Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aza Mivadika Amin’i Kristy sy ny Mpanompony Mahatoky

Aza Mivadika Amin’i Kristy sy ny Mpanompony Mahatoky

Aza Mivadika Amin’i Kristy sy ny Mpanompony Mahatoky

‘Hotendren’ny Tompony hikarakara ny fananany rehetra izy.’—MATIO 24:45-47.

1, 2. a) Iza no lazain’ny Soratra Masina fa Mpitarika antsika? b) Inona no mampiseho fa mitarika ny fiangonana kristianina i Kristy?

“AZA mety hantsoina ... hoe ‘mpitarika’ ianareo, fa iray ny Mpitarika anareo, dia i Kristy.” (Matio 23:10) Asehon’ireo tenin’i Jesosy ireo mazava tsara, fa tsy tokony ho olombelona eto an-tany mihitsy no ho mpitarika ny mpanara-dia azy. Any an-danitra kosa ilay hany Mpitarika azy ireo, dia i Jesosy Kristy. Andriamanitra no nanendry azy. “Nanangana azy tamin’ny maty” i Jehovah, “ary nataony ho lohan’ny zavatra rehetra izy, raha ny amin’ny fiangonana, izay tsy inona fa ny vatany.”—Efesianina 1:20-23.

2 “Lohan’ny zavatra rehetra” eo anivon’ny fiangonana kristianina i Kristy, ka manana fahefana amin’izay rehetra mitranga ao. Tsy misy miafina aminy ny zava-miseho ao. Mandinika akaiky ny fiangonana tsirairay izy, mba hahitany raha manaraka ny toro lalan’Andriamanitra sy tsara fifandraisana aminy izy ireo. Mampiseho izany ny zavatra naharihary tamin’ny apostoly Jaona, tamin’ny faran’ny taonjato voalohany. Indimy i Jesosy no nilaza tamin’ny fiangonana fito, fa fantany izay ataon’izy ireo. Fantany koa ny toetra tsaran’izy ireo sy ny kileman-toetrany. Nanome torohevitra sy fampaherezana nifanentana tamin’izany izy. (Apokalypsy 2:2, 9, 13, 19; 3:1, 8, 15) Azo antoka koa fa fantany izay nitranga tany amin’ny fiangonana hafa, toy ny tany Azia Minora, Palestina, Syria, Babylonia, Gresy, ary Italia. (Asan’ny Apostoly 1:8) Ary ny ankehitriny?

Mpanompo mahatoky

3. Nahoana no azo ampitovina amin’ny loha i Kristy, ary amin’ny vatana ny fiangonany?

3 Nilaza toy izao tamin’ny mpianany i Jesosy, rehefa avy natsangana tamin’ny maty, ary taloha kelin’ny niverenany tany amin’ny Rainy tany an-danitra: “Efa nomena ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.” Hoy koa izy: “Hiaraka aminareo foana aho, mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” (Matio 28:18-20) Hiaraka amin’izy ireo foana i Kristy izay Lohan’izy ireo. Rehefa nanoratra ho an’ny Kristianina tany Efesosy sy Kolosia ny apostoly Paoly, dia nampitoviny tamin’ny “vatana” ny fiangonana kristianina, ary i Kristy no Lohany. (Efesianina 1:22, 23; Kolosianina 1:18) Araka ny fanazavana an’io fampitoviana io ao amin’ny Baiboly Navoakan’i Cambridge ho An’ny Mpianatra (anglisy), dia “tsy hoe mila mifandray tsara amin’ny Loha fotsiny ny vatana, fa ny rantsambatana mihitsy no manatanteraka ny sitrapon’ilay Loha. Ireo no fitaovana ampiasainy.” Iza no antokon’olona na fitaovana ampiasain’i Kristy, nanomboka tamin’ny fotoana naha lasa mpanjaka azy tamin’ny 1914?—Daniela 7:13, 14.

4. Inona no hitan’i Jehovah sy Kristy Jesosy rehefa nanara-maso ny tempoly ara-panahy izy ireo, araka ny faminanian’i Malakia?

