Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ekeo Amim-panetren-tena Ireo Mpiandry Be Fitiavana

Ekeo Amim-panetren-tena Ireo Mpiandry Be Fitiavana

Ekeo Amim-panetren-tena Ireo Mpiandry Be Fitiavana

“Aoka ianareo hankatò sy hanaiky an’ireo mitarika eo aminareo.” —HEBREO 13:17.

1, 2. Milazà andinin-teny mampiseho fa Mpiandry be fitiavana i Jehovah sy Jesosy.

MPIANDRY be fitiavana i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy Zanany. Hoy i Isaia: “Indro, Jehovah Tompo ho avy amin’ny heriny, ka ny sandriny ihany no hanapaka ... Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy; ny sandriny no hanangonany ny zanak’ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary horoahiny miadana ny ampianahany.”—Isaia 40:10, 11.

2 Tanteraka voalohany io faminaniana io, rehefa niverina tany Joda ny sisa tamin’ny Jiosy tamin’ny 537 T.K. (2 Tantara 36:22, 23) Tanteraka indray izy io, rehefa nanafaka ny sisa voahosotra avy tamin’i “Babylona Lehibe” i Kyrosy Lehibe, izany hoe i Jesosy Kristy, tamin’ny 1919. (Apokalypsy 18:2; Isaia 44:28) Izy no ‘sandrin’i’ Jehovah ampiasainy ho mpitondra, ary hanangona ny ondry sy hiandry azy ireo amim-pitiavana. I Jesosy mihitsy no nilaza hoe: “Izaho no mpiandry tena tsara ary fantatro ny ondriko, ary ny ondriko koa mahalala ahy.”—Jaona 10:14.

3. Ahoana no ampisehoan’i Jehovah fa tiany hoentina amim-pitiavana ny ondriny?

3 Asongadin’ilay faminaniana ao amin’ny Isaia 40:10, 11 fa miandry amim-pitiavana ny vahoakany i Jehovah. (Salamo 23:1-6) Niahy tamim-pitiavana ny mpianany sy ny olon-kafa koa i Jesosy, nandritra ny fanompoany teto an-tany. (Matio 11:28-30; Marka 6:34) Nanameloka an’ireo mpiandry na mpitarika teo amin’ny Israely i Jehovah sy Jesosy, satria nampijaly ny ondry izy ireny. Tsy menatra akory izy ireny nanao tsirambina sy nanararaotra ny andian’ondry. (Ezekiela 34:2-10; Matio 23:3, 4, 15) Nampanantena i Jehovah hoe: “Hovonjeko ny ondriko, ary tsy ho babo intsony izy, ary hotsaraiko ny adin’ny ondry amin’ny ondry namany. Ary hanangana Mpiandry iray ho azy Aho, Izy no hiandry azy, dia Davida Mpanompoko, ka Izy no hitondra azy sy ho Mpiandry azy.” (Ezekiela 34:22, 23) I Jesosy Kristy no Davida Lehibe notendren’i Jehovah ho “Mpiandry” ny mpanompony rehetra eto an-tany, amin’izao andro farany izao. Anisan’izany ny Kristianina voahosotra sy ny “ondry hafa.”—Jaona 10:16.

Fanomezana avy amin’i Jehovah ho an’ny fiangonana

4, 5. a) Inona no fanomezana sarobidy nomen’i Jehovah ny vahoakany eto an-tany? b) Inona kosa no fanomezana nomen’i Jesosy ny fiangonany?

4 Nanome fanomezana sarobidy ho an’ny fiangonana kristianina i Jehovah, rehefa nanendry an’i Jesosy Kristy ho “Mpiandry” ny mpanompony eto an-tany. Voalaza mialoha ao amin’ny Isaia 55:4 fa hanome an’io Mpitarika any an-danitra io i Jehovah. Izao no vakintsika ao: “Indro, nataoko vavolombelona ho an’ny firenena Izy, ho mpanapaka sy komandy amin’ny firenena.” Angonina avy amin’ny firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra ny Kristianina voahosotra sy ny “vahoaka be.” (Apokalypsy 5:9, 10; 7:9) Fiangonana iraisam-pirenena iray ihany izy ireo, izany hoe “andiany iray” tarihin’ny “mpiandry” iray, dia i Kristy Jesosy.

