Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hitranga Amin’ny Fiavian’i Kristy?

Inona no Hitranga Amin’ny Fiavian’i Kristy?

Inona no Hitranga Amin’ny Fiavian’i Kristy?

“MIHOROHORO NY MPONIN’I SÃO PAULO.” Izany no voalazan’ny gazety Veja, rehefa nisy fikambanan-jiolahy nanafika an’i São Paulo nandritra ny efatra andro, tamin’ny Mey 2006. “Nitondra faisana” mihitsy io tanàna lehibe sy manankarena indrindra any Brezila io. Olona 150 teo ho eo no maty tamin’ilay “fampihorohoroana naharitra adiny 100 mahery.” Anisan’izany ny mpitandro filaminana sy jiolahy sasany ary olon-tsotra.

Araka ny fampitam-baovao dia saiky maneran-tany mihitsy no misy herisetra. Tsy mahavita mampitsahatra izany anefa ny mpitondra olombelona. Vao mainka lasa mampidi-doza ny tontolo misy antsika. Kivy angamba ianao satria vaovao ratsy foana no renao. Hiova tsy ho ela anefa izany.

Nampianatra ny mpanara-dia azy i Jesosy, mba hivavaka momba ny hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra sy hanaovana ny sitrapony ‘etỳ an-tany, tahaka ny any an-danitra.’ (Matio 6:9, 10) Fitondrana tena misy io Fanjakana io, ary i Kristy Jesosy no voatendrin’Andriamanitra ho Mpanjakany. Hanafoana ny zava-manahirana rehetra mahazo antsika izy io. Tsy maintsy esorina anefa aloha ireo mpitondra olombelona mba hanjakan’i Kristy. Aorian’izay vao hanova ny fiainana eto an-tany ny Fanjakan’Andriamanitra. Ary izany indrindra no hitranga amin’ny fiavian’i Kristy!

Hizotra mora foana ve izany?

Hanaiky mora foana ny fanjakan’i Kristy ve ny mpitondra olombelona? Nahazo fahitana momba izany ny apostoly Jaona. Hoy izy: “Hitako fa nivondrona ilay bibidia [ireo fitondrana ara-politika] sy ireo mpanjakan’ny tany mbamin’ny tafiny mba hiady tamin’ilay nitaingin-tsoavaly [Jesosy] mbamin’ny tafiny.” (Apokalypsy 19:19) Inona no hiafaran’ireo mpanjakan’ny tany, amin’io ady io? Milaza ny Baiboly fa ‘hanorotoro azy amin’ny tehim-by’ ilay Mpanjaka voatendrin’i Jehovah. ‘Toy ny famaky vilany tany no hanamontsamontsanany azy.’ (Salamo 2:9) Ho rava tanteraka ireo fitondrana ara-politika. ‘Hanorotoro sy handevona ny [fanjakan’olombelona] rehetra’ ny Fanjakan’Andriamanitra, “fa izy kosa hitoetra mandrakizay.”—Daniela 2:44.

Ary hanao ahoana ireo olona manohitra ny Fanjakan’Andriamanitra? “Rehefa haharihary i Jesosy Tompo avy any an-danitra miaraka amin’ny anjeliny mahery, ao amin’ny afo midedadeda”, dia ‘hamaly an’izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy mankatò ny vaovao tsara.’ (2 Tesalonianina 1:7, 8) “Fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin’ny tany, ary ny mpivadika hongotana”, araka ny Ohabolana 2:22.

Hoy ny Baiboly momba ny fiavian’i Kristy: “Indro, ho avy izy, ao amin’ny rahona. Ary hahita azy ny maso rehetra.” (Apokalypsy 1:7) Tsy hahita azy ara-bakiteny akory ny olona. Lasa fanahy mantsy izy, ary niakatra tany an-danitra ka “mitoetra ao amin’ny hazavana tsy hay hatonina. Koa tsy misy olona mahita azy na mahavita mijery azy.”—1 Timoty 6:16.

Tsy voatery hiseho vatana i Jesosy vao ho “hitan’ny” olona eto an-tany. Tsy nila niseho nivantana koa i Jehovah, rehefa nandefa ireo Loza Folo tany Ejipta, tamin’ny andron’i Mosesy. Fantatry ny olona tamin’izany anefa fa avy tamin’i Jehovah ireo loza, ary tsy maintsy niaiky izy ireo fa tena mahery izy. (Eksodosy 12:31) Toy izany koa no hitranga rehefa hanatanteraka ny didim-pitsaran’Andriamanitra i Kristy. Tsy maintsy “hahita”, izany hoe hahafantatra, ireo ratsy fanahy fa i Jesosy no ampiasain’Andriamanitra mba hitsara azy ireo. Efa nisy fampitandremana momba izany mantsy. Azo antoka tokoa fa ‘hahita [an’i Jesosy] ny maso rehetra. Ary hikapo-tratra noho ny alahelo ireo foko rehetra eto an-tany noho ny aminy.’—Apokalypsy 1:7.