4 Naminany i Malakia fa ho avy hanara-maso sy hitsara ny “tempoliny” ara-panahy i Jehovah “Tompo” sy ny “Anjelin’ny fanekena”, dia i Kristy Jesosy, ilay Zanany vao nataony mpanjaka. Asehon’ny zava-misy fa tamin’ny 1918 ny “fotoana voatondro” hanombohan’ny ‘fitsarana ny ankohonan’Andriamanitra.’ * (Malakia 3:1; 1 Petera 4:17) Nodinihina tsara ireo milaza fa misolo tena an’Andriamanitra sy manaraka ny fivavahana marina. Nolavin’Andriamanitra ny fiangonan’ny Kristianisma Anarana, satria nampianatra zavatra nanala baraka azy nandritra ny taonjato maro. Nandray anjara betsaka tamin’ny fandripahana ain’olona tamin’ny Ady Lehibe I koa mantsy izy ireo. Nandalo fitsapana ny sisa mahatoky tamin’ny Kristianina voahosotra, ary toy ny hoe nodiovina tamin’ny afo. Nankasitrahan’i Jehovah izy ireo, ka nekeny ho “mpanatitra fanatitra amim-pahamarinana.”—Malakia 3:3.

5. Araka ny faminaniana nolazain’i Jesosy momba ny ‘fanatrehany’, iza no hita fa “mpanompo” mahatoky?

5 Noresahin’i Jesosy tao amin’ilay famantarana ny fotoan’ny ‘fanatrehany sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity’ ny fomba amantarana an’ilay “mpanompo.” Mifanaraka amin’ilay faminanian’i Malakia koa izy io. Hoy i Jesosy: “Iza tokoa moa no mpanompo mahatoky sy malina izay notendren’ny tompony hikarakara ny mpiasa an-tranony, ka hanome sakafo azy ireo amin’ny fotoana mety? Sambatra izany mpanompo izany raha tonga ny tompony ka mahita azy manao izany! Lazaiko aminareo marina tokoa fa hotendreny hikarakara ny fananany rehetra izy.” (Matio 24:3, 45-47) Inona no hitan’i Kristy rehefa “tonga” nanara-maso an’ilay “mpanompo” izy tamin’ny 1918? Nisy sisa voahosotra mahatoky nampiasa an’ity gazety ity sy boky ara-baiboly hafa nanomboka tamin’ny 1879, mba hanomezana ‘sakafo [ara-panahy] amin’ny fotoana mety.’ Neken’i Kristy ho fitaovana ampiasainy na ‘mpanompony’ izy ireo, ka nanankinany ny fitantanana ny fananany eto an-tany, tamin’ny 1919.

Mitantana ny fananan’i Kristy eto an-tany

6, 7. a) Inona no dikan’ilay teny grika nadika hoe “mpanompo”? b) Inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’izany?

6 Efa niresaka momba ny andraikitr’io “mpanompo” hisolo tena azy eto an-tany io i Jesosy. Nanao izany izy, volana vitsivitsy talohan’ny nilazany ny fomba amantarana azy io, tao amin’ilay faminaniana momba ny fanatrehany. Hoy izy: “Iza marina tokoa moa ny mpanompo mahatoky sy malina, izay hotendren’ny tompony hikarakara ny mpanompony hafa rehetra mba hanome ny sakafon’izy ireo amin’ny fotoana mety? Lazaiko aminareo marina tokoa fa hotendreny hikarakara ny fananany rehetra izy.”—Lioka 12:42, 44.

7 Ilay teny grika nadika hoe “mpanompo” eto, dia midika hoe “mitantana tokantrano na fananana.” Tsy antokona manam-pahaizana manazava hevitra mahaliana avy ao amin’ny Baiboly fotsiny àry ny “mpanompo mahatoky.” Sady manome sakafo ara-panahy mahavelona “amin’ny fotoana mety” izy io, no notendren’i Kristy hikarakara ny mpanompony hafa rehetra. Nasainy nitantana ny “fananany rehetra” eto an-tany koa izy io. Inona avy izany?