5 Nanome fanomezana sarobidy ho an’ny fiangonany eto an-tany koa i Jesosy. Nanome mpiandry lefitra mahatoky izy, mba hiandry amim-pitiavana ny andian’ondry toy ny ataon’izy sy Jehovah. Niresaka momba an’io fanomezana natao tamim-pitiavana io ny apostoly Paoly, ao amin’ny taratasiny ho an’ny Kristianina tany Efesosy. Hoy izy: “ ‘Nitondra babo izy rehefa niakatra tany amin’ny avo, ary nanolotra lehilahy ho fanomezana.’ ... Nanome ny sasany ho apostoly izy, ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho mpitory ny vaovao tsara, ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra, mba hanitsiana ny olona masina, ka hanaovany asa fanompoana, sy hanorenana ny vatan’i Kristy.”—Efesianina 4:8, 11, 12.

6. Oharina amin’ny inona ireo anti-panahy voahosotra, ao amin’ny Apokalypsy 1:16, 20? Inona koa no azo lazaina momba ireo anti-panahy anisan’ny ondry hafa?

6 Mpiandraikitra na anti-panahy tendren’i Jehovah sy ny Zanany amin’ny alalan’ny fanahy masina ireny “lehilahy ho fanomezana” ireny. Natao hiandry amim-pitiavana ny ondry izy ireo. (Asan’ny Apostoly 20:28, 29) Lehilahy kristianina voahosotra daholo izy ireo tamin’ny voalohany. Ao amin’ny Apokalypsy 1:16, 20, dia oharina amin’ny “kintana” na ‘anjely’ eny an-tanana ankavanan’i Kristy ny anti-panahy teo anivon’ny fiangonana voahosotra. Midika izany fa eo ambany fahefany izy ireo. Mihena foana anefa ny isan’ny mpiandraikitra voahosotra eto an-tany amin’izao andro farany izao, ka anisan’ny ondry hafa ny ankamaroan’ny anti-panahy. Azo lazaina hoe eny an-tanana ankavanan’i Jesosy Kristy, ilay Mpiandry Tena Tsara, koa anefa izy ireo, izany hoe eo ambany fahefany. Nahoana? Satria manaraka ny tari-dalan’ny fanahy masina ny solontenan’ny Filan-kevi-pitantanana, rehefa manendry azy ireny. (Isaia 61:5, 6) Tokony hiara-miasa akaiky amin’ny anti-panahy eo anivon’ny fiangonantsika isika, satria manaiky an’i Kristy Lohan’ny fiangonana, izy ireny.—Kolosianina 1:18.

Fankatoavana sy fanekena

7. Araka ny torohevitra nomen’ny apostoly Paoly, ahoana no tokony hitondrantsika ny mpiandraikitra kristianina?

7 Mitaky ny hankatoavantsika sy hanekentsika an’ireo mpiandry lefitra nomeny andraikitra eo anivon’ny fiangonana i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy, izay samy Mpiandry antsika any an-danitra. (1 Petera 5:5) Nahazo herin’ny fanahy masina ny apostoly Paoly mba hanoratra toy izao: “Tsarovy ireo mitarika eo aminareo, dia ireo nilaza ny tenin’Andriamanitra taminareo. Ary rehefa mandinika ny iafaran’ny fitondran-tenany ianareo, dia tahafo ny finoany. Aoka ianareo hankatò sy hanaiky an’ireo mitarika eo aminareo, fa izy ireny miaro anareo hatrany toy ny olona mbola hatao ampamoaka, mba hanaovany izany amim-pifaliana fa tsy amim-pisentoana, fa tsy hahasoa anareo izany.”—Hebreo 13:7, 17.

