Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tokony Hampahatahotra ve ny Fiavian’i Kristy?

Tokony Hampahatahotra ve ny Fiavian’i Kristy?

Tokony Hampahatahotra ve ny Fiavian’i Kristy?

I NONA no tonga ao an-tsainao amin’ny hoe fiavian’i Jesosy Kristy? Loza sy fandravana ary fanasaziana ny olombelona ve? Sa kosa fanafoanana ny zava-manahirana rehetra? Tokony hampahatahotra ve ny fiavian’i Kristy, sa hahavelom-panantenana?

Izao no lazain’ny Baiboly momba ny fiavian’i Kristy: “Indro, ho avy izy, ao amin’ny rahona. Ary hahita azy ny maso rehetra ... Ary hikapo-tratra noho ny alahelo ireo foko rehetra eto an-tany noho ny aminy.” (Apokalypsy 1:7) Hamaly soa ny olo-marina i Jesosy amin’io fiaviany io, ary hanasazy ny ratsy fanahy.

Tsy mba natahotra ny fiavian’i Kristy ny apostoly Jaona, fa niandry fatratra izany kosa. Nahazo fahitana momba an’io fiaviana io sy ny zavatra hitranga eto an-tany izy. Nivavaka tamin-kafanam-po izy taorian’izay, ka nanao hoe: “Avia, Jesosy Tompo ô!” (Apokalypsy 22:20) Koa nahoana no “hikapo-tratra noho ny alahelo ireo foko rehetra eto an-tany” rehefa ho avy i Kristy? Ahoana no ‘hahitan’ny maso rehetra’ azy? Inona no hitranga amin’ny fiavian’i Kristy? Nahoana isika no handray soa dieny izao raha mino azy io? Hamaly ireo fanontaniana ireo ny lahatsoratra manaraka.