8, 9. Inona no ‘fananana’ nankinina tamin’ilay mpanompo?

8 Anisan’ny asa sahanin’ilay mpanompo ny fiandraiketana ireo trano samihafa eran-tany ampiasain’ny mpanara-dia an’i Kristy, mba hamitana ireo asa kristianina. Anisan’ireny trano ireny ny Foibe sy ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah ary ny toeram-pivavahana, toy ny Efitrano Fanjakana sy Efitrano Fivoriambe. Mbola manana andraikitra lehibe kokoa aza ilay mpanompo. Izy io no mandamina ny fandaharam-pampianarana Baiboly manatanjaka finoana, izay atao any amin’ireo fivoriana fanao isan-kerinandro sy ny fivoriambe. Any amin’ireny fivoriana ireny no ianarana momba ny fahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly. Any koa no andraisana torohevitra tonga amin’ny fotoana ilana azy, mahakasika ny fomba hampiharana ny toro lalan’ny Baiboly eo amin’ny fiainana andavanandro.

9 Anjaran’ilay mpanompo koa ny miandraikitra an’ilay asa lehibe indrindra, dia ny fitoriana ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana” sy ny fanaovana “mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra.” Anisan’izany ny fampianarana ny olona hitandrina ny zavatra rehetra nandidian’i Kristy Lohan’ny fiangonana, mba hatao amin’izao andro farany izao. (Matio 24:14; 28:19, 20; Apokalypsy 12:17) “Vahoaka be” no voataonan’ilay asa fitoriana sy fampianarana, ka nahazo namana tsy mivadika ny sisa voahosotra. Zavatra ‘faniry’ avy amin’ny “firenena rehetra” izy ireny, ary azo antoka fa anisan’ny ‘fananana’ sarobidin’i Kristy iandraiketan’ilay mpanompo mahatoky.—Apokalypsy 7:9; Hagay 2:7.

Filan-kevi-pitantanana solontenan’ilay mpanompo

10. Iza no antokon’olona nandray fanapahan-kevitra tamin’ny taonjato voalohany? Inona no vokatr’izany teo amin’ny fiangonana?

10 Maro be ny fanapahan-kevitra tsy maintsy raisin’ilay mpanompo, noho ireo andraikitra mavesatra iantsorohany. Tamin’ny taonjato voalohany, dia nisolo tena an’ilay mpanompo ny apostoly sy ny anti-panahy tany Jerosalema, ka nandray fanapahan-kevitra ho an’ny fiangonana kristianina manontolo. (Asan’ny Apostoly 15:1, 2) Nampitaina tamin’ireo fiangonana tamin’ny alalan’ny taratasy sy ny solontena mpitety faritany, ny fanapahan-kevitra noraisin’io filan-kevi-pitantanana io. Nahafaly ny Kristianina voalohany ny nahazo tari-dalana mazava toy izany. Tia niara-niasa tamin’ny filan-kevi-pitantanana izy ireo, ka vao mainka nisy ny fihavanana sy ny firaisan-tsaina.—Asan’ny Apostoly 15:22-31; 16:4, 5; Filipianina 2:2.

11. Iza ankehitriny no ampiasain’i Kristy mba hitari-dalana ny fiangonany? Ahoana no tokony hiheverantsika an’io solontenan’ny voahosotra io?

11 Mpiandraikitra vitsivitsy voahosotry ny fanahy koa ankehitriny no ao amin’ny Filan-kevi-pitantanan’ny mpanara-dia an’i Kristy eto an-tany, toy ny tamin’ny taonjato voalohany ihany. Mampiasa ny “tanany havanana”, izany hoe ny fahefany, i Kristy Lohan’ny fiangonana, mba hitari-dalana an’ireo lehilahy mahatoky ireo, rehefa miandraikitra ny asan’ilay Fanjakana izy ireo. (Apokalypsy 1:16, 20) Anisan’ny Filan-kevi-pitantanana nandritra ny taona maro i Albert Schroeder, izay maty vao haingana. Hoy izy tao amin’ny tantaram-piainany: ‘Mivory isaky ny alarobia ny Filan-kevi-pitantanana. Atomboka amin’ny vavaka io fivoriana io mba hangatahana ny tari-dalan’ny fanahin’i Jehovah. Misy ezaka mafy atao mba ho azo antoka fa mifanaraka tsara amin’ny Baiboly ny fomba andaminana ny raharaha rehetra sy izay fanapahan-kevitra raisina.’ * Azontsika itokisana ny Kristianina voahosotra mahatoky toy ireny. Amin’izy ireo indrindra no tokony hampiharantsika izao didy nomen’ny apostoly Paoly izao: “Aoka ianareo hankatò sy hanaiky an’ireo mitarika eo aminareo, fa izy ireny miaro anareo hatrany.”—Hebreo 13:17.