8. Inona no asain’i Paoly ‘dinihintsika’? Inona no toe-tsaina tokony hananantsika, rehefa mankatò ny anti-panahy isika?

8 Mariho fa asain’i Paoly “mandinika” na mijery tsara ny vokatry ny fitondran-tena tsaran’ny anti-panahy isika, ary asainy manahaka ny finoan’izy ireo. Mampirisika antsika hankatò sy hanaiky ny tari-dalan’ireo lehilahy voatendry ireo koa izy. Nanazava i Richard France, manam-pahaizana momba ny Baiboly, fa ilay teny grika nadika hoe ‘mankatò’ eo, dia tsy “ilay teny mahazatra ilazana ny fankatoavana. Midika ara-bakiteny hoe ‘resy lahatra’ izy io, ka milaza fanekena an-tsitrapo ny fitarihan’ny” anti-panahy. Mankatò ny anti-panahy isika, tsy satria fotsiny hoe asain’ny Tenin’Andriamanitra manao izany, fa noho isika resy lahatra koa fa tena te hampandroso ny asan’ilay Fanjakana izy ireo, ary miahy izay hahasoa antsika. Azo antoka fa ho faly isika, raha manaiky an-tsitrapo ny fitarihan’izy ireo.

9. Nahoana isika no mila ‘manaiky’, fa tsy hoe mankatò fotsiny?

9 Ahoana anefa raha tsy resy lahatra isika hoe ny tari-dalan’ny anti-panahy no tsara indrindra amin’ny toe-javatra iray? Amin’izay indrindra isika no mila manaiky. Mora mantsy ny mankatò, rehefa azontsika tsara ny zava-drehetra ary miombon-kevitra amin’ny anti-panahy isika. Hita hoe tena manaiky anefa isika, raha tsy manohitra fa manaraka ilay tari-dalana omena, na dia tsy azontsika tsara aza ilay izy. Izany no nataon’i Petera, izay lasa apostoly tatỳ aoriana.—Lioka 5:4, 5.

Antony efatra hiarahana miasa amin’ny anti-panahy

10, 11. Ahoana no nataon’ireo mpiandraikitra tamin’ny taonjato voalohany, mba ‘hilazana ny tenin’Andriamanitra’ tamin’ny Kristianina hafa? Ahoana no anaovan’izy ireo izany ankehitriny?

10 Manome antony efatra tokony hankatoavantsika sy hanekentsika ny mpiandraikitra kristianina ny apostoly Paoly, ao amin’ny Hebreo 13:7, 17 izay efa hitantsika teo aloha. Voalohany, ‘milaza ny tenin’Andriamanitra’ amintsika izy ireo. Tadidio fa nanolotra “lehilahy ho fanomezana” ho an’ny fiangonana i Jesosy, mba “hanitsiana ny olona masina.” (Efesianina 4:11, 12) Nampiasa mpiandry lefitra nahatoky izy, mba hanitsiana ny toe-tsaina sy ny fitondran-tenan’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Nahazo herin’ny fanahy masina ny sasany tamin’ireny mpiandry ireny, mba hanoratra taratasy ho an’ny fiangonana. Nampiasa an’ireny mpiandraikitra voahosotry ny fanahy ireny i Jesosy, mba hitari-dalana sy hampahery ny Kristianina tamin’izany andro izany.—1 Korintianina 16:15-18; 2 Timoty 2:2; Titosy 1:5.

11 Mampiasa ny “mpanompo mahatoky sy malina” i Jesosy ankehitriny, mba hitari-dalana antsika. Ny Filan-kevi-pitantanana sy ny anti-panahy voatendry no solontenan’izy io. (Matio 24:45) Manaja an’i Jesosy Kristy, ilay “mpiandry lehibe indrindra”, isika ka manaraka ny torohevitr’i Paoly hoe: “Asio fiheverana ireo miasa mafy eo aminareo, sy mitondra anareo ao amin’ny Tompo ary mananatra anareo.”—1 Petera 5:4; 1 Tesalonianina 5:12; 1 Timoty 5:17.

