Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tsy Namelany Izahay Raha Tsy Tonga”

“Tsy Namelany Izahay Raha Tsy Tonga”

“Tsy Namelany Izahay Raha Tsy Tonga”

MALAZA ho tia mandray vahiny ny olona any amin’ny faritr’i Azia. Mahavita tsy mihinan-kanina mihitsy, ohatra, ny fianakaviana any Inde, fa manome izany ho an’ny vahiny tonga tsy nampoizina. Any Iran indray, dia mahavatra manangona sakafo be dia be ao anaty frizidera ny renim-pianakaviana, mba hisy harosony ho an’ny vahiny tonga tampoka.

Maro ny olona nalala-tanana toy izany, ao amin’ny Baiboly. Iray amin’izany i Lydia. Vehivavy nanaraka fivavahana jiosy izy, ary nipetraka tany Filipy, tanàn-dehibe tany amin’ny faritr’i Makedonia. Nahita azy sy ny vehivavy sasany nivory teo amoron’ny renirano iray teo ivelan’i Filipy ny apostoly Paoly, tamin’ny andro sabata. Nanokatra ny fon’io vehivavy io i Jehovah tamin’izay, rehefa nitory taminy i Paoly, ka natao batisa izy sy ny ankohonany, vokatr’izany. Niangavy an’i Paoly sy ny mpiara-dia taminy izy taorian’izay hoe: “Raha ataonareo ho mahatoky eo anatrehan’i Jehovah aho, dia mba midira ao an-tranoko.” Hoy i Lioka, izay niaraka tamin’i Paoly: “Tsy namelany izahay raha tsy tonga.”—Asan’ny Apostoly 16:11-15.

Tia mandray vahiny toa an’i Lydia koa ny Kristianina ankehitriny. Mampiantrano an’ireo mpiray finoana aminy izy ireo, anisan’izany ny mpiandraikitra mpitety faritany sy ny vadiny. ‘Tsy amelan’izy ireo’ mihitsy ny olona toy ireny raha tsy miantrano ao aminy. Mandray fitahiana ireo tia mandray vahiny, satria mandre resaka mampahery sy mankafy fiarahan’ny samy Kristianina. ‘Manaraka ny lalan’ny fitiavana mandray vahiny’ ny Vavolombelon’i Jehovah, na dia tsy manana ny ampy aza ny ankamaroan’izy ireo. (Romanina 12:13; Hebreo 13:2) Tia manome izy ireo, ka sambatra. Marina tokoa ny tenin’i Jesosy hoe: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”—Asan’ny Apostoly 20:35.