 1992 (Etiopia), 1982 (Italia), 1994 (Polonina), 1983 (Portogaly), ary 1972 (Tsekoslovakia).

Inona no Nianaranao?

• Ahoana no nampisy ny anjely?

• Inona no anjara asan’ny anjely taloha?

• Inona no asan’ny anjely ankehitriny, araka ny Apokalypsy 14:6, 7?

• Inona no zavatra tena hanaitra hataon’ny anjely tsy ho ela?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 22]

Nampaherezin’ny anjely ry Manoa mivady

[Sary, pejy 23]

“Ny momba antsika dia be noho ny momba azy”