12. Ahoana no ataon’ireo mpiandraikitra, mba ‘hiarovana antsika hatrany’?

12 Faharoa, miara-miasa amin’ny mpiandraikitra kristianina isika, satria ‘miaro antsika hatrany’ izy ireo. Mailaka izy ireo manome ny torohevitra ilaina mba hanitsiana antsika, raha toa ka hitany hoe misy tsy mety amin’ny toe-tsaintsika na ny fitondran-tenantsika, ka mety hanimba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. (Galatianina 6:1) Midika ara-bakiteny hoe “tsy matory” ilay teny grika nadika hoe ‘miaro hatrany.’ Midika hoe “mailo tsara foana toy ny ataon’ny mpiandry ondry” izy io, hoy ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly. Marina fa mailo foana ny anti-panahy, nefa tena mety tsy hahita tory koa izy ireo, noho ny fiahiany izay hahasoa antsika eo amin’ny lafiny ara-panahy. Koa moa ve isika tsy tokony hiara-miasa an-tsitrapo amin’ireo mpiandry lefitra ireo, izay miezaka mafy mba hiahy amim-pitiavana ny ondry toy ny nataon’i Jesosy Kristy, “ilay mpiandry ondry lehibe”?—Hebreo 13:20.

13. Hampamoahin’iza ireo mpiandraikitra sy ny Kristianina rehetra? Arakaraka ny inona no hampamoahana azy ireo?

13 Fahatelo, miara-miasa an-tsitrapo amin’ireo mpiandraikitra isika, satria miaro antsika hatrany “toy ny olona mbola hatao ampamoaka” izy ireo. Tadidin’izy ireo fa mpiandry lefitra izy ireo, izany hoe manompo eo ambany fahefan’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy, izay Mpiandry any an-danitra. (Ezekiela 34:22-24) I Jehovah no Tompon’ny ondry, izay “novidiny tamin’ny ran’ny Zanany”, ka hampamoahiny ireo mpiandraikitra voatendry, arakaraka ny fomba itondrany ny andian’ondriny. Tokony “hiantra” azy ireny mantsy izy ireo. (Asan’ny Apostoly 20:28, 29) Noho izany, dia samy hampamoahin’i Jehovah isika rehetra, arakaraka ny fomba andraisantsika ny tari-dalana omeny. (Romanina 14:10-12) Porofon’ny fanekentsika an’i Kristy Lohan’ny fiangonana koa ny fankatoavantsika ny anti-panahy voatendry.—Kolosianina 2:19.

14. Inona no mety ‘hampisento’ ny mpiandraikitra kristianina? Inona no ho vokatr’izany?

14 Inona kosa ny antony fahefatra nolazain’i Paoly fa tokony hanekentsika amim-panetren-tena ny mpiandraikitra kristianina? Hoy izy: “Mba hanaovany izany amim-pifaliana fa tsy amim-pisentoana, fa tsy hahasoa anareo izany.” (Hebreo 13:17) Manana andraikitra mavesatra ny anti-panahy. Anisan’izany ny fampianarana, ny fiandrasana ondry, ny fitarihana ny fitoriana, ny famelomana ankohonana, ary ny fandaminana olana eo anivon’ny fiangonana. (2 Korintianina 11:28, 29) Vao mainka hanampy trotraka an’izany enta-mavesatra izany isika, raha tsy miara-miasa amin’izy ireny. ‘Hisento’ izy ireo raha izany no mitranga. Tsy ho faly i Jehovah raha tsy mazoto miara-miasa amin’ny anti-panahy isika. Tsy hahasoa antsika koa izany. Hahatontosa ny adidiny amim-pifaliana kosa ny anti-panahy, raha manaja azy isika sady miara-miasa aminy. Hampisy firaisan-tsaina izany, sady handrisika ny rehetra mba hitory ilay Fanjakana amim-pifaliana.—Romanina 15:5, 6.

Ahoana no ampisehoantsika fa manaiky isika?