Tokony hohajaina ny mpanompo mahatoky

12, 13. Inona avy no antony lazain’ny Soratra Masina fa tokony hanajana an’ilay mpanompo?

12 Antony lehibe tokony hanajana ny mpanompo mahatoky ny hoe raha manaja azy ireo isika, dia manaja an’i Jesosy Kristy Tompo. Hoy i Paoly momba ny voahosotra: “Izay nantsoina fony izy olona afaka, dia mpanompon’i Kristy ... Voavidy ianareo.” (1 Korintianina 7:22, 23; Efesianina 6:6) Manaiky an’i Kristy Tompon’ny mpanompo mahatoky àry isika, rehefa manaiky foana ny tari-dalana omen’izy io sy ny Filan-kevi-pitantanany. ‘Manaiky an-karihary’ isika hoe “i Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray”, rehefa manaja ilay fitaovana ampiasainy hitantanana ny fananany eto an-tany.—Filipianina 2:11.

13 Misy antony hafa koa lazain’ny Soratra Masina fa tokony hanajana ny mpanompo mahatoky. Antsoiny hoe ‘tempoly’ onenan’i Jehovah “amin’ny alalan’ny fanahiny” mantsy ny Kristianina voahosotra eto an-tany. “Masina” izy ireo noho izany. (1 Korintianina 3:16, 17; Efesianina 2:19-22) Nankinin’i Jesosy tamin’io antokon’olona antsoina hoe tempoly masina io ny fananany eto an-tany. Midika izany fa natokana ho azy ireo ny fahefana sy ny andraikitra sasany eo anivon’ny fiangonana kristianina. Noho izany, dia raisintsika ho adidy masina ny manaraka sy manohana ny tari-dalana omen’ny mpanompo mahatoky sy ny Filan-kevi-pitantanany. Voninahitra lehibe ho an’ny “ondry hafa” tokoa ny manampy an’io mpanompo io hikarakara ny fananan’ilay Tompo.—Jaona 10:16.

Aoka isika hanohana hatrany an’ilay mpanompo

14. Araka ny faminanian’i Isaia, ahoana no anarahan’ny ondry hafa an’ilay mpanompo voahosotra? Nahoana izy ireo no azo lazaina fa manao asa tsy andraisan-karama?

14 Efa naminany i Isaia fa hanaiky amim-panetren-tena an’ireo voahosotra anisan’ny Israely ara-panahy ny ondry hafa. Hoy izy: “Izao no lazain’i Jehovah: Ny vokatry ny fisasaran’i Egypta sy ny tombom-barotr’i Etiopia sy ny Sabeana, olona lava tsanganana, hafindra ao aminao, ka ho anao izany; ary hanaraka anao ireo; avy aman-gadra izy ary hiankohoka handady eo anatrehanao, dia hifona aminao hoe: Ato aminao tokoa Andriamanitra; ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izy ihany.” (Isaia 45:14) Toy ny hoe manaraka an’ilay mpanompo voahosotra sy ny Filan-kevi-pitantanany ny ondry hafa, rehefa manaraka ny tari-dalana omen’izy ireo. Asa tsy andraisan-karama ilay hoe ‘fisasarana’ resahina eo. Manao asa toy izany ny ondry hafa satria manome an-tsitrapo ny heriny sy ny fananany, mba hanohanana ny asa fitoriana eran-tany, izay nankinin’i Kristy tamin’ny voahosotra mpanara-dia azy.—Asan’ny Apostoly 1:8; Apokalypsy 12:17.