Tsy maintsy haringana aloha ny ratsy fanahy ary hesorina ny fitondran’olombelona, vao hisy tena fiadanana sy fiainana mahafa-po indray eto an-tany. I Kristy no hanatanteraka izany. Handray an-tanana ny fitondrana ny tany izy aorian’izay, ary hanova zavatra be dia be.

Haverina amin’ny laoniny ny zava-drehetra

Nilaza ny apostoly Petera fa hisy fotoana “hamerenana ny zava-drehetra amin’ny laoniny, dia ilay fotoana nampilazain’Andriamanitra ny mpaminaniny masina fahiny.” (Asan’ny Apostoly 3:21) Tafiditra amin’izany ny fanovana rehetra hitranga eto an-tany, mandritra ny fitondran’i Kristy. Anisan’ireo mpaminany nilazan’Andriamanitra an’ilay ‘famerenana ny zava-drehetra amin’ny laoniny’ i Isaia, tamin’ny taonjato fahavalo T.K. Naminany izy fa hamerina ny fiadanana eto an-tany i Jesosy Kristy, “Andrian’ny fiadanana.” Hoy i Isaia momba ny fitondran’i Kristy: “Ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana.” (Isaia 9:5, 6) Hampianarin’i Jesosy hihavana tsara ny olona eto an-tany, ka “hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.”—Salamo 37:11.

Mbola hisy ve ny fahantrana sy ny hanoanana rehefa i Kristy no hitondra? Hoy i Isaia: “Jehovah, Tompon’ny maro, dia hanao fanasana ho an’ny firenena rehetra eto amin’ity tendrombohitra ity, dia fanasana amin’ny zavatra matavy, fanasana amin’ny divay efa niotrika ela, zavatra matavy be tsoka, divay efa niotrika ela sady voadio tsara.” (Isaia 25:6) Hoy koa ny mpanao salamo: “Hahavoka-bary betsaka ny tany, na dia any an-tampon’ny tendrombohitra aza.” (Salamo 72:16) Ankoatra izany, dia “hanao trano ny olona ka hitoetra ao; ary hanao tanimboaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy. Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’olon-kafa; fa ho tahaka ny andron’ny hazo ny andron’ny oloko, ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin’ny asan’ny tànany.”—Isaia 65:21, 22.

Nilaza koa i Isaia fa ho foana ny aretina sy ny fahafatesana. Izao no nasain’Andriamanitra nambarany: “Hampahiratina ny mason’ny jamba, ary hampahaladìna ny sofin’ny marenina. Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan’ny moana.” (Isaia 35:5, 6) Amin’izany, dia “tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho.” (Isaia 33:24) Hofoanan’Andriamanitra “tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra.”—Isaia 25:8.

Ahoana kosa ny amin’ireo maty rehetra “any am-pasana”? (Jaona 5:28, 29) Naminany i Isaia hoe: ‘Ho velona indray ny olonao izay efa maty. Hitsangana izy ireo.’ (Isaia 26:19) Hatsangana àry ireo matory ao amin’ny fahafatesana!

“Andriamanitra no seza fiandriananao mandrakizay”

Ho tafaverina amin’ny laoniny tanteraka ity tany ity, aorian’ny fiavian’i Kristy. Ho lasa paradisa kanto ny tany, ary ho tafaray amin’ny fanompoana an’ilay tena Andriamanitra ny olombelona. Ho vitan’i Jesosy Kristy tokoa ve ny hanafoana ny faharatsiana sy hampanjaka ny fahamarinana eto an-tany?

Iza moa no nanome fahefana an’i Jesosy? Hoy ny Baiboly momba azy: “Andriamanitra no seza fiandriananao mandrakizay mandrakizay, ary tehim-pahitsiana ny tehim-panjakanao. Tianao ny fahamarinana, ary halanao ny fandikan-dalàna.” (Hebreo 1:8, 9) I Jehovah Andriamanitra àry no nanome an’i Jesosy fahefana na seza fiandrianana. Noho izany, dia tsy misy olana tsy ho voavahan’i Jesosy, na sarotra toy inona aza.

Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany, taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty: “Efa nomena ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.” (Matio 28:18) Hoy koa ny 1 Petera 3:22: “Nasaina nanaiky azy ny anjely sy ny fahefana ary ny fanjakana.” Tsy hisy mihitsy àry fahefana na fanjakana hahatohitra an’i Jesosy. Hitondra soa maharitra ho an’ny olombelona izy, ary tsy hisy hahasakana azy.