15. Ahoana no ampisehoantsika fa mankatò sy manaiky isika?

15 Maro ny fomba azontsika ampisehoana fa miara-miasa amin’ireo mpiandraikitra voatendry isika. Ahoana, ohatra, raha mila manova ny fandaharam-potoanantsika isika, satria novan’ny anti-panahy ny andro sy ora anaovana fivoriana alohan’ny fanompoana, noho ny toe-javatra vaovao eo amin’ny faritany? Aoka isika hiezaka hanaraka ny fandaharana vaovao ataon’izy ireo. Mety handraisantsika fitahiana tsy ampoizina izany. Ahoana indray raha mitsidika ny Fianarana Boky misy antsika ny mpiandraikitra ny fanompoana? Aoka isika handray anjara betsaka araka izay azo atao amin’ny fitoriana amin’io herinandro io. Ary ahoana raha mahazo anjara amin’ny Sekolin’ny Fanompoana isika? Tokony hiezaka mafy isika mba ho tonga sy hanao ilay anjara. Ankoatra izany, ahoana no ataontsika rehefa milaza ny mpiandraikitra Fianarana Boky fa anjarantsika ny manadio ny Efitrano Fanjakana? Aoka isika hanampy azy amin’ny fontsika manontolo, ka hanao izay vitantsika, arakaraka ny fahasalamantsika sy ny tanjatsika. Asehontsika amin’izany rehetra izany sy amin’ny fomba maro hafa, fa manaiky an’ireo lehilahy notendren’i Jehovah sy ny Zanany mba hikarakara ny andian’ondry isika.

16. Na dia misy anti-panahy manao zavatra tsy mifanaraka amin’ny toromarika aza, nahoana izany no tsy midika hoe azontsika atao ny mikomy?

16 Mety hisy anti-panahy hanao zavatra tsy mifanaraka amin’ny toromariky ny mpanompo mahatoky sy ny Filan-kevi-pitantanany indraindray. Raha manohy manao izany izy, dia tsy maintsy hampamoahin’i Jehovah, “ilay mpiandry sy mpiandraikitra” antsika. (1 Petera 2:25) Koa na misy aza anti-panahy tsy manao izay takina aminy, na manao fahadisoana, dia tsy midika izany hoe azontsika atao ny tsy mankatò. Tsy tahin’i Jehovah ny olona tsy mankatò sy mikomy.—Nomery 12:1, 2, 9-11.

Tahin’i Jehovah ireo miara-miasa an-tsitrapo amin’ny mpiandraikitra

17. Ahoana no tokony hitondrantsika an’ireo mpiandraikitra eo anivontsika?

17 Fantatr’i Jehovah Andriamanitra fa tsy lavorary ireo lehilahy notendreny ho mpiandraikitra. Mampiasa azy ireo ihany anefa izy, ary mikarakara ny vahoakany eto an-tany amin’ny alalan’ny fanahiny. Marina tokoa fa “avy amin’Andriamanitra ny hery fanampiny, fa tsy avy [amintsika]”, na anti-panahy isika, na tsia. (2 Korintianina 4:7) Tokony hisaotra an’i Jehovah àry isika, noho izay rehetra ataony amin’ny alalan’ireo mpiandraikitra mahatoky. Tokony hiara-miasa an-tsitrapo amin’izy ireo koa isika.

18. Inona no porofointsika rehefa manaiky an’ireo mpiandraikitra eo anivontsika isika?

18 Nilaza toy izao momba ireo mpiandry notendreny hikarakara ny ondriny amin’ny andro farany i Jehovah, ao amin’ny Jeremia 3:15: “Homeko mpitondra araka ny sitrapoko hianareo, izay hitondra anareo amin’ny fahalalana sy ny fahendrena.” Miezaka mafy ireo mpiandraikitra mba hanaraka izany teniny izany. Mahate hidera tokoa ny ezaka ataon’ireo anti-panahy eo amin’ny asa fampianarana sy ny fiarovana ny ondrin’i Jehovah. Enga anie isika hankasitraka foana ny asa mafy ataon’izy ireny, ka hiara-miasa aminy an-tsitrapo, ary hankatò sy hanaiky azy. Hoporofointsika amin’izany fa ankasitrahantsika i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy, izay samy Mpiandry antsika.

Famerenana

• Ahoana no nampisehoan’i Jehovah sy Jesosy Kristy fa Mpiandry be fitiavana izy ireo?

• Nahoana no ilaina ny manaiky, fa tsy hoe mankatò fotsiny?

• Ahoana avy no azontsika ampisehoana fa manaiky an’ireo mpiandraikitra isika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 27]

Manaiky ny fitarihan’i Kristy ny anti-panahy kristianina

[Sary, pejy 29]

Maro ny fomba azontsika ampisehoana fa manaiky ny mpiandry notendren’i Jehovah isika