15. Inona no fifandraisana misy eo amin’ny ondry hafa sy ny Israely ara-panahy, araka ny faminaniana ao amin’ny Isaia 61:5, 6?

15 Ankasitrahan’ny ondry hafa sady mahafaly azy ny manompo an’i Jehovah, eo ambany fiandraiketan’ilay mpanompo sy ny Filan-kevi-pitantanany. Eken’izy ireo fa “Israelin’Andriamanitra” ny voahosotra. (Galatianina 6:16) Toy ny “vahiny” sy “hafa firenena” miaraka amin’ny Israely ara-panahy ny ondry hafa. Faly izy ireo manompo toy ny “mpiasa tany” sy “mpamboatra tanimboaloboka” eo ambany fitarihan’ny voahosotra, izay sady “mpisoron’i Jehovah” no ‘mpanao fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitra.’ (Isaia 61:5, 6) Be zotom-po ny ondry hafa rehefa mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, sy manao mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra. Manampy an’ilay mpanompo amin’ny fony manontolo izy ireo, amin’ny fiandrasana sy fikarakarana ny ondry vaovao.

16. Nahoana ny ondry hafa no manohana hatrany ny mpanompo mahatoky sy malina?

16 Eken’ny ondry hafa fa betsaka ny soa noraisiny tamin’ny ezaka mafy nataon’ny mpanompo mahatoky, mba hanomezana sakafo ara-panahy amin’ny fotoana ilana azy. Manaiky amim-panetren-tena izy ireo fa raha tsy teo ny mpanompo mahatoky sy malina, dia zara raha nahafantatra na tsy nahafantatra mihitsy an’ireo fahamarinana sarobidy ao amin’ny Baiboly izy ireo. Anisan’izany ny zon’i Jehovah hitondra, ny fanamasinana ny anarany, ilay Fanjakana, ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao, ny fanahy sy ny momba ny maty, ary ny marina momba an’i Jehovah sy ny Zanany ary ny fanahy masina. Manohana amim-pitiavana ny voahosotra rahalahin’i Kristy eto an-tany ny ondry hafa amin’izao andro farany izao, noho ny fankasitrahana lalina azy ireo sy ny tsy fivadihana.—Matio 25:40.

17. Inona no hitan’ny Filan-kevi-pitantanana fa ilaina? Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

17 Mihavitsy ny voahosotra ka tsy afaka ny hisy voahosotra ny fiangonana rehetra, mba hitantana ny fananan’i Kristy. Izany no mahatonga ny Filan-kevi-pitantanana hanendry lehilahy avy amin’ny ondry hafa, mba ho mpiandraikitra eo anivon’ny biraon’ny sampana, ny vondrom-paritra, ny faritra, ary ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Misy ifandraisany amin’ny tsy fivadihantsika amin’i Kristy sy ny mpanompony mahatoky ve ny fomba itondrantsika an’ireny mpiandry lefitra ireny? Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Jereo ny tsipiriany momba izany ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa 2004, pejy 13-18, sy ny 1 Desambra 1992, pejy 13.

^ feh. 11 Hita ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona 1988, pejy 10-17.

Famerenana

• Iza no Mpitarika antsika? Inona no mampiseho fa mahafantatra ny zavatra mitranga eo anivon’ny fiangonana izy?

• Iza no hita fa mpanompo mahatoky rehefa narahi-maso ny “tempoly”? Inona no fananana nankinina tamin’izy ireo?

• Inona avy no antony lazain’ny Soratra Masina fa tokony hanohanana hatrany ny mpanompo mahatoky?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 23]

Anisan’ny ‘fananana’ iandraiketan’ilay “mpanompo” ny trano sy ny fitaovana, ny fandaharam-pampianarana, ary ny fitoriana

[Sary, pejy 25]

Manampy ny mpanompo mahatoky ny ondry hafa rehefa mitory amin-jotom-po