Misy vokany eo amin’ny olona ny finoana ny fiavian’i Kristy

Hoy ny apostoly Paoly rehefa nanoratra ho an’ny Tesalonianina: ‘Tadidinay foana eo anatrehan’Andriamanitra Raintsika izay ataonareo noho ny finoanareo, sy ny asa mafy ataonareo amim-pitiavana, ary ny fiaretanareo vokatry ny fanantenanareo an’i Jesosy Kristy Tompontsika.’ (1 Tesalonianina 1:3) Mahay miaritra sy mahavita asa mafy àry ny olona manantena an’i Jesosy Kristy, araka ny tenin’i Paoly. Mino ny fiavian’i Kristy sy ny fiovana hoentin’izany izy ireo. Io fanantenana io no mampahery ny tena Kristianina sy manampy azy hiaritra, na dia ao anatin’ny toe-javatra tena sarotra aza.

Ohatra amin’izany i Carlos, any São Paulo, Brezila. Tamin’ny Aogositra 2003, dia hita fa voan’ny kansera izy. Efa imbalo nodidiana izy taorian’izay, ary nampijaly sy nampitondra takaitra azy izany. Mbola mampahery ny hafa foana anefa izy. Indray mandeha, ohatra, dia nitory teo amin’ny arabe manoloana ny hopitaly izy, ary nihaona tamin’ny vehivavy iray Vavolombelon’i Jehovah toa azy. Nanaraka fitsaboana simika ny vadin’ilay vehivavy. Afaka nampahery sy nampionona azy mivady i Carlos, satria fantany tsara izany hoe voan’ny kansera izany. Nilaza izy mivady taorian’izay, fa lasa natanja-tsaina izy ireo rehefa avy niresaka tamin’i Carlos. Tsapan’i Carlos fa marina ny tenin’i Paoly hoe: ‘Mampionona anay amin’ny fahorianay rehetra Andriamanitra, mba hahaizanay hampionona an’izay ao anatin’ny fahoriana isan-karazany, amin’ny alalan’ny fampiononana izay ampiononan’Andriamanitra anay.’—2 Korintianina 1:4.

Nahoana i Carlos no mbola matanja-tsaina ihany ka afaka mampahery ny hafa, na dia marary aza? Satria manantena ny fiavian’i Kristy izy. Vonona ‘hanao ny tsara’ foana izy, noho ny fanantenany an’ireo fitahiana maro hoentin’i Kristy.—Galatianina 6:9.

Diniho koa ny ohatr’i Samuel. Nisy nitifitra ny rahalahiny, teo akaikin’ny tranon’izy ireo. Bala folo be izao no nahafaty azy io. Navela teo amoron-dalana nandritra ny adiny valo ny fatiny, satria mbola nanao famotopotorana ny polisy. Tsy afaka ao an-tsain’i Samuel mihitsy izany rehetra izany. Mampahery azy anefa ny fanantenana fa hanafoana ny faharatsiana rehetra eto an-tany i Kristy. Fanjakana manao ny rariny koa no hitondra aorian’izay, ka hahazo fitahiana ny olona. Matetika i Samuel no maka sary an-tsaina ny tenany mamihina an’ilay rahalahiny, rehefa hatsangana amin’ny maty ao amin’ny Paradisa an-tany izy.—Asan’ny Apostoly 24:15.

Inona àry no tsy maintsy ataonao?

Hahazo fampiononana ianao, raha mino ny fiavian’i Kristy sy izay hataony. Azo antoka fa hesoriny izay rehetra mahatonga ny faharatsiana sy ny fijaliana mahazo antsika.

Inona anefa no tsy maintsy ataonao, mba hahazoanao an’ireo fitahiana maro hoentin’ny fanjakan’i Kristy? Ianaro tsara ny Tenin’Andriamanitra. Hoy i Jesosy rehefa nivavaka tamin’ny Rainy: “Koa mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany Andriamanitra marina, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.” (Jaona 17:3) Ataovy tanjona ny handinika ireo fampianaran’ny Baiboly. Ho faly hanampy anao amin’izany ny Vavolombelon’i Jehovah eny akaikinareo. Tena tsara raha manatona azy ireo ianao, na manoratra any amin’ny mpamoaka an’ity gazety ity.

[Sary, pejy 7]

Ho tafaverina amin’ny laoniny tanteraka ity tany ity, aorian’ny fiavian’i Kristy

[Sary nahazoan-dalana]

Sary kely, eo andamosina: Rhino and Lion Park, Gauteng, South Africa